Sorona Masina ny Alahady 04 aogositra 2019

ALAHADY FAHA-18 mandavantaona — D

NY VOLA NATAO HANOMPO FA TSY HOTOMPOINA

Tononkira fidirana

Sal. 69, 2. 6

Andriamanitra ô, afaho re aho! Tompo ô, faingàna hamonjy ahy! Ianao mpitahy sy mpanafaka ahy, aza ela, ry Tompo!

 

Asiana VONINAHITRA ANIE...

 

Fangatahana

Tahio hatrany izahay mpanomponao, ry Tompo, ary ombao fitiavana lalandava, fa efa sambatra sy tretrika izahay manana Anao Mpahary sy Mpitantana; ka havaozy ho sitrakao ny arin-tananao ary tahirizo tsy ho simba izay nohavaozinao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’ny Mpitoriteny Ekleziastika na Kôhelety

Ekl. 1, 2; 2, 21-23

Inona tokoa moa no azon’ny olona amin’ny asany rehetra?

Zava-poana dia zava-poana, hoy ny Mpitoriteny, zava-poana dia zava-poana! Zava-poana ny zavatra rehetra. Fa olona nanampatra, tamin’ny asany, fahendrena amam-pahalalana sy fahakingana, ka dia mamela ny vokatry ny asany, ho anjaran’ny olona tsy nisasatra tamin’izany akory: izany indray koa dia zava-poana sy loza lehibe! Inona tokoa moa, no azon’ny olona, amin’ny asany rehetra, sy amin’ny ahiahim-pony rehetra, izay nanasatra azy taty ambany masoandro? Fa ny androny, fahoriana avokoa; ny raharahany, fahasorisorenana fotsiny. Ny alina avy no tsy itsaharan’ny fony: Zava-poana ihany koa izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Salamo fandinihana

Sal. 94, 1-2. 6-7. 8-9

 

Fiv.: Enga anie ianareo anio ka mba hihaino ny feony; aza mba manamafy ny fonareo.

Avia! Ndeha isika hihoby ny Tompo, hankalaza ny Vatolampy famonjena antsika; andeha hiseho eo anoloany amin-tsaotra, hankalaza Azy amin’antsa:
Midira! Ndao hiankohoka sy hitsaoka, handohalika eo anoloan’ny Tompo nanao antsika. Fa izy no Andriamanitra; isika kosa vahoakany, ondry eo an-tanany.
Aza manamafy fo toy ny tany an’efitra, tamin’ny andro nifandirana sy nihatsiana, raha naka fanahy Ahy ny razanareo, na dia efa nahita ny asako aza.

 

VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôlôsy

Kôl. 3, 1-5. 9-11

 

Ny zavatra any ambony no katsaho amin’izay itoeran’i Kristy.

Ry kristianina havana, raha niara-nitsangana tamin’i Kristy ianareo, dia ny zavatra any ambony, amin’izay itoeran’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra no katsaho; ny zavatra any ambony no ankafizo, fa aza ny zavatry ny tany. Fa maty ianareo, ary miara-miafina amin’i Kristy ao amin’Andriamanitra ny fiainanareo; fa rehefa hiseho i Kristy izay fiainantsika, vao hiara-miseho aminy amim-boninahitra koa ianareo. Koa ataovy maty ny rantsam-batanareo dia ny an’ny ety an-tany, izany hoe: ny fijangajangana, ny fahalotoana, ny fahavetavetana, ny fanirian-dratsy, ary ny filan-dratsin’ny nofo izay fanompoan-tsampy; aza mifandainga ianareo, fa efa narianareo ny olombelona taloha mbamin’ny asany, ary efa notafînareo ny olom-baovao, izay havaozina ho amin’ny fahalalana lavorary araka ny Endrik’Ilay nahary azy, ka tsy mahalala intsony izay hoe Jentily na Jody, voafora na tsy voafora, baribarianina na Sita, mpanompo na olona afaka, fa izao ihany: i Kristy no zavatra rehetra ao amin’izy rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Miambena ary mivonòna ianareo: fa ho avy amin’ny ora tsy ampoizinareo ny Zanak’Olona.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 12, 13-21

Ho an’iza izay novorînao?

Tamin’izany andro izany, nisy olona iray tao amin’ny vahoaka nanao tamin’i Jesoa hoe: “Ry Mpampianatra, mba ilazao kely ny rahalahiko hizara ny lovanay amiko”. Fa hoy i Jesoa taminy: “Ralehilahy ô, iza moa no nanendry Ahy ho mpitsara na ho mpizara aminareo?” Ary hoy Izy tamin’ny olona: “Tandremo tsara sao azon’ny fahihirana ianareo, fa ny ain’ny olona tsy miankina amin’ny habetsahan’izay ananany”. Dia nanao fanoharana tamin’izy ireo Izy ka nanao hoe: “Nanan-tany nahavokatra be ity lehilahy mpanan-karena anankiray, ka velona eritreritra toy izao: ‘Inona re no hataoko, fa tsy manan-toerana hamoriako ny vokatro aho ity?’ Dia hoy izy: ‘Izao lahy no ndeha hataoko, horavàko ny toeram-bariko ka hanao lehibe kokoa aho, dia hangoniko ao daholo rehefa mety ho vokatro sy fananako rehetra, ary holazaiko amin’ny fanahiko hoe: Ry fanahiko, manam-pananana be ampy ho amin’ny taona maro ianao ka mialà sasatra, mihinàna, misotroa, manaova fihinanambe’. Fa hoy kosa Andriamanitra taminy: ‘Ry adala, anio alina ihany dia halana aminao ny fanahinao, ka ho an’iza àry izay novorînao?’ Toy izany ny olona izay manangon-karena ho an’ny tenany ihany, fa tsy mba mihary eo amin’Andriamanitra”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Asiana IZAHO MINO...

 

Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, amin’izao andro ampahatsiarovana antsika ny tena zava-dehibe anton’ny fiainana izao, dia akambano ny fontsika hivavaka mba hitarihan’Andriamanitra ny olombelona hikatsaka ny tena soa tokony hokendrena mandrakariva.

Valy: Tompo ô, henoy izahay miantso Anao, (na Aleloia)
Mba ekeo ny vavakay mitalaho (na Aleloia).

* Adidin’ny Eglizy ny mampahatsiaro ny olombelona sy manoro azy ny marina mandrakizay; koa mivavaha ho an’ireo tompon’andraikitra voalohany amin’izany dia ny Papa sy ny Eveka ary ny Pretra.
* Mivavaha ho an’ireo manana adidy sarotra tanterahina, ny mpamory hetra sy ny mpandamina ny fiainam-bahoaka, mba hampian’Andriamanitra izy ho tsara fo lalandava sy hitandro ny fahamarinana.
* Mivavaha ho an’ireo mahantra izay mangetaheta fahasambarana, mba hanampian’Andriamanitra azy hankamamy ny soa tena izy, ary handre fa tia azy manokana ny Tompo.
* Mivavaha mba tsy ho very ao amin’ny tabataba ny feon’Andriamanitra, fa mba ho tia fahanginana izao tontolo izao, hisy handrenesana tsara ny tenin’ny Tompo.
* Amin’izao fiafaran’ny taom-pianarana sy fiatrehana ny fanalana fanadinana izao, dia mivavaha ho an’ny mpianatra sy ny mpampianatra, mba hody ventiny ny rano nantsakainy, ka hisy vokany izay nisasarany.

 

— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.

 

Tompo ô, sakano izahay tsy hiraiki-po amin’ny harena ety an-tany, ary tsy hiantehitra amin’ny mandalo fotsiny fa hikendry ny Fanjakanao sy hametraka ny rakitray sy ny fonay any amin’ny mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Vavaka Fanolorana

Mitalaho an-tanan-droa aminao izahay, ry Tompo be indrafo, mba hamasino ireto fanatitra ireto; ary efa noraisinao ny tolotray, ka mba raiso koa izahay ho fanatitra tsy lefy mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy: Alahady tsotra V, ohatra.

 

Kômonio

Fah. 16, 20

Nomenao mofo avy any an-danitra izahay, ry Tompo, dia mofo manana tsiro isan-karazany no sady ankafizin’ny olona rehetra.

 

na hoe:

Jo. 6, 35

Izaho no Mofo mahavelona, hoy ny Tompo; izay manatona Ahy tsy mba ho noana, ary izay mino Ahy tsy mba hangetaheta.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, ombao fitahiana lalandava ireo vao nohavaozinao tamin’ny sakafo avy any an-danitra; ary tsy mitsaha-mankahery azy Ianao, ka ataovy izay hahamendrika azy hahazo ny fanavotana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Tomponay. Amen.

 

                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0721