Sorona Masina ny Alahady 24 febroary 2019

ALAHADY FAHA-7 mandavantaona — D

«SOAVY IREO TSY TIA ANTSIKA»

Tononkira fidirana

Sal. 12, 6

Tompo ô, matoky ny hatsaram-ponao aho. Mifaly ny foko satria namonjy ahy Ianao. Miantsa ny Tompo aho noho ny soa nataony tamiko.


Asiana VONINAHITRA ANIE...


Fangatahana

Mitalaho an-tanan-droa aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary: mba ataovy mihevitra mandrakariva ny rariny sy ny hitsiny, ary mikatsaka izay mahafaly Anao na amin’ny teninay na amin’ny asanay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka. .. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Boky voalohan’i Samoela

1 Sam. 26, 2. 7-9. 12-13. 22-23.

Natolotry ny Tompo teo an-tanako ianao, nefa tsy nety naninjitra ny tanako aho.

Tamin’izany andro izany dia nitsangana i Saola, ka nidina nankany an’efitr’i Zifa, mbamin’ny telo arivo lahy, voafantina tamin’i Israely hitady an’i Davida any an’efitr’i Zifa. Alina no nahatongavan’i Davida sy i Abisaï tany amin’ny vahoaka; ary inty i Saola nandry tao afovoan’ny toby ka natory, ary ny lefony nitsatoka amin’ny tany teo anilan’ny ondany. I Abnera sy ny vahoaka mandry manodidina azy. Dia hoy i Abisaï tamin’i Davida: “Voahidin’ny Tompo eo an-tananao ity ny fahavalonao anio, ka ankehitriny mba avelao kely re hasiako amin’ny lefona izy dia hataoko miboroaka amin’ny tany amin’ny indray mamely monja, fa tsy hiverenako fanindroany. Fa hoy i Davida tamin’i Abisaï: “Aza mamono azy! Fa iza moa no haninji-tanana amin’ny voahosotry ny Tompo, ka ho afa-maina tsy ho voasazy?” Dia nalain’i Davida ny lefona sy ny siny fitoeran-drano teo anilan’ny ondan’i Saola, dia nandeha izy ireo. Tsy nisy olona nahita azy, tsy nisy nahalala, tsy nisy nahatsiaro, fa natory daholo izy rehetra, fa nandatsahan’ny Tompo torimaso nandrenoka azy izy ireo. Niampita tany an-dafy i Davida, ka nijanona lavitra teo antampon’ny tendrombohitra nisy elanelany lavitra nampisaraka azy roa tonta. Niteny i Davida nanao hoe: “Indro ny lefona, ry mpanjaka. Ny iray amin’ny zatovonao no aoka haka azy ety. Samy hovalian’ny Tompo araka ny fahitsiana amam-pahamarinany avy; fa efa natolotry ny Tompo teo an-tanako ianao androany nefa tsy nety naninjitra ny tanako tamin’ny voahosotry ny Tompo Aho.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 102. 1-2. 3-4. 8 sy 10. 12-13.


Fiv.: Mpamindra fo sy mpiantra ny Tompo.

Isaory ny Tompo, ry fanahiko; ny Anarany masina, ry ato anatiko rehetra! Isaory ny Tompo, ry fanahiko; ny soa avy aminy aza misy hadinoina.
Izy ilay mamela ny helokao rehetra, sy manasitrana ny aretinao rehetra, manavotra ny sainao amin’ny hady, manototra fitiavana sy indrafo anao.
Mpamindra fo sy mpiantra ny Tompo, tsy malaky tezitra ary be fitiavana; tsy mba lalandava no ifandaharany, na mandrakizay no ahatezerany.
Tsy araka ny otantsika no ataony antsika, na araka ny helotsika no avaliny antsika. Ny hadisoantsika halaviriny amintsika. Tahaka ny ray mangoraka ny zanany, no angorahan’ny Tompo an’izay matahotra Azy.


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty

1 Kôr. 15, 45-49


Toy ny nitondrantsika ny endriky ny tany no hitondrantsika ny endriky ny lanitra koa.

Ry kristianina havana: i Adama, lehilahy voalohany, natao aina mahavelona; fa i Adama faharoa kosa natao fanahy mahavelona. Tsy ny ara-panahy anefa no natao voalohany, fa ny manana aina fotsiny, vao ny ara-panahy. Avy amin’ny tany ny olona voalohany, ka tany; fa avy amin’ny lanitra kosa ny olona faharoa, ka lanitra. Manahaka ny tany izay rehetra tany; ary manahaka ny lanitra izay rehetra lanitra. Ary toy ny nitondrantsika ny endriky ny tany no hitondrantsika ny endriky ny lanitra koa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Misaotra Anao aho, Raiko, Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 6, 27-38

Aoka ho mpamindra fo tahaka ny Rainareo mpamindra fo ianareo.

Tamin’izany andro izany, dia niteny tamin’ny mpianany i Jesoa nanao hoe: «Izao no lazaiko aminareo izay mihaino Ahy: Tiavo ny fahavalonareo, manaova soa amin’izay mankahala anareo, misaora an’izay manozona anareo ary mivavaha ho an’izay manisy ratsy anareo. Raha misy mamely ny takolakao anankiray, dia atolory azy koa ny ilany; ary raha misy maka ny lambanao, aza sakanana na halainy mbamin’ny akanjonao aza. Omeo izay rehetra mangataka aminao, ary raha misy mifaoka ny anananao, dia aza mitaky izany aminy intsony. Izay tianareo hataon’ny olona aminareo, no mba ataovy amin’ny olona koa. Raha izay tia anareo ihany no tianareo, fankasitrahana inona no tokony ho anareo? Fa na dia ny mpanota aza tia izay tia azy koa. Raha izay manisy soa anareo ihany no asianareo soa, fankasitrahana inona moa no tokony ho anareo? Ary raha izay antenainareo hanonitra ihany no ampisamborinareo, fankasitrahana inona moa no tokony ho anareo? Fa na dia ny mpanota koa aza, mampisambotra ny mpanota ihany, mba handraisany toraka izany. Fa ianareo kosa, tiavo ny fahavalonareo, manaova soa ary mampisambora tsy manantena valiny: dia ho lehibe ny valisoanareo, ary ianareo ho zanaky ny Avo indrindra, dia Ilay tsara fo amin’ny tsy mpankasitraka sy ny ratsy fanahy. Aoka ho mpamindra fo tahaka ny Rainareo mpamindra fo ianareo. Ary aza mitsara, dia tsy hotsaraina ianareo; aza manameloka, dia tsy hohelohina ianareo; mamelà, dia havela ianareo. Manomeza, dia homena ianareo; fatra tsara, mifatratra, sady mihintsana no avo loha no homena ho ao ampofoanareo: fa izay famarana namaranareo ihany no hamarana ho anareo koa».

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, mpanota navela avokoa isika rehetra; koa enga anie ny ranombavaka ataontsika izao tsy hijerena ny hevitra tsy mitovy, fa hoentintsika mangataka izay ilain’ny eran’ny tany tontolo.

Valy: Arotsahy aminay ny fahazavanao sy ny fahamarinanao

* Anisan’ny anirahana ny Eglizy ny mizara ny famelan-keloka avy amin’Andriamanitra amin’ny olombelona, koa mivavaha mba ho feno fitiavana toa an’i Kristy ny fon’ny Pretra.
* Misy manampò fa azo entina mitaky ny rariny ny hery setra, koa mivavaha mba ho hitan’ny olona rehetra hanovozana halemem-panahy mandaitra sy misy vokany, ny Evanjely.
* Mivavaha ho an’ireo mpino rehetra na ireo kristianina havantsika tafasaraka, na ny Jody na ny Silamo, na ny manaraka ny fivavahan-drazana, na ireo tsy mahalala ny Andriamanitra hivavahany.
* Mivavaha ho an’izay rehetra voaheloka, mba hahay hamela heloka an’ireo mpitsara azy, ary mba tsy ho voatosi-bohon-tanana eo amin’ny mpiara-belona.
* Maro ny fianakaviana misara-bazana, na tsy mifankahazo, na olona tafasara-panambadiana, na zanaka sy ray aman-dreny mifampiolonolona, na mpisakaiza tonga mifankahala; koa mivavaha mba hampiraisin’Andriamanitra indray izay efa nifankatia.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana na eran-tany.


Tompo ô, hanomboka ny Fankalazana ny Eokaristia izahay, koa ataovy miray fitiavana, ary ampianaro ho tia ny fahavalonay na izay efa nanao ratsy taminay, fa ho an’ny mpanota no nahafoizanao ny ainao.

Ary Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Manolotra Sorona fankatoavana Anao izahay, ry Tompo, no mitalaho an-tanan-droa aminao: ka enga anie ny fanatitra entinay manome voninahitra Anao avo indrindra mba hahazoanay ny famonjena.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Alahady tsotra VII, ohatra.


Kômonio

Sal. 9, 2-3

Hitanisa ny asanao mahagaga rehetra aho, hifaly sy hiravo ao aminao; ary hiantsa ny Anaranao, ry Andriamanitra avo indrindra.


na hoe:

Jo. 11, 27

Mino aho, ry Tompo, fa Ianao no Kristy Zanak’Andriamanitra velona, Ilay tonga eto amin’izao tontolo izao.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary, mba ataovy azonay ny famonjena efa santarinay amin’izao mistery izao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0678