Sorona Masina ny Zoma 29 martsa 2019

Karemy — Herinandro faha-3

ZOMA

Tononkira fidirana

Salamo 85, 9-10

 

Ho avy ny firenen-drehetra hiankohoka eo anoloanao, ry Tompo, ary hanome voninahitra ny Anaranao, fa lehibe Ianao sy mahefa zava-mahagaga: Ianao irery no Andriamanitra!

 

Fangatahana

Ry Tompo tsara fo ô, arotsahy ao am-ponay ny fahasoavanao ary ankeherezo izahay hiala amin’ny fanaranam-po mahazatra ny olombelona ary hifikitra amin’ny anatra avy any an-danitra.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Bokin’i Osea Mpaminany

Osea 14, 2-10

 

Aoka isika tsy hilaza hoe: Avy amin’ny asan-tananay ny Andriamanitray.

Izao no lazain’ny Tompo: “Miverena amin’ny Tompo ry Israely, fa ny helokao no nahalavo anao. Mitondrà teny ianareo, miaraka aminareo, ka miverena amin’ny Tompo; lazao aminy hoe: ‘Esory ny heloka rehetra ary raiso izay tsara. Aoka hatolotray Anao ho solon’ny vantotr’ombalahy ny teny avy amin’ny molotray. I Asora tsy hamonjy anay, izahay tsy hitaingin-tsoavaly’, na hiteny hoe: ‘Ry Andriamanitray ô! amin’ny asan’ny tananay. Ianao izay ahitan’ny kamboty fiantrana!’ Hositraniko ny fiodinany; ho tiako amin’ny foko tokoa izy, fa efa niala taminy ny fahatezerako. Ho toy ny ando Aho amin’i Israely; ka haniry toy ny lisy izy, ary handatsaka ny fakany tahaka an’i Libàna. Ny rantsany hisandrahaka: ny voninahiny, ho toy ny fototr’ôliva, ary ny fofony manitra ho tahaka ny an’i Libàna. Izy ho avy hiala sasatra ao ambanin’ny alokalony, hampahavokatra ny vary indray; haniry toy ny voaloboka izy; ary ho tahaka ny divain’i Libàna ny anarany. I Efraima, inona no mbola mba hataony any amin’ny sampy? Izaho no efa mamaly ny fangatahany sy mitsinjo azy tahaka ny sipresa maitso Aho; Izaho no iavian’ny voanao. Izay hendry no aoka hahafantatra izany zavatra izany, izay manan-tsaina aoka hiaiky izany ho marina. Fa mahitsy ny lalan’ny Tompo; ka ny marina no hizotra eo, fa ny mpiodina kosa, lavo aminy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 80, 6d-8a. 8bd-9. 10-11ab. 14 sy 17

 

Fiv.: Izaho no Tompo Andriamanitrao, mandrenesa re, ry Israely.

Fa inona moa izany teny reko, toa teny tsy fantatro, teny hafa: nalàko eo an-tsorony re ny bao sy ny enta-mavesatra nolanjainy.
Niantso raha ory ka novonjeko, tanaty oram-baratra novaliako. Ianao, ry vahoakako mihainoa. Ry Israeliko, mandrenesa.
Tandremo mitsaoka andriamani-kafa, mandray ny andriamanitr’ireo vahiny. Fa Izaho re no Tompo Andriamanitrao, nampakatra anao avy tany Ejipta!
Indrisy raha nihaino Ahy ireo olon-tiako, ka i Israely nanaraka Ahy: Ny oloko ho nomeko vary kanto, niampy tantely tam-batolampy!

 

Fihobiana ny Evanjely

Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy!

Tsy ny mofo ihany no iveloman’ny olona, fa ny teny rehetra aloaky ny vavan’Andriamanitra.

Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 12, 28b-34

 

Ny Tompo Andriamanitsika no hany Tompo tokana, ary tiavo Izy.

Tamin’izany andro izany, nisy mpanora-dalàna anankiray nanatona an’i Jesoa sy nanontany Azy hoe: “Inona no voalohany amin’ny didy rehetra?” Ary i Jesoa namaly azy hoe: “Ny voalohany indrindra amin’izy rehetra dia itý: Mihainoa, ry Israely: Ny Tompo Andriamanitsika no hany Tompo tokana koa tiavo ny Tompo Andriamanitrao amin’ny fonao rehetra sy amin’ny fanahinao rehetra, sy amin’ny sainao rehetra ary amin’ny herinao rehetra. Izany no didy voalohany. Ary itý no faharoa mitovy aminy koa: Tiavo ny namanao, tahaka ny tenanao. Tsy misy didy lehibe mihoatra noho ireo.” Dia hoy ilay mpanora-dalàna taminy: “Tsara izany, ry Mpampianatra. Marina indrindra ny nilazanao fa tokana Andriamanitra, ary tsy misy hafa afa-tsy Izy, ka ny tia Azy amin’ny fo rehetra, sy amin’ny fanahy rehetra, ary amin’ny hery rehetra, ary ny tia namana tahaka ny tena, dia lehibe lavitra noho ny sorona dorana rehetra sy ny fanatitra hafa rehetra.” Nony hitan’i Jesoa fa namaly tamim-pahendrena izy, dia hoy Izy taminy: “Tsy lavitra ny fanjakan’Andriamanitra ianao.” Ary hatramin’izay, dia tsy nisy olona sahy nanontany Azy intsony.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vakinteny hafa azo ifidianana

 

Vavaka Fanolorana

Topazo maso miantra, ry Tompo, ny fanatitra entinay hohamasinina izao mba ho sitrakao ary hahitanay famonjena mandrakariva.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy: Karemy

 

Kômonio

Mk. 12, 33

Tiavo Andriamanitra amin’ny fonao tokoa ary tiavo ny namanao tahaka ny tenanao: ambony noho ny sorona rehetra izany.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Hanenika ny fanahy amam-batanay anie, ry Tompo, ny hasin’ny herinao, fa efa nandray anjara tamin’ny Kômonio izahay, ka enga anie hahazo ny fanavotana feno tanteraka.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0083