Sorona Masina ny Talata 30 jolay 2019

Herinandro faha-17 mandavantaona

TALATA

 

Tononkira fidirana

Sal. 67, 6-7. 36

 

Andriamanitra ao amin’ny toerany masina; mampiditra ny olony ao an-tranony, manome hery sy tanjaka ny vahoakany.

 

Fangatahana

Andriamanitra ô, Ianao no vonjin’izay miankina aminao ary raha tsy Ianao, tsy misy na inona na inona vanona na masina; koa noho ny famindram-ponao tsy misy fetra dia tahio izahay mampiasa ny zava-mandalo eto an-tany mba tsy ho very anjara amin’ny harena mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Bokin’i Jeremia Mpaminany

Jer. 14, 17-22

 

Tsarovy fa aza tsoahina ny fanekenao taminay.

Hoy ny Tompo tamiko: “Lazao azy ireo izao teny izao: Ny masoko handrotsa-dranomaso andro aman’alina tsy tapaka, fa ny virjiny zanakavavin’ny vahoaka, dia efa hiharan-doza lehibe, sy fery mampanaintaina fatratra. Raha mankany an-tsaha aho, dia indreto olona voagorobaky ny sabatra; raha miditra ao an-tanàna, dia intý ny fahoriana avy amin’ny mosary. Ny mpaminany ama-mpisorona avy no mirenireny any amin’ny tany tsy fantany.”

Ary hoy izy ireo: “Tompo ô, dia narianao avokoa va i Jodà? Efa naharikoriko ny fanahinao va i Siôna? Nahoana no dia kapohinao tsy manam-pahasitranana izahay? Niandry fiadanana izahay nefa tsy misy soa kely akory. Niandry fotoam-pahasitranana, kanjo fampitahorana no mitranga. Ry Tompo ô, miaiky ny haratsianay izahay, sy ny heloky ny razanay; fa nanota taminao izahay. Noho ny Anaranao, aza dia atao tsinontsinona, aza dia hamavoina ny seza fiandrianan’ny voninahitrao. Tsarovy fa aza tsoahina ny fanekenao taminay. Mba misy mahalatsaka orana va ny sampy foanan’ny firenena? sa ny lanitra no manome ny ranonorana? Fa tsy Ianao ihany, ry Tompo Andriamanitray? Koa Ianao no antenainay, satria Ianao no manao izany rehetra izany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 78, 8. 9. 11. 13

 

Fiv.: Afaho izahay, ry Tompo, noho ny Anaranao.

Aza dia tsarovana hamelezana anay ireo helokay fahiny;
ny indrafonao atsena anay faingana: fa reraka loatra izahay!
Vonjeo izahay, ry Andriamanitra Mpamonjy; noho ny Voninahitrao!
Afaho izahay, avelao ny otanay noho ny Anaranao!
Aoka ho tody eo anoloanao ny senton’ireo mpigadra!
Araka ny halehiben’ny sandrinao, afaho ireo voatondro hovonoina!
Ary izahay olonao sy ondry fiandrinao dia hisaotra Anao mandrakizay,
ary hitanisa ny fiderana Anao amin’ny taranaka mifandimby.

 

Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Boky Eksaody

Eks. 33, 7-11 ; 34, 5b-9. 28

 

Niteny nifanatrika tamin’i Môizy ny Tompo.

Tamin’izany andro izany, dia nalain’i Môizy ny trano lay, ka naoriny eo ivelan’ny toby, lavidavitra ihany; nataony hoe: “Ny trano lay fihaonana” no anarany; ary na zovy na zovy nitady ny Tompo dia nankeo amin’ny trano lay fihaonana teo ivelan’ny toby. Nony injay miainga i Môizy ho ao an-trano lay fihaonana, ny vahoaka rehetra kosa samy mitsangana eo am-baravaran’ny lay manara-maso an’i Môizy mandra-pidiny ao an-trano lay. Raha vao tafiditra ao an-day i Môizy, ny andry rahona midina mijanona eo anoloan’ny trano lay, ary ny Tompo miresaka amin’i Môizy. Mahita ny andry rahona mijanona eo anoloan’ny trano lay ny vahoaka rehetra ary samy miankohoka eo am-baravaran’ny lainy avy. Ary ny Tompo miresaka mifanatrika amin’i Môizy, mova tsy ny olona miresaka amin’ny sakaizany. Rahefa izany dia miverina mankany amin’ny toby i Môizy, fa i Jôsoe zanak’i Nôna, ilay zatovolahy mpanompony, tsy mba niala tao afovoan’ny trano lay.

Ary niantso ny anaran’ny Tompo i Môizy. Ary nandalo teo anatrehany ny Tompo sady niantso hoe: “Ny Tompo! Ny Tompo! Andriamanitra mamindra fo sy miantra, maharipo sy be hatsaram-po amam-pahamarinana; mitahiry ny fitiavany hatramin’ny taranaka faharivo, mamela heloka amam-pikomiana sy fahotana, nefa tsy avelany ho afa-maina ireny, fa ny heloky ny ray valiany amin’ny zanaka sy ny zafy, hatramin’ny taranaka fahatelo sy fahefatra.” Niondrika tamin’ny tany niaraka tamin’izay i Môizy, dia niankohoka nanao hoe: “Raha nahita fitia teo imasonao aho, ry Tompo, aoka re mba hiaraka aminay ny Tompo, fa vahoaka mafy hatoka itý. Avelao ny heloka amam-pahotanay, ary raiso ho lovanao izahay.” Efapolo andro sy efapolo alina i Môizy no tao amin’ny Tompo tao; tsy nihina-mofo na nisotro rano akory. Ary nosoratan’ny Tompo tamin’ireo takelaka ny tenin’ny fanekem-pihavanana, dia ny Teny folo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 102, 6-7. 8-9. 10-11. 12-13

 

Fiv.: Mpamindra fo sy mpiantra ny Tompo.

Manome rariny ny Tompo; omeny hitsiny izay ampahoriana rehetra. Nampahafantatra ny Lalàny an’i Môizy Izy, sy ny asany vaventy... ny zanak’i Israely.
Mpamindra fo sy mpiantra ny Tompo; tsy malaky tezitra ary be hatsaram-po. Tsy mba lalandava no ifandaharany, na mandrakizay no irehetan’ny Fony.
Tsy araka ny otantsika no ataony antsika; na araka ny helotsika no avaliny antsika. Fa tahaka ny haavon’ny Lanitra ambonin’ny tany, no haben’ny hatsaram-pony amin’izay matahotra Azy.
Tahaka ny ifanalaviran’ny atsinanana sy andrefana, no analavirany amintsika ny hadisoantsika. Tahaka ny fangoraky ny ray ny zanany, no angorahan’ny Tompo an’izay matahotra Azy.

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Niteraka antsika an-tsitra-po tamin’ny fahamarinana ny Ray; mba ho santatry ny zava-boaariny isika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 13, 36-43

 

Tahaka ny anangonana ny ahi-dratsy sy andorana azy amin’ny afo no hatao raha mby amin’ny fahataperan’izao tontolo izao.

Tamin’izany andro izany, nony efa nampody ny vahoaka i Jesoa dia mba nody, ary nanatona Azy ny mpianany nanao hoe: “Lazao anay ny hevitry ny fanoharana ny amin’ny ahi-dratsy.” Ary i Jesoa namaly ka nilaza taminy hoe: “Ny mpamafy ny voa tsara dia ny Zanak’Olona; ny tanimbary dia izao tontolo izao; ny voa tsara dia ny zanaky ny Fanjakana; ny ahi-dratsy dia ny zanak’ilay Ratsy; ny fahavalo izay namafy azy, dia ny demony; ny taom-pijinjana, dia ny fahataperan’izao tontolo izao; ary ny mpijinja, dia ny Anjely. Tahaka ny anangonana ny ahi-dratsy sy andorana azy amin’ny afo no hatao raha mby amin’ny fahataperan’izao tontolo izao. Haniraka ny Anjeliny ny Zanak’Olona, ary ireo dia hanangona sy hamoaka ny mpanafintohina sy ny mpanao ratsy rehetra hiala amin’ny Fanjakany, ka hanipy azy ao amin’ny memy mirehitra: any no hisy fitomaniana sy fikitroha-nify. Amin’izany kosa ny olo-marina dia hamirapiratra tahaka ny masoandro any amin’ny Fanjakan’ny Rainy. Aoka hihaino izay manan-tsofina hihainoana.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, mba raiso ny tolotray fa avy aminao mazava fo sy malala-tanana ka noho ny herin’ny fahasoavanao, enga anie itý mistery itý hanamasina anay eto anivon’ny fiainana ankehitriny ary hitondra anay any amin’ny hasambarana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Kômonio

Sal. 102, 2

Isaory ny Tompo, ry fanahiko, aza misy hadinoina ny soa avy aminy.

 

na hoe :

Mt. 5, 7-8

Sambatra ny mamindra fo, fa hamindràna fo. Sambatra ny mahitsy fo, fa hahita an’Andriamanitra.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, avy nandray ny Kômonio masina fahatsiarovana ny fijalian’ny Zanakao izahay, koa mihanta aminao: enga anie hitondra vonjy ho anay izany fanomezana izany fa avy amin’Ilay fatra-pitia anay.

Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0229