Sorona Masina ny Alahady 03 febroary 2019

ALAHADY FAHA-4 mandavantaona — D

MASOANDRO BE LOHATAONA NY FITIAVAN’ANDRIAMANITRA KA TSY MIFIDY OLON-KOSOAVINA

Tononkira fidirana

Sal. 105, 47

Vonjeo izahay, ry Tompo Andriamanitray, ka angony avy amin’ireo hafa firenena, mba hidera ny Anaranao masina sy hifaly amin’ny fiderana Anao!


Asiana VONINAHITRA ANIE...


Fangatahana

Ry Tompo Andriamanitray ô, ampio izahay ho feno fanajana Anao sy ho feno fitiavana ny olona rehetra.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’i Jeremia Mpaminany

Jer. 1, 4-6. 17-19

Tendreko ho mpaminany ho an’ny firenena ianao.

Tamin’ny andron’i Jôsiasa, dia tonga tamiko ny tenin’ny Tompo nanao hoe: “Efa fantatro talohan’ny namoronana anao tao am-bohòka ianao, ary raha tsy mbola naloaky ny kibon-dreninao ianao dia efa nohamariniko; notendreko ho mpaminany ho an’ny firenena. Misikîna ianao, mitsangàna ary lazao aminy izay rehetra handidiako anao. Aza mangovitra eo anatrehany, fandrao ataoko mangovitra eo anatrehany ianao. Indro Aho anio manao anao ho tanàna mimanda, andry vy ary manda varahina, eo anatrehan’ny tany rehetra, eo anatrehan’ny mpanjakan’i Jodà, sy ny mpifehy eo aminy, eo anatrehan’ny mpisorony, eo anatrehan’ny vahoakany. Hiady aminao izy ireo, nefa tsy hahefa na inona na inona aminao, satria momba anao Aho, hamonjy anao Aho!”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 70, 1-2. 3-4a. 5-6ab. 15ab sy 17.


Fiv: Ny vavako mitanisa ny vonjinao.

Ianao, ry Tompo, no ifefeko: tsy mba ho azon-kenatra aho. Hanafaka ahy Ianao fa marina, hanongilan-tsofina sy hamonjy.
Aoka Ianao ho vatolampy fierena, ho trano fiarovana mahavonjy. Eny, Ianao ry Andriamanitro ô, no haram-bato sy toera-mafy ho ahy.
Fa Ianao, ry Andriamanitra, no tokiko, fanantenako hatry ny fahakeliko. Tany am-bohòka aho: Ianao no Mpiaro ahy; tany an-kibon’ineny: Ianao no Heriko; eny, hatrizay hatrizay, Ianao, ry Tompo, no fidérako.
Ny olona rehetra gaga noho ny amiko: Ianao manko no fifefeko mahery. Ka ny dera no nameno ny vavako sy ny fihobiana Anao tontolo andro.
Mbola kely aho, ry Andriamanitra, no efa nampianarinao; ary hatramin’izao dia tsy mitsahatra manambara ny asanao mahagaga.


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty

1 Kôr. 12, 31—13, 13 (lava) na 13, 4-13 (fohy)


Mitoetra ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana, fa ny fitiavana no lehibe indrindra.

Avela ny ao anatin’ny […] raha ny fohy no atao.

Ry kristianina havana, [ny fanomezana ambony indrindra no irio mafy, dia izao lalana tsara indrindra atoroko anareo izao. Na dia miteny amin’ny fitenin’ny olona sy ny Anjely aza aho, nefa tsy manana ny fitiavana, dia tonga varahina maneno sy kipantsona mikarantsana fotsiny aho. Na dia nahazo fanomezana haminany aza aho, ka mahalala ny zava-miafina rehetra, sy manana ny fahalalana rehetra, ary manana ny finoana rehetra, hatramin’ny mahafindra tendrombohitra aza, raha tsy manana ny fitiavana, dia tsinontsinona aho. Na dia zaraiko ho an’ny mahantra aza ny fananako rehetra, ka atolotro hodorana mbamin’ny tenako, raha tsy manana ny fitiavana aho, dia tsy mahasoa ahy akory izany rehetra izany.]

Ny fitiavana dia sady mahari-po no malemy fanahy; ny fitiavana dia tsy mialona, tsy manaonao foana, tsy mieboebo; tsy manao ny tsy mendrika, tsy mitady ny ho azy, tsy mora tezitra, tsy manao an-dolompo; tsy mifaly noho ny tsy marina ataon’ny olona fa mifaly noho ny fahamarinany; manala tsiny ny zavatra rehetra, mino ny zavatra rehetra, manantena ny zavatra rehetra, mandefitra ny zavatra rehetra. Ny fitiavana dia tsy hanam-pahataperana. Fa raha ny faminaniana kosa, dia hisy farany, ny fitenenana fiteny tsy fantatra dia hitsahatra, ary ny fahalalana dia hiato. Satria tapany ny fahalalantsika, tapany koa ny faminaniantsika; ka rehefa tonga ny feno dia foana ny tapany. Fony mbola zaza aho, dia niteny toy ny zaza, nihevitra toy ny zaza, nisaina toy ny zaza; fa nony lehilahy aho dia nialako ny fanahin-jaza. Ankehitriny mizaha ao amin’ny fitaratra isika, ka tsy mahita mazava; fa rahatrizay, hifanatrika; ankehitriny, tapany no fantatro; fa rahatrizay, hahalala tsara toy ny nahafantarana ahy aho. Ary ankehitriny, ireto telo ireto no mitoetra: ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana; fa ny fitiavana no lehibe indrindra amin’ireo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Izaho no fahazavan’izao tontolo izao: izay manaraka Ahy tsy mba mandeha amin’ny maizina, fa hanana ny fahazavan’ny fiainana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 4, 21-30

Tahaka an’i Elia sy i Elisea, dia tsy nirahina ho an’ny Jody fotsiny i Jesoa.

Tamin’izany andro izany, nony vita ny vakinteny nataon’i Jesoa tao amin’ny bokin’i Izaia Mpaminany, dia nifantoka tany aminy avokoa ny mason’ny olona rehetra tao amin’ny sinagôga, ka dia rafitra niteny taminy indray i Jesoa nanao hoe: “Androany no efa tanteraka eo amin’ny sofinareo izany Soratra izany”. Ary nankalaza Azy izy rehetra, sady talanjona noho ny tenim-pahasoavana naloaky ny vavany, ka hoy izy ireo: “Tsy ny zanak’i Jôsefa va ity?” Ary hoy kosa i Jesoa taminy: “Marina raha tsy ataonareo amiko ilay ohabolana hoe: ‘Dokotera, sitrano aloha ny tenanao’. Ny zava-mahagaga renay nataonao tany Kafarnaôma mba ataovy eto amin’ny tany nahabe Anao koa”. Dia notohiziny hoe: “Lazaiko marina aminareo fa tsy misy mpaminany hajaina amin’ny tany nahabe azy. Ary lazaiko marina aminareo koa, fa maro ny mpitondratena tamin’i Israely tamin’ny andron’i Elia, raha nihantona telo taona sy enim-bolana ny orana ka voan’ny mosary mafy ny tany rehetra, nefa tamin’izy ireo tsy nisy nanirahana an’i Elia na dia anankiray aza, fa tamin’ilay vehivavy mpitondratena tany Sarepta any amin’ny tany Sidôna ihany; ary be koa no boka tao amin’i Israely tamin’ny andron’i Elisea mpaminany, nefa tsy nisy sitrana na iray aza, fa i Naamàna Sirianina ihany”. Dia tezitra mafy izay rehetra tao amin’ny sinagôga raha nandre izany, ka tafatsangana nandroaka Azy hiala ao an-tanàna, sady nitondra Azy tany an-tampon’ny tendrombohitra iorenan’ny tanànany mba hazerany any an-tevana; fa namaky teo afovoan’izy ireo Izy dia lasa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, tonga ho an’ny olona rehetra i Jesoa Kristy ary maniry ny hanangona azy rehetra. Koa enga anie ny vavaka ataontsika anio mba hitondrantsika ny fanirian’ny olombelona eran-tany eo anatrehan’Andriamanitra.

Valy: Tompo ô, henoy izahay miantso Anao, (na Aleloia)
Mba ekeo ny vavakay mitalaho, (na Aleloia).

* Nirahin’i Kristy hanasoa ny olombelona rehetra hatrany am-paravazan-tany ny Eglizy; koa mangataha mba ho feno finoana sy fanantenana ary fitiavana izy, eo am-panatanterahana ny andraikiny.
* Adidin’ireo mpitondra vahoaka ny mifehy azy amim-pitiavana sy manoro azy hifankatia, koa mivavaha mba ho hainy hampanjakaina eran-tany ny fandriam-pahalemana sy ny firaisan-kina.
* Na ny antitra na ny marary na ny mahantra eo amintsika, dia samy mila fanampiana, fa indrindra mila fitiavana, koa mivavaha mba hahitany ny fitiavan’Andriamanitra ny fijerintsika sy ny ataontsika ary ny tenintsika.
* Mivavaha ho an’ny tanora rehetra, ho an’ny fikambanana tanora, ho an’ireo mahafoy tena manabe azy ary ho an’ireo mikendry tombontsoa vao mirotsaka, mba hahaizany hampanjaka ny fitiavana marina.
* Mba hiomanantsika hiray eo amin’ny Eokaristia, dia ampiraiso amin’ny fitiavana aloha ny fontsika hampianaran’Andriamanitra antsika hamela heloka sahala amin’ny amelany heloka antsika.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.


Ry Jesoa Tompo ô, omeo fitiavana izahay, fa izany no fanomezana ambony indrindra, ary handrehitra ny fitiavana no anton-dianao tety an-tany, koa andreheto ny fitiavanao izahay hanitaranay azy hatraiza hatraiza.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Tompo ô, aterinay eto amin’ny ôtelinao ny tolotray; koa mba raiso ary ankasitraho ho tonga Sakramenta manambara sy mampahazo ny fanavotana.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Alahady tsotra III, ohatra.


Kômonio

Sal. 30, 17-18

Asehoy ny mpanomponao ny Endrikao, ry Tompo, ka vonjeo aho noho ny hatsaram-ponao. Tompo ô, tsy ho azon-kenatra aho satria miantso Anao.


na hoe :

Mt. 5, 34

Sambatra ny mahantra am-panahy, fa azy ny Fanjakan’ny lanitra; sambatra ny malemy fanahy, fa izy no handova ny tany.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Nahazo hery tamin’ny fanomezanao mitondra fanavotana izahay no mihanta aminao, ry Tompo: enga anie ny famonjena mandrakizay omenao, hampiroborobo mandrakariva ny finoana.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1224