Sorona Masina ny Talata 26 martsa 2019

Karemy — Herinandro faha-3

TALATA

Tononkira fidirana

Salamo 16, 6. 8.


Miantso aho, ka valio, ry Andriamanitra: anongilano sofina, ka henoy teny! Ambeno toy ny anakandriamaso aho, ary afeno ao ambanin’ny elatrao.


Fangatahana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, ombao ny fahasoavanao mandrakariva hitolo-tena hanompo Anao ary hahazo vonjy sy fanampiana lalandava avy Aminao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Bokin’i Daniely Mpaminany

Daniely 3, 25. 34-43


Aoka ho voaray amin’ny fonay torotoro sy fanahy manetry tena izahay.

Tamin’izany andro izany, nitsangana i Azariasa, nanao itý fivavahana itý, ka niloa-bava tao afovoan’ny lelafo nanao hoe: “Aza dia afoinao mandrakizay anie izahay noho ny amin’ny Anaranao, ry Tompo Andriamanitry ny razanay, ary aza dia esorinao aminay ny famindram-ponao, noho ny amin’i Abrahama sakaizanao, sy i Isaaka mpanomponao ary i Israely masinao, izay nampanantenainao hampitomboin-taranaka ho toy ny kintana eny an-danitra, sy ny fasika eny amoron-dranomasina. Fa efa nahena teo imason’ny firenena rehetra izahay, Tompo ô, sady voaetry ankehitriny amin’ny tany rehetra, noho ny fahotana nataonay. Amin’izao fotoana izao izahay tsy manana mpitondra na mpifehy, na mpaminany, na sorona dorana, na sorona fanatitra, na emboka manitra, na fitoerana hanateranay ny voaloham-bokatray eo anatrehanao ka hahitanay famindram-po. Nefa, Tompo ô, aoka ho voaray ihany anie izahay amin’izao fonay torotoro sy fanahy manetry tena, toy ny andraisanao ireo sorona ondralahy aman’ombalahy na zanak’ondry matavy arivo; aoka ho toy izany ny soronay ankehitriny eo anatrehanao, mbamin’ny fanekenay Anao, fa tsy hahazo henatra izay mametraka ny fitokiany aminao. Ankehitriny izahay manaraka Anao amin’ny fonay rehetra, matahotra Anao sy mitady ny tavanao. Aza atao fola-tana-manondro izahay, fa ento araka ny hamoram-ponao, sy araka ny haben’ny famindram-ponao! Vonjeo amin’ny fahagagana ataonao izahay, ary omeo voninahitra ny Anaranao, Tompo ô!”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 24, 4bd-5ab. 6-7bd. 8-9


Fiv.: Tsarovy ny indrafonao, ry Tompo.

Ny lalanao, ry Tompo, ampahafantaro ahy, ny soritrao ampianaro ahy! Tariho amin’ny fahamarinanao aho, ry Tompo; fa Ianao no Andriamanitra Mpamonjy ahy.
Tsarovy ny indrafo sy hatsaram-ponao, izay efa hatramin’ny fahagola. Ny otako fahazaza, ry Tompo, hadinoy noho ny hatsaram-ponao!
Tsara sy mahitsy ny Tompo: ka ny mpanota toroany lalana; ny ory tarihiny amin’ny hitsiny, ny ory ampianariny ny lalany.


Fihobiana ny Evanjely

Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy!

Tsy ny hahafatesan’ny ratsy fanahy no sitrako, fa ny hialan’ny ratsy fanahy amin’ny lalany ka ho velona izy.

Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy!


Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 18, 21-35


Raha tsy samy mamela ny rahalahinareo inareo, dia tsy havelan’ny Rainareo koa.

Tamin’izany andro izany, nanatona an’i Jesoa i Piera, ka nanao hoe: “Tompoko, raha diso impiry amiko moa ny rahalahiko no tokony hamela azy aho? Hatramin’ny impito va?” Dia hoy i Jesoa taminy : “Izaho tsy milaza aminao hoe hatramin’ny impito, fa hatramin’ny impitopolo fito. Koa amin’izany ny fanjakan’ny lanitra dia tahaka ny mpanjaka anankiray izay te-hamotopototra ny toe-pananany amin’ny mpanompony; ary raha vao nanomboka nanao izany izy, dia nentiny teo aminy ny anankiray izay ananany talenta iray alina. Ary noho izy tsy nanan-kaloa, dia nasain’ny tompony hamidy izy sy ny vadiny aman-janany, mbamin’ny fananany rehetra, mba hanefana ny trosa. Dia niankohoka ilay mpanompo, ka nifona taminy nanao hoe: ‘Mba omeo andro aho, dia haloako daholo ny anao rehetra.’ Nangoraka ny fon’ilay tompon’izany mpanompo izany, ka sady nandefa azy handeha no namoy ny trosa taminy. Fa raha vao nivoaka ilay mpanompo, dia tojo itý mpanompo namany anankiray izay ananany denie zato; noraisiny tamin’ny tendany ilay io ka nokendainy nataony hoe: ‘Aloavy ny trosako any aminao.’ Niankohoka ilay namany, dia nifona taminy nanao hoe: ‘Mba omeo andro aho, dia haloako ny anao rehetra.’ Nefa tsy nety izy, fa lasa nampanao azy an-tranomaizina, ambara-pandoany ny trosa. Nalahelo loatra ny mpanompo sasany nony nahita izany, ka lasa nilaza izany rehetra izany tamin’ny tompony. Dia nampanalain’ny tompony izy, ka nilazany hoe: ‘Ry mpanompo ratsy fanahy, efa nafoiko avokoa ny trosako rehetra taminao, noho ianao nifona tamiko; ka moa tsy tokony mba hamindra fo amin’ny namanao va ianao tahaka ny namindrako fo taminao?” Dia tezitra ny tompony, ka natolony ny mpampijaly izy, ambara-pandoany ny trosa rehetra. Dia ho tahaka izany koa no hataon’ny Raiko izay any an-danitra aminareo, raha tsy samy mamela ny rahalahinareo amin’ny fonareo avy ianareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vakinteny hafa azo ifidianana


Vavaka Fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie izao Sorom-pamonjena izao handio anay ho afa-keloka sy hampahazo fiantrana anay avy aminao be fahefana.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Karemy


Komonio

Salamo 14, 1-2

Tompo ô, iza no hiantrano ao an-dainao, Zovy no honina ao am-bohitrao masina? Dia izay mizotra tsy manan-tsiny sy manaraka ny rariny.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Hamolaka anay anie, ry Tompo, izao Kômonio noraisinay izao ary hampahazo famelan-keloka anay no sady hahitanay fiarovana.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0081