Sorona Masina ny Alarobia 27 febroary 2019

Herinandro faha-7 mandavantaona

ALAROBIA


Tononkira fidirana

Sal. 12, 6


Tompo ô, matoky ny hatsaram-ponao aho. Mifaly ny foko satria namonjy ahy Ianao. Miantsa ny Tompo aho noho ny soa nataony tamiko.


Fangatahana

Mitalaho an-tanan-droa aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary: mba ataovy mihevitra mandrakariva ny rariny sy ny hitsiny ary mikatsaka izay mahafaly Anao na amin’ny teninay na amin’ny asanay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Taratasy nosoratan’i Md. Jakôba Apôstôly

Jak. 4, 13b-17


Fa inona moa ny ainareo? Koa izao no tokony hatao: raha izao no sitra-pon’Andramanitra.

Ry kristianina havana, ny aminareo izay manao hoe: Hankany Ananona izahay, anio na rahampitso, dia hitoetra any herintaona, ka hivarotra sy hahazo tombom-barotra: kanefa tsy mahalala izay ho ampitso akory ianareo; fa inona moa ny ainareo? Zavona kely miseho vetivety, dia levona indray. Koa izao no tokony hatao: Raha sitra-pon’Andriamanitra, ka velona ny aina, dia hanao izao, na izany izahay. Fa izao dia mirehareha amin’ny fahasahianareo ianareo; ka ratsy ny fireharehana rehetra toy izany. Ary izay efa mahalala ny mety hatao nefa tsy manao, dia meloka.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 48, 2-3. 6-11


Fiv.: Sambatra ny mahantra am-panahy fa azy ny fanjakan’ny lanitra.

Mandrenesa, ry vahoaka rehetra; mihainoa, ry mponina eran-tany: na ny kely na ny lehibe, na ny manana na ny malahelo.
Inona moa no atahorako amin’ny andro fahoriana, raha temerin’ny mpisompatra mandoza, izay mitoky amin’ny hareny, sy mibohy amin’ny fananany be?
Fa samy mahita an’io avokoa: fa ny hendry dia maty; ny adala sy ny kentrina koa, levona, sy mamela ny hareny ho an’ny hafa.


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Bokin’i Siraka

Eklesiastika 4, 11-19


Tiavin’ny Tompo ireo tia ny fahendrena.

Manandratra ny zanany ny fahendrena, ary miahy an’izay mikatsaka azy izy. Izay tia azy, tia fiainana; ary izay maimay hikatsaka azy, dia feno hafaliana. Izay misambotra azy dia ny voninahitra no anjarany, ary amin’izay rehetra hidirany dia hitsofan’ny Tompo rano azy avokoa. Izay manompo azy manompo ny Masina, ary izay tia azy, tia ny Tompo. Izay mihaino azy, hitsara ny firenena; ary izay manatona azy honina fahizay. Izay matoky azy, hanana azy ho anjarany, ary ny taranany, hitana ny fananana azy. Satria amin’ny voalohany izy, miara-mandroso amin’ny lalan-tsarotra miaraka aminy; mampiavy tahotra aman-korohoro aminy izy; mampijaly azy amin’ny fifehezana mafy, mandra-pitsapany azy, amin’ny didiny. Fa nony efa izany, dia miverina aminy amin’ny lala-mahitsy indray izy, ka mampifaly azy sy mamboraka ny zava-miafiny aminy. Raha mania anefa izy, dia ilaozany, sy avelany hahita loza.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 118, 165 sy 168. 171 sy 172. 174 sy 175


Fiv.: Fiadanam-be ny an’izay tia ny lalanao, ry Tompo.

Fiadanam-be ho an’izay tia ny lalànao ary tsy mba misy mahatafintohina azy! Voatandriko ny lahatrao sy ny Fanambarànao: eo anoloanao avokoa ny lalako rehetra.
Hidera Anao anie ny molotro: satria ampianarinao ahy ny fitsipikao! Hiventy ny didinao anie ny lelako: satria rariny avokoa ny baikonao rehetra!
Liana ny famonjenao aho, ry Tompo; ny lalànao no firavoako! Veloma anie ny aiko hiderako Anao! Ary hitahy ahy anie ny Fitsaranao!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mitoetra be dia be ao anatinareo ny tenin’i Kristy; isaory Andriamanitra Ray amin’ny alalan’i Kristy.

Aleloia.


Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 9, 37-39


Izay tsy manohitra antsika, dia momba antsika.

Tamin’izany andro izany, niteny tamin’i Jesoa i Joany nanao hoe: “Mpampianatra ô, nahita olona anankiray nandroaka demony amin’ny Anaranao izahay; nefa tsy namantsika ka noraranay.” Fa hoy i Jesoa: “Aza raranareo izy; fa tsy misy olona hanao fahagagana amin’ny Anarako ka hanaratsy Ahy vetivety foana. Fa izay tsy manohitra antsika dia momba antsika.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Manolotra Sorona fankatoavana Anao izahay, ry Tompo, no mitalaho an-tanan-droa aminao: ka enga anie ny fanatitra entinay manome voninahitra Anao avo indrindra mba hahazoanay ny famonjena.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 9, 2-3

Hitanisa ny asanao mahagaga rehetra aho, hifaly sy hiravo ao aminao;ary hiantsa ny Anaranao, ry Andriamanitra avo indrindra.


na hoe :

Jo. 11, 27

Mino aho, ry Tompo, fa Ianao no Kristy Zanak’Andriamanitra velona, Ilay tonga eto amin’izao tontolo izao.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary, mba ataovy azonay ny famonjena efa santarinay amin’izao mistery izao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0081