Sorona Masina ny Talata 25 jona 2019

Herinandro faha-12 mandavantaona

TALATA


Tononkira fidirana

Sal. 27, 8-9


Ny Tompo no herin’ny vahoakany, mpiaro sy mpamonjy ny nohosorany. Tompo ô, vonjeo ny vahoakanao, tsofy rano fa lovanao, ary ento an-trotroana mandrakizay.


Fangatahana

Tompo ô, mba velomy lalandava ao am-ponay ny fanajana sy ny fitiavana ny Anaranao masina; satria tsy afoinao na oviana na oviana izay nataonao mafy orina amin’ny fitiavana Anao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Boky faharoan’ny Mpanjaka

2 Mpanj. 19, 9b-11. 14-21. 31-35a. 36


Hiaro itý tanàna itý, Aho, hamonjeko azy, noho ny amin’ny Tenako sy ny amin’i Davida mpanompoko.

Tamin’izany andro izany, nandefa iraka ho any amin’i Ezekiasa ny mpanjakan’i Asiria, i Senakeriba, nanao hoe: “Izao no lazaonareo amin’i Ezekiasa mpanjakan’i Jodà: Aza mety harebirebin’ny Andriamanitrao izay itokianao ianao, saingy ilazany hoe: Tsy hatolotra eo an-tanan’ny mpanjakan’i Asiria i Jerosalema. Indro efa renao ihany ny nataon’ireo mpanjakan’i Asiria tamin’ny tany rehetra, tamin’ny nanaovany anatema azy ka ianao indray ve no ho voavonjy?”

Nony voarain’i Ezekiasa ny taratasy teny an-tanan’ireo iraka dia novakîny. Rahefa izany niakatra nankao an-tranon’ny Tompo i Ezekiasa ka namelatra io teo anatrehan’ny Tompo. Nivavaka teo anatrehan’ny Tompo i Ezekiasa nanao hoe: “Ry Tompo Andriamanitr’i Israely ô, izay mipetraka amin’ny Kerobima, Ianao irery no Andriamanitry ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany, Ianao no nanao ny lanitra sy ny tany. Ry Tompo ô, atongilano ny sofinao ka mihainoa; ry Tompo ô, ahirato ny masonao, ka mijere. Henoy ny tenin’i Senakeriba izay naniraka haniratsira an’Andriamanitra velona. Marina tokoa, ry Tompo ô, fa ny mpanjakan’i Asiria dia nandrava ny firenena, namoana ny taniny, ary nanipy ny andriamaniny tao amin’ny afo, satria tsy Andriamanitra ireny fa asan-tanan’olombelona, vato aman-kazo, ka nataony levona. Koa ankehitriny, ry Tompo Andriamanitray ô, vonjeo amin’ny tanan’i Senakeriba izahay, mba hahafantaran’ny fanjakana rehetra ambonin’ny tany fa Ianao irery, ry Tompo ô, no Andriamanitra.”

Dia naniraka tany amin’i Ezekiasa i Izaia zanak’i Amôsa hilaza hoe: “Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitr’i Israely: Nohenoiko ny vavaka nataonao tamiko, ny amin’i Senakeriba mpanjakan’i Asiria. Ka izao no teny notononin’ny Tompo hamelezany azy:

Mamingavinga anao, mandatsalatsa anao ny virjiny zanakavavin’i Siôna: mihifikifi-doha eo ivohonao ny zanakavavin’i Jerosalema.

Fa hisy sisa hivoaka avy amin’i Jerosalema, ary hisy afaka avy amin’ny tendrombohitr’i Siôna. Ka izany no ho vitan’ny zotom-pitian’ny Tompon’ny tafika. Koa noho izany dia izao no lazain’ny Tompo, ny amin’ny mpanjakan’i Asiria:

Tsy ho tafiditra amin’itý tanàna itý izy, na handefa zana-tsipîka aminy, na hanandratra ampinga tandrify azy, na hanorina fiarovana hamelezana azy; fa hiverina amin’ny lalana niaviany, ka tsy ho tafiditra amin’itý tanàna itý, — teny marin’ny Tompo. Hiaro itý tanàna itý Aho, hamonjeko azy. Noho ny amin’ny Tenako sy noho ny amin’i Davida mpanompoko.”

Ny alin’izay ihany dia nivoaka ilay Anjelin’ny Tompo namono lehilahy dimy arivo sy valo alina sy iray hetsy tao amin’ny tobin’ny Asirianina. Dia noravan’i Senakeriba mpanjakan’i Asiria ny toby, ka lasa izy niverina dia nitoetra tany Niniva.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 47, 2-3a. 3b-4. 10-11


Fiv.: Andriamanitra anie hampijoro azy mandrakizay.

Ny Tompo lehibe sy mendri-dera indrindra ao amin’ny tanànan’Andriamanitsika! Ny vohiny masina: tsara fideza, fifalian’ny tany tontolo!
Ny vohitra Siôna: any am-parany avaratra, tanànan’ny Mpanjaka lehibe! Andriamanitra amin’ireo tilikambony mitomban-ko fiarovana avo.
Izahay, ry Andriamanitra, mametso ny hatsaram-ponao ao anivon’ny Tempolinao. Ny voninahitrao dia toy ny Lanitrao: mitatao ny tany tontolo! Ny tananao feno fahamarinana.


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Boky Jenezy

Jen. 13, 2. 5-18


Aoka re tsy hifanditra izaho sy ianao, fa mpirahalahy isika.

Nanana harena be tokoa i Abrahama, dia biby fiompy sy volafotsy ary volamena.

I Lôta izay niara-dia tamin’i Abrahama, dia mba nanana omby aman’ondry sy lay koa; ka tsy ampy hiarahan’izy roa lahy monina intsony ny faritany, fa efa be dia be ny fananany, ka tsy nahazo niara-nitoetra intsony izy. Nifanditra ny mpiandry ondrin’i Abrahama sy ny mpiandry ondrin’i Lôta. Ny Kananeanina sy ny Ferezeanina no nitoetra tamin’ny tany tany tamin’izay. Dia hoy i Abrahama tamin’i Lôta: “Aoka re tsy hifanditra izaho sy ianao, na ny mpiandry ondriko sy ny mpiandry ondrinao, fa mpirahalahy isika. Tsy eo anoloanao ve ny tany rehetra? Ka aoka hisaraka amiko ianao. Raha mankany amin’ny havia ianao dia ny havanana kosa no halehako; ary raha mankany amin’ny havanana ianao dia ny havia kosa no halehako.” Dia nanopy ny masony i Lôta ka nahita ny tany lemak’i Jordany rehetra izay azon-drano hatrany hatrany; io tany io, talohan’ny nandravan’ny Tompo an’i Sôdôma sy Gômôra, dia tahaka ny sahan’ny Tompo, tahaka ny tany Ejipta akaikin’i Tsoara. Ka dia ny tany lemak’i Jordany no nofidin’i Lôta ho azy; ka nifindra niantsinanana izy; toy izany no nisarahan’izy roa lahy. I Abrahama nonina tamin’ny Kanaàna ary i Lôta kosa nonina tao afovoan’ireo tanàna eo amin’ny tany lemaka sy nanorina ny lainy hatrany Sôdôma. Ary ny mponina tany Sodôma dia olon-dratsy sy mpanota indrindra tamin’ny Tompo.

Ary hoy ny Tompo tamin’i Abrahama taorian’ny nisarahan’i Lôta taminy: “Atopazy ny masonao ary eto amin’itý fitoerana misy anao itý, dia mijere mianavaratra sy mianatsimo, ary miankandrefana sy miantsinanana; fa homeko anao sy ny taranakao mandrakizay izao tany rehetra tazanao izao. Hataoko toy ny vovo-tany ny taranakao ka raha azo isaina ny vovo-tany dia ho azo isaina koa ny taranakao. Koa mitsangana ianao, tetezo an-davany sy an-tsakany ny tany, fa homeko anao izy.” Dia nifindra toby i Abrahama ka nandeha nonina teo amin’ny terebintan’i Mambre, izay any Hebrôna, ary teo izy nanangana ôtely ho an’ny Tompo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 14, 2-3ab. 3de-4ab. 5.


Fiv.: Tompo ô, zovy no hiantrano ao an-dainao?

Izay mizotra tsy manan-tsiny sy mitandro ny rariny: milaza izay tena ao am-pony, tsy mamela ny lela haniasia.
Tsy manisy ratsy ny namana, na manebaka ny miara-monina; tsy manao ny olo-meloka ho zavatra, fa manaja izay matahotra ny Tompo; tsy mivadika amin’ny teny nomena, na dia hahasingo-tena aza.
Tsy mampanàna vola, na mandray kolikoly hahavoa ny madio. Izay manao izany tsy hihontsona mandrakizay!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana, ankamasino amin’ny fahamarinana izahay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 7, 6. 12-14


Izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo dia mba ataovy amin’ny olona toraka izany koa.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: “Aza omena ny alika ny zava-masina, ary aza atsipy amin’ny kisoa ny voahanginareo, sao hitsahiny ireny, dia hifotitra hamiravira anareo izy. Koa amin’izany, izay rehetra tianareo hataon’ny olona aminareo, dia mba ataovy amin’ny olona koa toraka izany, fa izany no Lalàna sy Mpaminany. Midira amin’ny vavahady etý, fa lehibe ny vavahady ary malalaka ny lalana mankany amin’ny fahaverezana, ka maro no mahazo any; fa tery kosa ny vavahady, ary etý ny lalana mankany amin’ny fiainana, ka vitsy no mahita azy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, itý sorom-pifonana sy fiderana itý ary enga anie hanadio anay ny fahasoavana avy aminy ka ho sitrakao ny fitiavana atolotry ny fonay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 144, 15

Any aminao avokoa ny mason’ny velona rehetra manantena Anao, ary Ianao manome ny sakafony ara-potoana.


na hoe:

Jo. 10, 11-15

Izaho no Mpiandry ondry tsara, hoy ny Tompo; mahafoy ny aiko ho an’ny ondriko Aho.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, nahazo aim-baovao izahay nandray ny Vatana sy Ra masin’i Kristy koa mihanta aminao mora fo: enga anie izao fanompoam-pivavahana feno fitiavana fanaonay izao ho antoky ny fanavotana anay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0078