Sorona Masina ny Alatsinainy 15 aprily 2019

Herinandro Masina

ALATSINAINY MASINA


Tononkira fidirana

Sal. 34, 1-2 sy Sal. 139, 8


Iadio, ry Tompo, izay miady amiko; asio izay mamely ahy, raiso ny lefona sy ny ampinga; mitsangàna hamonjy ahy Ry Tompo Andriamanitra Mpamonjy mahery!


Fangatahana

Mihanta aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary; enga anie izahay osa ka mora lavo mba hahazo aina sy hery noho ny fijalian’ny Zanakao Lahitokana izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Bokin’i Izaia Mpaminany

Iz. 42, 1-7


Tsy hiantso mafy izy na hanao izay handrenesana ny feony eny an-dalam-be.

Izao no lazain’ny Tompo: “Indro ny mpanompoko izay tantanako, Ilay voafidiko ka sitraky ny foko, napetrako ao aminy ny fanahiko; hamoaka fahamarinana ho an’ny firenena Izy. Tsy hiantso mafy Izy, na hanandra-peo na hanao izay handrenesana ny feony eny an-dalam-be. Ny volotara efa poritra, tsy hotapahiny; ny lahin-jiro efa ho faty, tsy hovonoiny. Hanambara ny rariny, araka ny marina Izy; tsy ho ketraka Izy na ho kivy akory, mandra-panoriny ny rariny amin’ny tany; ary ny nosy hiandry ny lalàny.” Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra izay nahary ny lanitra sy namelatra azy, izay namelatra ny tany mbamin’ny vokatra ao aminy, izay nanome fofon’aina ny olona eo aminy, sy fofon’aina ho an’izay mandeha eo: “Izaho, Tompo, no niantso anao, tamin’ny fahamarinana, sy nandray tanana anao, miaro anao Aho, ary manao anao ho fanekem-pihavanana ho an’ny vahoakako sy fahazavan’ny firenena, hampahiratra ny mason’ny jamba, hamoaka ny mifatotra ao an-tranomaizina, sy ireo mipetraka ao amin’ny haizina ao amin’ny fonja.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 26, 1. 2. 3. 13-14


Fiv.: Ny Tompo no faniloko sy vonjiko.

Ny Tompo no fanilo sy vonjiko: iza no hatahorako? Ny Tompo no mandan’ny aiko: zovy no hangovitako?
Raha mirohotra avy any ny mpisompatra mba handrapaka ny nofoko, dia ireo rafilahy sy fahavaloko, izy no hivena sy hiankarapoka!
Raha tafika no mitoby hiady amiko, tsy miraika ny foko; raha andiany no mirongatra hamely, matoky hatrany aho!
Eny, matoky aho fa hahita ny hasoan’ny Tompo any amin’ny tanin’ny velona! Mahandrasa ny Tompo, marisiha! Mahereza fo, mahandrasa ny Tompo.


Fihobiana ny Evanjely

Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy!

Arahaba, ry Mpanjakanay! Ianao irery no niantra anay tamin’ny hadisoanay.

Voninahitra sy dera anie, ho Anao, ry Kristy!

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 12, 1-11


Avelao izy, fa mitahiry izany ho amin’ny andro handevenana Ahy.

Nony henemana sisa tsy hahatongavan’ny Paka, dia tonga tany Betania i Jesoa, tany amin’izay nitoeran’i Lazara, ilay natsangan’i Jesoa ho velona. Nanaovan’ny tao nahandro Izy, ka i Marta nampihinana, i Lazara isan’izay niara-nihinana taminy. Ary i Maria kosa naka diloilo manitra sarobidy lanjàna iray livatra natao tamin’ny salohin’ny narda, dia nanosotra ny tongotr’i Jesoa sy namaoka ny tongony tamin’ny volon-dohany, ka nandraraka eran’ny trano ny hanitry ny diloilo. Tamin’izay, hoy i Jodasy Iskariôta, anankiray tamin’ny mpianany, ilay efa hamadika Azy, hoe: “Tsy naleo re namidy denie telonjato iny diloilo manitra iny ka nomena ny mahantra?” Tsy ny fiahiany ny mahantra anefa no nilazany an’izany, fa noho izy mpangalatra sy mpitana ny kitapom-bola, ary nifetsy izay nalatsaka tao anatiny. Ka hoy i Jesoa taminy: “Avelao izy hanao, fa nitahiry izany ho amin’ny andro handevenana Ahy. Fa ny mahantra dia hisy mandrakariva eto aminareo, ary Izaho kosa tsy mba ho eto aminareo lalandava.” Maro tamin’ny Jody no nahare hoe tao Betania i Jesoa, ka tonga tao tsy noho i Jesoa ihany fa mba hahita an’i Lazara ilay natsangany ho velona koa. Fa i Lazara koa dia efa notetehin’ny lehiben’ny mpisorona hovonoina, satria noho izy, dia maro ny olona niala tamin’ny Jody ka nino an’i Jesoa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Mba topazo maso miantra, ry Tompo, ny Sorona masina atolotray izao: efa namindra fo taminay Ianao, ka enga anie ny fomba nalahatrao hisorohana ny loza mananontanona anay mba hahazoanay ny fiainana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Fijalian’ny Tompo II


Kômonio

Salamo 101, 3

Aza anafenan-tava aho amin’ny andro fahoriako. Itongilano sofina, valio faingana amin’ny andro iantsoako Anao.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mba vangio, ry Tompo, izahay vahoakanao, ary arovy amim-pitiavana lalandava ny fonay voatokana hanompo Anao, ka enga anie ny fanafody mahavonjy mandrakizay avy aminao be indrafo mba hotahirizinao handaitra lalandava.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1553