Sorona Masina ny Alarobia 29 mey 2019

Herinandro faha-6 — Fankalazana ny Paka

ALAROBIA


Tononkira fidirana

Salamo 17, 50 ; 21, 23


Hidera Anao eto anivom-pirenena aho, ry Tompo, sy hitory ny Anaranao amin’ireo havako. Aleloia!


Fangatahana

Mba ekeo vavaka izahay, ry Tompo, fa mankalaza ny Zanakao nitsangan-ko velona, koa enga anie ho mendrika hiara-paly amin’ny Olomasina rehetra, amin’ilay andro hahatongavany indray.

Fa Izy Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly

Asa 17, 15. 22 — 18, 1


Izay ivavahanareo izay, nefa tsy fantatrareo no torìko aminareo.

Tamin’izany andro izany, dia niaraka tamin’i Paoly hatrany Atena ry zareo nanatitra azy; rahefa izany dia nohafaran’i Paoly handefa an’i Silasy sy i Timôte hanatona azy faingana izy ireo, dia lasa. Dia nitsangana teo afovoan’i Areôpaza i Paoly ka nanao hoe: “Ry lehilahy atenianina: hitako amin’ny zavatra rehetra etoana fa olona fatra-pivavaka loatra ianareo. Satria raha nandalo aho ka nijery ny zavatra ivavahanareo, dia nahita ôtely anankiray misy izao soratra izao: ‘Ho an’ny Andriamanitra tsy fantatra.’ Koa izay ivavahanareo izay, nefa tsy fantatrareo, no torìko aminareo: Ny Andriamanitra izay nanao izao tontolo izao sy ny zavatra rehetra ao aminy, no tompon’ny lanitra sy ny tany, ka tsy mba ny tempoly nataon’ny tanan’ny olona fotsiny no itoerany. Tsy mba tompoin’ny tanan’olombelona Izy, fa tsy misy toy ny hoe zavatra ilainy, fa Izy aza no manome an’izao rehetra izao: ny aina sy ny fofon’aina, ary ny zavatra rehetra. Avy tamin’ny olona iray no nampiaviany ny firenena rehetra, mba hamenoany mponina ny vohon’ny tany rehetra, ary Izy ihany no nametraka ny taona hisiany sy ny faritany honenany avy, mba hitady an’Andriamanitra izy, raha tahiny hahatsapa ka hahita Azy, na dia tsy lavitra antsika rehetra aza Izy; fa ao anatiny no ivelomantsika, sy ihetsiketsehantsika, ary iainantsika, araka ny voalazan’ny mpanao tonon-kira sasany taminareo hoe: ‘Taranany koa isika.’ Koa raha taranak’Andriamanitra àry isika, dia tsy tokony hino fa ny fomban’Andriamanitra dia mitovy amin’ny volamena, na ny volafotsy, na ny vato izay nataon’ny tanana amam-pahaizan’olombelona. Tsy nahoan’Andriamanitra ny andron’ny tsy fahalalana fahizay; fa asainy hibebaka daholo kosa ankehitriny ny olona rehetra amin’izao tontolo izao. Satria Izy efa nanendry andro anankiray hitsaràny an’izao tontolo izao araka ny rariny, amin’ny alalan’ny Lehilahy anankiray izay efa voatendriny sy nohamarininy mba hinoan’ny olona rehetra, tamin’ny nananganany Azy ho velona.” Nony nandre izany hoe fitsanganan’ny maty izany izy ireo, dia nihomehy ny sasany, fa ny sasany kosa nanao hoe: “Mbola hihaino anao indray izahay ny amin’izany.”

Toy izany no nialan’i Paoly teo amin’izy ireo. Nisy olona vitsivitsy nino sy nikambana taminy ihany anefa; anisan’ireo i Denis isan’ny Areôpaza, sy vehivavy anankiray atao hoe Damarisy, ary ny sasany hafa koa. Taorian’izany dia niala tao Atena i Paoly ka nankany Kôrinto.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 148, 1-2. 11-12ab. 12d-14a. 14bde


Fiv.: Feno ny voninahitrao ny tany aman-danitra.

Miderà ny Tompo ianareo ’zay any an-danitra any! Miderà ny Tompo ianareo rehetra monina any! Miderà ny Tompo ianareo Anjeliny rehetra! Miderà ny Tompo ianareo, ry tafiny rehetra!
Ianareo mpanjaka, ianareo vahoaka ts’ hita isa, ianareo andriana, ianareo mpitsara ny tontolo, ianareo zatovo, tsy an-kanavaka eran-tany, ianareo ankizy sy ny zokiolona rehetra.
Aoka ireo hidera ny Anara-masin’Izy Tompo, fa ny Anara-masiny no avo hany mendri-kaja, ka ny fiamboniany avo noho ny lanitra sy tany. ’Reo mpanompo Azy faly mankalaza sy midera.
Ts’iza izany akory fa ny firenen’i Israely, ’lay vahoaka tiany nolalainy hatrany!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Natsangan’Andriamanitra ho velona i Kristy, Ilay nahantona tamin’ny Hazofijaliana noho isika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 16, 12-15


Ny Fanahin’ny fahamarinana no hitari-dalana anareo amin’ny marina rehetra.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: “Mbola manan-javatra betsaka holazaina aminareo Aho, nefa tsy zakanareo ankehitriny; fa rahefa tonga ny Fanahin’ny fahamarinana, dia Izy no hitari-dalana anareo amin’ny marina rehetra, satria tsy hiteny ho Azy Izy, fa izay rehetra ho reny no holazainy, ary ny zavatra ho avy no hambarany aminareo. Hanome voninahitra Ahy Izy, satria handray ny avy amiko ka hanambara izany aminareo. Ahy izay rehetra ananan’ny Raiko; ka izany no nanaovako hoe: Handray ny avy amiko Izy ka hanambara izany aminareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Andriamanitra ô, izao Sorona ifandraisanay aminao izao no nataonao hiombonanay anjara aminao Andriamanitra avo indrindra, koa mihanta aminao izahay: enga anie ho arakaraka ny hahalalanay ny marina nambaranao, no hanamasinanay ny toe-piainanay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Paka


Kômonio

Jo. 15, 19. 16.

Nifidy anareo teo amin’izao tontolo izao Aho, hoy ny Tompo, ary nanendry anareo handeha amin’izay hanirahako anareo, ka hiavosa sy haharitra ny vokatrareo. Aleloia!


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mitalaho an-tanan-droa aminao izahay, ry Tompo: ombao fitahiana izahay vahoakanao vao nofahananao ny sakafo avy any an-danitra ka mba esory hiala amin’ny toetranay fahiny ary ento hankeo amin’ny fiainam-baovao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0084