Sorona Masina ny Asabotsy 22 jona 2019

Herinandro faha-11 mandavantaona

SABOTSY

 

Tononkira fidirana

Sal. 26, 7. 9

 

Henoy, ry Tompo, ny feoko miantso Anao. Tongava hamonjy ahy, aza manary ahy, aza mahafoy ahy, ry Andriamanitra Mpamonjiko.

 

Fangatahana

Ry Andriamanitra be fiantra ô, Ianao no andry iankinan’izay manantena Anao; ka atreho ny vavaka ataonay: ary raha tsy Ianao, tsy mahefa na inona na inona izahay fa nofo sy ra ka ombao fahasoavana mandrakariva hitandrina ny didinao mba hifanaraka amin’ny sitraponao na ny hevitray na ny asanay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka… Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Boky faharoan’ny Tantara

2 Tant. 24, 17-25

 

I Zakaria, ilay novonoinareo teo anelanelan’ny tempoly sy ny ôtely.

Nony maty i Jôiadà, tonga niankohoka teo anatrehan’ny mpanjaka ny lehibe tamin’i Jodà, ka nihaino azy ireo ny mpanjaka, dia nandao ny tranon’ny Tompo Andriamanitry ny razany izy ireo, ary ny aserah mbamin’ny sampy no nomeny voninahitra. Tratry ny fahatezeran’ny Tompo anefa i Jodà sy i Jerosalema noho izany fivadihana izany. Naniraka mpaminany tany amin’izy ireo ny Tompo hampiverina azy ireo aminy indray, ka nitsangana ho vavolombelona nanohitra azy ireo ireny, nefa tsy nohenoiny. Notsindrian’ny fanahin’Andriamanitra i Zakaria, zanak’i Jôiadà mpisorona, ka nankeo anatrehan’ny vahoaka nilaza taminy hoe: “Izao no lazain’Andriamanitra: Ahoana no andikanareo ny didin’ny Tompo, tsy hahazoanareo fanambinana? Noho ianareo nahafoy ny Tompo, dia mba hafoiny koa.” Ka niray tetika hamely an’io izy ireo, ka nitora-bato azy, dia teo amin’ny kianjan’ny tranon’ny Tompo, noho ny didin’ny mpanjaka. Tsy tsaroan’i Jôasa ny fitiavana nataon’i Jôiada rain’i Zakaria taminy, ka nampamono an’itý zanany izy. Hoy i Zakaria nony efa ho faty: “Hijery sy hamaly an’izao anie ny Tompo!” Nony niherina ny taona, niakatra hamely an’i Jôasa ny tafiky ny Sirianina ka dia tonga tany Jodà sy Jerosalema izy. Namono ny lehibe rehetra teo amin’ny vahoaka izy ireo, sy nampitondra ny babo azony rehetra ho any amin’ny mpanjakan’i Damasa. Miaramila vitsy no teo amin’ny tafiky ny Sirianina, nefa miaramila maro be no natolotry ny Tompo ho eo an-tanany satria izy ireo nahafoy ny Tompo Andriamanitry ny razany. Nanefa ny fitsarana namely an’i Jôasa ny Sirianina. Nony nilaozan’ireny, ka efa feno ratra maro izy, dia nanaovan’ny mpanompony teti-be hasiana, noho ny amin’ny ran’ny zanak’i Jôiadà mpisorona, ka novonoiny teo am-pandriany, dia maty. Nalevina tao an-tanànan’i Davida izy, nefa tsy natao tao amin’ny fasan’ny mpanjaka.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 88, 4-5. 29-30. 31-32. 33-34.

 

Fiv.: Hotanako aminy mandrakizay ny hatsaram-poko.

Nanao fanekena tamin’ilay voafidiko Aho; nianiana tamin’i Davida mpanompoko: Ajoroko ho mandrakizay, hoy Aho, ny taranakao, aoriko ho lalandava ny Fiketrahanao!
Hotanako aminy mandrakizay ny hatsaram-poko, ho azony antoka ny fanekeko! Hapetrako eo am-piketrahany ny taranany, ho toy ny andron’ny lanitra ny fitoeram-piandrianany.
Raha mandao ny Lalàko ireo zanany, raha tsy manaraka ny satako, fa manazimba ny fitsipiko, sy tsy mitandrina ny baikoko,
Dia ho sazîko amin-tsora-kazo ny hadisoan’ireny, sy amin-kapoka ny helony. Fa izy tsy hanesorako ny hatsaram-poko. Tsia, tsy hofoanako ny Teny napetrako.

 

Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinto

2 Kôr. 12, 1-10

 

Ny fahalemeko ihany no ireharehako.

Ry kristianina havana, mety ve ny mirehareha e? Tsy mahasoa izany, nefa aoka holazaiko ihany ny tsindrimandry sy ny fanambaràna avy amin’ny Tompo. Misy olona anankiray fantatro ao amin’i Kristy, efa efatra ambin’ny folo taona lasa izay, nakarina hatrany amin’ny lanitra fahatelo; tsy fantatro na tao amin’ny vatana na tsy tao amin’ny vatana izany: Andriamanitra no mahalala. Ary fantatro, fa io olona io, na tao amin’ny vatana izany, na tsy tao amin’ny vatana, tsy fantatro, Andriamanitra no mahalala, dia nakarina tany am-Paradisa, ka nandre teny tsy hay tenenina, tsy azon’ny olombelona ambara; ny amin’io olona io no hireharehako; fa ny amin’ny tenako dia tsy misy hireharehako afa-tsy ny fahalemeko ihany. Na dia hirehareha aza anefa aho, dia tsy hiendrik’adala, fa ny marina ihany no holazaiko; nefa hahatam-bava aho, fandrao misy mihevitra ahy ho mihoatra noho izay hitany amiko, na reny avy amiko. Ary fandrao mirehareha noho ny halehiben’ireo fanambaràna aho, dia nasiana tsilo tao amin’ny nofoko, dia anjelin’i Satana hamely tehamaina ahy, mba tsy hireharehako. Ny amin’io dia intelo aho no nangataka tamin’ny Tompo, mba hanalany an’io amiko, fa izao no navaliny ahy: “Ampy ho anao ny fahasoavako, sady amin’ny fahalemena indrindra no hiamparan’ny heriko.” Koa dia vao mainka sitrako aza ny hirehareha amin’ny fahalemeko, mba hitoeran’ny herin’i Kristy amiko. Izany no ifaliako amin’ny fahalemeko, amin’ny fahafaham-baràka, amin’ny fahaterena, amin’ny fanenjehana, amin’ny fahantrana, noho ny amin’i Kristy, satria ny fahalemeko no heriko.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 33, 8-9. 10-11. 12-13.

 

Fiv.: Ankafizo sy anarano fo fa mamy ny Tompo.

Ny Anjely milasy manodidina mba hamonjy izay matahotra ny Tompo. Ankafizo sy anarano fo fa mamy ny Tompo: sambatra ny olona mifefy aminy!
Matahora ny Tompo ianareo masiny: fa izay matahotra Azy tsy orin’inona. Ny tremalahy no tonga mahantra sy noana; izay mitady ny Tompo, tsy orin-tsoa inona!
Avia, rey anaka, mihaino Ahy hampianariko ny tahotra ny Tompo. Iza no olona mankamamy fiainana sy maniry hahita andro mahasambatra?

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 6, 24-34

 

Aza manahy ny ho ampitso ianareo.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: “Tsy misy olona mahay manompo tompo roa, fa ny anankiray ho halany, ary ny anankiray ho tiany, na ny anankiray hombany, ary ny anankiray hoesoiny. Koa tsy mahay manompo an’Andriamanitra sy ny vola ianareo. Noho izany, izao no ataoko aminareo: Aza manahy foana ny amin’ny ainareo, dia izay hohaninareo na hosotroinareo, na ny amin’ny tenanareo, dia izay hotafinareo. Moa tsy ny aina no ambony noho ny hanina, ary ny tena noho ny fitafiana? Jereo ny voro-manidina, fa tsy mba mamafy na mijinja, na manangona an-tsopitra ireny, fa ny Rainareo izay any an-danitra no mamelona azy; ka moa tsy mihoatra lavitra noho ireny va ianareo? Ary iza aminareo, na dia manahy aza, no mahay manalava ny tenany na dia iray hakiho ihany aza? Ary ahoana no anahianareo ny amin’ny fitafiana? Zahao ny fanirin’ny lisy any an-tsaha, fa tsy mba miasa, na mamoly ireny; kanefa lazaiko aminareo fa na dia i Salômôna teo amin’ny voninahiny rehetra aza dia tsy mba nitafy tahaka ny anankiray amin’izy ireny. Ka raha toy izany no fanafin’Andriamanitra ny ahitra any an-tsaha izay eny anio nefa hatsipy any am-patana rahampitso tsy mihoatra noho izany va no hataony aminareo ry kely finoana? Noho izany aza manahy ianareo manao hoe: Inona no hohaninay, na inona no hosotroinay na inona no hotafinay? Fa ny Jentily no mikatsaka izany rehetra izany; ary fantatry ny Rainareo izay any an-danitra fa ilainareo izany. Koa katsaho àry aloha ny fanjakan’Andriamanitra sy ny fahamarinany dia homena izany rehetra izany ianareo ho fanampiny. Ary aza manahy ny ho ampitso ianareo, fa ny ampitso hanahy ny azy, ary ny anio efa ampy ny fahoriana midona aminy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Andriamanitra ô, ireto fanatitra ireto no amelomanao sy anavaozanao ny olombelona; koa mihanta aminao izahay: enga anie tsy ho diso anjara amin’ny soa ateraky ny Sakramenta ny fanahy amam-batanay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Kômonio

Sal. 26, 4

Ny zava-tokana angatahiko amin’ny Tompo ary katsahiko indrindra, dia ny honina ao an-tranon’ny Tompo amin’ny andro rehetra hiainako.

 

na hoe:

Jo. 17, 11

Ry Ray Masina ô, tahirizo amin’ny Anaranao ireo nomenao Ahy mba ho iray tahaka antsika, hoy ny Tompo.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Manambara ny firaisan’ny mpino ao aminao, ry Tompo, ny Kômonio masina nomenao, ka enga anie ho tonga lafatra ny firaisanay ao amin’ny Eglizinao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0077