Sorona Masina ny Talata 16 jolay 2019

Herinandro faha-15 mandavantaona

TALATA


Tononkira fidirana

Sal. 16, 15


Hohamarinina aho ka hiseho eo anatrehanao; hiala liana mibanjina ny voninahitrao.


Fangatahana

Andriamanitra ô, Ianao mampiposaka ny hazavan’ny fahamarinanao hampody lalana ireo naniasia: koa tahio ireo manaraka ny finoana kristianina mba hitsipaka izay mifanohitra amin’ny anarana entiny sy hifikitra amin’izay tena maha-kristianina azy.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Bokin’i Izaia Mpaminany

Iz. 7, 1-9


Raha tsy mino ianareo, tsy haharitra.

Tamin’ny andron’i Akaza, zanak’i Jôatama, zanak’i Oziasa, mpanjakan’i Jodà, dia niakatra hanafika an’i Jerosalema i Rasima, mpanjakan’i Siria, niaraka tamin’i Fasea, zana-dRomelia, mpanjakan’i Israely; nefa tsy nahafaka azy izy. Nambara tamin’ny taranak’i Davida izany vaovao izany, fa hoe: Mitoby any amin’i Efraima i Siria. Tamin’izany nipararetra hoatra ny fanetsiky ny rivotra ny hazo any an’ala ny fon’ny mpanjaka sy ny fon’ny vahoaka. Dia hoy ny Tompo tamin’i Izaia: “Mivoaha ianao sy i Seara-Jasoba, zanakao, hitsena an’i Akaza eo amin’ny faran’ny lakan-dranon’ny kamory ambony, amin’ny lalan’ny sahan’ny mpamotsy lamba; ka ianao hilaza aminy hoe: “Mitandrema, mandria amim-piadanana, aza matahotra, ary aza rera-po foana ianao eo anatrehan’ireo tapa-porohana roa midonaka ireo, amin’ny fisafoakan’i Resîna sy i Siria, ary ny zana-dRomelia.” Noho i Siria nihevitra hampidi-doza anao, mbamin’i Efraima sy ny zana-dRomelia nanao hoe: “Andeha isika hananika an’i Jodà, ka hamparaiki-tahotra azy sy hananika azy ary hanangana ny zanak’i Tabeela ho mpanjaka ao”; noho izany dia izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra: “Tsy ho vanona izany; tsy hisy izany! Satria efa i Damasa no lohan’i Siria ary i Resîna no lohan’i Damasa; ka dimy amby enimpolo taona sisa, dia hitsahatra tsy ho vahoaka intsony i Efraima.” Ary i Samaria no lohan’i Efraima, ny zana-dRomelia no lohan’i Samaria. Raha tsy mino ianareo, dia tsy haharitra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 47, 2-3a. 3b-4. 5-6. 7-8


Fiv.: Andriamanitra anie hampijoro azy mandrakizay.

Ny Tompo lehibe sy mendri-dera indrindra ao amin’ny tanànan’Andriamanitsika! Ny Vohiny Masina; tsara fideza, fifalian’ny tany tontolo!
Ny Vohitra Siôna: any am-parany avaratra. Tanànan’ny Mpanjaka lehibe! Andriamanitra amin’ireo tilikambony mitomban-ko fiarovana-avo.
Nefa indreny manjaka mivorivory; dia miara-mandroso. Kanjo he: mahatazana, midonàka, mangorohoro, riatra mandositra!
Nihovotrovotra foana teo, nihararetra toa mpivelona; toa azon-drivotr’Atsinanana; irony mahapotika sambon-dranomasina!


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Boky Eksaody

Eks. 2, 1-15a


Nataony hoe Môizy ny anarany, fa teo amin’ny rano izy no nalaina; ary nivoaka nankany amin’ny rahalahiny izy avy eo.

Tamin’izany andro izany, nisy lehilahy anankiray, fokon’i Levi, lasa naka ho vadiny ny zanakavavin’i Levi anankiray. Ary tonga bevohoka ravehivavy, dia tera-dahy. Ary hitany fa tsara tarehy itý zaza, ka dia nafeniny telo volana. Nony efa tsy azony nafenina intsony, dia nalainy ny vata zozoro anankiray, nohosorany mena-tany sy ditin-kazo dia napetrany tao ny zaza, ka nalatsany tao anaty bararata amoron’ny ony. Ary ny anabavin’ilay zaza no nijanona teny lavidavitra teny mba hahita izay hihatra aminy. Dia nidina handro teo amin’ny ony ny zanakavavin’i Faraôna, ka nitsangantsangana teny amoron’ny ony ny zazavavy namany. Rahefa tazany ilay vata tao anaty bararata, dia nasainy nalain’ilay ankizivaviny. Nosokafany itý izy, ka hitany ilay zaza, zazalahy kely mitomany, dia nangoraka azy izy, ary nanao hoe: “Zanaky ny Hebrio itony!” Tamin’izay kosa ny anabavin’itý zaza dia niteny tamin’ny zanakavavin’i Faraôna nanao hoe: “Moa tianao va ny handehanako hitady mpitaiza amin’ny vehivavy Hebrio hampinono io zaza io?” Ary hoy itý zanakavavin’i Faraôna: “Mandehàna.” Dia lasa razazavavy naka ny renin’ny zaza. Ary hoy ny zanakavavin’i Faraôna taminy: “Ento itý zaza itý ka tezao ho ahy, fa homeko anao ny karamanao.” Dia nentin-dravehivavy ny zaza ka notezainy.

Nony efa lehibe ny zaza, dia nentiny tany amin’ny zanakavavin’i Faraôna, ka nataony toy ny zanany sy nomeny anarana hoe Môizy, fa teo amin’ny rano no nanalako azy, hoy izy. Tamin’izany andro izany, efa lehibe i Môizy, ka nivoaka nankany amin’ny rahalahiny; nahita ny asa mafy nataony izy, ary nisy Ejipsianina anankiray hitany nikapoka Hebrio anankiray tamin’ireo rahalahiny. Niherikerika nijery izy aloha, ka nony fantany fa tsy nisy olona teny dia novonoiny ilay Ejipsianina ka nafeniny tao anaty fasika.

Ny ampitson’izay indray, nivoaka izy, ka indro fa nifanditra ny Hebrio roa lahy, ary hoy izy tamin’ilay diso hoe: “Ahoana no ikapohanao ny namanao?” Fa hoy ny navalin-dralehilahy: “Iza no nanangana an’ialahy ho lehibenay sy mpitsara anay? Sa tadiavin’ialahy hovonoina koa aho, tahaka ny namonoan’ialahy ilay Ejipsianina?” Raiki-tahotra i Môizy, ka hoy izy: “Misy mahalala tokoa ilay zava-nitranga!”

Nony ren’i Faraôna ny zava-nitranga, dia notadiaviny hovonoina i Môizy, saingy nandositra ny tanan’i Faraôna izy, ka nankany amin’ny tany Madiàna.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 68, 3. 14. 30-31. 33-34


Fiv.: Ry malahelo, katsaho Andriamanitra, dia ho velom-bolo ny fonareo!

Revon’ny fotaky ny hantsana aho: tsy mahita hifaharana; tonga amin’ny lalina indrindra: safotry ny onja.
Fa izaho mivavaka aminao, ry Tompo! Iantrao aho, ry Andriamanitra; valio noho ny haben’ny hatsaram-ponao, sy araka ny fahamarinan’ny vonjinao.
Fa izaho ilay ory sy mijaly kosa dia harovan’ny Vonjinao, ry Andriamanitra: ka hidera amin-kira ny Anaran’Andriamanitra, ary hankalaza Azy amin-tsaotra.
Ny ory mahita ka mifaly. Veloma ny aina, ry mpitady an’Andriamanitra: fa ny Tompo mihaino ny mahantra; ny babo tsy hainy hamavoina.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Aza mba hamafisina ny fonareo anio, fa henoy ny feon’ny Tompo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 11, 20-24


Ho moramora kokoa ny hatao amin’i Tira sy i Sidôna ary amin’ny tanin’i Sôdôma noho ny aminareo amin’ny andro fitsarana.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa dia nanomboka niteny mafy ireo tanàna nanaovany fahagagana maro; satria tsy nibebaka ireo; ka nataony hoe: “Loza ho anao, ry Kôrôzaina, loza ho anao, ry Betsaida! fa raha izay no tany Tira sy Sidôna no natao ny fahagagana natao taminareo, dia efa ho nibebaka ela tamin’ny akanjo malailay sy tamin’ny lavenona izy. Koa lazaiko aminareo, fa amin’ny andron’ny fitsarana, dia ho moramora kokoa ny hatao amin’i Tira sy i Sidôna noho ny hatao aminareo. Ary ianao, ry Kafarnaôma, hasandratra hatrany an-danitra va ianao? Hietry hatrany amin’ny afobe ianao, fa raha tany Sôdôma no natao ny fahagagana natao tao aminao, dia mbola ho nitsangan-ko tanàna mandraka androany izy. Koa dia lazaiko aminao fa ho moramora kokoa ny hatao amin’i Sôdôma amin’ny andron’ny fitsarana noho ny hatao aminao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Topazo maso miantra, ry Tompo, ireto fanatitry ny Eglizy mitalaho aminao, ary mba omeo ny mpino rehetra ny vatsy natao hampitombo fahamasinana azy.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 83, 4-5

Ny fody mahita trano, ny sidintsidina mahita akany ho an-janany ao amin’ny tempolinao, ry Tompon’ny hery rehetra, ry Mpanjakako sy Andriamanitro. Ka sambatra izay monina ao an-tranonao, fa hidera Anao mndrakizay izy ireo.


na hoe:

Jo. 6, 57

Izay mihinana ny nofoko sy misotro ny Rako dia mitoetra ao amiko, ary Izaho ao aminy, hoy ny Tompo.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, nandray ny fanomezanao masina izahay, ka enga anie ny fandraisanay Kômonio matetika hampitombo ny vokatry ny famonjena anay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0084