Sorona Masina ny Alakamisy 25 jolay 2019

25 Jolay

Md. JAKÔBA, Apôstôly

(+ 42/43)

 

Fankalazana

I Md. Jakôba ankalazaina anio, dia ilay Apôstôly zanak’i Zebede sy i Maria Salôme, sy rahalahin’i Md. Joany ary zafin’ny mpirahavavy amin’i Jesoa Kristy. Fanjonoana tao amin’ny farihin’i Genezareta no asany niaraka tamin-dry Piera sy André izay mpanarato toa azy sy samy nantsoin’ny Tompo koa tatý aoriana ho “mpanarato olona”. Antsoina hoe Jakôba “zokiny” izy, satria voaantso talohan’ilay Jakôba zanak’i Alphée izay atao hoe “Jakôba zandriny” kosa.
I Md. Jakôba no anisan’ny Apôstôly tsy nahafoy an’i Jesoa indrindra: hany ka vavolombelona nahita maso ny nitsanganan’ilay zanakavavin’i Jaira ho velona sy ny niovan’ny Tompo tarehy. Izy no voalohany tamin’ny Apôstôly nandatsaka ny rany noho ny Evanjely fa tsy ampy folo taona taorian’ny niakaran’i Jesoa Kristy any an-danitra dia maty martiry izy. Didin’ny mpanjaka Herôda Agripà no nampisambotra azy sy nampanapa-doha azy tamin’ny taona 44.
Angataho aminy mba hahay manetry tena isika, ary tsy ho revo be loatra amin’izay voninahitra ara-nofo, mba ho vonona hahafoy ny aina ho an’ny finoana.

 

Tononkira fidirana

Mt. 4, 18-21

Nandalo teny amoron-dranomasin’i Galilea i Jesoa, ary nahita an’i Jakôba sy i Joany mirahalahy, zanak’i Zebede nanamboatra ny haratony, ka niantso azy ireo.

 

Asiana Voninahitra anie …

 

Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, ny ran’i Md. Jakôba no nisantaranao ny ra nafoin’ny Apôstôly; koa mihanta aminao izahay: aoka ny Eglizinao mba hohamafisin’ny finoana nasehony ary mba hivavahany hiroborobo lalandava.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay ... Amen.

 

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto

2 Kôr. 4, 7-15

 

Entinay amin’ny vatanay lalandava ny fahafatesan’i Jesoa.

Ry kristianina havana, siny tany no itondranay ny rakitry ny fahasoavan’Andriamanitra, mba hiharihary fa avy aminy ny halehiben’ny herin’ny Evanjely, fa tsy avy aminay. Poritina hatraiza hatraiza izahay, nefa tsy tery; ampahorìna, nefa tsy mamoy fo; enjehina, nefa tsy afoy; azera, nefa tsy toro; entinay amin’ny vatanay lalandava ny fahafatesan’i Jesoa, mba hisehoan’ny fiainan’i Jesoa amin’ny vatanay koa. Fa na dia velona aza izahay, dia atolotra ho amin’ny fahafatesana mandrakariva noho ny amin’i Jesoa mba hisehoan’ny fiainan’i Jesoa amin’ny nofonay mety maty. Koa ny fahafatesana no miasa ao aminay, fa ny fiainana kosa ao aminareo. Noho izahay manana ilay Fanahin’ny finoana voasoratra hoe: “Nino aho ka niteny”, dia mino koa izahay, ka miteny. Satria fantatray fa izay nanangana an’i Jesoa Tompo ho velona, dia hanangana anay miaraka amin’i Jesoa koa, sy hanolotra anay aminy miaraka aminareo. Fa noho ny aminareo no anaovana izany rehetra izany, mba homena be ny fahasoavana, ka hitombo be ny fisaoran’ny maro ho voninahitr’Andriamanitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Salamo fandinihana

Sal. 125, 1-2ab. 2de-3. 4-5. 6

 

Fiv.: Izay mamafy amin-dranomaso, mijinja amin-kafaliana.

Raha nampody ny babo nankao Siôna Izy Tompo, mova tsy ohatra ny olona lasa nofy izahay! Tolatolaky ny hehy aoka izany erý tamin’izay. Tsy niato ny hira sy kalo teo am-bavanay!
Takoritsika re izao nataon’ireo firenena: «Fa mba lalina indray itý nataon’ny Tompo azy ireo!» Eny lalina ho aho, itý nataon’ny Tompo taminay! Ka dia faly tokoa, haravoana moa raha ny anay!
Ampodio, ry Tompo, ny namanay mbola babo, ho toa rano mahery mamaky efitra ireny! Raha mamafy no sendra tomany sy ranomaso, mbola hijinja ao anatin’ny hafaliana aoriana!
Raha mandroso no sendra ka velon-tsento tomany, ireo mpamboly mivoaka mandeha mamafy ny voa! Mbola hiverina avy any ireo, velon-kira; fa milanja ny vokatra lasa mody any an-trano.

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no nifidy anareo tao amin’izao tontolo izao, mba handehananareo sy hamokaranareo ary haharetan’ny vokatrareo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 20, 20-28

 

Raha ny amin’ny kapoakako dia hosotroinareo tokoa.

Tamin’izany andro izany, dia nanatona an’i Jesoa ny renin’ny zanak’i Zebede mbamin’ny zanany lahy, ka nitsaoka Azy ary nangataka zavatra taminy. “Inona no irinao?” hoy i Jesoa taminy. Dia hoy izy: “Aoka ireto zanako roa lahy ireto mba hipetraka eo ankavananao ny anankiray ary eo ankavianao ny anankiray, ao amin’ny fanjakanao.” Dia hoy ny famalin’i Jesoa: “Tsy fantatrareo izay angatahinareo. Moa mahasotro izay kapoaka hosotroiko va ianareo?” Hoy ireo taminy: “Efanay ihany.” Ary hoy Izy taminy: “Raha ny amin’ny kapoakako dia hosotroinareo tokoa; fa raha ny amin’ny hipetraka eo ankavanako sy eo ankaviako, dia tsy Ahy ny hanome anareo izany, fa homena izay nanamboaran’ny Raiko azy.” Ary nony nandre izany izy folo lahy, dia tezitra tamin’izy mirahalahy. Fa nasain’i Jesoa nanatona Azy izy ireo, ka nilazany hoe: “Fantatrareo fa ny mpanjakan’ny jentily mandidy azy mafy, ary ny lehibeny mifehy azy fatratra. Fa tsy mba ho tahaka izany aminareo; fa izay te-ho lehibe aminareo kosa no aoka ho mpanomponareo izy, ary izay te-ho lohany aminareo, no aoka ho mpanomponareo: dia tahaka ny Zanak’olona izany; fa Izy tsy tonga hotompoina fa mba hanompo ary hahafoy ny ainy ho fanavotana ny maro.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Diovy ary vonjeo amin’ny Ran’ny Zanakao izahay, ry Tompo, ary i Masindahy Jakôba ankalazainay anio no Apôstôly voalohany sitrakao nomena anjara kalisy, ka enga anie izahay koa hanolotra sorona ankasitrahanao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy: Apôstôly II

 

Kômonio

Mt. 20, 22-23

Nisotro tamin’ny kapoakan’ny Tompo izy, ka nataon’Andriamanitra sakaizany.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, mivavaka ho anay i Masindahy Jakôba Apôstoly, ka ampio izahay mankalaza azy faly mandray ny zava-masina avy aminao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0081