Sorona Masina ny Alatsinainy 18 febroary 2019

Herinandro faha-6 mandavantaona

ALATSINAINY

 

Tononkira fidirana

Sal. 30, 3-4

 

Aoka Ianao ho Andriamanitra mpiaro ahy sy ho tany fialofana hamonjenao ahy; fa Ianao no vatolampy sy tany mimandako; ary ho voninahitry ny Anaranao, dia tariho lalana aho sy fahano.

 

Fangatahana

Tompo ô, nambaranao mazava fa mitoetra ao amin’ny olo-marina sy mahitsy fo Ianao; koa ataovy marina sy mahitsy fo izahay ho mendrika honenanao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Taratasy nosoratan’i Md. Jakôba Apôstôly

Jak. 1, 1-11

 

Aoka ny fandeferana homban’ny asa lavorary, mba ho lavorary sy tonga ohatra ianareo.

Fiandohan’ny Taratasy nosoratan’i Md. Jakôba, mpanompon’Andriamanitra sy i Jesoa Kristy, miarahaba ny foko roa ambin’ny folo, izay miely any rehetra any. Raiso ho fifaliana avokoa, ry Rahalahy, ny fizahan-toetra samihafa rehetra midona aminareo, satria fantatrareo fa ny finoanareo dia mahatonga fandeferana. Ary aoka ny fandeferana homban’asa lavorary, mba ho lavorary sy tonga ohatra ianareo, ka tsy hisy zavatra tsy hanananareo. Raha misy tsy manam-pahendrena aminareo, dia aoka izy hangataka izany amin’Andriamanitra, fa homeny azy tokoa izany; satria sady manome malalaka ho an’ny olona rehetra Izy no tsy mba mandatsa. Aoka anefa hangataka amim-pinoana izy, fa tsy hisalasala; fa izay misalasala dia toy ny onjan-dranomasina atopatopa amana hetsiketsehin’ny rivotra. Ka ny olona toy izany dia aza manampo hahazo zavatra amin’ny Tompo, fa olona miroa saina sy mivadibadika amin’izay alehany rehetra. Aoka ny rahalahy ambany toetra hanao ny fisandratany ho reharehany; ary ny manan-karena kosa, ny fietreny ho voninahiny, fa hihelina toy ny vonin’ny ahitra izy. Nony miposaka ny masoandro mahamay, dia mandazo ny ahitra, ka mihintsana ny voniny, ary levona ny hatsaran-tarehiny rehetra: toy izany koa ny mpanan-karena, halazo amin’izay alehany izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra.

 

Setriny

Salamo 118, 67-68. 71-72. 75-76

 

Fiv.: Ny indrafonao anie haninteraka hamelona ahy.

Talohan’ny nijaliako dia nivilivily aho fa izao dia mitandrina ny Didinao! Soa Ianao, ry Tompo, sady mpanisy soa: ampianaro ahy ny Fitsipikao.
Soa ho ahy ny nomenao fijaliana, mba hianarako ny Fitsipikao! Soa ho ahy ny Lalàna avy amin’ny Vavanao: mihoatra ny volamena sy volafotsy arivoarivo.
Fantatro, ry Tompo, fa rariny ny Fitsaranao: ara-pahamarinana no ampahorianao ahy! Hampionona ahy anie ny Hatsaram-ponao: araka ny teninao tamin’ny mpanomponao.

 

Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Boky Jenezy

Jen. 4, 1-15. 25

 

Namely an’i Abela rahalahiny i Kaina ka nahafaty azy.

Ary i Adama nahalala an’i Eva vadiny, ka nanana anaka izy, dia niteraka an’i Kaina, sy nanao hoe: “Efa nampisy olona anankiray aho tamin’ny fanampian’ny Tompo.” Dia niteraka an’i Abela rahalahiny koa izy. I Abela dia mpiandry ondry ary i Kaina dia mpiasa tany. Nony afaka elaela dia nanatitra vokatry ny tany i Kaina ho fanatitra ho an’ny Tompo. Ary i Abela koa mba nanatitra ny voalohan-terak’ondriny, mbamin’ny taviny. Ary ny Tompo nitsinjo an’i Abela sy ny fanatiny, fa tsy nijery an’i Kaina sy ny fanatiny. Dia tezitra mafy tamin’izany i Kaina, ary kivy endrika izy. Ary hoy ny Tompo tamin’i Kaina: “Nahoana no tezitra ianao, ary nahoana no kivy endrika? Raha tsara ny ataonao, tsy hankasitrahana va ianao? Fa raha tsy tsara kosa ny nataonao, moa tsy mamitsaka eo am-baravaranao va ny ota? Mankaminao ny faniriany, fa tsy maintsy maharesy azy kosa ianao.” Hoy i Kaina tamin’i Abela rahalahiny: “Andeha isika ho any an-tsaha.” Ary nony mby tany an-tsaha izy ireo, namely an’i Abela rahalahiny i Kaina ka nahafaty azy. Dia hoy ny Tompo tamin’i Kaina: “Aiza i Abela rahalahinao?” Fa hoy ny navaliny: “Tsy fantatro. Moa mpiambina ny rahalahiko va aho?” Hoy ny Tompo: “Inona no nataonao? fa mitaraina hatratý amiko ny feon’ny ran-drahalahinao avy amin’ny tany. Amin’izao dia voaozon’ny tany ianao, fa nivava izy hitelina ny ran-drahalahinao nalatsaky ny tanananao. Rahefa hiasa ny tany ianao dia tsy hanome vokatra intsony izy, ary ianao ho mpanjenjena sy mpirenireny eny ambonin’ny tany.” Dia hoy i Kaina tamin’ny Tompo: “Lehibe loatra ny saziko ka tsy zakako efaina. Indro roahinao hiala amin’itý tany itý aho ankehitriny ary ho takona ny tavanao aho, lavitra Anao; ary hanjenjena sy hirenireny, eny ambonin’ny tany aho, ary na iza na iza hahita ahy hamono ahy.” Hoy ny Tompo taminy: “Izao àry: Raha misy hamono an’i Kaina dia valiana faty impito heny i Kaina.” Ary nasian’ny Tompo famantarana tamin’i Kaina mba tsy hisy hamono azy izay mifanena aminy. Ary i Adama nahalala ny vadiny indray ka niteraka lahy iray izy, nataony hoe Seta, fa hoy izy: “Nomen’Andriamanitra ny fara aho ho solon’i Abela izay novonoin’i Kaina.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 49, 1 sy 8. 16bd-17. 20-21

 

Fiv.: Ny saotra atao fanatitra ho an’Andriamanitra

Ny Tompo Andriamanitra lehibe manaika ny tany tontolo dia izay iposahan’ny andro ka hatrany amin’izay ilentehany: «Tsy ny fanatitrao no anadidiako anao, na ny sorona doranao izay anoloako lalandava!»
Ahoana ianao no mitanisa ny didiko sy manao ny fanekeko eo am-bava; ianao mpankahala anatra, sy mpanipy ny teniko any ivoho.
Mivalaketraka ianao maneba-drahalahy, sy manoso-potaka ny zana-dreninao! Izany ve no ataonao: ka dia hangina Aho! Sa Izaho heverinao ho toa anao? Aoka horeseko lahatra ianao sy hamborahako azy eto imasonao!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalànao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 8, 11-13

 

Ahoana no itadiavan’itý taranaka itý famantarana?

Tamin’izany andro izany, nanatona an’i Jesoa ny Farisianina, ka niady hevitra taminy sy nangataka famantarana avy any an-danitra taminy, mba hakany fanahy Azy. Dia nisento mafy Izy ka nanao hoe: “Ahoana no itadiavan’itý taranaka itý famantarana? Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy homena famantarana itý taranaka itý.” Dia nilaozany izy ireo ka niondrana an-tsambo kely indray Izy nankeny ampita.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Hanadio anay sy hanavao anay anie, ry Tompo, izao fanatitra izao, ka hampahazo ny valisoa mandrakizay an’izay miezaka manatanteraka ny sitraponao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Kômonio

Sal. 77, 29-30

Nihinana ireo zanak’i Israely ka voky, nomen’ny Tompo azy izay niriny, ka afa-diana ny fony.

 

na hoe:

Jo. 3, 16

Toy izao no nitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao: nomeny ny Zanany Lahitokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana ny fiainana mandrakizay.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Ampoky ny sakafo mahafa-po avy any an-danitra izahay, ry Tompo, no mihanta aminao; mba ataovy maniry mandrakariva izay hahazoanay ny tena fiainana marina.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0082