Sorona Masina ny Alahady 23 jona 2019

ALAHADY  manaraka ny Trinite Masina – Taona D

NY VATANA AMAN-DRA MASIN’I KRISTY

SOROM-PIHAVANANA SY SAKAFO MAMPIRAY NY EOKARISTIA

Lokon’akanjo: fotsy

Tononkira fidirana

Sal. 80, 17

Nofahanany vary matsiro izy, ary novokisany tantely remby.

 

Asiana VONINAHITRA ANIE...

 

Fangatahana

Ry Jesoa Kristy Tompo ô, namelanao ny fahatsiarovana ny fijalianao izahay amin’izao Sakramenta mahagaga izao, koa enga anie ho fatra-panaja izany mistery misy ny Vatanao sy ny Ranao izany izahay, mba handrenesanay lalandava ny vokatry ny fanavotanao.

Fa Ianao Andriamanitra velona sy manjaka miaraka amin’Andriamanitra Ray ao amin’ny Fanahy Masina, amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky Jenezy

Jen. 14, 18-20

Nanolotra mofo sy divay i Melkisedeka.

Tamin’izany andro izany, i Melkisedeka mpanjakan’i Salema dia nitondra mofo sy divay: Mpisoron’Andriamanitra avo indrindra izy. Dia nitsodrano an’i Abrahama izy nanao hoe: “Hanisy soa an’i Abrahama anie Andriamanitra avo indrindra Izay nahary ny lanitra sy ny tany. Ary hisaorana anie Andriamanitra avo indrindra izay nanolotra ny fahavalonao ho eo an-tananao”. Ary i Abrahama kosa dia nanome azy ny ampahafolon’ny zavatra rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Salamo fandinihana

Sal. 109, 1. 2. 3. 4

 

Fiv.: Ianao Mpisorona mandrakizay, araka ny fanaon’i Melkisedeka.

Tenin’ny Tompo amin’ny Tompoko: «Mipetraha an-kavanako; izaho hanao ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao!»
Fa anao ny fiandrianana raha vao teraka ianao! Izaho no niteraka anao teto am-bohitra masina toy ny maraina miteraka ny ando!
Ny Tompo nanao fianianana izay tsy hanenenany; «Ianao mpisorona mandrakizay toa an’i Melkisedeka!»
Ny Tompo eo an-kavananao mandripaka mpanjaka amin-kavinirana.
Ilay Mpanjaka eo an-driaka eny an-dalana mitraka fa avy nisotro.

 

VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty

Kôr. 11, 23-26

 

Isaky ny mihinana ity Mofo ity sy misotro amin’ity kalisy ity ianareo, dia manambara ny nahafatesan’ny Tompo.

Ry kristianina havana, izao no noraisiko tamin’ny Tompo sy nafindrako taminareo kosa: tamin’ny alina namadihana Azy iny i Jesoa, dia nandray mofo, ka nony efa nisaotra Izy, dia namaky azy sy nanao hoe: “Raiso ary hano, fa Vatako ity ho anareo, manaova izao ho fahatsiarovana Ahy”. Toy izany koa, nony efa nihinana, noraisiny ny kalisy, dia hoy Izy: “Ity kalisy ity no fanekena vaovao amin’ny Rako; manaova izao ho fahatsiarovana Ahy, isaky ny misotro ianareo. Fa isaky ny mihinana ity Mofo ity sy misotro amin’ity kalisy ity ianareo, dia manambara ny fahafatesan’ny Tompo mandra-piaviny”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Antsa (Azo avela, na ny anatin’ny […] ihany no atao raha hafohezina)

Derao ny Mpamonjy, ry Siôna, Hobio sy antsao ny Kiadinao sy Mpifehy anao.
Mikezaha araka izay tratry ny ainao, satria ambony noho ny dera rehetra Izy, ka tsy ampy hidera Azy ianao.
Ny deraintsika anio indrindra dia ilay Mofo velona, ilay Mofo manome aina.
Dia ilay Mofo nomena ny Apôstôly roa ambin’ny folo araka ny efa fantatsika, tamin’ilay Fanasana farany.
Aoka ny fiderana ataontsika hanetriketrika ary aoka ny hirantsika hahate-hihaino, aoka ny hafaliantsika ho tsara.
Satria ilay andro malaza namoronana io Fanasana masina io no deraintsika anio izao.
Amin’izany fanasan’ny Mpanjaka vaovao izany dia ny Paka vaovaon’ny Lalàna vaovao no misolo ny Paka taloha.
Ny fomba vaovao: mandimby ny fomba taloha; ny marina mampisava ny aloka, ary ny fahazavana mamono ny haizin’ny alina.
Izay nataon’i Kristy tamin’ilay sakafo hariva dia nodidiany hatao ho fahatsiarovana Azy.
Ny nataony no arahinay ka dia manamasina ny mofo sy ny divay hanjary ho sorom-pamonjena izahay.
Teny finoana ho an’ny kristianina no ahatongavan’ny mofo ho Nofo, sy ny divay ho Ra.
Izay tsy azonao, izay tsy hitan’ny masonao dia ampiaiken’ny finoana velona, na dia tsy araka ny fomban’ny zava-boaary aza.
Ao anatin’ny endri-javatra samy hafa endrika fotsiny tsy misy ventiny intsony no iafenan’ny zava-tsoa faran’izay ambony.
Ny Nofo dia hanina ary ny Ra dia fisotro, fa ny endrika roa dia samy misy ny Tenan’i Jesoa Kristy manontolo.
Tsy tapaka izy, tsy mivaky, tsy saratsarahin’ny mpandray fa raisina manontolo.
Na olona iray na olona arivo no mandray dia izay raisin’ny arivo no raisin’ny iray mandray izy rehetra fa tsy mahalany Azy.
Mandray ny tsara fanahy, mandray koa ny ratsy fanahy fa tsy mitovy izay anjarany: na ho fiainana izany na ho fahafatesana.
Fahafatesana no azoa’ny ratsy fanahy, ary fiainana no hitan’ny tsara fanahy: endrey ity tsy fitoviam-bokatra nefa hanina iray ihany no hanina! Ilay vakîna iny ny endrika dia aza misalasala ianao fa tsarovy fa na hôstia sombiny na manontolo tsy mivaky; dia samy misy an’i Jesoa Kristy manontolo.
Ny Tena izay takon’ny endrika dia tsy vaky akory; ilay endrika hita maso ihany no motika fa Ilay ambarany dia tsy miova toetra.

 

(Eto no manomboka raha ny fohy)

 

[Indro Ilay Mofon’ny Anjely manjary vatsy ho an’ny olombelona mpivahiny: tena sakafon’ny zanaka tokoa ka tsy tokony hatsipy hohanin’ny amboa.
Efa voatandindona fahiny izy, na tamin’i Isaaka natao sorona, na tamin’ny zanak’ondrin’ny Paka, na tamin’ny mana namelona ny razantsika tany an’efitra.
Ry Jesoa Mpiandry ondry tsara, ry Mofo mahavelona, mamindrà fo aminay, aoka Ianao ho hanina hamelona sy hanohana anay, ary aoka Ianao hampahita anay ny soa any amin’ny tanin’ny Velona.
Ianao no mahalala sy mahefa ny zavatra rehetra, ka mamahana anay eto an-tany; koa eto izahay miara-misakafo aminao, ka dia tongavy ho mpiray lova, sy ho naman’ireo mponina masina any an-danitra. Amen.]

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no Mofo velona izay nidina avy any an-danitra, hoy ny Tompo, izay mihinana amin’ity Mofo ity dia ho velona mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 9, 11b-17

Nihinana izy rehetra ha voky.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny vahoaka ny amin’ny Fanjakan’Andriamanitra sady nanasitrana ny marary. Efa ho hariva ny andro ka nanatona Azy ny roa ambin’ny folo lahy nanao taminy hoe: “Ravao ny vahoaka handeha hitady fandriana sy hanina any amin’ny vohitra sy ny saha manodidina, fa aty an’efitra isika izao”. Fa hoy Izy taminy: “Omeonareo hanina izy”. Dia namaly ireo nanao hoe: “Tsy manana afa-tsy mofo dimy sy hazandrano roa izahay, raha tsy hoe handeha hividy angaha izahay, mba hisy hohanin’ireo vahoaka be ireo”. Fa tokony ho dimy arivo lahy izy ireo. Dia hoy Izy tamin’ny mpianany: “Asaovy mipetraka mitsitokotoko dimampolo avy ny olona”. Dia nataony izany, ka nasainy nipetraka daholo izy ireo. Tamin’izay, noraisin’i Jesoa ny mofo dimy sy ny hazandrano roa, dia niandrandra ny lanitra Izy ka nitso-drano azy, ary novakiny sy nozarainy tamin’ny mpianany, mba harosony eo anoloan’ny vahoaka. Dia nihinana izy rehetra ka voky. Dia nentina ny sombintsombiny sisa tsy lany ka nahafeno sobika roa ambin’ny folo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Asiana IZAHO MINO...

 

Ranombavaka

Ry kristianina havana, tafavory manotrona an’i Kristy isika, dia i Kristy mamelona antsika amin’ny Vatany sy ny Rany, koa akambano amin’ny Azy ny vavaka ataontsika mba hamelomany an’izao tontolo izao amin’ny Ainy entiny ho antsika.

Valy: Aina sy vonjy Ianao, ry Tompo ô.

* Sakafon’ny Eglizy ny Eokaristia, koa mivavaha mba hanovo hery sy fahasambarana eo amin’ny Sorona Masina ny Mpisorona sy ny vahoakan’Andriamanitra.
* Maro ny firenena mbola tsy mahalala ny Eokaristia; koa angataho mba ho tonga sakafo foto-kasambarana ho azy rehetra koa ny Vatana aman-dRan’ny Tompo.
* Jesoa nampitombo ny mofo mba hanambaràny ny Eokaristia; koa mivavaha mba hameno fitiavana antsika ny Eokaristia, hahaizantsika mizara sakafo amin’zay noana.
* Miangona isan-kerinandro isika, ka enga anie ny Sorona Masina (fanompoam-pivavahana) isan’alahady, mba hanampy antsika hifankatia sy hifamonjy ary hifanampy bebe kokoa hatrany.

 

— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.

 

Tompo ô, vorînao ny vahoakanao ary velominao amin’ny Eokaristia Masina, koa enga anie ny Sorona atolotray sy ny Kômonio raisinay mba hanavao ny ainay ara-panahy sy hanentana anay hifampizara ny manta sy ny masaka marina tokoa.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.

 

Vavaka Fanolorana

Mitalaho aminao izahay, ry Tompo, mba ataovy miray fo sy miadana ny Eglizinao fa izany no ambaran’ireto fanatitra atolotray ireto.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy: Ny Eokaristia Masina II

 

Kômonio

Jo. 6, 57

Izay mihinana ny Nofoko sy misotro ny Rako, hoy ny Tompo, dia mitoetra ao amiko ary Izaho ao aminy.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, mba ataovy faly mahita Anao Andriamanitra mandrakizay, fa izany no santarinay rehefa mandray ny Vatanao sy ny Ranao masina ety an-tany.

Fa Ianao velona sy manjaka... Amen.

 

                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0923