Sorona Masina ny Alarobia 23 janoary 2019

Herinandro faha-2 mandavantaona

ALAROBIA

 

Tononkira fidirana

Sal. 65, 4

 

Andriamanitra ô, hiankohoka aminao anie ny tany tontolo, ary hidera Anao sy hiantsa ny Anaranao, ry Avo indrindra.

 

Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, Tompo mandidy sy manapaka ny tany aman-danitra Ianao; koa mba henoy izahay vahoaka mitalaho aminao ary fenoy ny fiadananao ny andro iainanay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

 

Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Boky voalohan’i Samoela

1 Sam. 17, 32-33. 37. 40-51

 

Vato sy antsamotady no nanatonan’i Davida ilay Filistinina.

Tamin’izany andro izany: Izao no nolazain’i Davida tamin’i Saola: “Aza misy mamoy fo ny olona fa andeha hiady amin’io Filistinina io ny mpanomponao.” Fa hoy i Saola tamin’i Davida: “Tsy azonao atao ny mandroso hihaona amin’io Filistinina io mba hiady aminy, fa ianao mbola zaza, izy efa lehilahy mpiady hatramin’ny fahatanorany.” Dia hoy i Davida: “Ny Tompo izay efa namonjy ahy tamin’ny liona sy ny orsa, no hamonjy ahy koa amin’ny tanan’io Filistinina io.” Ka hoy i Saola tamin’i Davida: “Andeha àry, ary homba anao anie ny Tompo.” Ny tehiny no noraisin’i Davida teny an-tanany, vato kilonjy dimy no nofantenany teny amin’ny rian-driaka sy nataony tao an-kitapo fitondran’ny mpiandry ondry, kotra fasiana haza; ary ny antsamotadiny no nataony an-tanana, dia nandroso nanatona ilay Filistinina izy. Nanatona an’i Davida tsikelikely itý Filistinina, nialohàn’ny lehilahy nitondra ny ampingany. Nijery ilay Filistinina ka nahita an’i Davida, ary naneso azy, fa tanora kely mena volo ary tsara tarehy. Hoy ilay Filistinina tamin’i Davida: “Fa izaho angaha alika no tehina no hankanesan’ialahy atý amiko?” Dia nanozona an’i Davida amin’ireo andriamaniny ilay Filistinina. Ary hoy ilay Filistinina tamin’i Davida hoe: “Mankanesa atý amiko ange ialahy, raha tsy omeko ny voro-manidina sy ny biby any an-tsaha ny nofon’ialahy e!” Fa hoy kosa ny navalin’i Davida an’ilay Filistinina: “Ianao manatona ahy amin’ny sabatra aman-defona sy lefom-pohy, fa izaho kosa manatona anao amin’ny anaran’ny Tompon’ny tafika, ny Andriamanitry ny foloalindahin’i Israely, izay notsiratsirainao. Anio dia hatolotry ny Tompo eo an-tanako ianao, ka hasiako ianao, ary hoesoriko eo amboninao ny lohanao; anio dia homeko ny voro-manidina any an-danitra sy ny bibin’ny tany ny fatin’ny tafiky ny Filistinina, ka ho fantatry ny tany rehetra fa manana Andriamanitra i Israely; ary ho fantatr’izao vahoaka rehetra izao fa tsy sabatra na lefona no amonjen’ny Tompo, fa azy ny ady, ka efa natolony eo an-tananay ianareo.” Nitsangana ilay Filistinina dia niainga nandroso hitsena an’i Davida, dia nohazakazahin’i Davida nohatonina teo amin’ny laharan’ny miaramila koa izy, ka natsofok’i Davida tao anatin’ny kotrany ny tanany, notsoahany avy tao ny vato iray, ary nalefany tamin’ny antsamotady. Nahavoa ilay Filistinina tamin’ny handriny izy, sady niletra tamin’ny handriny ny vato, ka lavo niankohoka tamin’ny tany izy. Nahomby noho ilay Filistinina izany i Davida tamin’ny antsamotady iray sy ny vato iray, dia novonoiny ho faty ilay Filistinina. Tsy nisy sabatra teny an-tanan’i Davida. Nihazakazaka i Davida dia niato teo akaikin’ilay Filistina ary nalainy ny sabany, notsoahany tamin’ny tranony, ka namonoany azy sy nanapahany ny lohany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 143, 1. 2. 9-10.

 

Fiv.: Isaorana ny Tompo vatolampiko.

Isaorana ny Tompo vatolampiko, Ilay mampianatra ny tanako hamely, ny sandriko hiady!
Ilay Fialofako sy Toera-mafy ho ahy. Fiarovana avo ho ahy sy Mpanafaka ahy! Ilay Ampinga sy aroko, mampietry vahoaka maro ho eo ambaniko.
Andriamanitra ô, hira vao no hiraiko aminao! Valiha tory folo no iantsàko Anao! Ianao Ilay manome Fandresena ny Mpanjaka, sy manafaka an’i Davida mpanomponao!

 

Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio

Heb. 7, 1-3. 15-17

 

Ianao dia Mpisorona mandrakizay araka ny fanaon’i Melkisedeka.

Ry kristianina havana, io Melkisedeka io, izay mpanjakan’i Salema, mpisoron’ny Avo indrindra, nitsena an’i Abrahama fony izy avy nandresy mpanjaka maro, nitso-drano azy, notoloran’i Abrahama ny ampahafolon’ny babony rehetra; — “mpanjakan’ny fahamarinana” no hevitr’anarany voalohany, vao “mpanjakan’i Salema” koa, izany hoe “mpanjakan’ny fiadanana”; tsy ray tsy reny izy, tsy nanana tantaram-pirazanana izy, tsy voalaza andro niandohana na niafaram-piainana — ka nampitoviana tamin’ny Zanak’Andriamanitra, dia mitoetra ho mpisorona mandrakizay. Vao mainka hita mihamazavazava kokoa indray izany, rahefa nisy Mpisorona hafa tokoa niseho tahaka an’i Melkisedeka: tsy mba voatendry araka ny didin’ny Lalàna momba ny nofo, fa araka ny herin’ny fiainany tsy manam-pahataperana, fa toy izao no anambaràna azy: “Ianao no Mpisorona mandrakizay araka ny fomban’i Melkisedeka.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Setriny

Salamo 109, 1. 2. 3. 4.

 

Fiv.: Ianao dia mpisorona mandrakizay araka ny fanaon’i Melkisedeka.

Tenin’ny Tompo amin’ny Tompoko: «Mipetraha ankavanako, mandra-panaoko ny fahavalonao ho fitoeran-tongotrao!»
Ny tehinao mahery ahinjitry ny Tompo: «Avy ao Siôna, manjakà hatr’anivom-pahavalo!»
Fa Anao ny fiandrianana hatramin’ny andro nahaterahanao! Fa Izaho niteraka Anao teo am-Bohitra Masina: toy ny mazava atsinanana miteraka ny ando!
Hoy ny fianianan’ny Tompo ka tsy hanenenany: «Ianao mpisorona mandrakizay araka ny fanaon’i Melkisedeka!»

 

Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Velomy araka ny hatsaram-ponao aho, mba hitandremako ny Fanambarana avy amin’ny vavanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 3, 1-6

 

Inona no mety hatao ny sabata: ny mamonjy aina sa ny mamono?

Indray Sabata, i Jesoa niditra tao amin’ny Sinagôga, ary nisy lehilahy anankiray maty tanana an’ila tao. Ary nizaha taratra Azy ny sasany na hanasitrana an’io amin’ny sabata Izy na tsia, mba hiampangany Azy. Dia hoy Izy tamin’ilay lehilahy maty tanana: “Mitsangàna etsy afovoany.” Ary hoy koa Izy tamin’ny olona: “Inona no mety hatao amin’ny sabata, ny soa sa ny ratsy, ny mamonjy aina sa ny mamono?” Fa tsy niteny tsy nivolana izy ireo. Dia nijery azy rehetra tamin-katezerana Izy, sy nalahelo noho ny hajamban’ny fony, ary nilaza tamin-dralehilahy hoe: “Ahinjiro ny tananao.” Dia nahinjiny, ka sitrana ny tanany. Ary lasa nivoaka ny Farisianina: ka niaraka tamin’izay dia niara-nihevitra tamin’ny Herôdianina hanao izay hahavoazana Azy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Vavaka Fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, ampio hazoto manolotra tsara izao mistery izao satria isaky ny mankalaza sy mahatsiaro izany izahay dia mahazo ny vokatry ny fanavotanao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

 

Kômonio

Sal. 22, 5

Norosoanao sakafo aho, ry Tompo, ary mamiko loatra ny kapoaka fisotroako.

 

Na hoe:

1 Jo. 4, 16

Isika efa nankalaza sy nino ny fitiavan’Andriamanitra antsika.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Arotsahy ao aminay, ry Tompo, ny Fanahinao Fitiavana; ka enga anie ireo nofahananao tamin’ny mofo iray mba hiray fo tanteraka entanin’ny fitiavana.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


 
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0166