Sorona Masina ny Talata 12 febroary 2019

Herinandro faha-5 mandavantaona

TALATA


Tononkira fidirana

Sal. 94, 6-7


Andeha isika hiankohoka sy hitsaoka an’Andriamanitra; mandohaliha eo anoloan’ny Tompo nanao antsika, fa Izy no Tompo Andriamanitsika.


Fangatahana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, ombao fitiavana lalandava izahay fianakavianao, ka ambeno sy arovy mandrakariva, fa ny hany ianteheranay dia ny fahasoavanao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka… Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Boky voalohan’ny Mpanjaka

1 Mpanj. 8, 22-23. 27-30


Henoy ny fifonan’ny mpanomponao sy i Israely vahoakanao.

Tamin’izany andro izany: Tao anoloan’ny ôtelin’ny Tompo i Salômôna, nanatrika ny fiangonan’i Israely rehetra sy nanandratra ny tanany mankany an-danitra ka nanao hoe: “Ry Tompo Andriamanitr’i Israely ô, tsy misy Andriamanitra tahaka Anao, na amin’ny lanitra ambony, na amin’ny tany ambany, fa Ianao mitandrina ny fanekenao amam-pamindram-ponao, amin’ny mpanomponao, izay mandeha eo anatrehanao amin’ny fony tokoa.

Fa moa dia marina va fa monina eto an-tany Andriamanitra? Indro, ny lanitra sy ny lanitry ny lanitra aza, tsy omby anao, koa mainka fa itý trano nataoko itý! Kanefa, ry Tompo Andriamanitra ô, tsimbino ny vavaka amam-pifonan’ny mpanomponao, henoy ny fiantsoam-pifaliana sy ny fangatahana ataon’ny mpanomponao eo anatrehanao anio; ka ataovy mihiratra andro aman’alina amin’itý trano itý anie ny masonao, dia amin’ny fitoerana izay nilazanao hoe: Ho ao ny Anarako; ka henoy ny vavaka ataon’ny mpanomponao amin’itý fitoerana itý. Henoy ny fifonan’ny mpanomponao sy i Israely vahoakanao, raha mivavaka amin’itý fitoerana itý izy; mihainoa any amin’ny fitoeram-ponenanao any an-danitra, mihainoa, ka mamelà heloka.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 83, 3-5. 10-11.


Fiv.: Drey, mahatehotia ny fonenanao ry tompon’ny tafika.

Ny fanahiko manembona ka reraka, manina ny kianjan’ny Tompo! Ny foko sy nofoko mihoby an’ilay Andriamanitra velona! Sambatra izay monina ao an-tranonao ka midera Anao mandrakizay!
Jereo, ry Andriamanitra Mpanao soa anay, tazano ny Tavan’ilay voahosotrao! Eny, andro iray eo an-kianjanao dia tsara noho ny arivo ao an-tranon’ny tena. Aleo mijoro eo am-baravaran’ny Andriamanitro, toy izay miantrano ao an-dain’ny mpanana.


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Boky Jenezy

Jen. 1, 20 — 2, 4a


Andeha isika hanao olona mitovy endrika amintsika, mifanahaka amintsika.

Hoy Andriamanitra: “Aoka ny rano ho be zava-manan’aina mihelotrelotra; ary aoka ny vorona hanidina ambonin’ny tany, eny amin’ny habakabaky ny lanitra.” Dia noarîn’Andriamanitra ny biby vaventy anaty rano, sy ny zava-manana aina mihetsiketsika rehetra mihelotrelotra anatin’ny rano, samy araka ny karazany avy, mbamin’ny voro-manidina manana elatra rehetra araka ny karazany avy. Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany. Dia nitso-drano an’ireo Andriamanitra nanao hoe: “Miteraha maro sy mitomboa ary mamenoa ny ranomasina; ary aoka ny vorona hihamaro eo ambonin’ny tany.” Dia nisy hariva ary nisy maraina; izay no andro fahadimy.

Hoy Andriamanitra: “Aoka ny tany hamoaka zava-manana aina, araka ny karazany avy, dia ny biby fiompy, ny biby mikisaka sy ny bibin’ny tany, araka ny karazany avy.” Dia tanteraka izany. Nataon’Andriamanitra ny bibin’ny tany, araka ny karazany avy, sy ny biby fiompy araka ny karazany avy, mbamin’izay rehetra mikisaka amin’ny tany, araka ny karazany avy. Ary hitan’Andriamanitra fa tsara izany.

Rahefa izany dia hoy Andriamanitra: “Andeha isika hanao olona mitovy endrika amintsika, mifanahaka amintsika, ka aoka hanjakany avokoa ny hazandrano ao amin’ny ranomasina, ny voromanidina eny amin’ny habakabaka, ny biby fiompy sy ny tany rehetra, ary ny biby mandady mikisaka amin’ny tany.” Ary Andriamanitra nahary ny olona mitovy endrika aminy; mitovy endrika amin’Andriamanitra no nahariany azy, ary nataony lahy sy vavy izy ireo. Dia nitso-drano azy ireo Andriamanitra ka nanao taminy hoe: “miteraha maro, mitomboa, mamenoa ny tany, ka mizakà azy; ary anjakao ny hazandrano ao amin’ny ranomasina, ny voro-manidina mbamin’ny biby rehetra mihetsiketsika ambonin’ny tany.” Ary hoy Andriamanitra: “Indro omeko anareo ny anana mamoa rehetra eo ambonin’ny tany, mbamin’ny hazo rehetra misy voankazo manana ny voany ao aminy; izany no atao fihinanareo. Fa ho an’ny bibin’ny tany mbamin’ny voro-manidina sy izay rehetra mihetsiketsika eto ambonin’ny tany, ka manam-pofon’aina ao aminy, dia ny zava-maitso rehetra no omeko ho fihinany.” Dia tanteraka izany. Ary hitan’Andriamanitra izay rehetra nataony, ka tsara indrindra izany. Ary nisy hariva ary nisy maraina: izay no andro fahenina.

Toy izany no nahavitan’ny lanitra sy ny tany mbamin’izay rehetra momba azy. Ary tamin’ny andro fahafito dia efa vitan’Andriamanitra ny asa rehetra nataony. Ary Andriamanitra nitso-drano ny andro fahafito sy nanamasina azy, satria tamin’izany andro izany no nitsaharany tamin’ny zavatra rehetra noarîny tamin’ny nanaovany azy. Izay no tantaran’ny lanitra sy ny tany, rahefa voaary izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 8, 4-5. 6-7. 8-9


Fiv.: Ry Tompo Andriamanitray ô, drey ny harevaky ny Anaranao eran-tany.

Raha nahita ny lanitra nataon’ny tananao aho, ny volana, ny kintana izay namboarinao. Fa inona ny olona no mba tsiahivinao, ny zanak’olombelona he tsimbininao!
Fa lasa ambany kely noho ireo andriamanitra izy, ka heni-boninahitra izy nasondrotrao. Ny asan-tananao foinao hozakainy, ny zavatra rehetra eo ambany fiadidiany!
Dia omby aman’ondry omban’ny bibidia, ny biby izay mandady sy mandia izany tany; ny vorona eny an-danitra sy trondron-dranomasina izay miriaria sy mifaly eny ambonin’ny onja.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Mahatoky amin’ny teniny rehetra ny Tompo, ary tsara fo amin’ny asany rehetra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 7, 1-13


Ny didin’Andriamanitra afoinareo, fa ny fanaon’ny olona kosa tananareo.

Tamin’izany andro izany, niangona teo amin’i Jesoa ny Farisianina sy ny mpanora-dalàna sasany avy tany Jerosalema, ka nahita ny mpianany sasany nihinana tamin’ny tanana tsy madio, izany hoe tsy voasasa. — Fa ny Farisianina sy ny Jody rehetra dia tsy mihinana raha tsy efa voasasany tsara aloha ny tanany, fa mitana ny fanaon-drazana izy; ary raha avy any an-kianja izy dia tsy mihinan-kanina raha tsy efa nisasa.

Maro koa ny fomban-drazana hafa noraisiny hotanana dia ny fanasana ny kapoaka, ny tavoara, ny fanaka varahina, ary ny farafara fihinanana. — Ka dia nanontany Azy ny Farisianina mbamin’ny mpanora-dalàna nanao hoe: “Nahoana ny mpianatrao no tsy mitandrina ny fanaon-drazana, fa mihinana amin’ny tanana tsy misasa?” Ary hoy ny navaliny azy ireo: “Marina tokoa ny naminanian’i Izaia anareo mpihatsaravelatsihy araka ny voasoratra hoe: itý firenena itý manaja Ahy amin’ny molony, fa manalavitra Ahy ny fony; koa foana ny ivavahan’ireo amiko satria didin’olombelona no ataony fampianarana. Ny didin’Andriamanitra afoinareo, fa ny fanaon’ny olona kosa tananareo toy ny manasa tavoara sy kapoaka, ary manaraka fomba maro toy izany koa ianareo.” Dia hoy Izy taminy: “Marina fa nofoananareo tokoa ny didin’Andriamanitra mba hitandremanareo ny fomban-drazanareo. Fa hoy i Môizy: Manajà ny rainao sy ny reninao; ary koa: Izay hanozona ny rainy na ny reniny dia hohelohina ho faty. Fa hoy kosa ianareo: Raha misy milaza amin’ny rainy na amin’ny reniny hoe: Ny zavatra izay tokony hoentiko manampy anao dia efa Kôrbana izany hoe: fanatitra ho an’Andriamanitra, dia tsy avelanareo hanao na inona na inona ho an’ny rainy na ny reniny intsony, ka dia foananareo amin’ny fanaon-drazana asainareo tandremana ny tenin’Andriamanitra; sady maro koa ny zavatra toy izany ataonareo.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Ry Tompo Andriamanitray ô, nataonao hanohana anay osa sy malemy ireto vokatry ny tany ireto, koa mihanta aminao izahay: enga anie ho tonga Sakramenta manambara sy mampahazo ny fiainana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 106, 8-9

Hisaorana anie ny Tompo noho ny hatsaram-pony sy ny zava-mahagaga vitany ho an’ny olombelona: fa ny fanahy mangetaheta, hetsahiny; ny fanahy mosarena, vokisany soa.


na hoe:

Mt. 5, 5-6

Sambatra ny ory, fa halàna alahelo; sambatra ny noana sy mangetaheta ny fahamarinana fa ho voky.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Andriamanitra ô, sitrakao ho mofo iray ihany no hifanapahanay ary kalisy iray ihany no hiarahanay misotro; ka ataovy miray ao amin’i Kristy izahay, dia ho faly hitondra famonjena ho an’izao tontolo izao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0119