Sorona Masina ny Asabotsy 25 mey 2019

Herinandro faha-5 — Fankalazana ny Paka

SABOTSY


Tononkira fidirana

Kôl. 2, 12


Ianareo natao Batemy dia niara-nilevina tamin’i Kristy ary niara-nitsangana taminy koa, noho ianareo nino ny herin’Andriamanitra, Ilay nanangana Azy ho velona. Aleloia!


Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, sitrakao nateraka indray tamin’ny Batemy izahay mba hahazo ny fiainana any an-danitra. Koa mihanta aminao: enga anie izahay nohamarininao ka narovanao tsy hiharan’ny fahafatesana mandrakizay mba hotantananao ho tody soa aman-tsara any amin’ny voninahitra any an-danitra.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly

Asa 16, 1-10


Mità makatý Masedônia ka vonjeo izahay.

Tamin’izany andro izany, dia tonga tany Derbe sy Listra i Paoly, ary indro nisy mpianatra anankiray teo atao hoe Timôte, zanaky ny vehivavy Jody sady mpino, fa ny rainy no Jentily. Tsara laza tamin’ny rahalahy tao Listra sy Ikôniôma izy, ka tian’i Paoly hoentina miaraka aminy; dia nalainy izy ka noforàny, noho ny Jody izay nitoetra tamin’izany tany izany, satria fantatr’izy rehetra fa jentily ny rainy. Ary raha nitety tanàna izy ireo, dia nasainy hotandreman’ny olona ny didy navoakan’ny Apôstôly sy ny Pretra tany Jerosalema. Koa sady nitombo finoana ny Eglizy rehetra no nihamaro isa isan’andro. Nony avy nitety an’i Frijia sy i Galasia izy ireo, dia noraran’ny Fanahy Masina tsy hitory ny tenin’Andriamanitra any Azia. Efa tonga tany Mizia izy, sy efa niomana ho any Bitinia, nefa tsy navelan’ny Fanahin’i Jesoa, ka nandalo faingana an’i Mizia, dia lasa nankany Trôasy. Nony alina, nahita tsindrimandry i Paoly: indro nisy lehilahy anankiray nitsangana teo anatrehany, ka nihanta taminy nanao hoe: “Mità mankatý Masedônia, ka vonjeo izahay.” Ary rahefa nahita izany izy, dia nitady hankany Masedônia haingana izahay, satria nahalala marina fa nantsoin’Andriamanitra hitory ny Evanjely amin’ny olona any.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 99, 2. 3. 5


Fiv.: Hobio ny Tompo, ry tany tontolo.

Hobio Izy Tompo, ry tany tontolo, ka fo falifaly anompoana ny Tompo. Tongava eo aminy, mihira, miravo.
Ekeo fa ny Tompo no Andriamanitra, fa Azy isika satria noarìny; sy tena vahoakany, ondry fiandriny.
Miaiky isika fa tsara ny Tompo, fa mandrakizay ny fitiavany antsika. Amin’ny taona rehetra ny fahamarinany.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona; ary hiditra amin’ny voninahiny.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 15, 18-21


Tsy olon’izao tontolo izao ianareo, fa Izaho no nifidy anareo teo amin’izao tontolo izao.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: “Raha halan’izao tontolo izao ianareo, dia fantaro fa Izaho no halany talohanareo. Raha olon’izao tontolo izao ianareo, dia ho tian’izao tontolo izao izay azy; fa noho ianareo tsy olon’izao tontolo izao, dia halan’izao tontolo izao ianareo. Tsarovy ny teny izay nolazaiko hoe: Ny mpanompo tsy ambony noho ny tompony. Raha nenjehiny Aho, dia hoenjehiny koa ianareo; ary raha nitandrina ny teniko izy, dia hitandrina ny anareo koa. Fa hataony aminareo izany rehetra izany noho ny Anarako, satria tsy fantany Ilay naniraka Ahy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy


Vavaka Fanolorana

Enga anie ho fo antra, ry Tompo, no handraisanao ny fanatitray fianakavianao, ka mba tohano sy arovy izahay hahatahiry izay noraisinay ary ho tody any amin’ny soa omenao mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Paka


Kômonio

Jo. 17, 20-21

Ray ô, mangataka ho azy ireo Aho, mba ho iray ao amintsika koa izy ireo ary mba hinoan’izao tontolo izao fa Ianao no naniraka Ahy. Aleloia!


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, mba arovy amin’ny fitiavanao mandrakariva ireo izay novonjenao; ka enga anie izay navotan’ny Zanakao nijaly sy maty ho faly mankalaza Azy nitsangan-ko velona.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0082