Sorona Masina ny Alarobia 24 aprily 2019

Herinandro fankalazana ny Paka

ALAROBIA

Tononkira fidirana

Mt. 5, 34


Mandrosoa ianareo, ry nosoavin’ny Raiko, handova ny fanjakana izay voavoatra ho anareo hatrizay nahariana an’izao tontolo izao. Aleloia!


Asiana VONINAHITRA ANIE...


Fangatahana

Andriamanitra ô, omenao hafaliana isan-taona izahay mankalaza ny Tompo nitsanga-ko velona; koa enga anie ny fankalazana ataonay etý an-tany hahamendrika anay ho tonga any amin’ny hasambarana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Boky mitantara ny Asan’ny Apôstôly

Asa. 3, 1-10


Izay ananako no omeko anao: Amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy, mitsangàna ka mamindrà.

Tamin’izany andro izany, nankao an-tempoly i Piera sy i Joany tamin’ny fotoam-pivavahana amin’ny ora fahasivy. Nisy kosa lehilahy anankiray malemy tongotra hatrany an-kibon-dreniny nentina isan’andro sy napetraka teo am-baravaran’ny tempoly atao hoe Tsaraendrika, mba hangataka fiantrana tamin’izay niditra tao an-tempoly. Nony nahita an’i Piera sy i Joany ndeha hiditra ny tempoly ralehilahy io, dia nangataka fiantrana tamin’izy ireo. Nibanjina azy i Piera mbamin’i Joany nanao hoe: “Jereo izahay.” Dia nataony tsara jery izy ireo, fa nanantena hahazo zavatra taminy izy. Fa hoy i Piera: “Tsy manam-bolafotsy na volamena aho, fa izay ananako no omeko anao: Amin’ny Anaran’i Jesoa Kristy avy any Nazareta, mamindrà.” Sady noraisiny tamin’ny tanany ankavanana izy sy natsangany. Natanjaka niaraka tamin’izay ny ranjony sy ny tongony, dia niantsambotra izy sy nijoro ary namindra, ka niara-niditra tamin’izy ireo tao an-tempoly namindra sy niantsambotsambotra, ary nidera an’Andriamanitra. Nahita azy namindra sy nidera an’Andriamanitra ny vahoaka rehetra, sady fantany tsara fa izy io indrindra no ilay nipetraka teo am-baravaran’ny tempoly atao hoe Tsaraendrika mba hangataka fiantrana, ka gaga sy talanjona izy ireo noho ny zavatra nitranga tamin-dralehilahy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 104, 1-2. 3-4. 6-7. 8-9.


Fiv.: Ny hatsaram-pon’ny Tompo manerana ny tany

Derao ny Tompo! Antsoy ny Anarany! Ampahafantaro ny vahoaka ny asany ambony! Hirao Izy! Antsao! Vetsoy ny asany mahagaga!
Ireharehao ny Anarany masina! Miravoa ny fon’ny mpitady ny Tompo! Katsaho ny Tompo sy ny heriny! Tadiavo lalandava ny Tavany!
Ry taranak’i Abrahama mpanompony, ry zanak’i Jakôba ianareo voafidiny: Izy no Tompo Andriamanitra, manerana ny tany tontolo ny fitsarany.
Tsarovy mandrakizay ny fanekeny: dia ny teny napetrany ho an’ny taranaka arivo; ilay niantohany tamin’i Abrahama, sy nianianany tamin’i Isaaka.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Itý no andro nataon’ny Tompo, ka mifalia sy miravoa isika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 24, 13-35


Teo am-pamakiana ny mofo no nahafantaran’izy ireo Azy.

Nony marainakoan’ny andro voalohan’ny herinandro ihany, dia nisy mpianatra roa lahy nankany amin’ny vohitra anankiray atao hoe Emaosy, tokony ho enimpolo stady raha avy eo Jerosalema. Niresaka izany zava-niseho rehetra izany izy ireo. Ary raha mbola niresaka sy nifampilaza izay heviny teny izy, dia nanatona azy i Jesoa ka niara-dalana taminy; fa voasakana tsy hahafantatra Azy ny mason’izy ireo, hoy Izy taminy: “Inona izato resahinareo etý an-dalana no toa dia efa malahelo erý ianareo izany?” Dia namaly ny anankiray atao hoe i Kleôfasy ka nanao taminy hoe: “Ianao irery angaha no vahiny ao Jerosalema tsy mahalala izay zava-niseho tao tato ho ato?” Fa hoy Izy tamin’izy ireo: “Zavatra inona moa izany?” Dia hoy ireo: “Ny amin’i Jesoa avy any Nazareta, izay Mpaminany mahery tamin’ny asany sy ny teniny teo anatrehan’Andriamanitra sy ny vahoaka rehetra, dia ny amin’ny nanoloran’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny lehibentsika Azy ho faty, mbamin’ny namantsihana Azy tamin’ny Hazofijaliana. Nanantena izahay fa hoe Izy no ilay hanavotra an’i Israely; kanjo indro fa androany izao no andro fahatelo hatramin’ny nisehoan’izany. Nisy ihany tokoa vehivavy sasany namanay nahasanganehana anay fatratra, fa tany amin’ny fasana marainakoa izy ireo, ary niverina nilaza fa tsy nahita ny fatiny, nefa nahita Anjely niseho taminy, nanambara fa velona Izy. Dia nankany amin’ny fasana ny sasany taminay ka nahita araka izay nolazain’ny vehivavy, nefa tsy nahita Azy.” Ary hoy Izy tamin’izy ireo: “Ry adala sy votsa saina amin’ny finoana izay rehetra voalazan’ny mpaminany! Moa tsy tokony ho niaritra izany va i Kristy mba hidirany amin’ny voninahiny?” Dia novoasany tamin’izy ireo ny tenin’i Môizy sy ny mpaminany rehetra manambara Azy ao amin’ny Soratra Masina. Nony mby tao akaikin’ny vohitra halehan’izy roa lahy izy ireo, dia nanao hoatra ny mbola handeha lavidavitra ihany i Jesoa, fa notanan’izy ireo nataony hoe: “Mitoera re atý aminay, fa efa ho hariva izao, efa mandrorona ny andro.” Dia niditra niara-nijanona tamin’izy ireo Izy. Ary rahefa niara-nihinana izy ireo, dia nandray ny mofo Izy ka notsofiny rano sy novakîny, dia natolony azy ireo. Izay vao nisokatra ny mason’izy ireo ka nahalala Azy, fa Izy kosa tonga tsy hitany intsony. Dia nifampilaza izy hoe: “Akory izany firehidrehitry ny fontsika tao anatintsika fony Izy niresaka tamintsika teny an-dalana, sy nivaofy ny Soratra Masina tamintsika.” Niaraka tamin’izay, dia nitsangana izy ireo ka niverina tany Jerosalema, ary nahita ny iraika ambin’ny folo lahy sy ny namany tafavory sady nilaza hoe: “Efa nitsangana tokoa ny Tompo, ary efa niseho tamin’i Simôna Izy.” Dia mba notantarain’izy ireo kosa ny zavatra niseho taminy teny an-dalana sy ny nahafantarany Azy tamin’ny famakiana ny mofo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Tsy asiana IZAHO MINO …


Vavaka Fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, ny Sorona natao hahavonjy ny olombelona, ary iantrao ka ampio izahay ho voavonjy fanahy amam-batana.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Paka I


Kômonio

Lk. 24, 35

I Jesoa Tompo namaky ny mofo no nahafantaran’ny mpianany Azy. Aleloia.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, fa efa nodiovinao ho afaka amin’ny toetra ratsy mahazatra, koa enga anie ho tonga olom-baovao noho ny Kômonio masina andraisanay ny Zanakao.

Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1354