Sorona Masina ny Alahady 02 jona 2019

ALAHADY FAHA-7 - Taona D fankalazana ny Paka

TOKONY HANGETAHETA NY MANDRAKIZAY ISIKA

Lokon’akanjo: fotsy

Tononkira fidirana

Sal. 26, 7-9

Henoy, ry Tompo, ny feoko miantso Anao. Hoy ny foko taminao: «Mitady ny Endrikao aho; ny Endrikao, ry Tompo, no tadiaviko, aza afenina ahy ny salovan-Tavanao». Aleloia!


Asiana VONINAHITRA ANIE...


Fangatahana

Tompo ô, mba atreho ny vavakay: mino izahay fa ny Mpanavotra ny taranak’olombelona dia efa miombom-boninahitra aminao any an-danitra; kanefa kosa, enga anie mba ho tsapanay fa, araka ny nampanantenainy, dia eo aminay mandrakariva Izy, mandra-pahatapitr’izao tontolo izao.

Fa Izy Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly

Asa 7, 55-60

Hitako ny Zanak’olona mitsangana eo ankavanan’Andriamanitra.

Tamin’izany andro izany, feno ny Fanahy Masina i Etienina, ary nibanjina ny lanitra izy ka nahita ny voninahitr’Andriamanitra sy i Jesoa nitsangana teo ankavanan’Andriamanitra, ary nanao hoe: “Indro hitako ny lanitra misokatra, mbamin’ny Zanak’olona mitsangana eo ankavanan’Andriamanitra”. Fa indray nihoraka izy rehetra, sady nanentsin-tadîny no niara-niantoraka taminy. Dia notaritiny tany ivelan’ny tanàna izy, ka notorahany vato, ary ny vavolombelona dia nametraka ny fitafiany teo an-tongotry ny zatovo anankiray atao hoe Saoly. Raha mbola nitora-bato azy izy ireo, i Etienina kosa nivavaka nanao hoe: “Jesoa Tompo ô! raiso ny fanahiko!” Dia nandohalika izy, ka niantso tamin’ny feo mahery hoe: “Tompo ô, aza tanana izao hadisoany izao”. Nony nilaza izany izy, dia nody mandry teo amin’ny Tompo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 96, 1 sy 2b. 6 sy 7d. 9


Fiv: Manjaka ny Tompo ambonin’ny tany rehetra.

Manjaka ny Tompo: miravoa ny tany; ianareo nosy maro, mifalia. Ny manodidina Azy: rahona sy zavona ny ijoroan’ny fiketrahany dia ny rariny sy ny hitsiny.
Ny lanitra manambara ny fahamarinany, ireo vahoaka mahita ny voninahiny. Ny andriamanitra rehetra miankohoka aminy avokoa.
Fa Ianao tokoa no avo indrindra Ianao ambonin’ny tany tontolo, avo lavitra noho ireo andriamanitra.


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Boky Fanambaràna nosoratan’i Md. Joany Apôstôly

Apôk. 22, 12-14. 16-17. 20


Avia, ry Jesoa Tompo.

Izaho, Joany, dia nandre feo nilaza tamiko hoe: “Indro, avy faingana Aho; efa eo am-pelatanako ny valy hamaliako ny olona rehetra araka ny asany avy. Izaho no Alfà sy Omegà, ny voalohany sy ny farany, ary ny fiandohana sy ny fiafarana. Sambatra izay manasa ny akanjony amin’ny Ran’ny Zanak’ondry, mba hananany fahefana amin’ny hazon’aina, sy hidirany amin’ny vavahady ao an-tanàna. Izaho Jesoa no haniraka ny Anjeliko hanambara ireo zavatra ireo aminareo ho an’ny Eglizy. Dia Izaho ilay solofo sy taranak’i Davida ary kintana mamirapiratra fitarika andro”. Ary hoy ny Fanahy sy ny ampakarina: “Avia”. Aoka izay mandre koa hanao hoe: “Avia”. Ary aoka ho avy izay mangetaheta, mbamin’izay maniry izany, ka hisotro maimaim-poana amin’ny ranon’aina! Izao no lazain’Ilay manambara ireo zavatra ireo: “Eny, avy faingana Aho!” Amen! Avia, ry Jesoa Tompo!

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Tsy havelako ho kamboty ianareo, hoy ny Tompo: handeha Aho ary ho avy eo aminareo indray, ka ho faly ny fonareo.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 17, 20-26

Mba ho iray izy rehetra.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niandrandra ny lanitra ary nivavaka hoe: “Ray masina ô, tsy ho azy ireto ihany no angatahako, fa ho an’izay hino Ahy noho ny teniny koa: mba ho iray izy rehetra, tahaka Anao, Ray ato amiko, ary Izaho ao aminao, ary mba ho iray ao amintsika koa izy, ka hinoan’ny olona fa Ianao no naniraka Ahy, Efa nomeko azy ny voninahitra nomenao Ahy, mba ho iray izy, tahaka ny maha-iray Antsika: Izaho moa ao aminy, Ianao kosa ato amiko, mba ho tena iray tokoa izy ireo, ka ho fantatr’izao tontolo izao fa Ianao no naniraka Ahy, ary Ianao tia azy ireo tahaka ny nitiavanao Ahy.

Ray ô, tiako hiaraka amiko, any amin’izay itoerako, ireo nomenao Ahy, mba hahita ny voninahitra nomenao Ahy, satria efa tia Ahy talohan’ny nahariana izao tontolo izao Ianao. Ray marina ô, tsy nahalala Anao izao tontolo izao, fa Izaho no nahalala Anao, ary ireto koa no nahalala fa Ianao no naniraka Ahy. Efa nampahafantariko ny Anaranao izy, sady mbola hampahafantariko koa, mba ho ao aminy ny fitiavana izay nitiavanao Ahy, ary mba ho ao aminy koa Aho”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, nangatahin’i Kristy mba ho iray isika rehetra; koa ampiraiso ny fontsika amin’izao vavaka izao, hangataka izay ilain’ny olombelona.

Valy: Mba ho iray ihany anie izahay mpianatrao.

* Andro fivavahana mba hiraisan’ny kristianina anio: efa samy mino an’i Kristy isika, ka mangataha amin’Andriamanitra mba hampiraisany ny andian’ondry manontolo, araka izay lalana fantany sy izay fomba iriny.
* Mivavaha ho an’izay rehetra mpitarika vahoaka, mba hampian’Andriamanitra Ray iombonana izy, hikendry lalandava ny hiraisana sy hiaraha-miasa ary hifanasoavana.
* Be ny fialonana, ny valifaty, ny lolom-po sy ny haratsiam-panahy isan-karazany: koa mivavaha mba samy haka tahaka an’i Md. Etienina isika hahay hifamela heloka.
* Mangataha amin’Andriamanitra mba hanahaka an’ireo kristianina voalohany ny fiangonantsika ankehitriny ka ho fo iray sy fanahy iray.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana na eran-tany.


Tompo ô, enga anie ho hita taratra eo aminay ny fahasoavanao, tahaka ny tamin’i Masindahy Etienina, ka hahitan’ny olona Anao rehefa miresaka Anao izahay, ary mba ataovy manam-pitiavana hoatra azy izahay hahazaka ny zavatra rehetra tsy misy lolom-po, tsy misy fankahalana, mba ho santatry ny lanitra ny fiainanay ety an-tany.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, ny vavaka aman-tolotra ataonay mpino, ka izao fanompoam-pivavahana feno fitiavana izao anie hahatongavanay any amin’ny voninahitra any an-danitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Ny Niakaran’ny Tompo


Kômonio

Jo. 17, 22

Ray ô, mangataka Aho mba ho iray izy ireo tahaka ny maha-iray Antsika. Aleloia!


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mba henoy vavaka izahay, ry Andriamanitra Mpamonjy anay: enga anie izao Sorona masina izao, hahazoanay toky fa ho tanteraka ao amin’ny Eglizy rantsam-batan’i Kristy izay efa tontosa rahateo ao amin’Izy Filohanay.

Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1214