Sorona Masina ny Alakamisy 08 aogositra 2019

Herinandro faha-18 mandavantaona

ALAKAMISY


Tononkira fidirana

Sal. 69, 2. 6


Andriamanitra ô! afaho re aho! Tompo ô, faingàna hamonjy ahy! Ianao mpitahy sy mpanafaka ahy, aza ela, ry Tompo!


Fangatahana

Tahio hatrany izahay mpanomponao, ry Tompo, ary ombao fitiavana lalandava, fa efa sambatra sy tretrika izahay manana Anao Mpahary sy Mpitantana ka havaozy ho sitrakao ny arin-tananao ary tahirizo tsy ho simba izay nohavaozinao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Bokin’i Jeremia Mpaminany

Jer. 31, 31-34


Hanao fanekena vaovao Aho, tsy hotsarovako intsony ny fahotany.

Indro avy ny andro, — teny marin’ny Tompo —, hanaovako fanekena vaovao amin’ny taranak’i Israely sy ny taranak’i Jodà: ka tsy fanekena toy ny nataoko tamin’ny razany, tamin’ny andro nitantanako azy, nitondrako azy nivoaka avy any amin’ny tany Ejipta, fanekena nivadihan’izy ireo, na dia vadiny aza Aho. Fa izao no fanekena hataoko amin’ny taranak’i Israely, rahefa afaka izany andro izany, — teny marin’ny Tompo —: Hataoko ao anatiny ny lalàko, dia sady hosoratako ao am-pony; ka ho Andriamanitr’izy ireo aho, ary izy ireo ho oloko. Tsy hisy olona hampianatra ny namany intsony, na olona hampianatra ny rahalahiny, hanao hoe: “Mahalalà ny Tompo!” Fa hahalala Ahy avokoa izy rehetra, na ny kely na ny lehibe. Satria havelako ny haratsian’izy ireo ary tsy hotsarovako intsony ny fahotany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 50, 12-13. 14-15. 18-19


Fiv.: Amorony fo madio aho, ry Andriamanitra.

Fo madio vaovao no angatahiko sy fanahy mahatoky tanteraka. Aza alana aminao aho, ry Tompoko, ny Fanahy aza esorinao amiko.
Amereno hafaliana aho ho vonjiko dia tolory fanahy tena mendrika. Ny mpanota hotoroako lalana, aminao no tsy maintsy hiverenany.
Lavinao tsotra izao ny fanatitra, toy izany ireo sorona dorana. Ny fanahy torotoro, ry Tompoko, io no sorona tianao hatolotro.


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Boky Fanisana

Fanis. 20, 1-13


Hamokatra harena ho azy ianao dia loharanon’ny ranovelona

Tamin’izany andro izany, dia tonga tao amin’ny efitra Sina, tamin’ny volana voalohany ny zanak’i Israely sy ny fiangonana rehetra, ary tao Kadesy no nitoetra ny vahoaka.

Tao no nahafatesan’i Maria sy nandevenana azy. Noho ny tsy fisian’ny rano ho an’ny fiangonana, dia nivory hiodina amin’i Môizy sy i Aarôna izy ireo. Nifanditra tamin’i Môizy ny vahoaka ka nanao hoe: “Inay anie izahay mba maty, tamin’ny nahafatesan’ny rahalahinay teo anatrehan’ny Tompo! Ahoana re no dia nitondranareo ny fiangonan’ny Tompo amin’itý efitra itý, mba hahafatesany ato, izahay sy ny biby fiompinay? Ahoana no dia nitondranareo anay niakatra avy tany Ejipta hankatý amin’itony fitoerana ratsy itony? Tsy mba tany azo hamafazana, tsy misy aviavy, na voaloboka, na ampongaben-danitra, na rano hosotroina akory.” Dia niala teo amin’ny fiangonana i Môizy sy i Aarôna, nankeo am-baravaran’ny tranolay fihaonana. Nidaboka niankohoka izy ireo, dia niseho taminy ny voninahitry ny Tompo.

Niteny tamin’i Môizy ny Tompo nanao hoe: “Alao ny tehina, ka vorionao sy i Aarôna, rahalahinao, ny fiangonana. Eo anatrehan’izy ireo ianareo, dia hiteny amin’ny vatolampy, mba hampiboiboika ny ranony izy, ka dia hampivoaka rano avy amin’ny vatolampy ho azy ireo ianao, ary hampisotroinao ny fiangonana sy ny biby fiompiny.” Dia nalain’i Môizy, araka ny nandidian’ny Tompo azy, ny tehina izay teo anatrehan’ny Tompo. Manaraka izany, novorin’i Môizy sy i Aarôna teo anoloan’ny vatolampy ny fiangonana, ka hoy i Môizy tamin’izy ireo: “Mihainoa, ry mpiodina: hampivoaka rano ho anareo amin’itý vatolampy itý va izahay?” Dia naingain’i Môizy ny tanany, ary nokapohiny indroa tamin’ny tehina ny vatolampy, ka niboika be dia be ny rano, dia nisotro avokoa ny fiangonana sy ny biby fiompiny. Fa hoy ny Tompo tamin’i Môizy sy i Aarôna: “Noho ianareo tsy nino Ahy, mba hanamasina Ahy, eo imason’ny zanak’i Israely, dia tsy hampiditra itý fiangonana itý any amin’ny tany izay omeko azy ianareo.” Izany no ranon’i Meribà izay nilan’ny zanak’i Israely ady tamin’ny Tompo, ka nanamasin-tena tamin’izy ireo Izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 94, 1-2. 6-7. 8-9


Fiv.: Enga anie ianareo anio ka mba hahaino ny feony, aza manamafy ny fonareo.

Avia mifalia ka hobio ny Tompo. Ilay vatolampy sy vonjintsika. Andeha mankeo anoloany hisaotra. Hihira sy hiantsa ary hankalaza Azy.
Avia miondreha ary miankohofa. Hitsaoka Ilay Tompo nanao antsika, fa Izy no tena Andriamanitsika, isika vahoaka sy ondry fiandriny. Hihaino Azy ve ianareo anio? Fa izao no ambarany sy lazainy.
Aza dia mafy fo toy ny tany an’efitra, toy ny tany Masà sy tany Meribà. Ny razanareo dia nitsapa Ahy! Kanefa nahita ny asa vitako.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 16, 13-23


Ianao no Piera, vatolampy, homeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra

Tamin’izany andro izany, tonga tany amin’ny faritanin’i Sezarean’i Filipo i Jesoa, dia nanontany ny mpianany hoe: “Ataon’ny olona ho iza moa ny Zanak’Olona?” Ary hoy ireo: “Ny sasany manao hoe: i Joany Batista, ny sasany i Elia, ary ny sasany i Jeremia, na ny anankiray amin’ny mpaminany.” Dia hoy i Jesoa taminy: “Fa ianareo kosa, ataonareo ho iza Aho?” Namaly i Simôna Piera ka nanao hoe: “Ianao no Kristy Zanak’Andriamanitra velona.” Dia namaly i Jesoa ka nanao taminy hoe: “Sambatra ianao, ry Simôna zanak’i Joany, fa tsy ny nofo aman-dra no nanambara izany taminao, fa ny Raiko izay any an-danitra. Ary Izaho milaza aminao fa ianao no Piera (vato), ary eo ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko ary ny vavahadin’ny afobe tsy haharesy azy. Homeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra, ka izay rehetra hofehezinao etý an-tany dia ho voafehy koa any an-danitra, ary izay rehetra hovahanao etý an-tany, dia ho voavaha koa any an-danitra.” Ary tamin’izay dia norarany ny mpianany mba tsy hilaza amin’ny olona, fa Izy no Kristy. Hatramin’izay vao noborahin’i Jesoa tamin’ny mpianany fa tsy maintsy ho any Jerosalema Izy, ary hoampijalian’ny loholona sy ny mpanora-dalàna mbamin’ny lohandohan’ny mpisorona, dia hovonoina, ary hitsangan-ko velona rahefa afaka hateloana.

Ary naka Azy hitanila kely i Piera ka niteny azy mafy hoe: “Sanatria, Tompoko, raha hihatra aminao izany!” Fa nihodina Izy ka nilaza tamin’i Piera hoe: “Mialà amiko, ry satana! manafintohina Ahy itý ianao, satria tsy mihevitra araka ny hevitr’Andriamanitra, fa araka ny an’ny olona.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Mitalaho an-tanan-androa aminao izahay, ry Tompo be indrafo, mba hamasino ireto fanatitra ireto; ary efa noraisinao ny tolotray, ka mba raiso koa izahay ho fanatitra tsy lefy mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Fah. 16, 20

Nomenao mofo avy any an-danitra izahay, ry Tompo, dia mofo manana tsiro isan-karazany no sady ankafizin’ny olona rehetra.


na hoe:

Jo. 6, 35

Izaho no mofo mahavelona, hoy ny Tompo; izay manatona Ahy tsy mba ho noana ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, ombao fitahiana lalandava ireo vao nohavaozinao tamin’ny sakafo avy any an-danitra; ary tsy mitsaha-mankahery azy Ianao, ka ataovy izay hahamendrika azy hahazo ny fanavotana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0083