Sorona Masina ny Zoma 08 febroary 2019

Herinandro faha-4 mandavantaona

ZOMA


Tononkira fidirana

Sal. 105, 47


Vonjeo izahay, ry Tompo Andriamanitray, ka angony avy amin’ireo firenena, mba hidera ny Anaranao masina sy hifaly amin’ny fiderana Anao!


Fangatahana

Ry Tompo Andriamanitray ô, ampio izahay ho feno fanajana Anao sy ho feno fitiavana ny olona rehetra.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Bokin’i Siraka

Eklesiastika 47, 2-13


Tamin’ny fony tokoa no nankalazan’i Davida ny Tompo sy nitiavany an’Andriamanitra.

Toy ny fanavaka ny sabora amin’ny sorona fisaorana no nanavahana an’i Davida teo amin’i Israely. Nilalao tamin’ny liona toy ny zanak’osy izy, ary tamin’ny orsa, toy ny zanak’ondry kely. Fony izy mbola tanora, tsy namono ilay goavam-be va izy, ka nahafa-kenatra ny vahoaka, nony nanainga tanana mbamin’ny vaton’antsamotadiny izy, sy nanongana ny reharehan’i Gôliata? Satria niantso ny Tompo Avo Indrindra izy, ary ny Tompo nanome hery ny tanany an-kavanana, hamono mahafaty an’ilay mpiady mahery, mba hanandratra ny tandroky ny vahoakany. Ka dia nankalazaina izy, noho ny amin’ireo iray alina; noderaina izy, noho ny fitahian’ny Tompo; ary natolotra azy ny satro-boninahitra. Fa nomontsaniny hatraiza hatraiza ny fahavalo, nohoseny tamin’ny tongony ny Filistina, ny mpanohitra; noketrahiny mandraka androany ny herin’ireny. Tamin’izay rehetra nataony izy nanolotra haja ny Masina, ny Avo Indrindra, tamin’ny teny fiderana; tamin’ny fony tokoa nanao hira fankalazana ary tia an’Ilay nanao azy. Nanendry mpihira eo anoloan’ny ôtely izy ary nampandre hira mireondreona mahafinaritra tamin’ny feon’ireo. Nataony manetriketrika ny fety, ary kanto tapitra ohatra ny fankalazana ny andro lehibe, amin’ny fotoana ankalazan’ny mpihira ny Anara-masin’ny Tompo sy hampanakoakoany ny fitoerana masina vao maraina. Ny Tompo kosa namela ny hadisoany, nanandratra ny fahefany ho mandrakizay; ary nataony azo antoka ny hananany taranaka mpanjaka, sy ny seza fiandrianana be voninahitra eo amin’i Israely. Nitsangana nanarakaraka azy ny zanaka feno fahendrena anankiray, tao anatin’ny fandrosoana no nahavelomany noho ny amin-drainy. Nanjaka tamin’ny androm-piadanana i Salômôna fa nomen’Andriamanitra fitsaharana amin’ny manodidina rehetra izy, mba hanorina tempoly ho an’ny Anarany sy hamboatra toerana masina mandrakizay.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 17, 31. 47 sy 50. 51.


Fiv.: Hasandratra ilay Andriamanitra Mpamonjy ahy.

Andriamanitra: lavorary ny lalany, ny Tenin’ny Tompo dia voasedra. Izy no mpanao soa an’izay mifefy aminy.
Velona anie ny Tompo, hisaorana ny vatolampiko! Hasandratra Ilay Andriamanitra Mpamonjy ahy. Koa midera Anao eto anivom-pirenena aho, sy miantsa ny Anaranao, ry Tompo!
Omeny fandresen-dehibe ny Mpanjakany; anehoany hatsaram-po ny Voahosony: dia i Davida sy ny taranany hatrany amin’ny mandrakizay!


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio

Heb. 13, 1-8


I Jesoa Kristy dia tsy niova omaly sy anio ary mandrakizay.

Ry kristianina havana, mahareta amin’ny fitiavana. Ary aza manadino ny fandraisam-bahiny, fa ny sasany nanaraka izany dia efa nisy nampiantrano Anjely, nefa tsy nahahala azy. Tsarovy izay mifatotra, aoka ho toy ny miara-mifatotra aminy ianareo; ary izay ampahoriana koa, fa mbola ao anatin’ny nofo koa ianareo. Aoka hanan-kaja amin’ny olona rehetra ny fanambadiana, ary aoka tsy ho voaloto ny fandrian’ny mpivady, fa hohelohin’Andriamanitra ny mpijangajanga sy ny mpaka vadin’olona. Aza mba mitondra tena amim-pahidiana; mionòna amin’izay anananareo, fa tenan’Andriamanitra no nilaza hoe: “Tsy handao anao Aho, na hahafoy anao akory; ka sahintsika ny manao amim-pitokiana hoe: Andriamanitra no vonjiko, ka tsy hatahotra na inona na inona aho; inona no azon’ny olona atao amiko?” Tsarovy ny mpitondra anareo, izay nitory ny tenin’Andriamanitra taminareo; diniho ny niafaran’ny fiainany; ka alao tahaka ny finoany; i Jesoa Kristy dia tsy miova omaly sy anio ary mandrakizay.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 26, 1. 3. 5. 8b-9abd


Fiv.: Ny Tompo no faniloko sy vonjiko.

Ny Tompo no fanilo sy vonjiko: iza no hatahorako? Ny Tompo no mandan’ny aiko: zovy no hangovitako?
Raha tafika no mitoby hiady amiko, tsy miraika ny foko; raha andiany no mirongatra hamely, matoky hatrany aho.
Amin’ny andro fahoriana aho afeniny amin’ny efitra fialofany; takonany ao am-pierena ao an-dainy, asandrany ambony vatolampy.
Eny, ry Tompo, tadiaviko ny tavanao! Aza afenina ahy ny tavanao! Aza roahina amin-katezerana ny mpanomponao! Ry ilay Mpitahy ô, aza manary!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ampianaro ahy, ry Tompo, ny soritrao; tariho amin’ny Fahamarinanao aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 6, 14-29


I Joany izay e dia ilay notapahiko ny lohany fa efa nitsangan-ko velona izy.

Tamin’izany andro izany: Nahare ny lazan’i Jesoa i Herôda ka hoy ny sasany hoe: “I Joany Batista nitsangan-ko velona izay, ka izany no iasan’ireo hery mahagaga aminy”; fa ny sasany kosa nanao hoe: “I Elia izay”, ary ny hafa indray dia hoe: “Mpaminany izay, dia toy ny iray amin’ny mpaminany.” Ary nony nandre izany i Herôda, dia nanao hoe: “I Joany izay e, dia ilay efa notapahiko ny lohany, fa efa nitsangan-ko velona izy.” Fa i Herôda io ihany no naniraka hisambotra sy hamatotra an’i Joany tany an-tranomaizina, noho ny amin’i Herôdiada vadin’i Filipo rahalahiny izay nalainy ho vady. Satria i Joany nanao taminy hoe: “Tsy mahazo manambady ny vadin-drahalahinao ianao.” Koa tonga halan’i Herôdiada izy sy nirìny ho faty aza, saingy, tsy azony natao izany noho ny tahotr’i Herôda an’i Joany, izay hitany fa lehilahy marina sy masina, ka narovany sady narahiny hevitra tamin’ny zavatra maro, sy nohenoiny tamin-kafaliana. Ary tonga ny andro tsara, dia ilay fitsingerenan’ny taona nahaterahan’i Herôda ka nanaovany fanasana ho an’ny manamboninahiny sy ny tompon’arivo ary ny loholona tany Galilea. Fa niditra nandihy tao an-trano fanasana ny zanakavavin’i Herôdiada ka nahafaly an’i Herôda, sy izay niara-nihinana taminy; dia hoy ny mpanjaka tamin-drazazavavy: “Angataho amiko izay tianao, fa homeko anao”, sady nampiany tamim-pianianana hoe: “Na inona na inona angatahinao amiko, dia homeko anao, na dia ny antsasaky ny fanjakako aza.” Dia nivoaka razazavavy ka nanontany an-dreniny hoe: “Inona no angatahiko?” Ary hoy reniny: “Ny lohan’i Joany Batista.” Dia nidodododo faingana nankao amin’ny mpanjaka izy, ka nangataka hoe: “Tiako raha omenao ahy an-dovia izao ankehitriny izao ny lohan’i Joany Batista.” Nalahelo ny mpanjaka, kanefa noho ny fianianany sy noho ireo olona niara-nihinana taminy, dia tsy sahy nandà an-drazazavavy izy, fa nirahiny faingana ny mpiambina anankiray nasainy hitondra ny lohan’i Joany amin’ny lovia. Dia nandeha nanapaka ny lohan’i Joany tao an-tranomaizina ilay mpiambina, ka nitondra azy tamin’ny lovia, ary nomeny an-drazazavavy dia nomen-drazazavavy an-dreniny kosa. Nony nandre izany ny mpianany, dia tonga naka ny fatiny ka nandevina azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Tompo ô, aterinay eto amin’ny ôtelinao ny tolotray; koa mba raiso ary ankasitraho ho tonga Sakramenta manambara sy mampahazo ny fanavotana.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 30, 17-18

Asehoy ny mpanomponao ny endrikao, ry Tompo, ka vonjeo aho noho ny hatsaram-ponao. Tompo ô, tsy ho azon-kenatra aho satria miantso Anao.


na hoe:

Mt. 5, 34

Sambatra ny mahantra am-panahy fa azy ny fanjakan’ny lanitra; sambatra ny malemy fanahy fa izy no handova ny tany.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Nahazo hery tamin’ny fanomezana mitondra fanavotana izahay no mihanta aminao, ry Tompo: ka enga anie ny famonjena mandrakizay omenao hampiroborobo mandrakariva ny finoana.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0798