Sorona Masina ny Alakamisy 18 jolay 2019

Herinandro faha-15 mandavantaona

ALAKAMISY


Tononkira fidirana

Sal. 16, 15


Hohamarinina aho ka hiseho eo anatrehanao; hiala liana mibanjina ny voninahitrao.


Fangatahana

Andriamanitra ô, Ianao mampiposaka ny hazavan’ny fahamarinanao hampody lalana ireo naniasia: koa tahio ireo manaraka ny finoana kristianina mba hitsipaka izay mifanohitra amin’ny anarana entiny sy hifikitra amin’izay tena maha-kristianina azy.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Bokin’i Izaia Mpaminany

Iz. 26, 7-9. 12. 16-19


Mifohaza ka manaova hobin-kafaliana, ianareo izay mandry amin’ny vovoka.

Voaravona ny sakeli-dalan’ny marina; mahitsy ny lalana izay areninao ho an’ny marina. Koa teo amin’ny lalan’ny fitsaranao no niandrasanay Anao, ry Tompo, ny Anaranao amam-pahatsiarovana Anao, no fanirian’ny fanahinay. Ny fanahiko maniry Anao mandritra ny alina; ary ny saiko ato anatiko, mikatsaka Anao. Satria raha mihatra amin’ny tany ny fitsaranao, dia tonga mahalala ny fahamarinana ny mponina amin’izao tontolo izao. Ry Tompo ô, hiantoka fiadanana ho anay Ianao, fa ny asanay rehetra dia Ianao no nanatanteraka azy ho anay. Nitady Anao izy nony azom-pahoriana, ry Tompo ô, noborahiny ny fitarainany, raha nokapohinao izy. Tahaka ny vehivavy bevohòka madiva ho teraka, miolanolana sy miantsoantso eo amin’ny fijaliany; tahaka izany izahay, eo anatrehan’ny tavanao, ry Tompo. Fa efa bevohòka izahay, efa nihetsi-jaza izahay, dia tsy niteraka afa-tsy rivotra. Tsy nanome ny famonjena ho an’ny tany izahay, ka tsy nisy mponina teraka ho an’izao tontolo izao. Ho velona indray ny olonao efa maty; hitsangana indray ny fatin’ny oloko. Mifohaza, ka manaova hobin-kafaliana, ianareo izay mandry eo amin’ny vovoka, fa ny andonao, ry Tompo, dia andon’ny fahazavana; ary ny tany hamoaka indray ny maty.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 101, 13-14ab sy 15. 16-18. 19-21


Fiv.: Avy any an-danitra ny Tompo mitazana ny tany.

Ianao, ry Tompo, mitoetra mandrakizay; amin’ny taona rehetra ny lazanao. Hitsangana hiantra an’i Siôna Ianao: fa izao dia izao no fotoana fangorahana azy! Fa mba sitraky ny mpanomponao ny vatony; mba mahaseriny azy ny vovotaniny!
Ka hatahotra ny Anaran’ny Tompo ireo firenena, ny voninahitrao, ny mpanjaka rehetra eran-tany! Ny Tompo manko hanorina an’i Siôna, ka hiseho anatin’ny voninahiny, hanatrika ny vavak’izay norobaina, tsy hanosika ny talahon’izy ireo!
Soraty izany ho an’ny taranaka any aoriana: ka hidera ny Tompo ny vahoaka mbola ho hary! Avy any an-toerany masina any ambony Izy mitsinjo; avy any an-danitra ny Tompo no mitazana ny tany: hahenoany ny senton’ny mpifatotra, hanafahany an’ireo voatondro hovonoina.


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Boky Eksaody

Eks. 3, 13-20


Izaho no Ilay Misy. Ilay Misy no maniraka ahy ho atý aminareo.

Tamin’izany andro izany, i Môizy dia nahare ny feon’Andriamanitra avy tao amin’ny zava-maniry milobolobo, ka hoy izy taminy: “Izao àry dia ho any amin’ny zanak’i Israely aho, ka hilaza aminy hoe: ‘Irahin’ny Andriamanitry ny razanareo aho ho atý aminareo.’ Raha manontany izay anarany izy, dia ahoana no havaliko azy ireo?” Hoy Andriamanitra tamin’i Môizy: “Izaho no Ilay Misy. Izany, hoy Izy, no havalinao ny zanak’i Israely: Ilay Misy no naniraka ahy ho atý aminareo.”

Dia hoy koa Andriamanitra tamin’i Môizy: “Lazao amin’ny zanak’i Israely hoe: ‘Ny Tompo Andriamanitry ny razanareo, dia ny Andriamanitr’i Abrahama, Andriamanitr’i Isaaka, Andriamanitr’i Jakôba, no maniraka ahy ho atý aminareo.’ Fa izany no Anarako mandrakizay; izany no hahatsiarovana Ahy hatramin’ny taranaka fara mandimby. Mandehàna, vorio ny loholon’i Israely, ka lazao aminy hoe: ‘Niseho tamiko ny Tompo Andriamanitry ny razanareo, dia ny Andriamanitr’i Abrahama, sy i Isaaka ary i Jakôba, nanao hoe: Namangy anareo Aho, ary nahita ny anaovan’ny olona anareo any Ejipta. Ka hoy Aho: Hoentiko ianareo hiakatra avy any Ejipta, izay hamoretana anareo, ho any amin’ny tanin’ny Kananeana, ny Heteana, ny Amôreana, ny Ferezeana, ny Heveana, ary ny Jebôseana, any amin’ny tany tondra-dronono aman-tantely.’ Fa hihaino ny teninao izy ireo; dia handeha ianao sy ny loholon’i Israely ho any amin’ny mpanjakan’i Ejipta, ka hanao aminy hoe: ‘Niseho taminay ny Tompo, Ilay Andriamanitry ny Hebrio. Koa amin’izao, avelao izahay handeha lalan-kateloana any an’efitra hanolotra sorona amin’ny Tompo Andriamanitray.’ Fantatro ihany fa tsy hamela anareo handeha ny mpanjakan’i Ejipta, raha tsy amin’ny tanana mahery; nefa haninjitra ny tanako Aho hamely an’i Ejipta amin’ny fahagagana isan-karazany hataoko eo aminy, ka havelany handeha ianareo rahefa afaka izany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 104, 1 sy 5. 8-9. 24-25. 26-27


Fiv.: Tsaroan’ny Tompo mandrakizay ny fanekeny.

Derao ny Tompo! Antsoy ny Anarany! Ampahafantaro ny vahoaka ny asany ambony! Tsarovy ny asa mahagaga nataony, ny asany mahatalanjona, ny fitsaran’ny vavany.
Tsaroany mandrakizay ny fanekeny: dia ny teny napetrany ho an’ny taranaka arivo: ilay niantorahany tamin’i Abrahama, sy nianianany tamin’i Isaaka.
Nohamaroiny fatratra ny Vahoakany, sy nataony mahery noho ny rafiny. Ny fon’ireto novàny hankahala ny Vahoakany, sy hamely am-pitaka an’ireo mpanompony.
Kanjo nalefany i Môizy mpanompony, sy i Aarôna ilay voafidiny. Ireo no nametrahany ny Famantarany tany an’efitra, sy ny fahagagany tany amin’ny tanin’i Kama.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raiso amim-pahalemem-panahy ny teny voafafy aminareo, izay mahavonjy ny fanahinareo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 11, 28-30


Malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao hoe: “Mankanesa atý amiko ianareo rehetra mijaly sy vesaram-pahoriana fa hanamaivana anareo Aho. Ento ny jiogako, ary mianara amiko fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho, dia hahita fiadanana ho an’ny fanahinareo ianareo; fa mora entina ny jiogako ary maivana ny hazofijaliako.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Topazo maso miantra, ry Tompo, ireto fanatitry ny Eglizy mitalaho aminao, ary mba omeo ny mpino rehetra ny vatsy natao hampitombo fahamasinana azy.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 83, 4-5

Ny fody mahita trano, ny sidintsidina mahita akany ho an-janany ao amin’ny tempolinao, ry Tompon’ny hery rehetra, ry Mpanjakako sy Andriamanitro. Ka sambatra izay monina ao an-tranonao, fa hidera Anao mndrakizay izy ireo.


na hoe:

Jo. 6, 57

Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny Rako dia mitoetra ao amiko, ary Izaho ao aminy, hoy ny Tompo.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, nandray ny fanomezanao masina izahay, ka enga anie ny fandraisanay Kômonio matetika hampitombo ny vokatry ny famonjena anay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0222