Sorona Masina ny Alahady 28 jolay 2019

ALAHADY FAHA-17 mandavantaona — D

IZAY MIVAVAKA TSARA, MIVAVAKA AMIM-PITOKIANA SY FAHARETANA

Tononkira fidirana

Sal. 67, 6-7. 36

Andriamanitra ao amin’ny toerany masina; mampiditra ny olony no an-tranony, manome hery sy tanjaka ny vahoakany.


Asiana VONINAHITRA ANIE...


Fangatahana

Andriamanitra ô, Ianao no vonjin’izay miankina aminao, ary raha tsy Ianao, tsy misy na inona na inona vanona na marina; koa noho ny famindram-ponao tsy misy fetra dia tahio izahay mampiasa ny zava-mandalo eto an-tany mba tsy ho very anjara amin’ny harena mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky Jenezy

Jen. 18, 20-32

Enga anie ka tsy hahatezitra Anao, Tompo, raha mbola miteny aho.

Nitsangana handeha ho any Sôdôma ireo lehilahy telo nitsidika an’i Abrahama. Ary hoy ny Tompo: “Mafy loatra ny fitarainana miakatra avy amin’i Sôdôma sy i Gômôra, ary lehibe indrindra ny fahotan’izy ireo. Koa hidina Aho ary hizaha raha efa feno tokoa ny halehiben’ny fahotany araka ny fitarainana tonga hatraty amiko, ary raha mbola tsy feno dia ho hitako”. Niainga ireo lehilahy roa ka nandeha nankany Sôdôma; fa i Abrahama kosa mbola nijanona teo anatrehan’ny Tompo ihany. Ary nanatona i Abrahama ka nanao hoe: “Hataonao maty miaraka amin’ny meloka koa va ny marina? Angamba hisy olo-marina dimampolo ao an-tanàna ao, ka hovonoinao koa va ireny? Ary tsy hamindranao fo va ny tanàna noho ireo olo-marina dimampolo ireo, raha misy izany tokoa ao? Sanatria Anao izay hanao izany, ka hamono ny marina miaraka amin’ny meloka. Sahala izany ny hahazo ny marina sy ny meloka! Sanatria Anao izany. Mpitsara ny tany rehetra ve ka tsy hitsara marina?”

Hoy ny Tompo: “Raha mahita olo-marina dimampolo ao an-tanàna Sôdôma Aho, dia hamindra fo amin’ny tanàna manontolo noho ny fitiavako ireo”. Fa hoy indray i Abrahama: “Indro efa sahy niteny tamin’ny Tompo aho, izaho vovoka sy lavenona foana. Angamba ho latsaka dimy ny dimampolo marina; ka dia haringanao ve ny tanàna manontolo, noho ny dimy?” Hoy Izy: “Tsy handringana azy Aho, raha mahita olo-marina dimy amby efapolo ao”. Dia mbola niteny taminy ihany i Abrahama, ka nanao hoe: “Angamba ho efapolo ny olo-marina ao”. Ary hoy Izy: “Tsy hanao izany Aho, noho ny fitiavako an’izy efapolo ireo”. Ary hoy i Abrahama: “Enga anie ka tsy hahatezitra ny Tompo, raha mbola miteny aho: Angamba telopolo izy no ho hita ao”. Dia hoy Izy: “Tsy hanao izany Aho raha telopolo no hitako ao”. Hoy i Abrahama: “Indro efa sahy niteny tamin’ny Tompo aho, angamba roapolo izy no ho hita ao”. Ary hoy Izy: “Tsy handringana ny tanàna Aho raha roapolo izy”. Hoy i Abrahama: “Enga anie ka tsy ho tezitra ny Tompo, fa tsy hiteny intsony afa-tsy ity indray mandeha ity aho: Angamba folo izy no ho hita ao”. Dia hoy Izy: “Tsy handringana azy Aho noho ireo folo ireo”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 137, 1-2a. 2bd-3. 6-7ab. 7d-8.


Fiv.: Ny andro iantsoako, mamaly Ianao, ry Tompo.

Midera Anao amin’ny foko tontolo aho, satria Ianao mihaino ny tenin’ny vavako; miantsa Anao eo anatrehan’ny Anjely aho, miankohoka mitodika ny Tempolinao.
Midera ny Anaranao masina, ry Tompo, noho ny fitiavanao sy ny fahamarinanao: nasehonao ho lehibe ny Anaranao, sy ho ambonin’ny voaary rehetra ny teninao.
Raha mamindra eo afovoan’ny rafiko aho, Ianao no miaro ny aiko; rehefa misafoaka ny fahavaloko, ny tananao mitsotra mamonjy ahy.
Ny Tompo no mpamaly izay ratsy atao ahy. Mandrakizay ny fitiavanao, ry Tompo: aza atsahatra ny efa ataon’ny tananao.


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôlôsy

Kôl. 2, 12-14


Novelominy niaraka taminy indray ianareo, nony efa navelany ny fahotanareo rehetra.

Ry kristianina havana, niara-nilevina tamin’i Kristy tamin’ny Batemy ianareo, ary niara-nitsangana taminy tamin’ny Batemy ihany koa, noho ny finoanareo ny herin’Andriamanitra izay nanangana Azy ho velona. Koa ianareo izay matin’ny fahotanareo sy ny tsy fiforàn’ny vatanareo, dia novelomin’Andriamanitra niaraka taminy indray, nony efa navelany ny fahotantsika rehetra. Fa novonoiny ny sora-tanan’ny didy niampanga antsika sy namely antsika, sady nesoriny tsy hisy intsony aza izany, tamin’ny nanomboany Azy tamin’ny Hazofijaliana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana hamasino amin’ny fahamarinanao izahay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 11, 1-13

Mangataha dia homena ianareo.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nivavaka tao amin’ny toerana iray, ka nony nitsahatra Izy dia hoy ny mpianany anankiray taminy: “Mba ampianaro hivavaka izahay, Tompoko, tahaka ny nampianaran’i Joany ny mpianany”. Ary hoy Izy taminy: “Raha mivavaka ianareo, manaova hoe: Ray ô, hohamasinina anie ny Anaranao. Ho tonga anie ny Fanjakanao. Omeo anay anio ny hanina ilainay isan’andro. Avelao ny fahotanay, fa izahay koa mamela izay rehetra nanao ratsy taminay. Ary aza avelanao ho resin’ny fitaoman-dratsy izahay”.

Dia hoy indray koa Izy taminy: “Raha misy aminareo manan-tsakaiza mankao aminy misasaka alina ka manao aminy hoe: ‘Ry sakaiza, ampisambory mofo telo aho, fa misy sakaizako nandeha nivahiny ka tonga ao amiko, nefa tsy manan-katolotra azy aho’; ary ilay ao an-trano kosa hamaly ka hanao hoe: ‘Aza manahirana ahy, fa ny varavarana efa mihidy; izaho sy ny zanako efa tafandry ka tsy afaka hifoha hanome anao aho’. Lazaiko marina aminareo, fa raha maharitra mandondòna izy, na dia tsy hifoha hanome azy noho ny fisakaizany aza ilay ao an-trano, dia hifoha hanome izay ilainy noho ny fanaovany lemozy. Ary hoy Izaho aminareo: Mangataha, dia homena ianareo; mitadiava, dia hahita; mandondòna, dia hovohaina. Fa izay rehetra mangataka no mahazo; izay mitady no mahita, ary izay mandondòna no vohaina. Iza aminareo no ray hanome vato ny zanany, raha mofo no angatahiny, na hanome bibilava azy, raha hazandrano no angatahiny, na hanome maingoka azy raha atody no angatahiny? Koa raha ianareo, na dia ratsy toy inona aza, mahalala manome zava-tsoa ny zanakareo, tsy mainka va ny Rainareo izay any an-danitra no hanome ny Fanahy Masina ho an’izay mangataka aminy?”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, amin’izao ranombavaka izao mangataha amin’Andriamanitra isika hampianariny mivavaka sy hohereziny haharitra mivavaka, mba hohamasinina ny Anarany, ho tanteraka ny sitra-pony, ary ho tonga ny Fanjakany ety an-tany.

Valy: Ampidino ao aminay ny Fanahinao, ry Tompo ô!

* Mivavaha ho an’ny Eglizy mba hahaizany mampahatsiaro ny olombelona fa ilaina ny mivavaka: midera an’Andriamanitra sy mitalaho ny famindram-pony, fa mila ho revon’ny hitan’ny maso sy ny tsapan’ny tanana izao tontolo izao.
* Mivavaha ho an’ny ray aman-drenim-pianakaviana sy ny mpampianatra katesizy rehetra, mba ho hainy ampianarina mivavaka ireo ananany adidy, ka ho zatra hiresaka amim-pitiavana amin’Ilay Raintsika any an-danitra.
* Mivavaha ho an’ireo manao laretirety sy fihatahana masina samihafa; mba hahaizany mihaino an’Andriamanitra sy miteny aminy tokoa toy ny zanaka tiana sady tia.
* Ny fivoriantsika isan’alahady toy izao dia fivoriana hitomboan’ny fifankatiavana, fivoriana hivavahana sy hisaorana an’Andriamanitra; koa angataho mba ho toy ny santatry ny lanitra ho antsika izao fiangonantsika izao.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana na eran-tany.


Ry Andriamanitra Rainay ô, enga anie ny Fanahy Masina handrisika ny fonay hivavaka marina ka hanatonanay Anao, ary hanoro izay tokony hangatahina sy hatao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, mba raiso ny tolotray fa avy aminao mazava fo sy malala-tanana; ka noho ny herin’ny fahasoavanao, enga anie ity mistery ity hanamasina anay eto anivon’ny fiainana ankehitriny ary hitondra anay any amin’ny hasambarana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Alahady tsotra VII, ohatra.


Kômonio

Sal. 102, 2

Isaory ny Tompo, ry fanahiko, aza misy hadinoina ny soa avy aminy.


na hoe:

Mt. 5, 7-8

Sambatra ny mamindra fo, fa hamindrana fo. Sambatra ny mahitsy fo, fa hahita an’Andriamanitra.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, avy nandray ny Kômonio masina fahatsiarovana ny fijalian’ny Zanakao izahay, koa mihanta aminao: enga anie hitondra vonjy ho anay izany fanomezana izany fa avy amin’Ilay fatra-pitia anay.

Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0081