Sorona Masina ny Zoma 19 aprily 2019

ZOMA MASINA

FANKALAZANA NY FIJALIAN’NY TOMPO

Lokon’akanjo: mena

Anio sy rahampitso ny Eglizy dia tsy mankalaza Sakramenta mihitsy, araka ny fomba hatry ny ela.
Tsy asiana na inona na inona eo amin’ny ôtely: na Hazofijaliana, na jiro, na lamba.


Ny tolakandro amin’ny telo eo ho eo, na harivariva kokoa raha hita fa mahasoa, no ankalazana ny Fijalian’ny Tompo; misy fizarana telo: Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra, Fiankohofana amin’ny Hazofijaliana ary Fandraisana ny Kômonio masina.
Eo amin’ny Fankalazana ny Fijalian’ny Tompo ihany anio no izarana Kômonio; fa ny marary tsy afaka mamonjy azo itondrana na amin’ny firy na amin’ny firy.
Miakanjo mena toy ny fanao amin’ny Sorona ny Pretra sy ireo mpanotrona voahosotra, mandroso mankeo amin’ny ôtely manao ny fanajana ny ôtely: dia mihohoka amin’ny rany, mandohalika raha hita fa mety kokoa, ary samy mivavaka mangina kelikely ny olona rehetra.
Dia mankeny amin’ny toerany ny Pretra sy ny mpanotrona azy. Mitodika any amin’ny vahoaka ny Pretra, manakamban-tanana, manao ny anankiray amin’ireto vavaka ireto:


(Tsy asiana “Aoka isika hivavaka”)


Fangatahana

Tsarovy ny famindram-ponao, ry Tompo, ary hamasino sy arovy lalandava izahay mpanomponao, fa ho anay no nanorenan’i Kristy Zanakao tamin’ny Rany ny misterin’ny Paka.

Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay.

V. Amen.


na hoe

Andriamanitra ô, ny Fijalian’i Jesoa Kristy Tomponay no nanafoananao ny fahafatesana lova nifandimbiasan’ny taranaka rehetra noho ny fahotana tamin’ny fototra; koa ataovy manahaka an’i Jesoa Kristy izahay mba ho toy ny nitondranay tsy fidiny ny endriky ny tany niavianay no handraisanay ny endriky ny lanitra noho ny hasin’ny fahasoavanao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.

V. Amen.

Fizarana voalohany

FANKALAZANA NY TENIN’ANDRIAMANITRA

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’i Izaia Mpaminany

Iz. 52, 13 — 53, 12

Noratraina Izy noho ny fahotantsika.

Izao no tenin’ny Tompo: Indro fa hambinina ny Mpanompoko, hitombo, hankalazaina ary ho tafasandratra indrindra. Toy ny nigagan’ny maro nahita Azy, — fa rava Endrika loatra Izy, ka ny Tarehiny efa hoatra ny tsy tarehin’olombelona intsony; ary ny Tavany efa hoatra ny tsy tavan-janak’olombelona intsony, — no hampiontanany firenena maro.

Hitampim-bava eo anatrehany ny mpanjaka, satria hahita ny tsy mbola nolazaina taminy, sy handre ny tsy mbola reny. Iza no nino izay renay, ary iza no nanehoana ny sandrin’ny Tompo? Fa nisondrotra teo anatrehany Izy, tahaka ny hazo madinika marefo, tahaka ny solofon-kazo mitsiry amin’ny tany karankaina; tsy nanana endrika na hatsaran-tarehy nanaitra ny masontsika; na bika namelona ny fitiavantsika. Noesorina sy nilaozan’ny olona Izy, olona ory sady zatra ny fijaliana; hoatra ny zavatra hisaronan’ny olona tava; natao faneso sy tsy nahoantsika velively.

Marina tokoa fa ny aretintsika no nentiny, ary ny fahoriantsika no nivesarany; ary isika anefa nijery Azy ho olom-boasazy, nokapohin’Andriamanitra sy naetry. Kanefa Izy nolefonina noho ny fahotantsika, notorotoroina noho ny helotsika; nasiana ny famaizana nahazoantsika fihavanana; ary ny ratra taminy no nahasitrana antsika. Efa mpaniasia toy ny ondry avokoa isika, samy nanaraka ny lalany avy isika, ary nazeran’ny Tompo taminy avokoa ny helotsika rehetra. Vonoina Izy ary mandefitra, tsy miloa-bava akory Izy; tahaka ny zanak’ondry entina hovonoina, tahaka ny ondry vavy eo anatrehan’izay manety azy; tsy miloa-bava akory. Noesorina Izy noho ny fampahoriana sy ny fitsarana; ary iza moa tamin’ireo niara-belona taminy, no mba nihevitra fa nofongorana eo amin’ny tanin’ny velona Izy, ary nozoin-doza noho ny fahotan’ny vahoakako? Natao hiray fasana tamin’ny ratsy fanahy Izy, ary eo amin’ny mpanan-karena nony efa maty, nefa tsy mba nanao ny tsy marina, ary tsy mba nisy fitaka teo am-bavany.

Sitraky ny Tompo ny nanorotoro Azy tamin’ny fijaliana, nefa rehefa voaatitry ny fanahiny ny sorom-panonerana dia hahita taranaka Izy, ho lava andro hiainana, ary hambinina eo an-tanany ny hevitra nokasain’ny Tompo. Noho ny fijalian’ny fanahiny, dia hahita Izy, ka ho afa-po. Ilay marina, Mpanompoko noho ny fahalalany, hanamarina olona betsaka ary ny Tenany hivesatra ny helok’ireo. Noho izany, homeko anjara eo amin’ny lehibe Izy; ary hiara-mizara babo amin’ny mahery; satria nanolotra ny ainy ho faty Izy sady natao isan’ny mpanao ratsy; ary ny Tenany no hitondra ny fahotan’ny maro, sady hanao fifonana ho an’ny mpanota.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 30, 2. 6. 12-13. 15-16. 17 sy 25


Fiv.: Ray ô, apetrako eo am-pelatananao ny fanahiko.

Ianao, ry Tompo, no ifefeko: tsy mba ho azon-kenatra aho. Hanavotra ahy Ianao fa marina, apetrako an-tananao ny aiko, ry Tompo Andriamanitra Mpanavotra ahy!
Ny rafiko rehetra mandatsa, ny miara-monina efa tofoka, ny olom-pantatra tsiravina, izay tojo ahy mandositra avokoa; hadinon’ny fo mova tsy ny maty aho, tsy asiana antony ohatra ny fako.
Fa izaho, ry Tompo, mifefy aminao! Ianao, hoy aho, no Andriamanitro, an-tananao ny androko, afaho amin’ny haromotany aho.
Endrika mitsiky aseho ahy, vonjeo aho noho ny fitiavanao! Mahereza! Ny fo hatanjaho, ianareo izay matoky ny Tompo!


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio

Heb. 4, 14-16 ; 5, 7-9


Nianatra ny Fanekena Izy, ka tonga fototry ny famonjena ho an’izay manaiky Azy.

Ry kristianina havana, noho isika manana Mpisorona lehibe izay lasa namaky ny lanitra, dia i Jesoa Zanak’Andriamanitra, dia aoka hotanantsika mafy ny finoana efa nekentsika. Satria tsy mpisorombe tsy mahalala mangoraka ny fahalementsika no antsika; fa efa nalaim-panahy tahaka antsika tamin’ny zavatra rehetra Izy, afa-tsy ny fahotana. Koa aoka isika hanatona ny fiketrahan’ny fahasoavana amim-pitokiana, mba hahazoantsika famindram-po, sy hahitantsika fahasoavana ary hamonjena antsika amin’ny andro ilàntsika izany.

Fa tamin’ny andron’ny nofony i Kristy, nony nanolotra fivavahana fifonana nombàm-pitarainana mafy sy ranomaso be, tamin’ilay nahavonjy Azy tamin’ny fahafatesana, sady nohenoiny noho ny fahatahorany an’Andriamanitra, dia nianatra ny fanekena tamin’ny fahoriana niaretany, na dia Zanaka aza; ary ankehitriny, efa tonga amin’izay fanaperana Izy, ka tonga fototry ny famonjena mandrakizay ho an’izay manaiky Azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Voninahitra sy dera ho Anao, ry Kristy.

Nanolo-tena hanaiky hatramin’ny fahafatesana ho antsika i Kristy, dia fahafatesana tamin’ny Hazofijaliana. Ho valin’izany kosa, dia nasandratr’Andriamanitra ambony indrindra Izy, ary nomeny Anarana mihoatra ny anarana rehetra.

Voninahitra sy dera ho Anao, ry Kristy.

Fijalian’i Jesoa Kristy Tompontsika nosoratan’i Md. Joany

Jo. 18, 1-40; 19, 1-42

(M = Mpitantara; V = Vahoaka; J = Jesoa)


M. Tamin’izany andro izany, dia lasa i Jesoa sy ny mpianany nankany andafin’ny riakan’i Sedrôna, izay nisy saha anankiray nidiran’Izy sy ny mpianany. Fantatr’i Jodasy ilay namadika Azy koa io toerana io, satria falehan’i Jesoa sy ny mpianany matetika. Ka nony voarainy ny antoko-miaramila iray sy ny mpiandry raharaha avy amin’ny lohandohan’ny mpisorona sy ny Farisianina, dia nankao izy nitondra fanala sy fanilo ary fiadiana. I Jesoa tamin’izany, dia efa nahalala rahateo izay rehetra hanjo Azy, ka nitsena azy ireo sy nanao taminy hoe:

J. Iza no tadiavinareo?

M. Dia hoy ny navalin’izy ireo Azy:

V. I Jesoa avy any Nazareta.

M. Ka hoy i Jesoa taminy:

J. Izaho no Izy.

M. Eo koa izany i Jodasy ilay namadika Azy. Vao nilazan’i Jesoa hoe: Izaho no Izy, dia nianòtra izy ireo ka niankarapoka tamin’ny tany. Fa nanontany azy indray i Jesoa nanao hoe:

J. Iza no tadiavinareo?

M. Dia hoy izy ireo:

V. I Jesoa avy any Nazareta. Ka novalian’i Jesoa hoe:

J. Efa voalazako taminareo fa Izaho no Izy; koa raha Izaho no tadiavinareo, dia avelao handeha ireto.

M. Izy no nilaza izany dia ny mba hahatanteraka ny teny voalazany hoe: “Tsy nisy very izay nomenao Ahy na dia iray aza”. Ary nanan-tsabatra i Simôna Piera ka notsoahiny, dia nasiany ny mpanompon’ny lehiben’ny mpisorona, ka afaka tery ny sofiny an-kavanana. Malkosy no anaran’ilay mpanompo. Fa hoy i Jesoa tamin’i Piera:

J. Ampidiro amin’ny tranony ny sabatrao; tsy hosotroiko va ny kapoaka nomen’ny Ray Ahy?

M. Tamin’izay ny antoko-miaramila sy ny tompon’arivo ary ny mpiandry raharaha nirahin’ny Jody, dia nisambotra an’i Jesoa ka namatotra Azy. Tany amin’i Ana aloha no nitondrany Azy fa io no rafozan’i Kaifa izay lehiben’ny mpisorona tamin’izany taona izany. Ary i Kaifa kosa no nanome saina ny Jody hoe: “Mahasoa raha maty ho an’ny vahoaka ny lehilahy anankiray”. Nanaraka an’i Jesoa tamin’izany i Piera sy ny mpianatra anankiray hafa, ary fantatry ny lehiben’ny mpisorona ilay mpianatra anankiray, ka niara-niditra tamin’i Jesoa tao antokotanin’ny lehiben’ny mpisorona. Fa i Piera kosa nijanona tany ivelany tao akaikin’ny vavahady. Dia nivoaka ilay mpianatra izay fantatry ny lehiben’ny mpisorona, ka niteny tamin’ny vehivavy mpiandry vavahady, ary nampiditra an’i Piera. Fa hoy ity ankizy vavy mpiandry vavahady tamin’i Piera:

V. Moa tsy isan’ny mpianatr’io Lehilahy io koa va ianao?

M. Ary hoy izy:

V. Tsia.

M. Nangatsiaka ny andro tamin’izay, ka nipetraka namindro teo amin’ny afo ny mpanompo sy ny mpiandry raharaha, ary dia mba niara-namindro taminy teo koa i Piera. Ary ny lehiben’ny Mpisorona nanadina an’i Jesoa ny amin’ny mpianany sy ny fampianarany, ka hoy i Jesoa namaly azy:

J. Niteny am-pahibemaso tamin’ny olona rehetra Aho, ary nampianatra mandrakariva tao amin’ny sinagôga sy ny Tempoly, izay ivorian’ny Jody rehetra, fa tsy nilaza na inona na inona an-takona; ka ahoana no anontanianao Ahy? Ireo nihaino Ahy no anontanio izay voalazako taminy, fa ireo no mahalala izay nampianariko.

M. Nony nilaza izany i Jesoa dia nasian’ny mpiandry raharaha anankiray tehamaina, sy nataony hoe:

V. Izany ve no famalinao ny lehiben’ny Mpisorona?

M. I Jesoa namaly azy hoe:

J. Raha ratsy ny teniko, lazao izay ratsy; fa raha tsara ihany kosa, nahoana no dia mamely Ahy ianao?

M. Dia nasain’i Ana nentina am-patorana ho any amin’i Kaifa lehiben’ny mpisorona Izy. Ary i Simôna Piera nijanona namindro teo koa, ka nisy nanao taminy hoe:

V. Moa tsy isan’ny mpianany koa va ianao?

M. Fa nandà izy nanao hoe:

V. Tsia.

M. Dia hoy koa ny anankiray tamin’ny mpanompon’ny lehiben’ny mpisorona izay havan’ilay notapahin’i Piera sofina:

V. Tsy ianao va ilay hitako niaraka taminy tao anaty saha?

M. Fa nandà indray i Piera, ary niaraka tamin’izay dia nisy akoholahy naneno. Dia nentiny niala tao amin’i Kaifa i Jesoa ho any amin’ny tranon’ny Governora. Efa maraina ny andro tamin’izay. Tsy niditra tao an-trano anefa izy ireo, fandrao voaloto ka tsy afaka mihinana ny Paka. Koa i Pilaty no nivoaka nanatona azy ireo teo alatrano, nanao hoe:

V. Inona no iampanganareo io Lehilahy io?

M. Dia hoy ny navalin’izy ireo azy:

V. Raha tsy mpanao ratsy Izy dia tsy natolotray anao.

M. Ka hoy i Pilaty taminy:

V. Ento Izy, ka tsarao araka ny lalànareo.

M. Fa hoy ny Jody namaly azy:

V. Tsy manam-pahefana hanamelon-ko faty izahay.

M. Izany no tonga dia mba hahatanteraka ny tenin’i Jesoa momba ny fahafatesana hanjo Azy. Dia niditra tao an-trano i Pilaty, ka niantso an’i Jesoa sy nanao taminy hoe:

V. Moa Mpanjakan’ny Jody va Ianao?

M. I Jesoa namaly hoe:

J. Anao samy irery izany teny izany, sa an’olonkafa nilaza Ahy taminao?

M. Dia namaly i Pilaty nanao hoe:

V. Fa izaho angaha Jody? Ny firenenao sy ny mpisoronao no nanolotra Anao tamiko, ka inona no nataonao?

M. I Jesoa namaly hoe:

J. Tsy anisan’izao tontolo izao ny Fanjakako: fa raha anisan’izao tontolo izao ny Fanjakako, dia ho niady ny oloko, ka tsy ho voarain’ny Jody Aho, fa tsy anisan’izao tontolo izao ny Fanjakako.

M. Dia hoy i Pilaty taminy:

V. Koa Mpanjaka izany Ianao?

M. Ary novalian’i Jesoa hoe:

J. Efa voalazanao, Mpanjaka Aho. Teraka Aho, sy tonga tety an-tany mba hanambara ny marina, ka izay rehetra mpanaraka ny marina, dia mihaino ny feoko.

M. Dia hoy i Pilaty taminy:

V. Inona ny marina?

M. Fa nony voalazany izany, dia nivoaka nankeo amin’ny Jody indray izy ka nanao tamin’ireo hoe:

V. Raha izaho, dia tsy mahita izay helony na dia iray aza. Fa araka ny fanao amin’ny Paka, dia mandefa olo-meloka izay tianareo aho, koa tianareo ve ny handefasako ny Mpanjakan’ny Jody?

M. Fa nihorakoraka indray izy rehetra ka nanao hoe:

V. Tsy Izy, fa i Barabasy.

M. Kanefa jiolahy i Barabasy. Tamin’izay nalain’i Pilaty i Jesoa ka nasainy nokapohina. Dia nandrandrana fehiloha tsilo ny miaramila ka nasatrony ny lohany, ary nampitafiany kapaoty jaky Izy. Raha efa izany, dia nanatona Azy izy ireo, ka sady namely tehamaina Azy no nanao hoe:

V. Arahaba, ry Mpanjakan’ny Jody.

M. Dia nivoaka indray i Pilaty ka nanao tamin’ny Jody hoe:

V. Indro Izy entiko manketo aminareo, mba ho fantatrareo fa tsy hitako mihitsy izay helony na dia iray aza.

M. Tamin’izay nivoaka i Jesoa nisatroka fehiloha tsilo sy nitafy kapaoty jaky, ka hoy i Pilaty tamin’ny Jody:

V. Indro ny Lehilahy.

M. Nony nahita Azy ny lohan’ny mpisorona sy ny mpiandry raharaha, dia niantso nanao hoe:

V. Fantsiho, fantsiho amin’ny Hazofijaliana Izy.

M. Fa hoy i Pilaty tamin’izy ireo:

V. Ento àry Izy, ka fantsihonareo, fa izaho tsy mahita izay helony.

M. Dia hoy ny Jody namaly azy:

V. Manana lalàna izahay, ary araka ny lalànay, dia tsy maintsy vonoina Izy, satria manao ny Tenany ho Zanak’Andriamanitra.

M. Nandre izany i Pilaty, vao mainka natahotra. Ary niditra tao an-trano indray izy, ka nanao tamin’i Jesoa hoe:

V. Avy aiza moa Ianao?

M. Fa tsy namaly azy i Jesoa. Ka hoy i Pilaty taminy:

V. Izaho indray ve no tsy itenenanao? Tsy fantatrao angaha fa sady manam-pahefana handefa Anao aho, no manam-pahefana hamantsika Anao amin’ny Hazofijaliana koa?

M. Dia namaly i Jesoa hoe:

J. Tsy hanam-pahefana amiko ianao, raha tsy nomena anao avy any ambony izany, koa izay nanolotra Ahy taminao no meloka kokoa noho ianao.

M. Hatramin’izay dia nitady handefa Azy i Pilaty. Fa nantsointsoin’ny Jody hoe:

V. Raha mandefa an’io ianao, dia tsy mba sakaizan’i Sezara, satria izay manao ny tenany ho mpanjaka dia mitsangan-kanohitra an’i Sezara.

M. Nony nandre izany teny izany i Pilaty, dia nitondra an’i Jesoa nivoaka, ka nipetraka teo amin’ny fitsarana, eo amin’ny fitoerana atao hoe: Litôstrôtôs (lalam-bato), na Gabatha amin’ny teny hebrio. Andro fiomanana amin’ny Paka tamin’izay, ary tokony ho tamin’ny ora fahenina dia izao no nolazain’i Pilaty tamin’ny Jody:

V. Indro ny Mpanjakanareo.

M. Fa niantsoantso izy ireo nanao hoe:

V. Esory, esory, fantsiho amin’ny Hazofijaliana Izy.

M. Ka hoy i Pilaty taminy:

V. Dia hofantsihako amin’ny Hazofijaliana ve ny Mpanjakanareo?

M. Fa hoy ny lohan’ny mpisorona hoe:

V. Izahay tsy mana-mpanjaka afa-tsy i Sezara.

M. Tamin’izay dia natolony azy hofantsihana i Jesoa, ka noraisin’izy ireo Izy dia nentiny. Nentin’i Jesoa ny Hazofijaliana, dia tonga teo amin’ny toerana atao hoe Kalvery Izy (Ankarandoha), na hoe Gôlgôtà amin’ny teny hebrio. Teo no namantsihany Azy tamin’ny Hazofijaliana, niaraka tamin’ny roa lahy hafa koa izay nofantsihana teo an-daniny roa fa i Jesoa teo ampovoany. Ary nanao soratra i Pilaty, napetany teo andohan’ny Hazofijaliana, ka izao no vàkiny: JESOA AVY ANY NAZARETA MPANJAKAN’NY JODY.

M. Betsaka ny Jody namaky io soratra io, fa akaikin’ny tanàna ny toerana namantsihana an’i Jesoa, sady vita tamin’ny teny hebrio sy grika ary latinina ny soratra. Ka hoy ny mpisoron’ny Jody tamin’i Pilaty:

V Aza atao hoe mpanjakan’ny Jody, fa hoe: Izy nilaza hoe: Mpanjakan’ny Jody Aho.

M. Fa hoy i Pilaty hoe:

V. Izay voasoratro, dia voasoratro.

M. Rehefa voafantsiky ny miaramila tamin’ny Hazofijaliana Izy, nalainy ny fitafiany ka nozarainy efatra, dia samy nanana ny anjarany avy izy; toy izany koa ny akanjony rebareba. Saingy tsy nizaitra kosa ny akanjony, fa tenona iray ihany, hatrany ambony ka hatrany ambany, ka nifampilaza izy ireo hoe:

V. Aoka tsy horovitintsika ity, fa aoka hilokantsika, dia ho lasan’izay hahazo ny loka.

M. Koa tanteraka tamin’izany ny Soratra Masina manao hoe: Nozarainy ny fitafiako ary nilokany ny akanjoko. Dia izany no nataon’ny miaramila. Ary nitsangana teo akaikin’ny Hazofijalian’i Jesoa ny Reniny sy ny rahavavin-dreniny, dia i Maria vadin’i Kleofasy ary i Maria Madalenina. Nony hitan’i Jesoa ny Reniny sy ilay mpianany malalany nitsangana teo akaikiny, dia hoy Izy tamin-dreniny;

J. Ravehivavy, indro ny zanakao.

M. Ary hoy Izy tamin’ilay mpianany:

J. Indro ny Reninao.

M. Ka hatramin’izay dia noraisin’ilay mpianatra ho any aminy izy. Nony afaka izany, dia fantatr’i Jesoa, fa efa tanteraka ny zavatra rehetra, ka hoy Izy, mba hahatanteraka ny Soratra Masina:

J. Mangetaheta Aho.

M. Ary nisy bakoly feno vinaingitra kosa teo, ka nalainy ny spônjy, novontosana vinaingitra, sy notohizana tamin’ny hazo hisôpy, dia natohoka teo am-bavany. Vao nanandrana ny vinaingitra Izy, dia nanao hoe:

J. Tanteraka ny zavatra rehetra.

M. Dia nanondrika ny lohany Izy ka niala aina.

(mandohalika mivavaka mangina kelikely)


M. Ary andro fiomanana tamin’izay, ka nangataka tamin’i Pilaty ny Jody, mba hotapahina ny ranjon’izy ireo, dia hoesorina, mba tsy hisy faty mihantona amin’ny hazofijaliana amin’ny andro sabata (fa andro lehibe izany sabata izany). Dia tonga ny miaramila ka nanapaka ny ranjon’ny voalohany, sy ny an’ilay anankiray niara-nofantsihana taminy koa; fa nony nankeo amin’i Jesoa izy ireo, dia hitany fa efa maty sahady Izy, ka tsy mba notapahiny ny ranjony. Fa nolefonin’ny miaramila anankiray kosa ny Fony, ka nisy ra sy rano nivoaka niaraka tamin’izay. Ary ilay nahita no milaza, ka marina ny filàzany, sady fantany fa milaza ny marina izy, mba hinoanareo koa. Ary izany no tonga dia mba hahatanteraka ny Soratra Masina hoe: “Tsy hisy hotapahina ny taolany, na dia iray aza”. Ary hoy indray koa ny Soratra Masina: “Hijery izay nolefonina izy”. Rehefa afaka izany, i Jôsefa avy any Arimatia, izay mpianatr’i Jesoa an-tsokosoko, noho ny fahatahorany ny Jody, dia nangataka tamin’i Pilaty, mba haka ny fatin’i Jesoa, ka neken’i Pilaty izany. Dia lasa izy naka ny fatin’i Jesoa. Ary tonga koa i Nikôdema, ilay nanatona an’i Jesoa nony alina, tamin’ny voalohany, nitondra mira sy alôesy nampifangaroina, tokony ho zato livatra. Koa nalainy ny fatin’i Jesoa, dia nasiany zava-manitra, sy nofonosiny lamba araka ny fanaon’ny Jody amin’ny fandevenana. Nisy saha anankiray kosa teo amin’ny toerana namantsihana an’i Jesoa, ary nisy fasana vaovao tsy mbola nandevenana olona tao anatin’ilay saha. Ka noho ny maha-andro fiomanan’ny Jody tamin’izay, dia tao no nandevenany an’i Jesoa, satria akaiky ny fasana.

Vita ny famakiana ny Fijalian’ny Tompo, dia tsara raha misy toriteny fohy.


Ranombavaky ny mpino manetriketrika

Ny Ranombavaka ho an’ny Olombelona rehetra no amaranana ny Fankalazana ny Tenin’Andriamanitra; ka atao toy izao: mijoro eo amin’ny toerany ny Pretra na mankeny amin’ny fitorian-teny na eo amin’ny ôtely raha hita fa mety kokoa. Manakamban-tanana izy mamaky ny fiangaviana hivavaka, milaza izay angataham-pivavahana. Dia samy mivavaka mangina kelikely ny olona rehetra. Avy eo ny Pretra mamelatra tanana, manao ny Fangatahana. Mandritra ny Fangatahana rehetra, dia mahazo mandohalika ny mpiangona na mitsangana.
Azon’ny Fivondronan’ny Eveka atao ny manondro “antsa” hoventesin’ny vahoaka isaky ny alohan’ny Fangatahana ataon’ny Pretra, na manapa-kevitra fa hatao ihany ny efa mahazatra hoe “Samia àry mandohalika. Mitsangàna amin’izay”, mandritra ny andohalihana ny mpiangona rehetra mivavaka mangina.
Raha misy zava-dehihe manjo ny vahoaka dia azon’ny Eveka (na ny solony) atao ny manome lalana, na ny manapa-kevitra fa hanaovana Fangatahana manokana.
Izay vavaka rehetra efa ao amin’ny Boky Sorona Masina dia azon’ny Pretra ifidianana, raha mety kokoa amin’ny fotoam-pivavahana; fa arahina ny filaharan’ireo antony ivavahana voalaza eto. (Cf. Inst. gen. Missalis Romani n° 46)

1- Ho an’ny Eglizy Masina


Mivavaha isika, ry kristianina havako malala, ho an’ny Eglizy masin’Andriamanitra: hampiadana azy sy hampiray azy anie Andriamanitra Tompontsika, ka hiaro azy eran’ny tany rehetra, ary isika anie hataony milamina sy miadana hiderantsika Azy Andriamanitra Ray mahefa ny zavatra rehetra.


Miara-mivavaka mangina vao hoy ny Pretra hoe:

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, i Kristy no nirahinao hampibaribary ny voninahitrao amin’ny firenena rehetra; koa tohizo ny asan’ny famindram-ponao mba tsy hiova finoana ny Eglizy efa miely patrana eran’izao tontolo izao, fa hitory ny Anaranao lalandava.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.

V- Amen.


2 - Ho an’ny Papa


Mivavaha isika ho an’ny Ray aman-drenintsika, ny Papa François, ka Andriamanitra Tompontsika nanandratra azy ho mpisorombe anie hitahy azy soa aman-tsara hitondrany ny Eglizy masina sy hifehezany ny vahoaka masin’Andriamanitra.


Miara-mivavaka mangina, vao hoy ny Pretra hoe:

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, miankina amin’ny fitondranao, izao rehetra izao, ka henoy amim-pitiavana ny fangatahanay: tsinjovy amin’ny indrafonao ilay nofidinao ho mpitondra anay, ary enga anie izahay vahoaka kristianina entiny amin’ny Anaranao, mba ho vontom-pinoana ka hitombo valisoa.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.

V- Amen.


3 - Ho an’ny ambaratonga rehetra amin’ny mpino


Mivavaha isika ho an’ny Evekantsika R..., ny Eveka rehetra, ny Pretra, ny Diakra sy ny mpanao raharaha masina rehetra ao amin’ny Eglizy ary ny mpino tsy an-kanavaka vahoakan’Andriamanitra.


Miara-mivavaka mangina, vao hoy ny Pretra hoe:

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, ny Fanahinao no manamasina ny Eglizy manontolo sy mitondra azy; koa mba ekeo ny fangatahanay ho an’ireo olona isan-tokony ireo, ary noho ny herin’ny fahasoavanao, dia ampio izy tsy hivadika amin’ny fanompoana Anao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.

V - Amen.


4 - Ho an’ireo mpiomana amin’ny Batemy


Mivavaha isika ho an’ireo havantsika miomana hatao Batemy mba hosokafan’Andriamanitra Tompontsika ny sofiny, hotohininy ny fony, ary hamohany ny varavaran’ny famindram-pony izy; ka rehefa nateraka am-panahy izy sady afaka amin’ny fahotany rehetra, dia mba ho tonga rantsam-batan’i Kristy.


Miara-mivavaka mangina, vao hoy ny Pretra hoe:

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, ampitomboinao isa lalandava ny zanaky ny Eglizy hampiroborobo azy; koa ampio ny finoana amam-pahalalan’ireo mpiomana hatao Batemy, ka rehefa nateraka indray amin’ny rano izy ireo, dia mba ho tonga anisan’ireo zanaka natsanganao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.

V- Amen.


5 - Mba hiraisan’ny Kristianina


Mivavaha koa isika ho an’ny havantsika rehetra mino an’i Kristy, ka Andriamanitra Tompontsika mahita ny marina ataony anie hampiray azy sy hitahiry azy ao amin’ny Eglizy tokana naoriny.


Miara-mivavaka mangina, vao hoy ny Pretra hoe:

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, Ianao mampiray izay tafasaraka ary mitahiry izay tafaray, koa jereo amin’ny fo tony ny andian’ondrin’ny Zanakao: ary enga anie ireo nohamasinin’ny Batemy tokana mba hatambatry ny finoana iray tsy mivaky sy hampiraisin’ny fehim-pitiavana.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.

V- Amen.


6- Ho an’ny Jody


Mivavaha koa isika ho an’ny Jody, ka izy voalohany nitenenan’Andriamanitra Tompontsika anie hataony mitombo fitiavana ny Anarany sy mifikitra amin’ny fanekena nataon’Andriamanitra taminy.


Miara-mivavaka mangina, vao hoy ny Pretra hoe:

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, nomenao an’i Abrahama sy ny taranany ny teny fampanantenanao, koa ekeo amin-kamoram-po ny vavaka ataon’ny Eglizinao: ka ilay vahoaka navotanao talohan’ny hafa anie mba hahazo ny fanavotana tonga lafatra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.

V- Amen.


7- Ho an’ireo tsy mino an’i Kristy


Mivavaha koa isika ho an’ireo tsy mino an’i Kristy, mba hotsilovin’ny Fanahy Masina izy ka ho anisan’ny tafiditra amin’ny lalana mankamin’ny famonjena.


Miara-mivavaka mangina, vao hoy ny Pretra hoe:

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, ireo tsy mahalala an’i Kristy nefa mandeha amin-kitsim-po mba ataovy mahita ny marina, ary izahay kosa mba ataovy mitombo fifankatiavana sy miezaka hiaina bebe kokoa amin’ny fiainanao, ho vavolombelona manambara tsaratsara kokoa hatrany ny fitiavanao eo amin’izao tontolo izao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.

V- Amen.


8 - Ho an’ireo tsy mino an’Andriamanitra


Mivavaha koa isika ho an’ireo tsy mahalala an’Andriamanitra, ka ireo manaraka ny marina amin’ny fo mahitsy anie mba ho tody hatrany amin’Izy Andriamanitra.


Miara-mivavaka mangina, vao hoy ny Pretra hoe:

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, Ianao no nanao ny olombelona rehetra mba haniriany Anao ka hitadiavany Anao; koa mihanta aminao izahay: enga anie eo anivon’ny zava-manahirana mety hisakana, mba ho hitan’ny olona rehetra ny mariky ny fitiavanao sy ny asa soa ahafantarana an’ireo mino Anao, ka hiaikeny fa Ianao irery no tena Andriamanitra ary Rain’ny olombelona rehetra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.

V-Amen.


9 - Ho an’ny mpitondra fanjakana


Mivavaha isika ho an’ny mpitondra fanjakana rehetra, mba hotarihin’Andriamanitra Tompontsika ny sainy sy ny fony hanaraka ny sitra-pon’Izy Tompo, ka handry fahalemana sy tsy ho voasembantsembana ny olona rehetra.


Miara-mivavaka mangina, vao hoy ny Pretra hoe:

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, eo am-pelatananao ny fon’ny olombelona sy ny zom-pirenena; koa topazo maso miantra ireo manam-pahefana mitondra anay, mba hijoro hatraiza hatraiza ny fandriam-pahalemana, hilamina ny vahoaka ary tsy ho voahelingelina ny fivavahana.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.

V- Amen.


10- Ho an’ireo ory sy mijaly


Mivavaha isika, ry kristianina havako malala, amin’Andriamanitra Ray mahefa ny zavatra rehetra, mba hoesoriny amin’ny hevi-diso izao tontolo izao, mba hofoanany ny aretina, hampandosiriny ny mosary, hovohainy ny tranomaizina, hovahany ny gadra, homeny toky ireo any am-pandehanana, hataony tafaverina soa aman-tsara ireo mpivahiny, hositraniny ny marary ary homeny ny famonjena ny ho faty.


Miara-mivavaka mangina, vao hoy ny Pretra hoe:

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, mpanafaka alahelo ny ory Ianao, mpankahery izay mijaly, ka ho tonga hatrany aminao anie ny vavaka fitarainan’ny tra-pahoriana, dia ho faly izy rehetra fa namindranao fo tao anatin’ny fahoriana nahazo azy.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.

V- Amen.


Fizarana faharoa

FIANKOHOFANA AMIN’NY HAZOFIJALIANA

Tapitra ny Ranombavaka rehetra, dia iankohofana amin’ny fomba manetriketrika ny Hazofijaliana. Misy fomba roa aseho ireto, ka izay antonona ny olona sy mahasoa kokoa no fidina.

Fomba voalohany fampisehoana ny Hazofijaliana masina

Entina eo amin’ny ôtely ny Hazofijaliana mbola misarona lamba, otronina mpitondra jiro mirehitra anankiroa. Mijoro eo anoloan’ny ôtely ny Pretra, mandray ny Hazofijaliana. Alàny sarona ny tampony, asandrany kely dia hoy izy manainga ny vahoaka hoe: “Inty ilay Hazofijaliana...” hirainy miaraka amin’ireo Mpanotrona voahosotra na ny antoko-mpihira raha ilaina. Miara-mamaly ny olona manao hoe: “Avia hitsaoka Azy”. Vita ny hira dia mandohalika lohalika roa ny olona rehetra, miankohoka mivavaka mangina kelikely vao samy mitsangana. Mijoro ny Pretra no mitana ny Hazofijaliana misandratra.

Sokafan’ny Pretra avy eo ny ila ankavanan’ny Hazofijaliana, asandrany kely indray ny Hazofijaliana, ary ataony toy ny teo ny hoe: “Inty ilay Hazofijaliana …” ny tohiny.

Farany, dia sokafany manontolo ny Hazofijaliana, asandrany ary averiny fanintelony ny hoe: “Inty ilay Hazofijaliana …” sy ny tohiny.
Avy eo dia otronina mpitondra jiro anankiroa ny Pretra, mitondra uy Hazofijaliana, mankeo amin’ny fidiran’ny latabatra masina na toerana hafa mety hametrahana azy; dia avelany eo na asainy tazonin’ny mpanotrona; ametrahana jiro eo ankaviany sy ankavanany. Dia iankohofana ny Hazofijaliana, araka ny voalaza etsy aoriana.

Fomba faharoa Fampisehoana ny Hazofijaliana masina

Mankeny ambaravaram-piangonana ny Pretra na ny Diakra miaraka amin’ny mpanotrona, na mpanotrona hafa no mankeny maka ny Hazofijaliana tsy misarona lamba; eny koa no alain’ny mpanotrona ny jiro roa mirehitra, dia entina mamakivaky ny fiangonana mankeny amin’ny ôtely. Ilay mitondra ny Hazofijaliana kosa, rehefa eo akaikin’ny varavarana sy eo am-povoan’ny fiangonana ary alohan’ny hidirany amin’ny faritry ny ôtely, dia manandratra ny Hazofijaliana mihira ilay fanaingana hoe: “Inty ilay Hazofijaliana...”, valian’ny mpiangona rehetra hoe: “Avia hitsaoka Azy”. Ary isaky ny vita ny valiny dia mandohalika lohalika roa ny mpiangona rehetra, miankohoka mivavaka mangina kelikely.
Avy eo dia apetraka eo amin’ny fidiran’ny latabatra masina ny Hazofijaliana, asiana jiro roa mirehitra.

Fanaingana ny olona rehefa aseho ny Hazofijaliana masina

Inty ilay Hazofijaliana nihantonan’ny Mpamonjy an’izao tontolo izao!

V - Avia hitsaoka Azy!


Fiankohofana amin’ny Hazofijaliana Masina

Toy izao ny fiankohoka amin’ny Hazofijaliana: Manatona ny Pretra, dia ny mpanao raharaha masina ary ny mpiangona rehetra, mitanjozotra mandalo eo amin’ny Hazofijaliana mandohalika anila, na manao araka izay fomban-tany; ohatra, manoroka ny Hazofijaliana.
Mandritra izany dia hiraina ny Sasin-kira hoe: Mitsaoka ny Hazofijaliana sy ny Ry Vahoakako na hira hafa mifanaraka amin’ny fotoam-pivavahana. Mipetraka ny olona rehetra afa-tsy ireo mizotra mankeny amin’ny Hazofijaliana.
Hazolijaliana iray ihany no aseho hiankohofana. Raha maro loatra ny olona, ka tsy afaka hanatona daholo, dia raisin’ny Pretra ny Hazofijaliana rehefa misy maromaro nahavita, dia mijoro eo anoloan’ny ôtely izy manainga ny olona amin’ny teny fohifohy hiankohoka amin’ny Hazofijaliana; dia asandrany kelikely ny Hazofijaliana hiankohofan’ny olona mangina.
Avy miankohoka ny olona rehetra, dia averina eny amin’ny ôtely na amin’izay tokony hiroerany ny Hazofijaliana; ary ny jiro mirehitra dia apetraka eo anilan’ny ôtely na eo an-danin’ny Hazofijaliana.

Hira mandritra ny Fiankohofana amin’ny Hazofijaliana

Anjara hiran’ny antoko voalohany ny hoe 1, ny faharoa 2, ary rehefa tokony hiaraka dia hoe 1 sy 2.


Sasin-kira 1 sy 2

Mitsaoka ny Hazofijalianao izahay, ry Tompo, ary midera sy mankalaza Anao nitsangan-ko velona; fa ny Hazofijaliana tokoa no mahatonga ny hafaliana eo amin’izao tontolo izao.

Sasin-kira 1

Andriamanitra anie hiantra sy hanambina antsika, hampamirapiratra ny Tarehiny ary haneho ny indrafony amintsika.

Sasin-kira 1 sy 2

Sal. 66, 2


Mitsaoka ny Hazofijalianao izahay, ry Tompo, ary midera sy mankalaza Anao nitsangan-ko velona; fa ny Hazofijalianao tokoa no mahatonga ny hafaliana eo amin’izao tontolo izao.

—1—

Fanevatevana

1 sy 2- Ry vahoakako ô, dia naninona anao Aho? inona no nataoko anao ka nampalahelo anao? Valio Aho!


1 - Noho Izaho nanavotra anao tany Ejipta ve no nanangananao Hazofijaliana ho ahy Mpamonjy anao?


2 - Ry vahoakako ô, dia naninona anao Aho?
Fa inona no nataoko anao ka nampalahelo anao? Valio Aho!


1 - Masina Andriamanitra.
2 - Masina Andriamanitra.
1 - Masina sy Mahery
2 - Masina sy Mahery.
1 - Masina ary Velona mandrakizay, mamindrà fo aminay!
2 - Masina ary Velona mandrakizay, mamindrà fo aminay!


1 sy 2- Izaho nitantana anao nandritra ny efapolo taona tany an’efitra sy namahana anao tamin’ny mana ary nampiditra anao tamin’ny tany tsara indrindra va no nanomananao Hazofijaliana ho ahy Mpamonjy anao?


1 - Masina Andriamanitra.
2 - Masina Andriamanitra.
1 - Masina sy Mahery.
2 - Masina sy Mahery.
1 - Masina ary Velona mandrakizay, mamindrà fo aminay!
2 - Masina ary Velona mandrakizay, mamindrà fo aminay!


1 sy 2 - Inona no tokony ho nataoko taminao mihoatra noho ireo, ka tsy nataoko? Namboleko nataoko voaloboka faran’izay tsara ianao, kanefa tsy nahitako afa-tsy vahona mangidy; fa raha nangetaheta aho, vinaingitra no nomenao hosotroiko ary notrobaranao lefona ny Foko Mpamonjy anao.


1 - Masina Andriamanitra.
2 - Masina Andriamanitra.
1 - Masina sy Mahery.
2 - Masina sy Mahery.
1 - Masina ary Velona mandrakizay, mamindrà fo aminay!
2 - Masina ary Velona mandrakizay, mamindrà fo aminay!


— 2 —

1 - Izaho nikapoka ny lahy matoan’i Ejipta hamonjena anao, fa ianao kosa nikapoka Ahy sy nanolotra Ahy.
2 - Ry vahoakako ô, dia naninona anao Aho? sa inona no nataoko anao ka nampalahelo anao? Valio Aho!


1 - Izaho nanafaka anao avy tany Ejipta ary nandrendrika an’i Faraona tao amin’ny ranomasina fa ianao kosa nanolotra Ahy tamin’ny lohandohan’ny mpisorona.
2 - Ry vahoakako, dia naninona anao Aho? sa inona no nataoko anao ka nampalahelo anao? Valio Aho!


1- Izaho nanokatra ny Ranomasina Mena mba handehananareo; fa ianao kosa nanokatra ny Foko tamin’ny lefona.
2 - Ry vahoakako ô, dia naninona anao Aho? sa inona no nataoko anao ka nampalahelo anao? Valio Aho!


1 - Izaho nitari-dalana anao tamin’ny andry rahona; fa ianao kosa nitondra Ahy ho eo amin’ny fitsaran’i Pilaty.
2 - Ry vahoakako ô, dia naninona anao Aho? sa inona no nataoko anao ka nampalahelo anao? Valio Aho!


1 - Izaho namelona anao tamin’ny mana tany an’efitra; fa ianao kosa namely tehamaina Ahy sy nikapoka Ahy.
2 - Ry vahoakako ô, dia naninona anao Aho? sa inona no nataoko anao ka nampalahelo anao? Valio Aho!


1 - Izaho nampisotro anao rano mahavelona nivoaka tamin’ny vatolampy; fa ianao kosa nampisotro vinaingitra miharo afero Ahy.
2 - Ry vahoakako ô, dia naninona anao Aho? sa inona no nataoko anao ka nampalahelo anao? Valio Aho!


1 - Izaho nikapoka ireo mpanjakan’i Kanaana noho ny fitiavako anao; fa ianao kosa nikapoka ny Lohako tamin’ny volotara.
2 - Ry vahoakako ô, dia naninona anao Aho? sa inona no nataoko anao ka nampalahelo anao? Valio Aho!


1- Izaho no nanome anao ny tehim-piandrianan’ny mpanjaka; fa ianao kosa nampisatroka Ahy fehiloha tsilo.
2 - Ry vahoakako ô, dia naninona anao Aho? sa inona no nataoko anao ka nampalahelo anao? Valio Aho!


1 - Izaho nanandratra anao tamin-kery lehibe; fa ianao kosa nanantona Ahy tamin’ny Hazofijaliana.
2 - Ry vahoakako ô, dia naninona anao Aho? sa inona no nataoko anao ka nampalahelo anao? Valio Aho!


Antsa

1 sy 2 Sasin-kira

Ry Hazofijaliana, hazo mendri-kaja tsy misy toa azy, tsy nisy ala nahavokatra hazo toa anao, na amin’ny voniny na amin’ny raviny na amin’ny voany. Ry Hazo maminay nifantsihan’ilay Razana sarobidy!


1 Antsa

1 - Ankalazao, ry vavako, ilay ady nahitam-boninahitra, ary tolory fiderana mendrika azy ny Hazofijaliana nandresen’ny Mpanavotra an’izao tontolo izao, fony Izy natao sorona.
2 - Ry Hazofijaliana, hazo mendri-kaja tsy misy toa azy, tsy nisy ala nahavokatra hazo toa anao, na amin’ny voniny na amin’ny raviny na amin’ny voany.


1 - Nitsetra Izy Nahary fa voafitaka ny raintsika voalohany nanota nihinana ilay voankazo namohehatra, ka naraikitr’Andriamanitra fa ny hazo hanonerana ny heloka tamin’ny hazo.
2 - Ry Hazo maminay nifantsihan’ilay Razana saro-bidy!


1- Toy izao no nahatanterahan’ny asa famonjena antsika: fahendren’Andriamanitra no nahafoana ireo hevi-petsin’ny ratsy, ka ny namelezan’ny fahavalo no tonga fanàfana ho antsika.
2 - Ry Hazofijaliana, hazo mendri-kaja tsy misy toa azy, tsy nisy ala nahavokatra hazo toa anao, na amin’ny voniny na amin’ny raviny na amin’ny voany.


1 - Ka nony feno ny fetr’andro dia nirahina avy eo amin’ny fiketrahan-dRainy ny Zanaka nahary an’izao tontolo izao, ka naka nofo tahaka ny antsika tao an-kibon’ilay Virjiny.
2 - Ry Hazo maminay nifantsihan’ilay Razana saro-bidy!


1- Zazakely nitomany Izy teo amin’ny fihinanam-bilona etiety no nofonosin’ilay Reny Virjiny lamban-jaza, ka ny tongony aman-tanany he ireo voageja.
2 - Ry Hazofijaliana, hazo mendri-kaja tsy misy toa azy, tsy nisy ala nahavokatra hazo toa anao, na amin’ny voniny na amin’ny raviny na amin’ny voany.


1 - Nony tokony ho telopolo taona Izy ka nadiva ho tapitra ny androny tety an-tany dia nanaiky hatolotra hijaly fa izany no nahaterahany, ary nasandratra ho Zanak’ondry nofantsihana tamin’ny Hazofijaliana.
2 - Ry Hazo maminay nifantsihan’ilay Razana saro-bidy!


1 - Indreo ny vinaingitra, ny afero, ny volotara, ny rora, ny fantsika, ny lefona. Trobaka ny nofony malia, nitosaka toy ny ony ny Rany manasa ny tany sy ny ranomasina ary ny kintana sy ny voaary tontolo.
2 - Ry Hazofijaliana, hazo mendri-kaja tsy misy toa azy, tsy nisy ala nahavokatra hazo toa anao, na amin’ny voniny na amin’ny raviny na amin’ny voany.


1 - Aondreho ny rantsana, ry Hazofijaliana, lefaho ny vatanao matanjaka, ketraho ny toetranao henjana hihamalemy mba hiankinan’ny Mpanjakan’ny lanitra.
2 - Ry Hazo maminay nifantsihan’ilay Razana saro-bidy!


1- Ianao irery no mendrika hitondra Ilay nanavotra an’izao tontolo izao, ianao no mpanamory nanoman-tseranana ho an’ny voaary henika ny Ra masina avy amin’ny Tenan’ny Zanak’ondry.
2 - Ry Hazofijaliana, hazo mendri-kaja tsy misy toa azy, tsy nisy ala nahavokatra hazo toa anao, na amin’ny voniny na amin’ny raviny na amin’ny voany.


1 - Voninahitra mandrakizay anie ho an’ny Trinite Masina, ho an’ny Ray sy ny Zanaka sy ny Fanahy Masina Mpankahery fa ny fahasoavany masina no nanavotra anay sy mitahiry anay. Amen.


Fizarana fahatelo

FANDRAISANA NY KÔMONIO MASINA

Velarana lamba ny ôtely; apetraka eo ny “corporal” sy ny boky. Alain’ny Pretra na ny Diakra ny Sakramenta Masina hankeo amin’ny ôtely, amin’izay lalana akaiky indrindra. Mijoro ny rehetra, mangina. Misy mpanotrona roa mitondra jiro mirehitra manaraka ny Sakramenta Masina, ary rehefa tonga izy, dia apetrany eo akaikin’ny ôtely na eo ambonin’ny ôtely.
Voapetraky ny Diakra eo amin’ny ôtely ny Sakramenta Masina, voaalany sarona ny siboara dia tonga ny Pretra manatona mandohalika kely, vao miakatra ny ôtely; eo izy no miteny manakamban-tanana, manao hoe:

Manaraka ny didy nomen’ny Mpamonjy isika ary nampianarin’Andriamanitra, ka sahy manao hoe:


Velarin’ny Pretra ny tanany dia hoy izy miaraka amin’ny mpiangona rehetra manao hoe:

Rainay any an-danitra hohamasinina anie ny Anaranao, ho tonga anie ny fanjakanao, ho tanteraka anie ny sitra-ponao ety an-tany tahaka ny any an-danitra.
Omeo anay anio ny haninay isan’andro, avelao ny fahotanay tahaka ny amelanay izay nanao ratsy taminay, aza avelanao ho azon’ny fitaoman-dratsy izahay, fa manafaha anay amin’ny ratsy.


Mamelatra tanana ihany ny Pretra no manohy hoe:

Eny, manafaha anay amin’ny ratsy rehetra, ry Tompo, ary mba fenoy ny fiadananao ny andro iainanay: enga anie homban’ny indrafonao izahay, ka sady ho afaka mandrakariva amin’ny fahotana no hilamina tsy ho azon-tebiteby na toy inona na toy inona, eto am-piandrasana ny hasambarana nampanantenainao sy ny fiavian’i Jesoa Kristy Mpamonjy anay.


Manakamban-tanana ny Pretra, ary ny vahoaka mamarana ny vavaka mihoby manao hoe:

Fa Anao ny fanjakana sy ny hery ary ny voninahitra mandrakizay.


Akamban’ny Pretra ny tanany; vakîny moramora ny hoe:

Tsy hahadiso ahy, tsy hahameloka ahy anie, ry Jesoa Kristy Tompo, izao fandraisako ny Vatanao sy ny Ranao izao, fa hiaro ahy fanahy amam-batana, ary ho tonga fanafody mahasoa ahy noho ny indrafonao,


Mandohalika kely ny Pretra, mandray sombina hôstia, ka asandrany sady tazoniny eo ambony siboara dia mitodika any amin’ny vahoaka izy miteny mafy hoe:

Sambatra izay voaantson’ny Zanak’ondry amin’ny fanasany. Inty ny Zanak’ondrin’Andriamanitra, inty Ilay manala ny fahotan’izao tontolo izao.


Dia miaraka amin ny vahoaka izy manohy hoe:

Tompo ô, tsy mendrika hidiranao ato amiko aho, fa manonòna teny iray ihany dia ho sitrana ny fanahiko.


Mitodika any amin’ny ôtely ny Pretra, mandray ny Vatan’ny Tompo amim-panajana.


Dia zaraina amin’ny mpiangona ny Kômonio, mandritra izany dia azo asiana hira mifanaraka amin’ny fotoam-pivavahana.


Voazara ny Kômonio dia entin’ny Pretra na izay manam-pahefana amin’izany ny siboara, hankany ivelan’ny fiangonana; raha tsy izany dia atao ao amin’ny tabernakla.
Tsara raha mitsaoka mangina elaela; avy eo dia ataon’ny Pretra ity vavaka manaraka ity:

Aoka isika hivavaka:

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, Ianao nanavotra anay tamin’ny nahafatesan’i Kristy sy ny nitsanganany ho velona; mba tahirizo ao aminay ny vokatry ny famindram-ponao, izahay mandray anjara amin’izao zava-masina izao anie tsy hitsahatra hanompo Anao amim-pitiavana, mandritra ny andro hiainanay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.

V - Amen.


Mampody ny vahoaka ny Pretra, ka mitodika any aminy, manatsotra ny tanany eo amboniny, ary manao izao vavaka izao:

Vavaka ho an’ny Vahoaka

Tompo ô, mahatsiaro ny nahafatesan’ny Zanakao izahay vahoakanao manantena ny fitsanganan-ko velona; rotsahy ny tso-dranonao miavosa: avelao heloka, alao alahelo, ampio hitombo finoana ary omeo antoka ho voaavotra mandrakizay. Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.

V - Amen.


Dia samy mody, ary mangina ny olona rehetra, Esorina ny lamba eo amin’ny ôtely, rehefa misy fotoana malalaka.
Tsy manao “Vêpres” izay namonjy ny fotoam-pivavahana hariva.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.009