Sorona Masina ny Alahady 20 janoary 2019

ALAHADY FAHA-2 mandavantaona — D

NY HAHASAMBATRA ANTSIKA NO SITRAK’ANDRIAMANITRA

Tononkira fidirana

Sal. 65, 4

Andriamanitra ô, hiankohoka aminao anie ny tany tontolo, ary hidera Anao sy hiantsa ny Anaranao, ry Avo Indrindra.


Asiana VONINANITRA ANIE...


Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, Tompo mandidy sy manapaka ny tany aman-danitra Ianao; koa mba henoy izahay vahoaka mitalaho aminao ary fenoy ny fiadananao ny andro iainanay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’i Izaia Mpaminany

Iz. 62, 1-5

Mamalifaly ny mpampakatra ny ampakarina.

Noho ny amin’i Siôna, tsy hangina Aho, ary noho ny amin’i Jerosalema, tsy hiala sasatra Aho, mandra-piposaky ny fahamarinany, hoatra ny hazavan’ny maraina; sy mandra-pamirapiratry ny famonjeny, hoatra ny fanilo. Hahita ny fahamarinanao ny firenena, hahita ny voninahitrao ny mpanjaka rehetra, ka hantsoina amin’ny anaram-baovao ianao, izay nofidin’ny vavan’ny Tompo. Ho satro-boninahitra eo an-tanan’ny Tompo ianao, sy ho hamàman’andriana eo an-tanan’ny Andriamanitsika. Tsy hisy intsony hanao anao hoe i Nafoy; ary tsy hisy intsony hiantso ny taninao hoe i Faharinganana. Fa ny hiantsoana anao dia ny hoe i Ankasitrahiko; sy ny taninao i Vady ampakarina. Satria ny Tompo hankasitraka anao; ary ny taninao hahazo vady. Tahaka ny ampakaran’ny zatovo ny virjiny ho vadiny, no hampakaran’ny zanakao anao; ary tahaka ny hamalifalian’ny ampakarina ny mpampakatra, no hamalifalianao ny Andriamanitrao.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Salamo fandinihana

Sal. 95, 1-2a. 2b-3. 7-8a. 9-10a sy 10d.


Fiv.: Ambarao ny vahoaka rehetra ny asa mahagaga vitan’ny Tompo.

Ihirao hira vao ny Tompo, ihirao ny Tompo, ry tany tontolo. Isan’andro isan’andro tsy tapaka.
Torio ny famonjeny mahafaly. Ambarao ny firenena ny voninahiny, ny asany mahagaga lazao ny vahoaka.
Omeo ny Tompo, rey fokom-pirenena, omeo Azy ny voninahitra sy ny hery, eny, omeo ny Tompo ny voninahitry ny Anarany.
Iankohofy ny Tompo amim-panamiana masina. Mangovita eo anoloany, ry tany tontolo, ilazao ny firenena: «Manjaka ny Tompo! ny vahoaka tsarainy araka ny hitsiny!»


VAKINTENY MASINA FAHAROA

Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty

1 Kôr. 12, 4-11


Samy nomena ny fahasoavana maneho ny Fanahy izy tsirairay avy.

Ry kristianina havana, maro samihafa ny fanomezana, nefa iray ihany ny Fanahy; maro samihafa ny fanompoana nefa ny Tompo iray ihany; ary maro samihafa ny asa, nefa iray ihany Andriamanitra, izay manao ny zavatra rehetra amin’ny olona rehetra. Samy omena ny fanomezana maneho ny Fanahy izy tsirairay avy, mba hahasoa ny be sy ny maro. Fa ny anankiray omen’ny Fanahy teny fahendrena, ny anankiray teny fahalalana, araka io Fanahy io ihany; ny anankiray finoana, araka io Fanahy io ihany; ny anankiray fahazoa-manasitrana, mbola avy amin’io Fanahy io ihany koa; ny anankiray, ny manao fahagagana; ny anankiray, ny maminany; ny anankiray, ny mahafantatra ny fanahy samihafa; ny anankiray, ny miteny fiteny samihafa, ary ny anankiray, ny mandika teny. Fanahy iray ihany anefa no manao izany rehetra izany, sy mizarazara azy amin’ny isan’olona, araka ny sitra-pony.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Tonga nofo ny Teny, ka nonina taty amintsika; ary amin’ny alalany dia tonga zanak’Andriamanitra izay rehetra mandray Azy.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 2, 1-12

Izany nataon’i Jesoa tany Kanà any Galilea izany no santatry ny famantarana nataony.

Tamin’izany andro izany, dia nisy fampakaram-bady tany Kanà any Galilea, ary tao ny Renin’i Jesoa. I Jesoa sy ny mpianany koa dia nasaina tao amin’ny fampakaram-bady. Nony inona, lany ny divay ka hoy ny Renin’i Jesoa taminy: “Tsy manan-divay izy ireo”. Ary hoy i Jesoa taminy: “Izaho sy ianao moa no ahoana amin’izany, ravehivavy? Tsy mbola tonga ny fotoako”. Dia hoy ny Reniny tamin’ny mpanompo: “Ataovy izay rehetra holazainy aminareo”. Ary nisy siny vato enina teo, fidiovana araka ny fanaon’ny Jody, nahalany rano indroa na intelon’ny famarana avy, ka hoy i Jesoa tamin’izy ireo: “Fenoy rano ireo siny ireo”. Dia nofenoiny hatramin’ny molony. Ary hoy i Jesoa taminy: “Tovozy amin’izao, ka ento amin’ny mpandahatra ny fanasana”. Dia nentiny. Vao nanandrana ny rano voaova ho divay ny mpandahatra ny fanasana (izay tsy nahalala ny niaviany, fa ny mpanompo nanovo ny rano no nahalala), dia niantso ny mpampakatra ka nanao taminy hoe: “Ny an’ny olona rehetra, dia ny divay tsara no arosony aloha, ary rehefa nisotro be ny olona vao arosony izay tsy tsara loatra; fa ny anao kosa, dia ny divay tsara indray no notahirizinao mandraka ankehitriny”.

Izany nataon’i Jesoa tany Kanà any Galilea izany no santatry ny famantarana nataony; naneho ny voninahiny Izy ka nino Azy ny mpianany. Ary rehefa afaka izany, dia nidina nankany Kafarnaôma Izy sy ny Reniny mbamin’ny rahalahiny sy ny mpianany; nefa tsy nitoetra ela tao izy ireo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Asiana IZAHO MINO...


Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, amin’izao fahatsiarovana ny zava-mahagaga voalohany nataon’i Jesoa noho ny fangatahan’ilay Reniny be fitiavana nahatsikaritra ny ilain’ny olona izao, dia hiara-mivavaka isika ho an’ny olombelona rehetra hahazoany vonjy amin’izay rehetra manjo sy hitomboany hasambarana hatrany.

Valy: Ampio izahay, Tompo ô, hatoky ny fitiavanao anay e.

* Tian’i Jesoa sady malalany ny Eglizy, hoy i Md. Paoly; koa mivavaha mba hody hasambarana ny ahiahy, hody fahombiazana ara-pivavahana ny zava-manahirana, ary hody ventiny ny rano antsakainy.
* Sitrak’Andriamanitra ny haha-fianakaviam-be ny olona iray firenena; koa mivavaha ho an’ny mpitondra mba hahaizany mampifandrindra ny talenta samihafa ho an’ny soa iombonana, ka hahasambatra ny isam-pianakaviana sy isam-batan’olona.
* Tsy ny hanin-kohanina ihany no ilain’ny olombelona, fa ny fialam-boly sy ny fahafinaretana; koa angataho i Jesoa nanome divay tany Kanà mba hanolotra hasambarana ny mijaly rehetra.
* Mivavaha ho an’ny tanora rehetra miomana hanorina tokantrano na ireo efa manana ny antenainy, na ireo mbola miandry izay ho anjarany, mba samy hohazavain’Andriamanitra izy sy hotarihiny lalana.
* Misy ela naniriana hanorina tokantrano, nefa tsy hanana na oviana na oviana; koa mivavaha mba hisy hafaliana sy andraikitra hafa, hamenoany fitiavana ny fiainany sy hifampizarany hasambarana amin’ny mpiara-belona.
* Rehefa miray fanahy sy miray saina ny tokantrano sy ny fianakaviana, vao afaka ho sambatra miara-mampiseho ny finoana sy miara-miasa. Koa mivavaha ho an’ny mpiandraikitra ny tokantrano kristianina sy ho an’ny fianakaviantsika tsirairay.


— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.


Tompo ô, tsy misy ataonao tsinontsinona, ary tsy misy ataonao tsirambina izay rehetra mety hahasambatra ny olombelona, ka feno toky izahay mangataka aminao: mba omeo ny soa ilaina eto an-tany, indrindra mba ataovy sambatra ho tia sy hotiavina.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.


Vavaka Fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, ampio hazoto manolotra tsara izao mistery izao, satria isaky ny mankalaza sy mahatsiaro izany izahay dia mahazo ny vokatry ny fanavotanao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Alahady tsotra I, ohatra.


Kômonio

Sal. 22, 5

Norosoanao sakafo aho, ry Tompo, ary mamiko loatra ny kapoaka fisotroako.


na hoe:

1 Jo. 4, 16

Isika efa nankalaza sy nino ny fitiavan’Andriamanitra antsika.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Arotsahy ao aminay, ry Tompo, ny Fanahinao Fitiavana; ka enga anie ireo nofahananao tamin’ny mofo iray, mba hiray fo tanteraka entanin’ny fitiavana.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0083