Sorona Masina ny Alahady 27 janoary 2019

ALAHADY FAHA-3 mandavantaona — D

NY TENIN’ANDRIAMANITRA MANAMPY ANTSIKA HIFANOTRONA TOY NY FANIRIN’AKONDRO

Tononkira fidirana

Sal. 95, 1, 6

Iventeso hira vao ny Tompo; ihirao ny Tompo, ry tany tontolo. Fiandrianana sy fahamendrehana no mialoha Azy, hery sy harevaka no amin’ny toerany masina.

 

Asiana VONINAHITRA ANIE...

 

Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, tantano araka ny sitrakao ny asa ataonay mba ho mendrika hahavita asa soa betsaka izahay amin’ny Anaran’ny Zanakao malalanao.

Fa Izy Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina, amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’i Nehemia

Neh. 8, 1-4a. 5-6. 8-10

Novakina ny bokin’ny lalàna ka azon’ny vahoaka tsara ny teny novakîna.

Tamin’izany andro izany, nony tonga ny volana fahafito, ka efa tafapetraka amin’ny tanànany avy ny zanak’i Israely, dia nivory toy ny olona iray ihany ny vahoaka rehetra, teo amin’ny kianja anoloan’ny Vavahadin’ny Rano. Ary efa nilazan’izy ireo i Esdrasa mpanora-dalàna, mba hitondra ny bokin’ny lalàn’i Môizy, izay nandidian’ny Tompo an’i Israely. Ka nentin’i Esdrasa mpisorona ny Lalàna, ho eo anatrehan’ny fiangonana, dia ny lehilahy sy ny vehivavy mbamin’izay rehetra efa manan-tsaina hahafantatra azy; andro voalohan’ny volana fahafito tamin’izay. Novakîny teo anatrehan’ny lehilahy sy ny vehivavy mbamin’izay efa manan-tsaina hahafantatra azy ny boky, teo amin’ny kianja anoloan’ny Vavahadin’ny Rano, hatramin’ny maraina ka mandra-pisasaky ny andro, ary nampandry sofina nihaino ny bokin’ny lalàna avokoa ny vahoaka.

Teo ambony lampihazo vao narafitra hanaovana izany, no nitsangana i Esdrasa mpanora-dalàna ka nosokafany teo imason’ny vahoaka rehetra ny boky, fa tafasondrotra ambonin’ny vahoaka rehetra izy, ary rehefa nosokafany dia nitsangana ny vahoaka rehetra. Nisaotra ny Tompo Andriamanitra lehibe i Esdrasa, dia nanandra-tanana ny vahoaka rehetra namaly hoe: “Amen! Amen!” Sady niondrika sy niankohoka tamin’ny tany teo anatrehan’ny Tompo izy ireo. Novakîny mazava ny boky, dia ny Lalàn’Andriamanitra, novoasany koa ny heviny; ka azo tsara ny teny novakîna. Ary i Nehemia, governora, i Esdrasa mpisorona sy mpanora-dalàna, mbamin’ny Levita, nampianatra ny vahoaka, niteny tamin’ny vahoaka rehetra, nanao hoe: “Andro masina ho an’ny Tompo Andriamanitrareo ity, ka aza asiana fisaonana na ranomaso”. Fa nitomany avokoa ny vahoaka nony nandre ny tenin’ny Lalàna. Dia hoy koa i Nehemia tamin’ireo: “Mandehana mihinana hena matavy sy misotro zava-pisotro mamy, ary anatero anjara izay tsy nahavoatra, fa masina ity andro ity ho an’ny Tompontsika; ka aza malahelo fa ny fifaliana amin’ny Tompo no herinareo”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Salamo fandinihana

Sal. 18, 8. 9. 10. 15.

 

Fiv.: Fanahy sy fiainana, ry Tompo, ny teninao.

Ny lalàn’ny Tompo lavorary, mamelombelona fanahy; ny didin’ny Tompo mahatoky, mampahendry olon-tsotra.
Ny fitsipiky ny Tompo mahitsy; ny fo falifaliany; ny baikon’ny Tompo mazava, fanilo ho an’ny maso.
Ny tenin’ny Tompo madio, maharitra mandrakizay; ny fitsaràn’ny Tompo koa marina, samy rariny avokoa.
Aoka ho sitraka eo imasonao ny vetson’ny fo, ny tenin’ny vava, ry Tompo Vatolampiko, ry ilay Mpanavotra ahy!

 

VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty

1 Kôr. 12, 12-30 (lava); na 12-14. 27 (fohy)

 

Vatan’i Kristy ianareo, ka samy rantsam-batany manaraka ny laharany tsirairay avy.

Avela ny ao anatin’ny […] raha ny fohy no atao.

Ry kristianina havana, toy ny maha-iray ny vatana, na dia maro rantsana aza, sy toy ny maha-vatana iray ny rantsam-batana, na dia maro aza izy, dia toy izany koa i Kristy. Fa Fanahy iray ihany no nanaovana Batemy antsika rehetra, mba ho vatana iray ihany isika, na Jody na Jentily, na mpanompo na tsy mpanompo ary Fanahy iray ihany no nampisotroana antsika rehetra. Koa ny vatana dia tsy rantsam-batana iray ihany, fa maro.

[Raha ny tongotra hanao hoe: tsy isan’ny vatana aho, satria tsy tanana, dia izany ve no tsy haha-isan’ny vatana azy? Ary raha ny sofina hanao hoe: tsy isan’ny vatana aho, satria tsy maso, dia izany ve no tsy haha-isan’ny vatana azy? Raha maso avokoa ny vatana, inona indray no ho fandrenesana? Ary raha fandrenesana avokoa, inona indray no ho fanamboloana? Rantsam-batana maro anefa no efa nalahatr’Andriamanitra eo amin’ny vatana, araka izay itiavany azy avy. Ka raha rantsam-batana iray ihany izy rehetra, aiza ny vatana? Koa maro àry ny rantsam-batana, fa iray ihany ny vatana. Ny maso tsy mahazo manao amin’ny tanana hoe: tsy mila anao aho; ny loha tsy mahazo manao amin’ny tongotra hoe: tsy mila anareo aho. Fa ny rantsam-batana izay miseho ho malemilemy kokoa aza no vao mainka ilaintsika kokoa; ary ny rantsam-batana izay ataontsika ho kely voninahitra kokoa aza no omentsika voninahitra bebe kokoa. Koa ny tsy misy hajany ao amintsika no hajaintsika kokoa; fa izay mendrika rahateo tsy mila izany. Satria tamin’ny nanaovan’Andriamanitra ny vatana, dia izay kely voninahitra kokoa no nalahany homena voninahitra bebe kokoa, mba tsy hisy fisarahana eo amin’ny vatana, fa mba hifanasoa avokoa ny rantsam-batana rehetra. Koa raha mijaly ny rantsam-batana iray, dia miara-mijaly avokoa ny rantsam-batana rehetra; fa raha mahazo voninahitra kosa ny rantsam-batana iray, dia miara-mifaly ny rantsam-batana rehetra]. Ianareo no vatan’i Kristy, ka samy rantsam-batany manaraka ny laharany tsirairay avy.

[Ao amin’ny Eglizy dia izao no nandaharan’Andriamanitra ny sasany: voalohany Apôstôly, faharoa mpaminany; fahatelo mpampianatra; manaraka izany dia ireo nahazo fanomezana hanao fahagagana, hanasitrana ny marary, hanampy, hitondra, hiteny fiteny samihafa tsy fantatra, handika teny. Moa Apôstôly izy rehetra? Moa mpaminany izy rehetra? Moa mpampianatra izy rehetra? Moa manao fahagagana izy rehetra? Moa nahazo fanomezana hanasitrana izy rehetra? Moa miteny fiteny samihafa tsy fantatra izy rehetra? Moa mandika teny izy rehetra?]

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Nirahin’ny Tompo hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Aho ary hilaza fahafahana amin’ny mpifatotra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 1, 1-4; 4, 14-21

Tanteraka androany izany Soratra izany.

Noho ny maro efa nanoratra ny tantaran’ny zavatra inoana tokoa amintsika sy noraisintsika tamin’ny vavolombelona sady nahita maso no mpitory teny hatramin’ny voalohany, dia nataoko fa mety koa, rehefa niala nenina aho hahalala tsara ny zavatra rehetra hatramin’ny niandohany, ny hanoratra azy milamina tsara ho anao, ry Teôfily manan-kaja, mba ho fantatrao fa marina tokoa izay nampianarina anao.

Indray andro i Jesoa, dia nentin’ny herin’ny Fanahy niverina tany Galilea indray, ary niely tamin’ny manodidina rehetra ny lazany. Nampianatra tao amin’ny sinagôgan’izy ireo Izy, ka nankalazain’izy rehetra. Nony tonga tany Nazareta tanàna nahabe Azy Izy, dia niditra tao amin’ny sinagôga araka ny fanaony tamin’ny andro sabata, ary nitsangana hanao ny famakian-teny. Natolotra Azy ny bokin’i Izaia mpaminany, ka nony novelariny dia hitany ny teny voasoratra hoe: “Ato amiko ny Fanahin’ny Tompo, fa nanosotra Ahy hitory teny soa mahafaly amin’ny malahelo Izy sy naniraka Ahy hankahery ny torotoro fo, hilaza fahafahana amin’ny mpifatotra sy fahiratana amin’ny jamba, hanafaka izay nampahorîna ary hitory ny taom-pahasoavan’ny Tompo sy ny andron’ny famaliana”. Nony nahorony ny boky dia naveriny tamin’ny mpitandrina ka nipetraka Izy, ary nifantoka tany aminy avokoa ny mason’izy rehetra tao amin’ny sinagôga. Dia rafitra niteny taminy indray i Jesoa nanao hoe: “Androany no efa tanteraka eo amin’ny sofinareo izany Soratra izany”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Asiana IZAHO MINO...

 

Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, notantarain’i Md. Lioka teo ny fanombohan’ny fitoriana ny Evanjely. Roa arivo taona aty aoriana, dia marobe ny olombelona mbola tsy nandairany. Koa mivavaha mba ho tonga eran-tany sy hampivoatra ny fiainan’ny olona rehetra ny Evanjely.

Valy: Arotsahy aminay ny fahazavanao sy ny fahamarinanao.

* «Torîna amin’ny mahantra ny Evanjely», hoy ny teny rentsika teo; koa mivavaha mba hitory azy mandrakariva, sy hankeo amin’ny mahantra tokoa ny Pretra sy ny mpikatroka rehetra.
* Olona an’aliny sy ana hetsiny no noana sy tsy ampy fivelomana; koa mivavaha ho an’ireo tompon’andraikitra eo amin’izao tontolo izao mba ho fitiavana fa tsy pôlitika no hitadiavany fanafodin’izany.
* Mifanolosolo ny olombelona eto an-tany, koa mivavaha ho an’ny zokiolona mba hankasitrahany ny fanirian’ny tanora ara-drariny; mivavaha koa ho an’ny tanora mba hitokiany an’ireo manabe azy.
* Fahavaratra aty amin’ny atsimo amin’ny tany tontolo, ririnina any amin’ny tapany avaratra; koa mivavaha ho an’ireo tsy misy mpiahy, tsy manan-trano hialofana, tsy manan-damba hotafiana, ary mba hatoron’Andriamanitra antsika sy hotanterahintsika izay mety ho vitantsika.
* Isika tafangona isan’alahady, dia afaka manovo hery ara-panahy; koa mivavaha mba ho fitiavana no vokatry ny fivavahantsika; ary mivavaha koa ho an’ireo tsy tafangona rehetra.

 

— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.

 

Jesoa Tompo ô, ny iray tanàna aminao no voalohany nitorianao teny, koa omeo hery izahay hijoro ho vavolombelona manambara Anao eo amin’ireo mifanerasera aminay isan’andro.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.

 

Vavaka Fanolorana

Mba raiso ary ankasitraho, ry Tompo, ireto fanatitra ireto, hanamasina anay sy hahavonjy anay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Prefasy: Alahady tsotra III, ohatra.

 

Kômonio

Sal. 33, 6

Manantenà ny Tompo, ary itafio ny fahazavany, dia tsy hangaihay intsony ianareo.

 

na hoe:

Jo. 8, 12

Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, hoy ny Tompo. Izay manaraka Ahy tsy mba mandeha amin’ny maizina, fa hamirapiratan’ny fiainana.

 

Vavavaka aorian’ny Kômonio

Mitalaho an-tanan-droa aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary, fa nahazo aim-baovao avy aminao izahay, ka enga anie hifaly mandrakariva amin’ny fanomezanao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0081