Sorona Masina ny Alakamisy 25 aprily 2019

Herinandro fankalazana ny Paka

ALAKAMISY


Tononkira fidirana

Fahen. 10, 20-21


Niara-nankalaza Anao mpandresy, ry Tompo, ny olo-marina, fa nampiloa-bava ny moana ny fahendrenao ary nampahay mandahatra ny lelan’ny zaza. Aleloia.


Asiana VONINAHITRA ANIE...


Fangatahana

Andriamanitra ô, firenena samihafa no nampiraisinao hankatò ny Anaranao; koa enga anie ireo vao nahazo aim-baovao tamin’ny Batemy mba ho iray fo amin’ny finoana, ho iray fitiavana miseho amin’ny asa.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly

Asa 3, 11-26


Novonoinareo ilay Tompon’ny aina, fa natsangan’Andriamanitra ho velona.

Tamin’izany andro izany, noho ilay malemy tongotra sitrana tsy niala teo amin’i Piera sy i Joany, dia nidodododo ny vahoaka nankeo amin’izy ireo teo amin’ny lavarangan’i Salômôna ka talanjona. Nony nahita izany i Piera, dia niteny tamin’ny vahoaka hoe: “Ry Israelita, nahoana no gaga amin’izany ianareo, ary nahoana no mibanjina anay? Angaha ataonareo fa ny herinay sy ny fahamasinanay no nampamindra azy io? Ny Andriamanitr’i Abrahama sy i Isaaka ary i Jakôba, Andriamanitry ny razantsika, no nanome voninahitra an’i Jesoa Zanany, izay natolotrareo sy nolavinareo teo anatrehan’i Pilaty, na dia nataony halefa aza Izy. Ny Masina sy ny Marina nolavinareo, fa ny lehilahy mpamono olona no nangatahanareo famelana. Ianareo namono ny Tompon’ny aina, fa Andriamanitra kosa nanangana Azy ho velona, ary izahay ireto no vavolombelon’izany. Noho ny finoana ny Anarany no nampahatanjahan’ny Anarany an’io lehilahy hitanareo sy fantatrareo io: eny, ny finoana avy aminy no nanome azy izao fahasitranana tsara teo imasonareo rehetra izao. Ary ankehitriny, ry havana, fantatro tsara fa ny tsy fahalalana no nanaovanareo izany, toy izany koa ireo mpitondra anareo; fa notanterahin’Andriamanitra tamin’izany kosa izay voalazany rahateo tamin’ny vavan’ny mpaminany fa hijaly i Kristy. Koa mivaloza, ary mibebaha, mba hovonoina ny helokareo, ka ho tonga ny andro mahavelombelona avy amin’ny Tompo, sy hanirahany an’Ilay voatendry ho anareo, dia i Jesoa Kristy, Ilay tsy maintsy horaisin’ny lanitra ambarapiavin’ny andro fanavaozana ny zavatra rehetra, araka izay voalazan’Andriamanitra tamin’ny vavan’ny mpaminany masina, hatramin’ny ela. Fa hoy i Môizy hoe: ‘Ny Tompo Andriamanitrareo hanangana ho anareo Mpaminany tahaka ahy avy amin’ny rahalahinareo’; Izy no hohenoinareo amin’izay rehetra holazainy aminareo, fa izay rehetra tsy hihaino izany Mpaminany izany, dia haringana tsy ho eo amin’ny vahoaka intsony. Ary ny mpaminany rehetra izay niteny hatramin’i Samoela no mankatý dia samy nanambara izao andro izao avokoa. Ianareo no zanaky ny mpaminany sy ny fanekena nataon’Andriamanitra tamin’ny razantsika, raha Izy nilaza tamin’i Abrahama hoe: ‘Ny taranakao no hanasoavana ny firenena rehetra ambonin’ny tany’, ka ho anareo aloha no nananganan’Andriamanitra ny Mpanompony, sy nanirahany Azy hanasoa anareo mba samy hialanareo amin’ny ratsy nataonareo avy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 8, 2a sy 5. 6-7. 8-9


Fiv.: Ry Tompo Andriamanitray ô, drey ny harevaky ny Anaranao eran-tany!

Ry Tompo Andriamanitray ô! drey ny harevaky ny Anaranao eran-tany. Fa mba inona ny olombelona no dia tsahivinao sy ny zanak’olombelona no dia ahînao?
Fa lasa ambany kely noho Andriamanitra izy. Ka heni-boninahitra izy nasondrotrao. Ny asan-tananao foinao hozakainy, ny zavatra rehetra eo ambany fiadidiany.
Dia omby aman’ondry omban’ny bibidia. Ny biby izay mandady sy mandia izany tany. Ny vorona eny an-danitra sy trondron-dranomasina izay miriaria sy mifaly eny ambony onja.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Itý no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 24, 35-48


Tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona amin’ny andro fahatelo.

Tamin’izany andro izany, dia notantarain’ireo mpianatra roa lahy tany Emaosy tamin’ny iraika ambin’ny folo lahy sy ny namany ny zavatra niseho taminy teny an-dalana sy ny nahafantarany Azy teo am-pamakiana ny mofo. Mbola niresaka toy izany eo izy ireo, dia niseho teo afovoany i Jesoa ka nanao taminy hoe: “Ho aminareo anie ny fiadanana! Aza matahotra, fa Izaho ihany.” Taitra sady natahotra izy ireo, fa nataony ho matoatoa no hitany. Ka hoy Izy taminy: “Nahoana no mitebiteby ianareo, ary nahoana no mihanahana ao am-ponareo? Zahao ny tanako sy ny tongotro, fa Izaho mihitsy itý: tsapao ka jereo, fa ny matoatoa tsy mba mana-nofo aman-taolana tahaka izao ahitanareo Ahy izao.” Ary rahefa nilaza izany Izy, dia nasehony azy ny tanany sy ny tongony. Ary raha ilay mbola tsy nino ihany iny izy ireo noho ny hafaliany sady mbola talanjona, dia hoy i Jesoa taminy: “Moa manan-kanina eto va ianareo?” Dia notoloran’izy ireo tapa-kazandrano voatono sy tantely Izy, ka noraisiny dia nohaniny teo imason’izy rehetra, ary ny sisa nomeny azy ireo. Dia hoy Izy tamin’izy ireo: “Izao no voalazako taminareo fony mbola teo aminareo Aho, fa tsy maintsy ho tanteraka izay rehetra voasoratra momba Ahy ao amin’ny Lalàn’i Môizy sy ny Mpaminany ary ny Salamo.” Dia nosokafany ny sain’izy ireo hahafantatra ny Soratra Masina, ka hoy Izy taminy: “Araka ny voasoratra dia tsy maintsy hijaly i Kristy sy hitsangan-ko velona amin’ny andro fahatelo, ary tsy maintsy torìna amin’ny firenen-drehetra, miantomboka amin’i Jerosalema, ny fibebahana sy ny famelan-keloka amin’ny Anarany. Ianareo no vavolombelon’izany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Tsy asiana IZAHO MINO …


Vavaka Fanolorana

Fo antra, ry Tompo, andraisana izao Sorona atolotray izao ho fankasitrahana Anao noho ireo vita Batemy ary ho fitalahoana aminao hanafaingana ny fanampiana avy any an-danitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Paka I


Kômonio

1 Piera 2, 9

Ry vahoaka navotana ô, torio ny hatsaran’Ilay niantso anareo hiala tamin’ny haizina hankeo amin’ny fahazavana mahagaga. Aleloia!


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mba henoy, ry Tompo, ny vavaka ataonay: enga anie izahay mazoto mandray ny Kômonio masina loharanom-pamonjena hahazo fanampiana amin’itý fiainana itý ary handova ny hasambarana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0086