Sorona Masina ny Alarobia 10 aprily 2019

Karemy — Herinandro faha-5

ALAROBIA

Tononkira fidirana

Salamo 17, 48-49


Ry Tompo mpanafaka ahy amin’ny firenena romotra, asandrato aho handresy an’ireo mioko hamely ahy ary afaho amin’ny olon-dratsy.


Fangatahana

Ry Andriamanitra be indrafo ô, hazavao ny fonay zanakao nohamasinin’ny asa fivalozana; ary nomenao fitiavana hanompo Anao izahay, ka amindrao fo sy henoy vavaka.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Bokin’i Daniely Mpaminany

Dan. 3, 14-20. 91-92. 95


Naniraka ny Anjeliny Izy ary nanafaka ny mpanompony.

Tamin’izany andro izany, niteny i Nabodôkônôzôra mpanjaka, ka nanao hoe: “Fanahy inianareo va, ry Sidraka, Misaka ary Abdenegao, no tsy anompoanareo ny andriamanitro sy tsy itsaohanareo ny sariolona volamena natsangako? Ankehitriny, moa vonon-kiankohoka hitsaoka ny sariolona nataoko ianareo, raha vao mandre ny feon’ny anjomara, ny sobaba, ny lokanga, ny sambòka, ny valiha, ny farara mbamin’ny zava-maneno isan-karazany? Fa raha tsy mitsaoka azy ianareo, dia hatsipy miaraka amin’izay ao anatin’ny memy mirehitra afo mivaivay, ka iza moa no andriamanitra hahavonjy anareo amin’ny tanako?” Fa namaly i Sidraka sy i Misaka ary i Abdenegao, ka nanao hoe: “Ry Nabokôdônôzôra ô, tsy misy tokony havalinay anao. Raha mahavonjy anay tokoa ny Andriamanitra tompoinay, dia hovonjeny amin’ny memy mirehitra afo mivaivay sy amin’ny tananao izahay, ry mpanjaka ô! Ary na tsy hataony aza izany, aoka ho fantatrao, ry mpanjaka, fa tsy hanompo izay andriamanitrao izahay, na hiankohoka eo anatrehan’izay sariolona volamena natsanganao!” Dia feno hatezerana i Nabokôdônôzôra, ary niova tamin’i Sidraka sy i Misaka sy i Abdenegao ny tarehiny. Nanohy niteny indray izy, ka nasainy nohafanaina ny memy impito mihoatra noho ny niheveran’ny olona ny tokony hanafanana azy, ary ny miaramila sasany izay matanjaka indrindra amin’ny tafiny, no nasainy namatotra an’i Sidraka, i Misaka, i Abdenegao sy hanipy azy ireo ao anatin’ny memy mirehitra afo mivaivay. Talanjona loatra tamin’izay i Nabokôdônôzôra mpanjaka, ka nitsangana faingana. Niteny izy ka nanao amin’ireo mpanolotsainy hoe: “Tsy olona telo lahy nifatotra va no natsipintsika tao anatin’ny memy?” Dia hoy ny navalin’ireo ny mpanjaka: “Izany tokoa, ry mpanjaka.” Ary hoy izy niteny indray: “Izaho anefa, indreo mahita efa-dahy tsy mifatotra, mandehandeha ao afovoan’ny afo, tsy misy maninomaninona akory ary ny fijery an’ilay fahefatra hoatra ny zanak’andriamanitra.” Niteny i Nabokôdônôzôra ka nanao hoe: “Hisaorana anie ny Andriamanitr’i Sidraka sy i Misaka sy i Abdenegao, fa naniraka ny Anjely hamonjy ny mpanompony izay natoky Azy sy nandika ny didin’ny mpanjaka, ary nanolo-tena mba tsy hanompo na hitsaoka andriamani-kafa afa-tsy ny Andriamanitr’izy ireo ihany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo: Dan. 3, 52. 53. 54. 55. 56


Fiv.: Mendrika dera sy laza; isaorana mandrakizay.

Isaorana indrindra Ianao, ry Tompo Andriamanitry ny Razana. Fa mendrika dera sy laza. Isaorana mandrakizay.
Isaorana ny Anaranao fa masina be voninahitra ka mendrika dera sy laza. Isaorana mandrakizay.
Isaorana indrindra Ianao, an-tempoly be voninahitra, fa mendrika dera sy laza. Isaorana mandrakizay.
Isaorana indrindra Ianao, ambony fiketraham-mpanjaka fa mendrika dera sy laza. Isaorana mandrakizay.
Isaorana indrindra Ianao mahatsinjo ny halalin’ny hantsana, fa mendrika dera sy laza. Isaorana mandrakizay.
Isaorana indrindra Ianao, mipetraka ambony Kerobima, fa mendrika dera sy laza. Isaorana mandrakizay.


Fihobiana ny Evanjely

Dera sy haja ho Anao, ry Jesoa Tompo.

Toy izao no nitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao: nomeny ny Zanany Tokana ka hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy.

Dera sy haja ho Anao, ry Jesoa Tompo.


Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 8, 31-42


Raha ny Zanaka no manafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny Jody nino Azy, nanao hoe: “Raha mahatana ny teniko ianareo dia ho mpianatro tokoa, sady ho fantatrareo ny marina, ary ny marina no haha-olona afaka anareo.” Dia hoy ny navalin’izy ireo Azy: “Taranak’i Abrahama izahay, ary tsy mba nanompo olona na oviana na oviana, ka ahoana no ilazanao hoe: Ho olona afaka ianareo?” Fa hoy i Jesoa taminy: “Lazaiko marina dia marina aminareo fa izay manota dia mpanompon’ny ota. Ny mpanompo tsy mitoetra ao an-trano mandrakariva fa ny zanaka no mitoetra ao mandrakariva. Koa raha ny Zanaka no manafaka anareo, dia ho afaka tokoa ianareo. Fantatro ihany fa taranak’i Abrahama ianareo, nefa mitady hamono Ahy ianareo, satria tsy tafalatsaka ao am-ponareo ny teniko. Izaho milaza izay hitako eo amin’ny Raiko, ary ianareo kosa manao izay renareo ao amin’ny rainareo.” Namaly ireo ka nanao taminy hoe: “I Abrahama no rainay.” Fa hoy i Jesoa taminy: “Raha zanak’i Abrahama ianareo dia hanao ny asan’i Abrahama. Nefa mitady hamono Ahy ianareo ankehitriny, dia Izaho izay nilaza taminareo ny marina reko tamin’Andriamanitra: tsy asan’i Abrahama izany. Ny asan’ny rainareo no ataonareo!” Dia hoy ireo taminy: “Tsy mba teraka tamin’ny fijangajangana izahay, ka iray ihany no rainay, dia Andriamanitra.” Fa hoy kosa i Jesoa tamin’izy ireo: “Raha Andriamanitra no Rainareo, dia ho tia Ahy ianareo, satria Andriamanitra no niaviako, ary Izy no nahatongavako atý, fa tsy tonga ho Ahy Aho, fa Izy no naniraka Ahy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vakinteny hafa azo ifidianana


Vavaka Fanolorana

Tompo ô, raiso ho voatokana ho Anao izao Sorona izao: ary enga anie ny tolotra nomenao hanajana ny Anaranao mba hataonao fanafody mahasitrana anay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Fijalian’ny Tompo I


Kômonio

Kôl. 1, 13-14

Namindra antsika ho any amin’ny fanjakan’ny Zanany malalany Andriamanitra, dia Ilay nanavotra antsika sy namela ny fahotantsika tamin’ny Rany.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, hanome anay fanafody avy any an-danitra anie ny Kômonio noraisinay, ka handio ny fonay ho afaka amin’ny haratsiana ary hankahery anay sy hiaro anay mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0083