Sorona Masina ny Asabotsy 02 febroary 2019

2 FEBROARY Fankalazana manetriketrika

NY NANOLORANA NY TOMPO

Fanamasinana ny Jiro sy fitondrana azy amin’ny prôsesio

Fomba I: Prôsesio

1 — Rehefa tonga ny fotoana, dia voriana amin’ny fiangonana kelikely na toerana hafa, ny mpiangona rehetra, ivelan’ilay fiangonana haleha avy eo. Mitana jiro tsy mirehitra ny kristianina.
2 — Manatona mankeo, miaraka amin’ny mpanotrona azy ny Pretra manao akanjo fotsy toy ny fanao amin’ny Sorona; fa ny “chasuble” no azo soloina “chape”, alana rehefa vita ny prôsesio.
3 — Ampirehetina ny jiro mandritra ny ihirana ny Sasinkira.

 

Sasinkira

Indro tamy ny Tompontsika mahery hampihiratra ny masontsika mpanompony. Aleloia!

na hira hafa mifanaraka amin’ny fotoam-pivavahana.

 

4 — Ary mirahaba ny vahoaka toy ny fanao ny Pretra, dia mamporisika ny kristianina hankalaza tsara izao andro izao sy tena handray anjara amin’izay atao ary hahatsapa tokoa izay hevitry ny fombam-pivavahana, miteny tahatahaka izao:

 

Ry kristianina havana, faly nankalaza ny nahaterahan’ny Tompo isika, efapolo andro lasa izay. Ary tonga indray anio ny andro iray toa zato, ankalazantsika an’i Jesoa natolotra tao an-Tempoly sy nankatò ny lalàna am-pahibemaso, ary niseho tao tokoa nitsena ny vahoakany miandry Azy. Notarihin’ny Fanahy Masina hankao amin’ny Tempoly i Simeôna sy i Anina efa zokiolona, ka nankalaza ny Tompo ary faly nanambara Azy am-pahibemaso.

Isika koa natambatry ny Fanahy Masina ho fianakaviana iray, ka handeha ho ao an-Tranon’Andriamanitra, hitsena an’i Kristy.

Ao no hahitantsika Azy ary hahafantarantsika Azy eo am-pizarazarana ny mofo, ambara-piveriny amim-boninahitra.

5 — Vita ny fanazavana dia hamasinin’ny Pretra ny Jiro; manakamban-tanana izy manao hoe;

 

Aoka isika hivavaka:

Ry Andriamanitra, loharano ipoiran’ny fahazavana rehetra, andro toy izao Ianao no nampiseho tamin’i Simeôna lehilahy marina an’Ilay Fahazavana manilo ny firenena rehetra; koa mitalaho an-tanandroa aminao izahay: mba hamasino ireto jiro ireto. Ankatoavy ny fanirian’ny vahoakanao tamy midodododo hitondra ny jiro ho fiderana ny Anaranao, mandra-pahatongany any amin’ny hazavana tsy mety lefy, rehefa mizotra ny lalan’ny olo-marina izy.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.

V — Amen.

na hoe:

 

Ry Andriamanitra fahazavana marina, mpahary sy mpizarazara ny hazavana mandrakizay, ataovy maninteraka ny fonay mpino ny tsirim-pahazavana tsy mety lefy. Ary enga anie izahay rehetra, voataratr’ireto jiro mirehitra eto amin’ny ôtelinao masina ireto, mba ho tody soa aman-tsara any amin’ny voninahitrao mamirapiratra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay.

V—Amen.

6 — Avy eo ny Pretra dia maka ny jiro, efa nomanina ho azy ary manomboka ny prôsesio manao hoe:

 

Ndeha isika hitsena ny Tompo hizotra ombam-piadanana.

7 — Mandritra ny prôsesio dia hiraina ity Sasin-kira ity sy ny hira miaraka aminy, na hira hafa antonona eto.

 

Fiv.: Ianao no fahazavan’izao tontolo
ary voninahitr’i Israely vahoakanao.

Tompo, alefaso amim-piadanana amin’izay
ity mpanomponao, araka ny teninao.

Fa masoko no nahita ny Famonjena.
Nomaninao ho an’ny vahoaka rehetra.

 

8 — Rehefa miditra ny fiangonana ny prôsesio, dia hiraina ny Tononkira Fidirana amin’ny Sorona Masina. Ary rehefa tonga eo amin’ny ôtely ny Pretra, dia manao ny fanajana ny ôtely sy manemboka azy raha asiana fanembohana, ary mankeny amin’ny toerany — (raha “chape” no nanaovany dia soloina “chasuble” — hiraina ny Voninahitra anie ho an’Andriamanitra, dia atao toy ny fanao ny Fangatahana, ary tohizina toy ny isan’andro ny Sorona.

Fomba II: Fidirana amim-pomba lehibe

9 — Vorina ao am-piangonana ny kristianina mitana jiro. Dia mandeha ny Pretra manao akanjo fotsy, miaraka amin’ny mpanotrona azy ary solontenan’ny mpiangona vitsivitsy, mankeo amin’izay toerana mety indrindra, any ivelan’ny varavarana na ao am-piangonana ihany, amin’izay toerana talaky maso ho an’ny be sy ny maro
10— Rehefa tonga eo amin’ny toerana hanamasinana ny jiro ny Pretra dia ampirehetina ny jiron’ny olona sady hiraina ny sasin-kira hoe Ianao no fahazavan’izao tontolo izao na hira hafa antonona eto.
11 — Arahabain’ny Pretra ny vahoaka, hazavainy ny fombam-pivavahana ary hamasininy ny jiro, araka ny voalaza ao amin’ny n° 4—5. Dia mizotra mankeny amin’ny ôtely izy, sady atao ny hira voalaza ao aminin’ny n°6-7. Ny amin’ny Sorona Masina kosa dia arahina ny voalaza ao amin’ny n°8.

Sorona Masina

Tononkira fidirana

Sal. 47, 10. 1.

Andriamanitra ô, mivetso ny hatsaram-ponao eto amin’ny Tempolinao izahay. Manehoeho eran’ny vazan-tany ny Anaranao, ry Tompo, ka deraina hatraiza hatraiza ny tananao feno fahamarinana.

 

Asiana VONINAHITRA ANIE...

 

Fangatahana

Mitalaho an-tanan-droa aminao izahay, ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay: fa natolotra tao an-Tempoly tamin’ny andro toy izao ny Zanakao Lahy tokana nitafy nofo toa anay; koa diovy izahay ho mendrika hatolotra Anao toa Azy koa.

Fa Izy Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’i Malakia Mpaminany

Mal. 3, 1-4

Ho tonga eo an-Tempoliny ny Tompo tadiavinareo.

Izao no lazain’ny Tompo Andriamanitra: “Indro Aho, haniraka ny irako; ka izy no hamboatra ny lalana eo alohako; dia ho tonga tampoka ao an-Tempoliny ny Tompo tadiavinareo, ilay Anjelin’ny fanekena irinareo. Indro avy Izy, hoy ny Tompon’ny tafika. Iza no hahatanty ny andro hiaviany, ary zovy no hahajoro, raha miseho Izy? Fa ho tahaka ny afon’ny mpandrendrika Izy sy ho sahala amin’ny pôtasin’ny mpanery lopòtra. Hipetraka mandrendrika sy manadio ny volafotsy Izy, hanadio ny taranak’i Levi Izy, ka hanadio azy toy ny volamena sy ny volafotsy, ka dia ho mpanompo Izy ho an’ny Tompo, hanolotra fanatitra ara-drariny aminy; ary hankasitrahin’ny Tompo toy ny tamin’ny andro taloha, toy ny tamin’ny taona fahiny, ny fanatitr’i Jodà sy i Jerosalema.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Salamo fandinihana

Sal. 23, 7-10.

 

Fiv.: Aoka isika hifaly, hiravo, hanome voninahitra Azy Tompo.

Asandrato ny loha, ry vavahady, ry varavaram-pahagola, misandrata hidiran’ny Mpanjakan’ny voninahitra!
Mpanjakan’ny voninahitra iza moa? Fa ny Tompo Tsitoha sy Mahery, ny Tompo ilay Mahery an’ady!
Asandrato ny loha, ry vavahady, ry varavaram-pahagola, misandrata hidiran’ny Mpanjakan’ny voninahitra!
Mpanjakan’ny voninahitra iza moa?
Fa ny Tompon’ny Tafika: Izy no Mpanjakan’ny voninahitra!

 

VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio

Heb. 2, 14-18

 

Tsy maintsy mitovy amin’ny rahalahiny amin’ny zavatra rehetra Izy.

Ry kristianina havana, satria mana-nofo aman-dra ny zaza dia mba naka izany koa i Jesoa, handringanany amin’ny fahafatesany ilay manana ny fanjakan’ny fahafatesana, dia ny devoly, sy hanafahany an’izay rehetra niharan’ny fanandevozana nandritra ny andro rehetra niainany, noho ny tahotra ny fahafatesana. Na aiza na aiza tsy mba Anjely no vonjeny, fa ny taranak’i Abrahama no vonjeny. Ka izany no tsy maintsy nanaovana Azy mitovy amin’ny olombelona havana amin’ny zavatra rehetra, mba ho tonga be famindram-po Izy sy Mpisorona mahatoky ny amin’Andriamanitra, hanaovany sorom-pifonana noho ny otan’ny olona; fa noho ny Tenany nalaim-panahy sy nijaly indrindra no ahavonjeny izay alaim-panahy koa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Fahazavana hanilo ny Jentily Izy, sady voninahitr’i Israely olonao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 2, 22-40 (lava); na 22-32 (fohy)

Ny masoko nahita ny famonjena.

Tamin’izany andro izany, rehefa tapitra ny andro fidiovana araka ny lalàn’i Môizy, dia nentin’ny ray aman-dreniny ho any Jerosalema i Jesoa mba hatolotra amin’ny Tompo, araka ny voasoratra ao amin’ny lalàn’ny Tompo hoe: «Ny lahy voalohanteraka rehetra dia atao hoe masina ho an’ny Tompo», ary mba hanatitra fanatitra domohina roa, na zana-boromailala roa, araka ny voasoratra ao amin’ny Lalan’ny Tompo. Ary indro nisy lehilahy atao hoe Simeôna tao Jerosalema; ary marina sady mpivavaka tsara izany lehilahy izany ka niandry ny fanalana alahelo an’i Israely, ary tao aminy ny Fanahy Masina, sady efa nanambaràn’ny Fanahy Masina izy fa tsy hahita fahafatesana mandrapahitany an’i Kristin’ny Tompo. Dia nentin’ny Fanahy Masina izy hankao amin’ny Tempoly ka nony nitondra an’i Jesoa Zazakely ny rainy aman-dreniny hanao araka ny voadidin’ny Lalàna ny aminy, dia nitrotro Azy izy, ka nisaotra an’Andriamanitra nanao hoe: “Ankehitriny, ry Tompo, vao alefanao am-piadanana araka ny teninao ny mpanomponao, fa ny masoko nahita ny famonjena avy aminao, izay namboarinao teo anatrehan’ny firenena rehetra, dia fahazavana hanilo ny Jentily sady voninahitr’i Israely olonao”. Dia gaga ny ray aman-drenin’ny Zaza noho ny zavatra nolazaina ny aminy. Ary nitso-drano azy ireo i Simeôna, ka nilaza tamin’i Maria Renin’ny Zaza hoe: “Indro ity Zaza ity no voatendry ho fandavoana sy ho fananganana ny maro amin’i Israely ary ho famantarana hotoherina, — ary ny fanahinao aza hotanterahin-tsabatra — mba hiseho ny hevitry ny fo maro”. Ary nisy koa mpaminany vavy anankiray, dia i Anina zanak’i Fanoela, fokon’i Asera; efa antitra dia antitra izy, dia fito taona no nanambadiany taorian’ny naha-virjiny azy, ary efa mpitondratena tokony ho efatra amby valopolo taona, sady tsy niala tao amin’ny Tempoly, fa nanompo an’Andriamanitra andro aman’alina tamin’ny fifadian-kanina sy ny fivavahana. Tonga koa izy tamin’izany fotoana izany, ka nidera an’Andriamanitra, ary nilazalaza ny Zaza tamin’izay rehetra niandry ny fanavotana an’i Jerosalema. Ary nony tanterak’izy ireo ny zavatra rehetra araka ny Lalàn’ny Tompo, dia nody tany Galilea tao Nazareta tanànany izy. Ary nitombo sy nihanatanjaka ny Zaza sady feno fahendrena, ary tao aminy ny fahasoavan’Andriamanitra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Asiana IZAHO MINO...

 

Ranombavaky ny mpino

Amin’izao fankalazana ny nanolorana ny Tompo tany an-Tempoly izao, dia velomy ny finoantsika fa Andriamanitra Izy, ary atolory ny tenantsika ho fanatitra amin’Andriamanitra sy hanaraka Azy Fahazavana marina.

Valy: Arotsahy aminay ny fahazavanao sy ny fahamarinanao.

* Mivavaha isika mba harehitr’Andriamanitra ao am-pontsika kristianina rehetra ny Fahazavana avy amin’Izy Tompo, ka tsy ho lefy fa hanazava antsika sy ny manodidina lalandava.
* Mivavaha ho an’ny mpitondra fanjakana rehetra mba hotsilovin’Andriamanitra amin’ny fahazavany hatrany izy eo am-pikolokoloana ny vahoaka rehetra eran-tany.
* Mivavaha ho an’izay rehetra mijaly sy mandeha amin’ny maizina, mba hotaomin’i Kristy amin’ny Fahazavany, ary ho tonga eo amin’ny fahasambarana.
* Mivavaha ho an’ny tenantsika mba hahay hamantatra an’i Kristy mitsena antsika amin’ny zavatra rehetra mitranga isika, ary mba ho taratr’i Kristy Fahazavana eo anivon’ny taranak’olombelona ankehitriny.

 

— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.

 

Ry Jesoa Tompo ô, tonga Ianao ho fanilo hanazava ny firenena rehetra sy ho voninahitray vahoakanao, hitari-dalana ny olombelona ety an-tany ho tonga any amin’ny Tempoly mandrakizay any an-danitra koa entano izahay hanara-dia Anao hatramin’ny farany.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.

 

Vavaka Fanolorana

Mba ankasitraho, ry Tompo, ny fanatitra atolotry ny Eglizy mientan-kafaliana, fa sitrakao hatolotra mba hahavelona an’izao tontolo izao ny Zanakao Lahy tokana Zanak’ondry tsy misy pentina.

Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.

 

Prefasy:

Mendrika sy rariny tokoa ary mety sady mahavonjy ny misaotra Anao lalandava hatraiza hatraiza, ry Tompo, Ray Masina, Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay.

Satria Ilay Zanakao mandrakizay tahaka Anao dia natolotra tao an-Tempoly tamin’ny andro toy izao, ka nambaran’ny Fanahy Masina fa Izy no voninahitr’i Israely sy fahazavan’ny firenena. Noho izany izahay koa dia faly mitsena Azy Mpamonjy nomenao ka miaraka amin’ny Anjely sy ny Olomasina, mankalaza Anao tsy mitsahatra manao hoe: Masina, Masina, Masina. . .

 

Kômonio

Lk. 2, 30-31

Masoko no nahita ilay famonjena nomaninao ho an’ny vahoaka rehetra.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Nandray ny Kômonio masina izahay, ry Tompo, ka ataovy mahavokatra ao aminay ny fahasoavanao, fa notanterahinao ny fanantenan’i Simeôna hoe tsy ho faty raha tsy efa nitrotro an’i Kristy: ka omeo ny fiainana mandrakizay koa izahay mandroso hitsena ny Tompo ankehitriny.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0128