Sorona Masina ny Alahady 14 jolay 2019

ALAHADY FAHA-15 mandavantaona — D

AKAIKY ANTSIKA ANDRIAMANITRA

Tononkira fidirana

Sal. 16, 15

Nohamarinina aho ka hiseho eo anatrehanao; hiala liana mibanjina ny voninahitrao.


Asiana VONINAHITRA ANIE...


Fangatahana

Andriamanitra ô, Ianao mampiposaka ny hazavan’ny fahamarinanao hampody lalana ireo naniasia: koa tahio ireto manaraka ny finoana kristianina mba hitsipaka izay mifanohitra amin’ny anarana entiny sy hifikitra amin’izay tena maha-kristianina azy.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky Deterônômy

Det. 30, 10-14

Eo akaikinao indrindra ny Teny mba hanarahanao azy.

Niteny tamin’ny vahoaka Israely i Môizy nanao hoe: “Mihainoa ny feon’ny Tompo Andriamanitrao ianao, ka mitandrema ny didy aman-dalàna voasoratra amin’ity bokin’ny Lalàna ity; miverena amin’ny Tompo Andriamanitrao, amin’ny fonao manontolo, sy amin’ny fanahinao manontolo. Izao didy andidiako anao izao tsy dia hoe, ambony ho anao na ivelan’ny takatrao. Tsy any an-danitra izy ka hisy hanaovanao hoe: “Iza no hiakatra any an-danitra haka izany ho antsika sy hampahafantatra izany antsika mba hanarahantsika azy?” Tsy any an-dafin’ny ranomasina izany, ka hisy hanaovanao hoe: “Iza no hiampita ny ranomasina haka izany ho antsika, sy hampahafantatra izany antsika mba hanarahantsika azy?” Fa eo akaikinao indrindra ny teny, dia eo am-bavanao sy ao am-ponao, mba hanarahanao azy”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 68, 14 sy 17. 30-31. 33-34. 36ab sy 37


Fiv.: Veloma ny aina, ry mpitady an’Andriamanitra.

Izaho mivavaka aminao, ry Tompo! Iantrao aho, ry Andriamanitra; valio fa be fitiavana Ianao, fa marina ny vonjinao. Valio aho fa soa ny fitiavanao, todiho fa be ny hatsaram-ponao.
Mijaly sy ory aho, ry Andriamanitra ô; nefa harenin’ny vonjinao: ka hidera amin-kira ny Anaranao sy hankalaza azy amin-tsaotra.
Ny ory mahita ka faly: Veloma ny aina, ry mpitady ny Tompo, fa mihaino ny mahantra Andriamanitra; ny babo tsy hainy hamavoina.
Fa Andriamanitra hamonjy an’i Siôna sy hanangana ny tanànan’i Joda, fonenan’izay tia ny Anaran’ny Tompo, lovan’ny taranaky ny mpanompony.


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôlôsy

Kôl. 1, 15-20


Tamin’ny alalany sy tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra.

Ry kristianina havana, i Kristy Jesoa no Endrik’ilay Andriamanitra tsy hita; Izy no teraka talohan’izao voaary rehetra izao; tao aminy no nahariana ny zavatra rehetra any an-danitra sy ny ety an-tany, dia ny hita sy ny tsy hita, na fiandrianana, na fanjakana na fiamboniana, na fahefana; taminy sy ho Azy no nahariana ny zavatra rehetra. Izy no talohan’ny zavatra rehetra, ary ao aminy no aharetan’ny zavatra rehetra. Izy no Lohan’ny tena, izany hoe ny Eglizy; Izy no voalohany, dia ny voalohan-teraka tamin’ny maty, mba ho Loha amin’ny zavatra rehetra Izy; satria ao aminy no sitraky ny Ray hitoeran’ny hafenoana rehetra; ary tamin’ny alalany no tiany hampihavanana ny zavatra rehetra aminy indray, rehefa nampihavaniny tamin’ny Rany teo amin’ny Hazofijaliana, dia tamin’ny Tenany, na ny ety an-tany na ny any an-danitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raha misy tia Ahy, dia hitandrina ny teniko izy, ka ho tian’ny Raiko; ary hankao aminy izahay ka honina ao aminy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 10, 25-37

Iza no namako?

Tamin’izany andro izany, nisy mpampiana-dalàna anankiray nitsangana haka fanahy an’i Jesoa ka nanao hoe: “Tompo ô, inona no hataoko hahazoako ny fiainana mandrakizay?” Dia hoy i Jesoa taminy: “Inona no voasoratra ao amin’ny Lalàna ary ahoana no famakinao azy?” Ary namaly izy ka nanao hoe: “Tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny fanahinao manontolo, sy ny herinao manontolo, ary ny sainao manontolo, ary ny namanao tahaka ny tenanao”. Dia hoy i Jesoa taminy: “Marina ny navalinao, manaova izany dia ho velona ianao”. Fa nitady hanamarin-tena ralehilahy ka nanao tamin’i Jesoa hoe: “Iza àry no namako?” Ary hoy i Jesoa taminy: “Nisy lehilahy anankiray nidina avy tany Jerosalema ho any Jerikô, azon’ny jiolahy ka nendahiny ny lambany, nokapohiny ny tenany ary saika maty vao navelany. Dia nisy kosa mpisorona anankiray nidina tamin’izany lalana izany ka nahita azy, nefa nandalo ihany. Toy izany koa ity levita anankiray izay tonga teo, nahita azy, nefa nandalo ihany. Fa nisy kosa Samaritanina anankiray nivahiny tonga teo aminy, ka nangoraka nony nahita azy. Nanatona azy izy, dia namehy ny feriny ary nanisy diloilo sy divay azy, vao nampitaingina azy ny soavaliny, sy nitondra azy tany an-tranom-bahiny ka nitsabo azy. Nony ampitso, dia naka denie roa izy ka nomeny ny tompon-trano, ary nataony hoe: “Tsaboy izy, ary na hoatrinona na hoatrinona laninao mihoatra noho ireny, dia honerako rehefa miverina aho”. Iza amin’izy telo lahy no ataonao ho naman’ilay azon’ny jiolahy?” Dia hoy ilay mpampiana-dalàna: “Ilay niantra azy”. Hoy i Jesoa taminy: “Mandehana àry, ka manaova toy izany koa”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, hitodika any amin’Andriamanitra isika, ka tsarovy ny olombelona rehetra eran’izao tontolo izao, tsarovy indrindra ireo mijaly sy zoim-pahoriana.

Valy: Tompo ô, mba ekeo ny vavakay.

* Nisy mpisorona sy Levita nandalo fotsiny tsy namonjy ilay naratra; koa mivavaha mba ho voalohany hiroso hampiseho fitiavana ny madinika ireo Pretran’ny Eglizy sy ny Fiangonantsika.
* Mivavaha ho an’ireo rehetra miandraikitra ny fanasoavam-bahoaka, mikarakara ny mahantra, mitsabo ny marary, mitaiza ny kamboty eran’izao tontolo izao, mba ho amim-pitiavana mandrakariva no hanatontosany ny andraikiny.
* Maro dia maro ny maratra eo amin’ny fiainana; koa mivavaha mba hahitany tana-mamonjy sy fo mahay mangoraka hanasitrana azy.
* Mivavaha ho antsika rehetra mba samy hahay hifampiantra sy hifamonjy, fa tsy ho mpampihorohoro ny madinika, na hianjona tsy hijery izay ory.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.


Tompo ô, ampio izahay ho Samaritanina tsara fanahy, hijery izay ilain’ireo miara-monina aminay sy ho vonon-kamonjy an’izay rehetra mijaly, ka hahatsapan’izy ireny fa akaiky azy sy mamindra fo aminy Andriamanitra Rainy.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Topazo maso miantra, ry Tompo, ireto fanatitry ny Eglizy mitalaho aminao, ary mba omeo ny mpino rehetra ny vatsy natao hampitombo fahamasinana azy.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Alahady tsotra V, ohatra.


Kêmonio

Sal. 83, 45

Ny fody mahita trano, ny sidintsidina mahita akany ho an-janany ao amin’ny Tempolinao, ry Tompon’ny hery rehetra, ry Mpanjakako sy Andriamanitro. Ka sambatra izay monina ao an-tranonao, fa hidera Anao mandrakizay izy ireo.


na hoe:

Jo. 6, 57

Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako dia mitoetra ao amiko, ary Izaho ao aminy, hoy ny Tompo.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, nandray ny fanomezanao masina izahay, ka enga anie ny fandraisanay Kômonio matetika hampitombo ny vokatry ny famonjena anay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0081