Sorona Masina ny Alarobia 03 aprily 2019

Karemy — Herinandro faha-4

ALAROBIA

Tononkira fidirana

Salamo 68, 14


Mivavaka aminao aho, ry Tompo, fa andro sitrakao Andriamanitra izao; koa valio aho, fa tsara fo Ianao; ary vonjeo fa marina Ianao.


Fangatahana

Andriamanitra ô, ny asa fivalozana no anomezanao valisoa ny olo-marina sy amelanao heloka ny mpanota; ka iantrao izahay mitalaho aminao: enga anie hahay hibaboka amin’ny helokay ka ho mendrika ho afa-pahotana.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Bokin’i Izaia Mpaminany

Iz. 49, 8-15


Nanangana anao ho faneken’ny firenena Aho, hanandratra indray ny tany.

Izao no lazain’ny Tompo: “Mihaino anao amin’ny andro fankasitrahana Aho, ary mamonjy anao amin’ny andro famonjena, niaro anao Aho, ary nanangana anao ho faneken’ny firenena, hanandratra indray ny tany, hizara ny lova nosimbana; hilaza amin’izay lasan-ko babo hoe: “Mivoaha”, sy amin’izay ao anatin’ny haizina hoe: “Mankanesa atý amin’ny mazava.” Hahazo hiraotra izy ireo manaraka ny lalana, ary ny vilon-kohaniny dia eny amin’ny havoana rehetra; tsy ho noana izy na hangetaheta, tsy ho tratry ny fasika mahamay, na ny masoandro. Fa Ilay mamindra fo aminy no hitarika azy ireo, sy hitondra azy ho eo amin’ny rano miboiboika. Hataoko lalana ny tendrombohitra rehetra; ary hasandratra indray ny lalako. Indreo ny sasany avy lavitra; indreo ny sasany avy any Avaratra sy avy any Andrefana, ary indreo koa ireo avy amin’ny tanin’ny Sinima. Mihobia an-kafaliana, ry lanitra; miontàna, ry tany! Velomy ny hobin-kafaliana, ry tendrombohitra! Fa ny Tompo efa nampionona ny vahoakany, sy nangoraka ireo izay nampahoriana! Hoy i Siôna: “Nafoin’ny Tompo aho; hadinon’ny Tompo aho!” Hanadino ny taizany va ny vehivavy, ka tsy hamindra fo amin’ny naloaky ny kibony? Na hanadino aza ny reny, Izaho tsy mba hanadino anao!”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 144, 8-9. 13de-14. 17-18.


Fiv.: Antra sy mangoraka ny Tompo.

Antra sy mangoraka ny Tompo, tsy malaky tezitra ary be hatsaram-po! Tsara amin’ny olon-drehetra ny Tompo, mambomba ny asany rehetra ny fangorahany!
Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra! Tompo manohana izay rehetra ho lavo, sy mampitraka izay mitanondrika!
Marina amin’ny lalany rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra! Ny Tompo eo anilan’izay rehetra miantso Azy: dia izay rehetra miantso Azy amim-pahamarinana.


Fihobiana ny Evanjely

Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy!

Toy izao no nitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao: nomeny ny Zanany Tokana; ka hanana ny fiainana mandrakizay izay rehetra mino Azy.

Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy!


Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 5, 17-30


Toy ny ananganan’ny Ray ny maty sy amelomany azy, no ameloman’ny Zanaka izay tiany.

Tamin’izany andro izany, nanenjika an’i Jesoa ny Jody satria nanasitrana tamin’ny andro sabata Izy. Fa hoy i Jesoa tamin’izy ireo: “Ny Raiko miasa mandraka ankehitriny, ary Izaho koa miasa.” Izay indray vao mainka nitady hamono Azy ny Jody, satria sady tsy nitandrina ny sabata Izy no nilaza fa Rainy Andriamanitra, ka nanao ny tenany ho mitovy amin’Andriamanitra. Dia notohizin’i Jesoa indray ny teniny, ka hoy Izy tamin’izy ireo: “Lazaiko marina aminareo: Tsy mahazo manao na inona na inona ho Azy ny Zanaka, afa-tsy izay hitany ataon’ny Ray; ary izay rehetra ataon’ny Ray dia ataon’ny Zanaka koa. Fa tia ny Zanaka ny Ray, ka maneho aminy izay rehetra ataon’ny tenany, ary mbola haneho aminy asa lehibe noho izao aza Izy, mba ho gaga ianareo. Fa toy ny ananganan’ny Ray sy amelomany ny maty no ameloman’ny Zanaka izay tiany koa. Ary ny Ray aza tsy mitsara olona, fa ny Zanaka no nomeny ny fitsarana rehetra, mba hanajan’ny olona rehetra ny Zanaka tahaka ny fanajany ny Ray. Izay tsy manaja ny Zanaka, dia tsy manaja ny Ray izay naniraka Azy. Lazaiko marina dia marina aminareo: Izay mihaino ny teniko sy mino izay naniraka Ahy no manana ny fiainana mandrakizay ka tsy hohelohina, fa efa niala tamin’ny fahafatesana ho amin’ny fiainana izy. Lazaiko marina dia marina aminareo: Avy sady efa tonga sahady ankehitriny aza ny andro handrenesan’ny maty ny feon’ny Zanak’Andriamanitra, ka izay handre dia ho velona. Fa toy ny ananan’ny Ray ny fiainana ao anatiny, no nanomezany ny Zanaka hanana ny fiainana ao anatiny koa. Ary nomeny fahefana hitsara Izy, satria Zanak’Olona. Aza gaga amin’izany, fa avy ny andro handrenesan’izay rehetra any am-pasana ny feon’ny Zanak’Andriamanitra, dia hivoaka izy, ka izay nanao soa dia ho any amin’ny fitsanganam-piainana, fa izay nanao ratsy kosa, dia ho any amin’ny fitsanganam-pahamelohana. Raha Izaho ihany, tsy mahazo manao na inona na inona; fa araka izay reko no itsarako, ka marina ny fitsarako, satria tsy mitady ny sitra-poko Aho, fa ny sitra-pon’izay naniraka Ahy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vakinteny hafa azo ifidianana


Vavaka Fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo be indrafo: ny hasin’izao Sorona izao anie handio anay ho afaka amin’ny toetra ratsy mahazatra, ary hampitombo ao am-ponay ny aim-baovao vokatry ny famonjena.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Karemy


Kômonio

Jo. 3, 17

Tsy hanameloka an’izao tontolo izao no nanirahan’ny Ray ny Zanaka teto amin’izao tontolo izao, fa ny hahavonjy an’izao tontolo izao amin’ny alalany.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, enga anie ny fanomezana avy any an-danitra noraisinay tsy havelanao hahameloka anay eo amin’ny fitsarana fa nataonao hahasitrana ny mpanomponao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0078