Sorona Masina ny Alahady 17 febroary 2019

ALAHADY FAHA-6 mandavantaona — D

ANDRIAMANITRA NO TENA MAHASAMBATRA FA TSY NY HAREN’NY TANY

Tononkira fidirana

Sal. 30, 3-4

Aoka Ianao ho Andriamanitra mpiaro ahy sy ho tany fialofana hamonjenao ahy; fa Ianao no vatolampy sy tany mimandako; ary ho voninahitry ny Anaranao, dia tariho lalana aho sy fahano.

 

Asiana VONINAHITRA ANIE...

 

Fangatahana

Tompo ô, nambaranao mazava fa mitoetra ao amin’ny olo-marina sy mahitsy fo Ianao; koa ataovy marina sy mahitsy fo izahay ho mendrika honenanao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Adriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’i Jeremia Mpaminany

Jer. 17, 5-8

Ho voaozona ny olona izay mitoky amin’olombelona, hosoavina ny olona mitoky amin’ny Tompo.

Izao no lazain’ny Tompo: Ho voaozona ny olona izay mitoky amin’olombelona, sy manao ny nofo ho sandriny, ary miala amin’ny Tompo ny fony! Manahaka ny anjavidy eny an-tany lava volo izy, ary rehefa misy hasambarana tonga, tsy ifaliany; honina amin’ny tany karankaina any an’efitra, any amin’ny tany sira, tsy misy mponina! Hohasoavina ny olona mitoky amin’ny Tompo, sy manantena ny Tompo ho tokiny! Manahaka ny hazo nambolena eo amoron-drano Izy, mandatsaka ny vahany mankany amin’ny rano mandeha; tsy matahotra rehefa tonga ny hainandro, sady maitso ravina mandrakariva; tsy manahy izay taona fahamainana izy, ary tsy mitsahatra ny mamoa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Salamo fandinihana

Sal. 1, 1ab-2. 3. 4 sy 6.

 

Fiv.: Tsy ho very mandeha izay rehetra mifefy aminao.

Endrey, sambatra loatra izay tsy momba ny ratsy fanahy, fa ny lalàn’ny Tompo no maminy, io no saininy andro aman’alina!
Hazo amoron-drano velona izy: ka miroborobo faniry, mamoa ara-potoana, tsy mba malazo ravina: izay rehetra ataony dia mahomby avokoa.
Ny ratsy fanahy kosa tsy izany velively; akofa paohin-drivotra tsy maharitra eto an-tany. Eny, fantatry ny Tompo ny lalan’ny olo-marina; fa ny an’ny olon-dratsy mitondra any an-tevana.

 

VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty

1 Kôr. 15, 12. 16-20

 

Raha tsy nitsangan-ko velona i Kristy, dia foana ny finoanareo.

Ry kristianina havana, raha torîna ho nitsangan-ko velona àry i Kristy, ahoana no ilazan’ny sasany aminareo hoe: tsy misy fitsanganan’ny maty? Fa na dia i Kristy aza dia tsy nitsangan-ko velona, raha tsy mitsangana ny maty. Ary raha tsy mitsangana ny maty, dia foana ny finoanareo; mbola ao aminareo ihany ny fahotanareo, ary very ry zareo nody mandry ao amin’i Kristy. Ka dia isika no fara fahoriana indrindra amin’ny olon-drehetra, raha amin’ity fiainana ity ihany no anantenantsika an’i Kristy. Tsy izany anefa, fa efa nitsangan-ko velona tokoa i Kristy, ary Izy no santatr’izay efa nody mandry.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mitenena, ry Tompo, fa mihaino ny mpanomponao; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 6, 17. 20-26

Sambatra ianareo mahantra. Mila loza kosa ianareo mpanan-karena.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niara-nidina tamin’izy roa ambin’ny folo lahy ka nankeo amin’ny tany lemaka izay nijanonan’ny mpianany maro sy ny vahoaka betsaka avy tany Jodea rehetra sy Jerosalema, ary ny tanin’i Tira sy i Sidôna amorontsiraka. Tamin’izay, dia niatrana nijery an’ireo mpianany Izy, ka nanao hoe: “Sambatra ianareo mahantra, fa anareo ny Fanjakan’Andriamanitra. Sambatra ianareo noana ankehitriny, fa ho voky ianareo! Sambatra ianareo mitomany ankehitriny, fa hifaly ianareo. Ho sambatra ianareo raha hankahalain’ny olona, horoahiny amin’ny fikambanany, hotevatevainy ary holaviny toy ny zava-dratsy ny anaranareo noho ny amin’ny Zanak’Olona. Mifalia ianareo amin’izany andro izany ary miravoravoa, fa indro lehibe ny valisoanareo any an-danitra; fa tahaka izany koa no nataon’ny razany tamin’ny Mpaminany. Fa mila loza kosa ianareo mpanan-karena, fa manana ny fahafaham-ponareo ianareo. Mila loza ianareo izay voky ankehitriny, fa hitomany sy higogogogo ianareo. Mila loza ianareo raha ataon’ny olona tsara laza, fa tahaka izany no nataon’ny razany, tamin’ny mpaminany sandoka.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Asiana IZAHO MINO...

 

Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, henontsika teo ny drafitra lehibe irîn’i Kristy harahintsika. Nefa Izy Tompo ihany no afaka hanampy antsika hanova ny endriky ny tany, ka akambano ny fontsika hitalaho aminy mba hotanterahiny ankehitriny izany fihavaozana sy fivoarana lehibe izany.

Valy: Ao aminao e ny loharanon’aina, ny hazavanao no ahitanay hazavana.

* Mivavaha ho an’ny Pretra eran-tany, mba ho hainy ambara amin’ny olombelona araka ny tian’i Kristy ny hasambarana atoron’ny Evanjely.
* Be mpanadino ny mahantra eo amin’ny fitondrana an’izao tontolo izao; koa mangataha mba hataon’ny mpanao pôlitika vain-dohan-draharaha ireo rehetra niangaran’ny vintana.
* Sambatra ny malemy fanahy, sambatra ny mpampihavana, hoy i Jesoa; koa mivavaha mba hanjaka eran-tany ny fandriam-pahalemana sy ny fiadanana avy amin’i Kristy.
* Indraindray ny fahamarinan’ny olombelona, tsy araka ny fahamarinan’Andriamanitra, ka misy olo-marina voaheloka ary misy mpanao ny tsy rariny manjakazaka amin’ny hafa; koa mivavaha ho an’ireo voan’ny tsindry hazo lena, mivavaha ho an’ireo mampahory.
* Mivavaha ho an’ireo iray fianakaviana amintsika efa nialoha lalana any an-koatra: mba hampidirin’Andriamanitra ao an-tranony izy, ho sambatra amin’ny fitiavany mandrakizay.

 

— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana na eran-tany.

 

Ry Jesoa Tomponay ô, sitrakao hambara aminay ny tena hasambarana marina; enga anie hampieritreritra an’izao tontolo izao ny teninao ka hanorenanay rafi-piaraha-monina mampihena ny elanelan’ny manana sy ny mahantra, hisantaranay ny hasambarana any an-danitra.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.

 

Vavaka Fanolorana

 

Hanadio anay sy hanavao anay anie, ry Tompo izao fanatitra izao, ka hampahazo ny valisoa mandrakizay an’izay miezaka hanatanteraka ny sitraponao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy: Alahady tsotra VII, ohatra.

 

Kômonio

Sal. 77, 29-30

Nihinana ireo zanak’i Israely ka voky, nomen’ny Tompo izay niriny, ka afa-diana izy.

 

na hoe:

Jo. 3, 16

Lehibe tokoa ny fitiavan’Andriamanitra an’izao tontolo izao, ka nomeny ny Zanany Lahy tokana, mba tsy ho very izay rehetra mino Azy, fa hanana ny fiainana mandrakizay.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Ampoky ny sakafo mahafa-po avy any an-danitra izahay, ry Tompo, no mihanta aminao: mba ataovy maniry mandrakariva izay hahazoanay ny tena fiainana marina.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0251