Sorona Masina ny Zoma 12 jolay 2019

Herinandro faha-14 mandavantaona

ZOMA

 

Tononkira fidirana

Sal. 47, 10-11

 

Andriamanitra ô, mivetso ny hatsaram-ponao eto amin’ny tempolinao izahay. Manerana ny vazan-tany ny Anaranao, ry Tompo, ka deraina hatraiza hatraiza. Ny fahamarinana dia eo an-tananao.

 

Fangatahana

Andriamanitra ô, ny Zanakao nietry tena no nanarenanao ny olombelona lavon’ny fahotana, koa ataovy heni-kafaliana masina izahay mino Anao, ary enga anie izahay nafahanao tamin’ny fanandevozan’ny fahotana mba hataonao finaritra migoka ny haravoana tsy manam-pahataperana.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Bokin’i Osea Mpaminany

Os. 14, 2-10

 

Izahay tsy hiteny intsony amin’ny asan’ny tananay hoe: Ry Andriamanitray ô!

Hoy ny Tompo: Miverena amin’ny Tompo, ry Israely, fa ny helokao no nahalavo anao. Mitondrà teny ianareo, miaraka aminareo, ka miverena amin’ny Tompo; lazao aminy hoe: Esory ny heloka rehetra ary raiso izay tsara. Aoka hatolotray Anao ho solon’ny vantotr’ombalahy ny teny avy amin’ny molotray. I Asora tsy hamonjy anay, izahay tsy hitaingin-tsoavaly; na hiteny hoe: “Ry Andriamanitray ô” amin’ny asan’ny tananay. Ianao, izay ahitan’ny kamboty fiantrana! Hositraniko ny fiodinany; ho tiako amin’ny foko tokoa izy, fa efa niala taminy ny fahatezerako. Ho toy ny ando aho amin’i Israely; ka haniry toy ny lisy izy, ary handatsaka ny fakany tahaka an’i Libàna. Izay ho avy hiala sasatra ao ambanin’ny alokalony, hampahavokatra ny vary indray; haniry toy ny voaloboka izy; ary ho tahaka ny divain’i Libàna ny anarany. Efraima... Inona no mbola hataony any amin’ny sampy? Izaho no efa mamaly ny fangatahany sy mitsinjo azy; tahaka ny sipresa maitso Aho; Izaho no iavian’ny voanao. Izay hendry no aoka hahafantatra izany zavatra izany, izay manan-tsaina aoka hiaiky izany ho marina. Fa mahitsy ny lalan’ny Tompo; ka ny marina no hizotra eo, fa ny mpiodina kosa, lavo aminy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 50, 3-4. 8-9. 12-13. 14 sy 17.

 

Fiv.: Hanambara ny fiderana Anao ny vavako.

Iantrao aho, ry Tompo Andriamanitra fa Ianao manko lalim-pitiavana. Mba koseho re ny heloka vitako, dia diovy aho hiala amin’ny otako.
Izay marina anaty no marina, ka toroanao mangina aho, ry Tompoko. Ary fafazo ra aho ho sitrana: hihoatra ny oram-panala ny dioko.
Fo madio vaovao no angatahiko, sy fanahy mahatoky tanteraka. Aza alàna aminao aho, ry Tompoko, ny Fanahy aza esorinao amiko.
Amereno hafaliana aho ho vonjiko, dia tolory fanahy tena mendrika. Eny, Tompo ô, sokafy ny molotro, dia hidera tokoa izany vavako.

 

Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Boky Jenezy

Jen. 46, 1-7. 28-30

 

Tsy mampaninona ahy intsony ny ho faty, fa efa nahita tava anao aho.

Tamin’izany andro izany, niainga i Israely nitondra izay rehetra nananany. Nony tonga teo Bersabea izy, dia nanolotra sorona tamin’Andriamanitr’i Isaaka rainy. Ary Andriamanitra niteny tamin’i Israely tamin’ny fahitana nony alina, nanao hoe: “Ry Jakôba! Ry Jakôba!” Ka hoy ny navalin’i Israely: “Intý aho.” Dia hoy Andriamanitra: “Izaho no Andriamanitra mahery, dia ny Andriamanitry ny rainao. Aza matahotra ny hidina any Ejipta, fa hataoko tonga firenena lehibe ianao any. Izaho hiara-midina aminao any Ejipta. Izaho ihany koa no hitondra anao hiakatra indray tokoa avy any, ary ny tanan’i Jôsefa no hanirina ny masonao.”

Dia niainga i Jakôba ka niala tao Bersabea; ary ny zanak’i Israely nametraka an’i Jakôba rainy, mbamin’ny vady aman-janany, teo ambonin’ny sarety nalefan’i Faraôna hitondrana azy. Nentiny koa ny biby fiompy sy ny fananany nohariany tany amin’ny tany Kanaana. Dia nankany Ejipta i Jakôba mbamin’ny fianakaviany rehetra. Nentiny nankany Ejipta niaraka taminy ny zanany aman-jafiny lahy, sy ny zanany aman-jafiny vavy, mbamin’ny ankohonany rehetra.

Dia nalefan’i Jakôba i Jodà, hialoha azy ho any amin’i Jôsefa, hanomana ny hahatongavany any Gesena. Rahefa tonga tany Gesena i Jakôba sy ny ankohonany, dia nampamboatra ny kalesiny i Jôsefa ka nitaingina teo hitsena an’i Israely rainy any Gesena. Niseho taminy izy, dia niantoraka namihina ny vozony, sy nitomany ela teo amin’ny vozony. Ary hoy i Israely tamin’i Jôsefa: “Tsy mampaninona ahy intsony ny ho faty amin’izao, fa efa nahita tava anao aho, ary mbola velona ihany ianao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 36, 3-4. 18-19. 27-28. 39-40

 

Fiv.: Ny famonjena ny olo-marina dia avy amin’ny Tompo.

Miantehera amin’ny Tompo; manaova ny tsara; monena amin’ny tany; miraota amin-toky. Eny, ny Tompo no iravoy: dia homeny anao izay irin’ny fonao.
Ny andron’ny madio fantatry ny Tompo; ny lovan’ireny ho mandrakizay. Tsy ho maina izy raha mihantona ny andro, ary ho voky amin’ny tao-mosarena.
Halaviro ny ratsy, ataovy ny tsara, raha tahiny te-haharitra mandrakizay. Fa ny Tompo dia tia ny rariny, ka tsy mandao ny mpivavaka aminy.
Ny famonjena ny olo-marina dia avy amin’ny Tompo: fa Izy no mandany amin’ny andro fahoriana. Ny Tompo mitahy sy manafaka azy, manafaka azy amin’ny ratsy fanahy. Eny, Izy no mamonjy azy noho izy ireo mifefy aminy!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Hamirapiratra tahaka ny fahazavan’izao tontolo izao ianao, raha mitana ny tenin’ny fahamarinana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 10, 16-23

 

Tsy ianareo no hiteny fa ny Fanahin’ny Rainareo.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny Apôstôliny nanao hoe: “Indro Aho maniraka anareo tahaka ny ondry eo afovoan’ny amboadia, ka mbà malina tahaka ny bibilava ianareo, ary mbà tsotra tahaka ny voromailala. Mitandrema, fa hotorîn’ny olona amin’ny fitsarany ianareo; sy hokapohiny ao amin’ny sinagôgany; ary hoentiny eo anatrehan’ny mpifehy sy ny mpanjaka ianareo noho ny amiko, mba ho vavolombeloko eo aminy sy amin’ny jentily. Fa raha hatolony ianareo, dia aza manahy izay fomba fandaha-teny, na izay teny holazainareo, fa hatoro anareo eo no ho eo ihany izany; satria tsy ianareo no hiteny fa ny Fanahin’ny Rainareo no hiteny ao aminareo. Ary ny rahalahy hanolotra ny rahalahiny hovonoina, ny ray hanolotra ny zanany, ny zanaka hiodina amin’ny ray aman-dreniny ka hamono azy; ary ho halan’ny olona rehetra ianareo noho ny Anarako: fa izay haharitra hatramin’ny farany no ho voavonjy. Raha enjehina amin’ny tanàna anankiray ianareo, dia mandosira any amin’ny hafa; fa lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy hahatety ny tanànan’i Israely ianareo mandra-pahatongan’ny Zanak’Olona.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Tompo ô, handio anay anie ny fanatitra atolotray hanajana ny Anaranao masina, ary hitantana anay isan’andro hanao asa mendrika ny lanitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Kômonio

Sal. 33, 9

Andramo ary zahao fa tsara ny Tompo; sambatra ny olona mitoky aminy.

 

na hoe:

Mt. 11, 28

Mankanesa atý amiko ianareo rehetra mijaly sy vesaram-pahoriana, fa hanamaivana anareo Aho, hoy ny Tompo.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tototry ny soa sarobidy avy aminao izahay, ry Tompo, ka mihanta aminao: mba ataovy mahazo ny fanomezana mahavonjy ary tsy hitsahatra midera Anao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0126