Sorona Masina ny Alahady 17 martsa 2019

ALAHADY FAHAROA – Taona D KAREMY

I JESOA MIOVA TAREHY: TARATRY NY HASOANTSIKA RAHATRIZAY

Lokon’akanjo: volomparasy

Tononkira fidirana

Sal. 26, 8-9

Hoy ny foko taminao: «Mitady ny endrikao aho; ny endrikao, ry Tompo, no tadiaviko; aza afenina ahy ny salovan-tavanao».


Fangatahana

Andriamanitra ô, nasainao nihaino ny Zanakao malalanao izahay; koa enga anie ho sitrakao ny hamelona ny fanahinay amin’ny teninao, ka hadio ny fonay mandinika azy ary ho sambatra izahay mibanjina ny voninahitrao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka… Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky Jenezy

Jen. 15, 5-12. 17-18

Nanao fanekem-pihavanana tamin’i Abrama Andriamanitra.

Tamin’izany andro izany, i Abrama dia nentin’Andriamanitra nivoaka ka nilazany hoe: “Atopazy hijery ny lanitra ny masonao ka isao ny kintana raha mahisa azy ianao”. Ary hoy Izy taminy: “Ho tahaka izay ny taranakao”. Ary nino ny Tompo i Abrama; ka neken’ny Tompo ho fahamarinany izany. Ary hoy Izy taminy: “Izaho no Tompo nitondra anao nivoaka avy any Ora amin’ny Kaldeanina, mba hanomezako anao ity tany ity hanananao azy”. Hoy ny navalin’i Abrama: “Tompo Andriamanitra ô, inona no hahafantarako fa hanana izany aho?” Dia hoy ny Tompo taminy: “Mandehana maka ombivavy kely efa telo taona iray, osivavy efa telo taona iray, ondrilahy efa telo taona iray, domohina iray, ary vanto-boromailala iray”. Dia nentin’i Abrama nankeo aminy ireo biby rehetra ireo, ka nosasahiny roa mitovy avy izy ireo dia nampifanandrifiny avy ny vakiny; fa ny vorona tsy mba nosasahiny. Niantoraka hifaoka ny fatin’ireo ny vorona mpihaza, fa noroahin’i Abrama. Raha ilay nilentika iny ny masoandro dia rendriky ny torimaso mafy i Abrama, ary indro notsindrian’ny tahotra mafy sy ny haizim-pito izy. Nony maty ny masoandro, ka efa maizina ny andro, dia indro nisy memy mivoa-tsetroka sy fanilo mirehitra namakivaky iretsy biby voasasaka. Tamin’izany andro izany nanao fanekena tamin’i Abrama ny Tompo nanao hoe: “Omeko ny taranakao ity tany ity hatrany amin’ny onin’i Ejipta ka hatrany amin’ny ony lehibe, dia i Eofrata izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 26, 1. 7-8a. 8b-9abd. 13-14


Fiv.: Ny Tompo no faniloko sy vonjiko.

Ny Tompo no faniloko sy vonjiko: iza no hatahorako? Ny Tompo no mandan’ny aiko zovy no hangovitako?
Henoy, ry Tompo, ny feoko miantso; iantrao aho ka valio. Tadiavo ny Tavako, hoy Ianao: ny Tavanao, ry Tompo, no tadiaviko.
Aza afenina ahy ny Tavanao; aza roahina ity mpanomponao! Aza manary, aza mahafoy, ry Andriamanitra Vonjiko ô!
Matoky aho fa ny hasoan’ny Tompo no ho hitako any amin’ny tanin’ny velona. Mahandrasa ny Tompo, marisiha; mahereza fo, mahandrasa ny Tompo!


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasin’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Filipy

Fil. 3, 17 — 4, 1 (lava) 3, 20— 4, 1 (fohy)


Hanova endrika antsika hitovy amin’ny vatany be voninahitra i Kristy.

Raha ny fohy no atao dia ajanona ny ao anatin’ny […]

Ry kristianina havana: [makà tahaka ahy ianareo; ary diniho ireo mandeha araka ny ohatra hitany taminay. Voalazako taminareo matetika, sady mbola lazaiko amin-dranomaso koa ankehitriny, fa maro no mandeha miseho ho fahavalon’ny Hazofijalian’i Jesoa Kristy mihitsy. Fahaverezana no hiafaran’ireny, fa ny kibony no andriamaniny, ny tokony hampahamenatra azy no ireharehany, ny zavatry ny tany no hany ankamamîny.] Fa isika kosa dia any an-danitra no fanjakantsika, ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia i Jesoa Kristy Tompo, izay hanova ity vatantsika tsinontsinona ity, ka hampitovy endrika azy amin’ny Vatany be voninahitra, araka ny herin’ny fahefana nampanekeny azy ny zavatra rehetra. Koa amin’izany, ry kristianina havana mamiko indrindra, fifaliako aman-tsatro-boninahitro, mahareta tsara ao amin’ny Tompo, araka izany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy.

Tao anatin’ny rahona mamirapiratra, re ny feon’ny Ray nanao hoe: «Ity no zanako malalako, henoy Izy».

Voninahitra sy dera anie ho Anao, ry Kristy.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 9, 28b-36

Niova toetra ny Tarehiny raha mbola nivavaka Izy.

Tamin’izany andro izany i Jesoa dia nitondra an’i Piera sy i Jakôba ary i Joany ka niakatra tany an-tendrombohitra mba hivavaka. Raha mbola nivavaka Izy, dia niova toetra ny Tarehiny sady tonga fotsy manjopiaka ny fitafiany. Ary indro nisy roa lahy niresaka taminy, dia i Môizy sy i Elia, izay niseho tamim-boninahitra sy nilaza ny hahalasanany izay tsy maintsy ho tanteraka any Jerosalema. Navesatry ny tory ny mason’i Piera sy ny namany, nefa nahari-tory ihany izy, dia nahita ny voninahitr’i Jesoa mbamin’izy roa lahy teo aminy. Ary tamin’izy roa lahy nihataka, dia hoy i Piera tamin’i Jesoa: “Ry Mpampianatra ô, mahafinaritra ny mitoetra aty, ka andeha hanangana lay telo eto, ny iray ho Anao, ny iray ho an’i Môizy, ary ny iray ho an’i Elia”; tsy fantany anefa izay nolazainy. Raha mbola niteny izany izy, dia nisy rahona nanarona azy ireo, ka natahotra izy telo lahy tamin’ny nidirany tao anatin’ny rahona. Ary nisy feo avy tao amin’ny rahona nanao hoe: “Ity no Zanako malalako, henoy Izy”. Ilay niteny iny ny feo, dia i Jesoa irery ihany no hita. Ary nangina ireo mpianany ka tsy nilazalaza na tamin’iza na tamin’iza tamin’izany andro izany izay zavatra hitany teo.

— Izany ary ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, amin’izao Karemy izao, dia ampahatsiahivin’ny Eglizy ny niovan’i Jesoa Tarehy hahitantsika taratra dieny mialoha ny voninahitra rehefa tafatsangan-ko velona; ka enga anie hafana ny fontsika hanao izao ranombavaka izao.

Valy: Tsy hitsahatra hidera Anao ny foko.

* Hita namirapiratra i Jesoa tany an-tendrombohitra niovany Tarehy, koa mivavaha mba ho hitan’izao tontolo izao mazava tarafin’ny hazavan’i Kristy koa ny Eglizy ankehitriny.
* Mivavaha ho an’ireo rehetra mifehy olona, mba hampian’Andriamanitra izy hanompo ny olona hoatra an’i Kristy fa tsy hiandry ny hotompoina hatrany.
* Be ireo trotraky ny asa eny an-tsaha na any amin’ny tranobe fanaovan-taozavatra, koa mivavaha mba hahaòva an’izao tontolo izao ho tsara kokoa, ny fisasarany rehetra.
* Ny Jody sy ny Silamo dia samy milaza hoatra antsika fa zanak’i Abrahama, koa mivavaha mba ho fantany fa ilay Andriamanitra tompoiny dia Rain’i Jesoa Kristy ary Rain’ny olombelona rehetra.
* Saika variana sy naniry honina tany an-tendrombohitra nahitany ny voninahitr’i Jesoa ireo Apôstôly telo lahy, koa mivavaha mba tsy ho sondriana koa isika, fa mba hanaiky hirahin’Andriamanitra eo amin’ireo olombelona miandry antsika.


— Azo ampiana izay ilaina eran-tany na eo an-toerana.


Jesoa ô, Ianao tsy nanaiky hijanona tany an-tendrombohitra araka ny nangatahin’i Md. Piera; koa ampianaro izahay hazoto mankeo amin’ireo mitady Anao, sy hahatontosa izay anirahanao anay.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Ireto fanatitra ireto anie, ry Tompo, handio anay ho afa-pahotana, ary enga anie ireo hahamasina ny fanahy amam-batanay mpanomponao mba hahafahanay mankalaza tsara ny Paka.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.


Prefasy:

Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza, ry Tompo, Ray Masina, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay, amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.

Ilay nanambara tamin’ny mpianany mialoha fa ho faty Izy, ka naneho ny famirapiratany tany an-tendrombohitra masina, mba hampiharihary fa rehefa avy mijaly Izy araka ny voalazan’ny Lalàna sy ny Mpaminany, dia ho feno voninahitra hitsangan-ko velona.

Izany no ankalazanay Anao lalandava ety an-tany miaraka amin’ny herin’ny lanitra mihoby Anao Avo indrindra tsy an-kijanona manao hoe: Masina, Masina, Masina ...


Kômonio

Mt. 17, 5.

Hoy ny Tompo hoe: “Zanako malalako ity, ilay sitrako tokoa; henoy Izy”.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, miezaka hisaotra Anao izahay mandray ny Kômonio isantaranay ny voninahitrao, satria na mbola ety an-tany aza izahay, dia efa miombona anjara amin’ny soa any an-danitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0086