Sorona Masina ny Alahady 31 martsa 2019

ALAHADY FAHA-4 – Taona D KAREMY

FALY NY RAY MANDRAY ILAY ZAZA MPANDANY NAHALALA NODY

Lokon’akanjo: mavokely na volomparasy

Tononkira fidirana

Iz. 66, 10-11

Miravoravoa, ry Jerosalema, mivoria ianareo rehetra manam-pitiavana Azy. Ianareo malahelo, aoka hientan-kafaliana, miravoravoa fa ho dibo-kafaliana ny fonareo.


Fangatahana

Andriamanitra ô, fomba mahagaga no nampihavananao ny olombelona aminao tamin’ny alalan’ny Teninao tonga nofo; koa enga anie ny vahoaka kristianina hoentanim-pinoana, hidodododo hankalaza ny Paka efa akaiky.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’i Jôsoe

Jôs. 5, 9a. 10-12

Nankalaza ny Paka ny vahoakan’Andriamanitra, rehefa tafiditra tao amin’ny tany nampanantenaina.

Tamin’izany andro izany dia hoy ny Tompo tamin’i Jôsoe: “Noesoriko ho afaka taminareo androany ny fahafaham-baraka tany Ejipta”. Dia natao hoe Galgalà mandraka androany izany toerana izany. Nitoby tao Galgalà ny zanak’i Israely, dia nanao ny Paka, tamin’ny andro fahefatra ambin’ny folon’ny volana, rehefa harivariva ny andro, teo an-tany lemak’i Jerikô. Ny ampitson’ny Paka ihany no efa nihinanany mofo tsy misy lalivay sy lango, tamin’ny vokatry ny tany. Ary ny ampitson’ny Paka, rehefa nihinana tamin’ny vokatry ny tany izy, dia nitsahatra ny mana; ary tsy nahazo mana intsony ny zanak’i Israely, ka dia ny vokatry ny tany Kanaana no nohaniny tamin’izany taona izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 33, 4-5. 6-7


Fiv.: Ankafizo sy anarano fo fa mamy ny Tompo.

Izaho misaotra ny Tompo lalandava; ny fiderana Azy eo am-bavako hatrany. Ny Tompo hafinaretan’ny fanahiko; mandrenesa, ry ory, ka mifalia.
Ombay aho mankalaza ny Tompo, miaraha isika midera ny Anarany.
Izaho nihanta tamin’ny Tompo ka nekeny, ny tahotro rehetra nalàny tamiko.
Mibanjîna Azy fa ho mirana ny tavanareo tsy hangaihay, ity ory, velona antso ka novaliany, ny ahiahiny rehetra namonjeny azy.


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy faharoan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty

2 Kor. 5, 17-21


Andriamanitra nampihavana antsika aminy, tamin’ny alalan’i Kristy.

Ry kristianina havana: na iza na iza ao amin’i Kristy, dia zava-boaary vaovao izy, ka lasa ny zavatra taloha; fa indro tonga vaovao ny zavatra rehetra. Ary tsy iza no niavian’izany zavatra rehetra izany, fa Andriamanitra, izay nampihavana antsika aminy indray tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy, sady nanome anay ny fandraharaham-pihavanana; satria Andriamanitra no nampihavana an’izao tontolo izao aminy indray, tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy, ka tsy nitana ny fahotan’ny olona, sy nametraka ny teny fampihavanana taminay. Koa sady solon’i Kristy àry izahay no irak’Andriamanitra koa, ka tahaka an’Andriamanitra no mananatra, sy toy ny Tenan’i Kristy no mihanta aminareo hoe: “Mihavàna re amin’Andriamanitra ianareo!” Fa he ity Izy: Ilay tsy nahalala ota, dia nataony ota ho antsika, mba ho tonga fahamarinan’Andriamanitra ao aminy isika!

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Dera sy laza anie ho Anao, ry Tompo Mpandresy.

Hitsangana aho ho any amin’ny raiko ka hanao aminy hoe: Dada ô! efa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho.

Dera sy laza anie ho Anao, ry Tompo Mpandresy.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 15, 1-3. 11-32

Io rahalahinao io, dia maty ka velona indray.

Tamin’izany andro izany dia nanatona an’i Jesoa ny Poblikanina sy ny mpanota ka nimonjomonjo ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna nanao hoe: “Ilay ity mandray ny mpanota sy miara-mihinana aminy”. Dia nanao ity fanoharana ity tamin’izy ireo i Jesoa nanao hoe: Nisy lehilahy anankiray nanan-janaka mirahalahy, ka hoy ilay zandriny tamin-drainy: “Dada ô, omeo ahy ny anjara fananana tokony ho ahy”. Dia nozarainy tamin’izy roa lahy ny fananany. Nony afaka andro vitsivitsy, dia nangonin’ilay zandriny ny fananany rehetra ka lasa nankany an-tany lavitra izy, nandany ny fananany tamin’ny fitondran-tena ratsy.

Rehefa laniny avokoa ny fananany rehetra, dia nisy mosary lehibe tamin’izany tany izany ka nahantra izy. Dia lasa ny anao nikarama tamin’ny tompon-tany anankiray tany, ka nirahiny hiandry kisoa tany an-tsaha. Naniry hivoky tamin’ny hodiboan-javatra nohanin’ny kisoa izy, fa tsy nisy nanome azy. Izay vao nody ny sainy ka hoy izy: “Firifiry akory moa ny mpikaraman’i dada no manan-kanina be, nefa izaho kosa ity maty noana aty! Hitsangana aho ho any amin’ny raiko ka hanao aminy hoe: Dada ô! efa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho, ka tsy mendrika hantsoina hoe zanakao intsony; fa mba ataovy tahaka ny anankiray amin’ny mpikaramanao re aho”.

Dia niainga izy ka lasa nankany amin-drainy. Mbola lavitra kosa izy, dia nahatazana azy rainy, ka onena nidodododo nitsena azy, ary namihina ny vozony sy nanoroka azy. Dia hoy ity zanany taminy: “Dada ô! efa nanota tamin’ny lanitra sy teo anatrehanao aho, ka tsy mendrika hantsoina hoe zanakao intsony”. Fa hoy rainy tamin’ny mpanompony: “Alao haingana ny akanjo tsara indrindra ka ampiakanjoy azy; asio peratra ny rantsan-tanany, kiraroy ny tongony, ary ento ny zanak’omby matavy, ka vonoy; dia aoka hihinana sy hifaly isika, fa ity zanako ity dia maty ka velona indray, ary very ka hita indray”. Dia nifaly izy rehetra.

Sendra tany an-tsaha kosa ny zanany lahy matoa tamin’izay. Nony nody izy sy mby teo akaikin’ny trano, dia nandre zava-maneno sy dihy, ka niantso ankizy lahy anankiray sy nanontany azy izay anton’izany. Dia hoy ilay mpanompo taminy: “Tonga ny rahalahinao, ka namono zanak’omby matavy irainao, satria tafaverina soa aman-tsara izy”. Dia tezitra izy, ka tsy nety niditra, ary nivoaka rainy hampandroso azy. Fa hoy ny navaliny an-drainy: “Indro efa ela no nanompoako anao, ary tsy mbola nandika ny didinao iray akory aho, nefa tsy mbola mba nomenao zanak’osy iray akory hifaliako amin’ny sakaizako; fa nony tonga kosa io zanakao io, izay avy nandany ny fanananao tamin’ny vehivavy janga, dia namonoanao zanak’omby matavy izy”. Fa hoy irainy taminy: “Ianao, anaka, dia eto amiko mandrakariva, ka anao avokoa izay rehetra ananako; fa mety kosa ny manao fihinanam-be sy fifaliana, satria io rahalahinao io, dia maty ka velona indray, ary very ka hita indray”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, ilay zaza mpandany tantarain’i Jesoa ao amin’ny Evanjely androany dia mampiharihary ny famindram-pon’Andriamanitra, izay tohizin’ny Eglizy omena amin’izao Karemy izao. Koa amim-pitokiana tokoa no ndeha hitalahoantsika amin’Andriamanitra Ray be fitiavana izay faly handray izay miverina aminy rehetra.

Valy: Ray ô, tia anay ny Zanakao, ka tsinjovy izahay.

* Mivavaha ho an’ny Papa sy ny Eveka ary ny Pretra, mba ho tsara fandray ny zaza mpandany rehetra izy, ary mba hahay hanomana ny olombelona, ho faly hamela heloka.
* Mivavaha ho an’ireo mpitondra rehetra, hampian’Andriamanitra hampirindra ny fihavanana eo amin’ireo olona entiny: samy hafa toetra sy samy hafa fihetsika, hakany tahaka an’Andriamanitra, Ray iombonan’ny mpanota sy ny olo-marina.
* Maro ireo havantsika mitankizina ao amin’ny fisalasalana na ny tsy firaharahana ny fivavahana, koa angataho mba hahita ny marina sy higoka fiadanam-po izy, amin’izao faramparan’ny Karemy izao.
* Mivavaha ho an’ireo ankizy manaraka fitaizam-pinoana; mivavaha koa ho an’ireo rehetra tsy handre ny Anaran’i Kristy na oviana na oviana, ary ho an’ireo tsy mba manan-dreny hampianatra mivavaka.
* Ny zokin’ilay zaza mpandany tsy mba vonon-kamela an-jandriny ary tsy vonon-kiara-paly amin-drainy, koa mivavaha mba samy ho tsara fo sy ho faly hiara-paly isika iray fiangonana.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.


Ianao irery, ry Jesoa Tompo, no nahafantaranay ny halalin’ny fitiavan’ny Ray any an-danitra; koa tahio izahay hatoky ny fitiavany, hanohana ny fiezahanay hahatozo hatramin’ny faran’ny Karemy.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Faly izahay, ry Tompo, manolotra ny fanatitra loharanom-panafody maharitra mandrakizay; koa mitalaho an-tanan-droa: ampio izahay ho feno finoana sy fanajana hanolotra ny sorona famonjena an’izao tontolo izao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy:

Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza, ry Tompo, Ray Masina, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay, amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.

Fa ny taranak’olombelona nandeha amin’ny maizina dia notarihiny hohazavain’ny finoana tamin’Izy naka nofo, ary ireo teraka voan’ny fahotana tamin’ny fototra dia natsangany ho zanakao amin’ny rano manome aim-baovao.

Noho izany ny tany aman-danitra dia miara-miredona hira mba hitsaoka Anao, ary izahay koa miaraka amin’ny tafiky ny Anjely rehetra, mankalaza Anao lalandava manao hoe: Masina, Masina, Masina...


Kômonio

Jo. 9, 11

Ny Tompo no nanao feta nanosorany ny masoko; nisasa aho, dia nahiratra, ary ankehitriny aho mino.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Andriamanitra ô, hazavainao avokoa izay olombelona tonga amin’izao tontolo izao, koa mba hazavao amin’ny fahasoavanao mamirapiratra ny fonay, tsy hikendry afa-tsy izay mendrika Anao sy mahafaly Anao Avo indrindra, ary ho tia Anao amin’ny fonay tokoa.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0823