Sorona Masina ny Alahady 21 jolay 2019

ALAHADY FAHA-16 mandavantaona — D

MAHAIZA MAMPIANTRANO AN’ANDRIAMANITRA

Tononkira fidirana

Sal. 53, 6-8

Indro Andriamanitra manampy ahy, ny Tompo no mpanohana ny fanahiko. Hanolotra Sorona aminao amin’ny foko manontolo aho, ry Tompo, hidera ny hasoan’ny Anaranao.

 

Asiana VONINAHITRA ANIE. . .

 

Fangatahana

Henoy vavaka izahay mpanomponao, ry Tompo, ary ampitomboy ao aminay ny fahasoavanao; hoentanin’ny fanantenana sy ny finoana ary ny fitiavana anie ny fonay, haharetanay lalandava mitandrina ny didinao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky Jenezy

Jen. 18, 1-10a

Tompo ô, aza lalovana fotsiny lahy ny mpanomponao.

Tamin’izany andro izany, ny Tompo niseho tamin’i Abrahama teo amin’ny lohasahan’i Mambre raha ilay nipetraka teo am-baravaran’ny lainy iny izy, tamin’ilay nigaingaina iny ny andro. Nanopy ny masony ary nijery izy, ka indreo olona telo lahy nijoro nifanandrify aminy. Vao nahita azy izy, dia nihazakazaka avy eo am-baravaran’ny lainy, nitsena azy, ary rehefa niankohoka tamin’ny tany izy, dia nanao hoe: “Tompo ô, raha nahita fitia eo imasonao aho, aza dia lalovana fotsiny lahy ny mpanomponao, fa aoka hangalàna rano kely ianareo, hanasana ny tongotrareo. Mialà sasatra eo ampototr’ity hazo ity ianareo; dia hangalako mofo kely ianareo hataonareo tohan’aina, vao manohy ny dianareo ianareo, fa izany no nandalovanareo amin’ny mpanomponareo”. Dia hoy ny navalin’ireo: “Ataovy àry, araka izay voalazanao”. Dia niverina faingana i Abrahama nankeo an-day amin’i Sarà ka nanao hoe: “Faingàna ianao, mangalà lafarîna intelon’ny famarana, ditio ka ataovy mofo”. Avy eo i Abrahama dia nandeha faingana ho any amin’ny andian’omby, dia naka zanak’omby anankiray tanora sy tsara izy, ary nomeny ny mpanompony izay nahandro izany faingana; dia nandray mena-dronono sy ronono mbamin’ilay zanak’omby efa nandrahoina izy, ary narosony izany teo anoloan’izy ireo, ary izy kosa nitsangana teo anilany, teo ampoto-kazo. Ary nihinana izy ireo. Raha efa izany dia hoy izy ireo taminy: “Aiza i Sarà vadinao?” Hoy ny navaliny: “Ao an-day ao izy”. Ary hoy izy: “Hiverina aty aminao indray aho, raha avin-taona toy izao, ary hanana zazalahy i Sarà vadinao”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Salamo fandinihana

Sal. 14. 2-3ab. 3de-4ab. 5

 

Fiv.: Tompo ô, iza no hiantrano ao an-dainao?

Iza, ry Tompo, no horaisinao an-trano sy honina ao am-bohitrao masina? Izay mahitsy famindra sy mitandro ny rariny: ny fony misaina ny marina; ny lelany tsy ekeny handainga; fady azy ny manisy ratsy sy ny maneso ny miara-monina.
Ny olo-meloka tsy hasohasoiny; ny matahotra ny Tompo no hajainy. Tsy mba maka zana-bola izy na mandray tamby hahameloka ny marina. Izay manao izany tsy hihontsona mandrakizay.

 

VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôlôsy

Kôl. 1, 24-28

 

Ilay hevi-miafina tsy nambara taloha hatramin’ny taranaka maro nifandimby dia naseho ankehitriny tamin’ny olona masina.

Ry kristianina havana, ankehitriny dia mifaly amin’ny fiaretako fahoriana ho anareo aho, fa mameno ao amin’ny nofoko izay tsy ampy amin’ny fahorian’i Kristy ho an’ny Tenany, dia ny Eglizy; fa voatendry ho mpandraharaha Azy aho noho ny nanomezan’Andriamanitra ahy ny fiadidiana anareo, mba hitoriako ny tenin’Andriamanitra an-tsakany sy an-davany, dia ilay hevi-miafina tsy nambara taloha hatramin’ny taranaka maro nifandimby, fa naseho kosa ankehitriny tamin’ny olona masina, dia ireo tian’Andriamanitra ho nampahafantarina ny maha-sarobidy amin’ny Jentily ny voninahitr’izany hevi-miafina izany, dia i Kristy fanantenana ny voninahitra ho anareo. Izy no torînay, ary ny olon-drehetra samy ampandrenesinay sy ampianarinay avokoa araka ny fahendrena rehetra mba hahatongavanay ny olon-drehetra ho lavorary ao amin’i Kristy Jesoa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sokafy ny fonay, ry Tompo Andriamanitra, mba hitandremanay ny tenin’ny Zanakao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 10, 38-42

Nandray Azy tao an-tranony i Marta, fa i Maria kosa no nifidy ny anjara soa indrindra.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niditra tao amin’ny vohitra anankiray, ary nisy vehivavy atao hoe Marta nandray Azy tao an-tranony. Nanan-drahavavy anankiray atao hoe Maria izy, izay nipetraka teo anilan’ny tongotry ny Tompo nihaino ny teniny; fa i Marta kosa sahirana tamin’ny fanompoana be. Dia niato kely izy ka nanao hoe: “Tompoko, tsy mampaninona Anao ve ny amelan’ny rahavaviko ahy hanompo irery? Mba asaovy manampy ahy re izy”. Fa namaly ny Tompo ka nanao taminy hoe. “Marta, Marta, maro tadiavina sy be tebiteby ianao, nefa zavatra iray monja no ilaina; fa i Maria no nifidy ny anjara tsara indrindra izay tsy halàna aminy”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Asiana IZAHO MINO...

 

Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, izao isika miangona alahady izao dia vonon-kivavaka ho an’ny olombelona rehetra; koa ankino amin’Andriamanitra ny hafaliany, ny ahiahiny, ny fijaliany sy ny fahotany, amin’izao ranombavaka ataontsika izao.

Valy: Ray ô, tia anay ny Zanakao e, ka tsinjovy izahay e.

* Mivavaha ho an’ny Evekantsika sy ny Pretrantsika mba hahery miasa izy ireo, fa indrindra koa hahery mivavaka, ary mba ho hainy omena antsika ilay Andriamanitra iainany.
* Mivavaha ho an’ny mpitsabo rehetra sy ireo maniry hanamaivam-pijaliana ny olombelona, mba hohazavain’Andriamanitra izy sy hankahereziny ary hanaiky ho fitaovana hampisehoan’Andriamanitra ny hatsaram-pony.
* Mivavaha ho an’ireo tsy manan-kiantranoana, tsy mahita hamantanana, tsy manan-tsakaiza, tsy manan-kavana, ka hitombo eo amin’ny olombelona ny fahaiza-mandray olona sy mihavana.
* Be ny fivoriana sy fiofanana ary laretirety ankehitriny; koa mangataha mba ho tena fihaonana hahitana an’Andriamanitra ireny, ary hanovozana fahazavana sy hery hoenti-miasa ho an’Andriamanitra sy ny namana.

 

— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana na eran-tany.

 

Tompo ô, ampianaro izahay, hahita hasambarana miaina miaraka aminao sahala amin’i Maria, ary koa ho faly manompo ny namana sahala amin’i Marta.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.

 

Vavaka Fanolorana

Andriamanitra ô, Sorona tokana tonga lafatra no nandavorarianao ireo sorona isan-karazany tamin’ny lalàna fahiny; koa raiso ny tolotra ataonay mpanomponao ary hamasino sy tsofy rano toy ny fanatitr’i Abela, mba hahavonjy ny be sy ny maro izay atolotry ny tsirairay hanajana Anao avo indrindra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy: Alahady tsotra VI, ohatra.

 

Kômonio

Sal. 110, 4-5

Nahefa zava-mahagaga tsy very tadidy ny Tompo mangoraka sy antra; manome hanina ny matahotra Azy.

 

na hoe:

Apôk. 3, 20

Indro mijoro eo am-baravarana Aho ka mandondòna, hoy ny Tompo; ary raha misy mihaino ny feoko sy mamoha varavarana Ahy, dia hiditra ao aminy Aho, ka hiara-misakafo aminy, ary izy hiaraka amiko.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mitalaho an-tanan-droa aminao izahay, ry Tompo, ombao fitahiana izahay vahoakanao vao nofahananao ny sakafo avy any an-danitra, ka mba esory hiala amin’ny toetranay fahiny ary ento hankeo amin’ny fiainam-baovao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0855