Sorona Masina ny Alarobia 27 martsa 2019

Karemy — Herinandro faha-3

ALAROBIA

Tononkira fidirana

Salamo 118, 133

 

Tariho izany diako hanaraka ny Teninao, aoka tsy hisy faharatsiana hanjaka ato amiko.

 

Fangatahana

Tompo ô, anatra ho anay ny karemy, sakafo mahavelona ny Teninao, ka enga anie izahay hahalala onony mba hanompo Anao amin’ny fonay manontolo ary hivavaka marina, hiray fo amam-panahy mandrakariva.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Boky Deterônômy

Det. 4, 1. 5-9

 

Hitandrina ny didy amam-pitsipiko ianareo, ary hanatanteraka izany amin’ny asa.

Tamin’izany andro izany, niteny tamin’ny vahoaka i Môizy nanao hoe: “Ankehitriny, ry Israely, henoy ny didy amam-pitsipika atoroko, hitandremanareo azy mba ho velona ianareo, ka hiditra sy hanana ny tany nomen’ny Tompo Andriamanitry ny razanareo anareo. Efa notoroako didy amam-pitsipika ianareo araka ny nandidian’ny Tompo ahy hitandremanareo izany any amin’ny tany idiranareo hanananareo azy. Koa tandremo sy tanteraho izany, fa izany no saina amam-pahendrena ho anareo eo imason’ny firenena izay handre izany lalàna rehetra izany, ka ho vaky hoe: ‘Vahoaka hendry sy manan-tsaina tokoa io firenena lehibe io!’ Fa iza tokoa moa no firenen-dehibe hanana andriamanitra akaiky azy, tahaka ny maha-akaikintsika ny Tompo Andriamanitsika isaky ny iantsoantsika Azy? Ary zovy no firenen-dehibe manana didy amam-pitsipika marina, toy izao lalàna ataoko eo anoloanareo anio izao? Kanefa mitandrema tena ianao, ary tandremo tsara ny fanahinao, fandrao manadino ny zavatra hitan’ny masonao, na mamela azy hiala amin’ny fonao, na dia indray andro amin’ny fiainanao aza, fa ampianaro ny zanakao aman-jafinao izany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 147, 12-13. 15-16. 19-20

 

Fiv.: Ry mpanompon’ny Tompo, ankalazao ny Andriamanitrareo.

Ry Jerosalema, aoka ianao hiantsa, derao Andriamanitra, ry Siôna! Ilay manamafy ny vavahady miahy ireo ankizy ao anatinao.
Mandefa ny didiny ho etý an-tany, dia teny miriotra tsy hay tohaina; mandatsaka oran-toa volon’ondry, mamafy fanala mangasohaso.
Nametraka ny hafany ho an’i Jakôba, ny didy aman-tsatany ho an’i Israely. Tsy misy olon-kafa nomeny izany: ny satany manko nafeniny azy.

 

Fihobiana ny Evanjely

Dera sy haja ho Anao, ry Jesoa Tompo.

Sambatra izay mitandrina ny tenin’Andriamanitra, amin’ny fo marina sy tsara, sy mamoa amin’ny faharetana.

Dera sy haja ho Anao, ry Jesoa Tompo.

 

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 5, 17-19

 

Izay hanatanteraka sy hampianatra ny didy dia ho lehibe amin’ny Fanjakan’ny lanitra.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny tamin’ny mpianany nanao hoe: “Aza ataonareo fa tonga Aho handrava ny Lalàna na ny Mpaminany, tsy tonga handrava Aho, fa hanatanteraka. Fa lazaiko aminareo marina tokoa, fa mandra-pahalevon’ny lanitra sy ny tany, dia tsy hisy ho foana akory amin’ny Lalàna na dia “i” iray na tendron-tsoratra iray akory aza, mandra-pahatanterak’izy rehetra. Koa amin’izany, izay handika ny anankiray amin’ireo didy madinika indrindra ireo, ka hampianatra ny olona toy izany, dia ho kely indrindra amin’ny Fanjakan’ny lanitra; fa izay hanatanteraka sy hampianatra ireo kosa dia ho lehibe amin’ny Fanjakan’ny lanitra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vakinteny hafa azo ifidianana

 

Vavaka Fanolorana

Tompo ô, mba raiso miaraka amin’ireto fanatitra atolotray ny vavaka ataonay vahoakanao; ary mankalaza sy manatanteraka ny sorona ankasitrahinao izahay, ka arovy ho afaka amin’ny loza rehetra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy: Karemy

 

Kômonio

Salamo 15, 11

Natoronao ahy ny lalana mankany amin’ny fiainana, ka ho sambatra aho, ry Tompo, hibanjina ny endrikao.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Enga anie, ry Tompo, ny fanasanao nihinananay, mba hanamasina anay ary hanafaka anay amin’ny hadisoan-kevitra rehetra sy hahamendrika anay hahazo ny zava-tsoa nampanantenainao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.102