Sorona Masina ny Asabotsy 20 jolay 2019

Herinandro faha-15 mandavantaona

SABOTSY


Tononkira fidirana

Sal. 16, 15


Hohamarinina aho ka hiseho eo anatrehanao; hiala liana mibanjina ny voninahitrao.


Fangatahana

Andriamanitra ô, Ianao mampiposaka ny hazavan’ny fahamarinanao hampody lalana ireo naniasia: koa tahio ireo manaraka ny finoana kristianina mba hitsipaka izay mifanohitra amin’ny anarana entiny sy hifikitra amin’izay tena maha-kristianina azy.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Bokin’i Mikea Mpaminany

Mikea 2, 1-5


Tsiriritiny ny saha ary alainy koa ny trano.

Loza ho an’izay mieritreritra ny hanao ratsy sy misaintsaina eo am-pandriany ny loza hafitsony! Raha vao maraina koa tanterahiny izany, raha tahiny mbola mety hoefain’ny tanany ihany. Tsiriritiny ny saha, ka alainy; ny trano koa, ka lasany; anaovany ankeriny avokoa ny olona mbamin’ny tranony, ny tompo mbamin’ny lovany. Ka izao no lazain’ny Tompo: “Indro fa misy loza saintsainiko hamelezana itý taranaka itý, ka tsy ho azonareo hanafahana ny vozonareo; ka tsy handeha miandranandrana intsony ianareo, fa ho andro ratsy izany.” Amin’izany andro izany, dia hanononan’ny olona ohabolana ianareo sy hihirany hira fitomaniana, hataony hoe: “Tanteraka tokoa izao, dia fongana mihitsy isika; amidiny ho anjaran’ny vahoakako! Ahoana no angalany izany amiko? Zarainy ho an’ny mpiodina ny sahantsika?” Koa tsy hahita olona hanenjana ny famolaina hahazoanao anjara lova eo amin’ny fiangonan’ny Tompo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 9b, 1-2. 3-4. 7-8. 14


Fiv.: Aza hadino ny mahantranao, ry Tompo.

Ahoana ny Tompo no mijanona eny lavitra? no miafina amin’ny andro fahoriana? Ny olon-dratsy mirehaka; ny ory forehitra sy voagejan’ny tetika voakaly.
Ny olon-dratsy mirehareha amin’ny fanirian’ny fony; ny mpierina misahato, manazimba ny Tompo. Ny olon-dratsy milanja orona, tsy manana ahiahy: ny ambentin-keviny: «Tsy misy Andriamanitra!»
Ny vava feno ozona, fanaovana an-kery sy fitaka; ambany lela, fampahoriana sy hasomparana. Manotrika akaikin-tanàna, mamitsaka: dia vonoina an-takona ny madio.
Ianao anefa mahita ny fahoriana sy ny alahelo, izay karohinao mba hatao an-tanana. Ianao Tokin’ny malahelo. Ianao Mpitahy ny kamboty.


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Boky Eksaody

Eks. 12, 37-42


Izany alina izany, no namoahan’ny Tompo an’i Israely tamin’ny tany Ejipta.

Tamin’izany andro izany, niala tao Ramsesa ny zanak’i Israely dia nankany Sokôta; sahabo ho enina hetsy izy no olona nandeha tongotra afa-tsy ny ankizy. Nisy koa olona be dia be, samihafa karazana, niara-niakatra taminy, mbamin’ny andian’ondry aman’omby maro be. Nandrahoiny nataony mofo fisaka tsy voaisy lalivay ny koba nentiny avy any Ejipta; fa tsy voaisy lalivay, satria noroahina izy tany Ejipta ka tsy nahazo niatoato na naka vatsy hoentiny akory.

Telopolo sy efajato taona no nitoeran’ny zanak’i Israely tany Ejipta; ary rahefa afaka ny telopolo sy efajato taona, iny andro iny indrindra, dia nivoaka niala tamin’ny tany Ejipta ny tafiky ny Tompo rehetra. Alina niaretan-tory ho an’ny Tompo ilay alina namoahany azy tamin’ny tany Ejipta, ka izany alina izany dia ho alina fiaretan-tory hankalazana ny Tompo, ho an’ny zanak’i Israely rehetra isan-taranany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 135, 1 sy 23-24. 10-12. 13-15


Fiv.: Fa mandrakizay ny famindram-pony.

Isaory ny Tompo fa tsara! Eny! mandrakizay ny hatsaram-pony! Ilay nahatsiaro antsika nijaly, eny, mandrakizay ny hatsaram-pony, sy nisarika antsika tamin’ny mpampahory! Eny! mandrakizay ny hatsaram-pony!
Ilay nikapoka an’i Ejipta: dia ny Lahimatoany! Eny, mandrakizay ny hatsaram-pony! Sy namoaka an’i Israely teo aminy; eny, mandrakizay ny hatsaram-pony! tamin’ny tana-mahery sy sandry mihinjitra! Eny, mandrakizay ny hatsaram-pony!
Ilay nanilaka roa ny riakan-jozoro; eny, mandrakizay ny famindram-pony! nampandalo an’i Israely teo anivony; eny, mandrakizay ny famindram-pony! nanipy an’i Faraôna sy ny tafiny tao! Eny, mandrakizay ny hatsaram-pony!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 12, 14-21


Norarany izy ireo tsy hanao izay hahafantarana Azy mba ho tanteraka ny teny nolazainy.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanasitrana lehilahy iray tamin’ny andro sabata. Ka lasa nivoaka ny Farisianina ary niara-nioko ny amin’izay hahafaty Azy. Fa nahalala izany i Jesoa ka dia niala teo. Maro ny vahoaka nanaraka Azy, ka nositraniny izay rehetra narary tamin’ireny; nefa noraràny izy ireo tsy hanao izay hahafantarana Azy, mba ho tanteraka ny tenin’i Izaia mpaminany hoe: Indro ny Mpanompoko izay nofidîko, dia ilay malalako izay ankasitrahan’ny foko indrindra; hapetrako ao aminy ny Fanahiko, ary hanambara ny marina amin’ny Jentily izy. Tsy hifanditra izy, na hiantso mafy, ary tsy hisy handre ny feony eny an-dalana; tsy hanapaka ny volotara vaky izy, na hamono ny lahin-jiro manetona, ambarapamoakany ny rariny ho mpandresy; ary ny Jentily hitoky amin’ny anarany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Topazo maso miantra, ry Tompo, ireto fanatitry ny Eglizy mitalaho aminao, ary mba omeo ny mpino rehetra ny vatsy natao hampitombo fahamasinana azy.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 83, 4-5

Ny fody mahita trano, ny sidintsidina mahita akany ho an-janany ao amin’ny tempolinao, ry Tompon’ny hery rehetra, ry Mpanjakako sy Andriamanitro. Ka sambatra izay monina ao an-tranonao, fa hidera Anao mndrakizay izy ireo.


na hoe:

Jo. 6, 57

Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny Rako dia mitoetra ao amiko, ary Izaho ao aminy, hoy ny Tompo.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, nandray ny fanomezanao masina izahay, ka enga anie ny fandraisanay Kômonio matetika hampitombo ny vokatry ny famonjena anay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0082