Sorona Masina ny Alarobia 13 febroary 2019

Herinandro faha-5 mandavantaona

ALAROBIA


Tononkira fidirana

Sal. 94, 6-7


Andeha isika hiankohoka sy hitsaoka an’Andriamanitra; mandohaliha eo anoloan’ny Tompo nanao antsika, fa Izy no Tompo Andriamanitsika.


Fangatahana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, ombao fitiavana lalandava izahay fianakavianao, ka ambeno sy arovy mandrakariva, fa ny hany ianteheranay dia ny fahasoavanao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka… Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Boky voalohan’ny Mpanjaka

1 Mpanj. 10, 1-10


Hitan’itý mpanjakavavin’i Sabà ny fahendren’i Salômôna rehetra.

Tamin’izany andro izany: Nandre ny lazan’ny anaran’i Salômôna amin’ny anaran’ny Tompo ny mpanjakavavin’i Sabà ka tamy hizaha toetra azy amin’ny ankamantatra. Dia tonga tany Jerosalema izy, narahin’ny kalesy marobe sy rameva nitondra zava-manitra, volamena sesehena, ary vato soa. Dia nandroso ho any amin’i Salômôna izy, dia nolazainy taminy izay rehetra tao am-pony. Voavalin’i Salômôna avokoa ny fanontaniany, fa tsy nisy niafina tamin’ny mpanjaka, ka tsy hainy novaliana. Rahefa hitan’itý mpanjakavavin’i Sabà ny fahendren’i Salômôna rehetra, ny trano nataony, ny sakafo teo ambony latabany, ny trano fitoeran’ny mpanompony, ny efitra amam-pitafian’ny mpiasa an-tranony mbamin’ny mpandroso divay ao aminy, ny ambaratonga fiakarany ho eo amin’ny tranon’ny Tompo, dia talanjona loatra izy, ka nilaza tamin’ny mpanjaka hoe: “Hay va re dia marina tokoa ny zavatra reko tany amin’ny taniko, ny amin’ny momba ny tenanao sy ny fahendrenao! Tsy nety nino ny lazan’olona aho, raha tsy efa tonga sy nahita maso, kanjo hay mbola tsy ampy antsasany akory no voalaza tamiko! Fa mihoatra lavitra noho ny reko tamin’ny filazan’ny olona ny fahendrena amam-boninahitrao. Sambatra ny olonao, sambatra ny mpanomponao, izay manoloana anao lalandava ka mandre ny fahendrenao. Hankalazaina anie ny Tompo Andriamanitrao, izay mankasitraka anao, ka nametraka anao eo amin’ny seza fiandrianan’i Israely. Fa fitiavany mandrakizay an’i Israely no nametrahan’ny Tompo anao ho mpanjaka, mba hanome rariny ny olona sy hitsara azy marina.” Dia notoloran-dravehivavy talenta volamena roapolo amby zato, zava-manitra be dia be ary vatosoa koa ny mpanjaka. Tsy nisy be noho ny nomen’ny mpanjakavavin’i Sabà an’i Salômôna mpanjaka intsony ny zava-manitra tonga.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 36, 5-6. 30-31. 39-40


Fiv.: Ny vavan’ny olo-marina mikalo fahendrena.

Ankino amin’ny Tompo ny lalanao, miantehera aminy; fa Izy no hanao: ny fanananao ny rariny ho mazava atsinanana, ny fahamarinanao ho mitataovovonana.
Ny vavan’ny olo-marina mikalo fahendrena; ny lelany mitanisa ny rariny; ny Lalàn’Andriamanitra, ao am-pony: ka ny famindrany tsy hivaona.
Ny famonjena ny olo-marina dia avy amin’ny Tompo: fa Izy no mandany amin’ny andro fahoriana. Ny Tompo miahy sy manafaka azy, manafaka azy amin’ny ratsy fanahy. Eny, Izy no mamonjy azy noho izy ireo mifefy aminy!


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Boky Jenezy

Jen. 2, 4b-9. 15-17


Nentin’ny Tompo Andriamanitra ralehilahy, ka napetrany tao amin’ny sahan’i Edena.

Tamin’ny andro nanaovan’ny Tompo Andriamanitra ny tany sy ny lanitra, teo ambonin’ny tany tsy mbola nisy hazo madinika eny an-tsaha, ary ny anana eny an-tsaha tsy mbola nisy nitsimoka, satria ny Tompo Andriamanitra tsy mbola nandatsaka ranonorana amin’ny tany; ary ny olona hamboly ny tany koa tsy mbola nisy. Nefa nisy etona niakatra avy amin’ny tany, sy nanondraka ny tany rehetra. Vovotany no nanaovan’ny Tompo Andriamanitra ny olombelona, dia nofofoniny fofon’aina mahavelona ny vavorony, ka tonga zava-manana aina ny olona. Ary ny Tompo Andriamanitra nanao saha tany Edena, tany atsinanana, ka napetrany tao ny olona izay noforoniny. Ary nampanirîn’ny Tompo Andriamanitra tamin’ny tany izao hazo rehetra mahatehijery sady fihinana isan-karazany izao sy ny hazon’aina tao afovoan’ny saha, ary ny hazon’ny fahalalana ny tsara sy ny ratsy. Dia nalain’ny Tompo Andriamanitra ralehilahy, ka napetrany tao amin’ny saha Edena, mba hiasa sy hiandry azy. Ary ny Tompo Andriamanitra nanome izao didy izao an-dralehilahy: “Azonao ihinanana avokoa ny hazo rehetra eto amin’ny saha. Nefa aza ihinananao ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy, fa ho faty mihitsy ianao amin’ny andro hihinananao.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 103, 1-2a. 27-28. 29bd-30.


Fiv.: Tsarovy ny Tompo, ry fanahiko.

Isaory ny Tompo, ry fanahiko! Lehibe aoka izany Ianao, ry Tompo Andriamanitro, izay mitafy fahamendrehana sy fiandrianana, mifono hazavana ho toa akanjo.
Izy rehetra miandry Anao hamahana azy amin’ny fotoana. Ianao manome: izy ireo mandray; sokafanao ny tanana: manarana amin-java-tsoa izy.
Afeninao ny tava: mipenimpenina izy, alanao ny fofon’ainy: mody mandry izy! Alefanao ny fofon’ainao: dia ary izy, ka mihavao ny endriky ny tany.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny fanambaràna avy amin’ny vavanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 7, 14-23


Izay mivoaka avy ao amin’ny olona no mahaloto azy.

Tamin’izany andro izany, niantso ny vahoaka nankeo aminy indray i Jesoa ka nanao taminy hoe: “Mihainoa Ahy ianareo rehetra, ka mahafantara. Tsy ny zavatra avy any ivelany miditra ao anatin’ny olona no mahaloto azy, fa izay mivoaka avy ao anatin’ny olona no mahaloto azy. Raha misy manan-tsofina hihainoana, aoka izy hihaino.” Nony niala teo amin’ny vahoaka Izy ka tonga tany an-trano, dia nanontanian’ny mpianany ny amin’ilay fanoharana, ary hoy Izy taminy: “Hay! ianareo koa mba kely fahalalàna toy izany! Tsy fantatrareo va fa izay avy eo ivelany dia tsy mahaloto azy, satria tsy miditra ao am-pony izany fa ao an-kibony ihany, ka ariana any an-katakonana? Izany no mahadio ny hanina rehetra. Fa izay mivoaka avy amin’ny olona, hoy izy, no mahaloto ny olona; satria avy ao anaty, dia avy amin’ny fon’ny olona no iavian’ny sain-dratsy dia ny fakam-badin’olona, ny fijangajangana, ny famonoana olona, ny halatra, ny fahihirana, ny hasomparana, ny hafetsen-dratsy, ny fijejojejoana, ny fialonana, ny vava ratsy, ny fiavonavonana, ny fahadalana; izany zavatra rehetra izany no avy ao anatin’ny olona ka mahaloto azy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Ry Tompo Andriamanitray ô, nataonao hanohana anay osa sy malemy ireto vokatry ny tany ireto, koa mihanta aminao izahay: enga anie ho tonga Sakramenta manambara sy mampahazo ny fiainana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 106, 8-9

Hisaorana anie ny Tompo noho ny hatsaram-pony sy ny zava-mahagaga vitany ho an’ny olombelona: fa ny fanahy mangetaheta, hetsahiny; ny fanahy mosarena, vokisany soa.


na hoe:

Mt. 5, 5-6

Sambatra ny ory, fa halàna alahelo; sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana fa ho voky.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Andriamanitra ô, sitrakao ho mofo iray ihany no hifanapahanay ary kalisy iray ihany no hiarahanay misotro; ka ataovy miray ao amin’i Kristy izahay, dia ho faly hitondra famonjena ho an’izao tontolo izao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0079