Sorona Masina ny Alatsinainy 01 aprily 2019

Karemy — Herinandro faha-4

ALATSINAINY

Tononkira fidirana

Salamo 30, 7-8


Ianao, ry Tompo, no ifefeko; mibitaka sy ravo aho, noho ny hatsaram-ponao; fa nijery ny fahoriako Ianao.


Fangatahana

Andriamanitra ô, havaozinao amin’ny sakramenta mahagaga izao tontolo izao: enga anie ny Eglizinao hahita soa sy handroso hatrany araka ny fandaharanao mandrakizay ary tsy hitsahatra hahazo fanampiana eto an-tany.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Bokin’i Izaia Mpaminany

Iz. 65, 17-21


Tsy misy ho re ao intsony na ny feo mitomany na ny antsom-pahoriana.

Izao no nolazain’ny Tompo: “Indro Aho hahary lanitra vaovao sy tany vaovao, ka ny zavatra taloha dia tsy hotsarovana intsony, na ho mby ao an-tsaina akory aza. Aoka hifaly kosa ianareo sy hanan-kafaliana mandrakizay noho izay efa hoarîko; fa indro Aho hahary an’i Jerosalema ho an’ny fifaliana, sy ny vahoakany ho an’ny firavoravoana. Dia ho faly amin’i Jerosalema Aho, sy ho ravoravo amin’ny vahoakako. Ka tsy misy ho re ao intsony na ny feo mitomany na ny antsom-pahoriana. Tsy hisy intsony ao na ny zaza teraka ho fohy andro iainana, na ny anti-panahy tsy mahatratra ny isan’ny androny; fa mbola maty tanora ihany ny maty amin’ny fahazato taonany, ary efa zato taona ny mpanota vao ho tratry ny ozona. Hanao trano izy, dia izy no honina ao; hamboly voaloboka izy, dia izy no hihinana ny vokany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 29, 2 sy 4. 5-6. 11-12a sy 13b


Fiv.: Deraiko ny Tompo izay nanafaka ahy.

Izaho midera ny Tompo izay nanafaka ahy: Tsy navelanao hifalian’ny fahavaloko aho! Ny fanahiko, ry Tompo ô, nakarinao avy any an-tSeoly; novelominao aho izay efa nitsitra tany an-davaka.
Antsao ny Tompo, ianareo mpivavaka! Isaory ny Anarany masina. Mihelina foana ny havinirany, maharitra kosa ny fanambinany. Izaho: hariva mialin-tomany; maraina, velon-kalo!
Mandrenesa, ry Tompo, iantrao aho! Tompo ô, tahio aho! Dia navadikao ho dihy ny toreoko. Ry Tompo Andriamanitro ô, mandrakizay no isaorako Anao!


Fihobiana ny Evanjely

Dera ho Anao, ry Kristy, Mpanjakan’ny voninahitra mandrakizay.

Manantena ny Tompo ny fanahiko, miandry ny teniny aho; satria hatsaram-po no ao amin’ny Tompo, ary fanavotana lehibe.

Dera ho Anao, ry Kristy, Mpanjakan’ny voninahitra mandrakizay.


Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 4, 43-54


Mandehana, fa velona ny zanakao.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niala tany Samaria, ka nankany Galilea. Fa araka ny efa voalazany dia tsy misy mpaminany hajaina amin’ny taniny. Ary nony tonga tany Galilea Izy, dia noraisin’ny Galileanina, satria efa hitany izay rehetra nataony tany Jerosalema tamin’ny andro fety, fa tany koa izy ireo tamin’ny fety. Dia nankany Kanà any Galilea indray Izy, tany amin’ilay nanovàny ny rano ho divay. Ary nisy kosa manamboninahitra anankiray nanan-janaka lahy narary tany Kafarnaôma, ka nony reny fa hoe tonga avy any Jodea ao Galilea i Jesoa, dia nanatona Azy izy ka nangataka Azy hidina hanasitrana ny zanany efa ho faty. Fa hoy i Jesoa taminy: “Raha tsy mahita famantarana sy fahagagana ianareo, dia tsy mba mety mino!” Ka hoy ilay manamboninahitra taminy: “Andeha re, Tompoko, dieny mbola tsy maty ny zanako!” Dia hoy i Jesoa taminy: “Modia, fa velona ny zanakao.” Ary nino ny teny nolazain’i Jesoa taminy izy ka lasa nody. Nony nandeha izy, dia notsenain’ny ankiziny ka nilazany fa velona ny zanany. Ary nanontaniany azy ireo ny ora nahasitranany, ka hoy ireo taminy: “Omaly tamin’ny ora fahafito no nialan’ny tazo taminy.” Dia fantatry ny rainy, fa tamin’izany ora izany indrindra no nilazan’i Jesoa taminy hoe: “Velona ny zanakao”, ka nino izy sy ny mpianakaviny rehetra. Izany no fahagagana faharoa nataon’i Jesoa, rahefa tonga tany Galilea avy tany Jodea Izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vakinteny hafa azo ifidianana


Vavaka Fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, enga anie izahay mba hahazo voka-tsoa amin’izao tolotra voatokana ho Anao izao, ka tsy ho simban’ny farasisan’ny tany fa hivoatra sy handroso amin’ny fiainana mendrika ny lanitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Karemy


Kômonio

Ez. 36, 27

Harotsako ho eo aminareo ny Fanahiko, ary hampiako ianareo, hanaraka ny fitsipiko ka hitandrina ny didiko sy hanaraka azy, hoy ny Tompo.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mitalaho aminao izahay, ry Tompo: enga anie ny Kômonio masina noraisinay hanavao sy hamelombelona sady hanamasina anay ka hahatonga anay any amin’ny mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0918