Sorona Masina ny Talata 15 janoary 2019

Herinandro voalohany mandavantaona

TALATA


Tononkira fidirana

 


Teny amin’ny lanitra mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana no nahitako an’ilay Lehilahy tsaohin’ny Anjely alinkisa amin’ny feo indray mihira hoe: Intý ilay nomena ny fahefana mandrakizay mandrakizay.


Fangatahana

Ry Tompo mora fo ô, henoy ny firarianay vahoaka mitalaho aminao, mba hahita izay tokony hatao izahay ka hazoto hanatanteraka izany.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio

Heb. 2, 5-12


Mendrika Azy ny handavorary ao amin’ny fijaliany Ilay iavian’ny famonjena.

Tsy mba Anjely no nametrahan’Andriamanitra eo ambaniny izao fiainan-ko avy lazainay izao. Fa amin’ny andininy anankiray any ho any misy koa filazana manao hoe: “Inona moa ny olombelona no ahatsiarovanao azy; ary izay zanak’olombelona no amangianao azy? Nataonao ambany vetivety noho ny Anjely izy; dia nosatrohanao voninahitra sy fiandrianana ary napetrakao ambonin’ny asan-tananao, ka nataonao eo ambany tongony ny zavatra rehetra.” Raha nametraka ny zavatra rehetra teo ambaniny Izy, dia tsy nisy zavatra navelany tsy eo ambaniny mihitsy. Fa izao anefa tsy mbola hitantsika: natao ambaniny avokoa ny zavatra rehetra; fa Ilay natao ambany vetivety noho ny Anjely, dia Izy Jesoa no hitantsika nosatrohana voninahitra sy fiandrianana noho ny fahafatesana niaretany; fa noho ny fahasoavan’Andriamanitra dia nanandrana ny fahafatesana mba hamonjy ny olombelona rehetra Izy. Fa mendrika an’Ilay antony sy fototry ny zavatra rehetra, izay mitondra zanaka betsaka ho any amin’ny voninahitra, ny nandavorary ao amin’ny fijaliana Ilay iavian’ny famonjena an’ireo. Satria fototra iray ihany no niavian’izy rehetra, na ny manamasina na ny hamasinina, hany ka tsy mahamenatra Azy ny miantso azy ireo hoe rahalahy, araka ny teniny hoe: “Hitory ny Anaranao amin’ny rahalahiko Aho, hankalaza Anao eo afovoan’ny Eglizy Aho.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 8, 2a sy 5. 6-7. 8-9.


Fiv.: Ny asan-tananao nomenao hanjakan’ny Zanakao.

Intý aho hihira ny fiandriananao ambony sy madera manoatra noho ny lanitra. Fa inona ny olona no mba tsiahivinao? Ny zanak’olombelona, he tsimbininao!
Fa lasa ambany kely noho Andriamanitra izy, heni-boninahitra izy nasondrotrao. Ny asan-tananao foinao hozakainy, ny zavatra rehetra eo ambany fiadidiany.
Dia omby aman’ondry omban’ny bibidia, ny biby izay mandady sy mandia izany tany. Ny vorona eny an-danitra sy trondron-dranomasina izay miriaria sy mifaly eny ambony onja.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ampianaro ahy, ry Tompo, ny lalanao, ary tariho ho amin’ny lala-mahitsy aho.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 1, 21-28


Nampianatra azy ireo, toy ny manana fahefana Izy.

Indray sabata, raha tonga tao an-tanànan’i Kafarnaôma i Jesoa sy ireo nanara-dia Azy, dia niditra tao amin’ny sinagôga, ary nampianatra azy ireo Izy. Dia gaga izy ireo tamin’ny fampianarany, satria nampianatra azy toy ny manana fahefana Izy, fa tsy tahaka ny mpanora-dalàna. Ary tao amin’ny sinagôgany, dia nisy lehilahy anankiray azon’ny fanahy maloto, ary niantso mafy izy nanao hoe: “Mifampaninona izahay sy Ianao, ry Jesoa avy any Nazareta? Tonga hampahita loza anay va Ianao? Fantatro raha Ianao, dia ilay Masin’Andriamanitra.” Fa nandrahona azy i Jesoa nanao hoe: “Mangina, ary mivoaha amin’io lehilahy io.” Ary ny fanahy maloto nampifanintontsintona azy, dia niantso tamin’ny feo mahery ka nivoaka taminy. Gaga ny olona rehetra ka nifampilaza hoe: “Inona itý? Fampianarana vaovao inona re itý? fa ny fanahy maloto avy no didiany ka manaiky Azy.” Dia niely eran’i Galilea rehetra ny lazany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Ho sitrakao anie, ry Tompo, ny tolotra ataonay vahoakanao, ka sady hampandroso fahamasinana anay no hampahazo izay angatahinay amim-pitokiana.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 35, 10

Ao aminao, ry Tompo, ny loharanon’aina; ny hazavanao no ahitanay hazavana.


na hoe :

Jo. 10, 10

Tonga Aho, mba hananan’ny ondry ny fiainana sady hananany azy be dia be, hoy ny Tompo.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Ry Andriamanitra Andriananahary ô, efa nomenao hery tamin’ny Sakramentanao izahay, ka mitalaho an-tanan-droa aminao: enga anie mba hanao izay mahafaly Anao ary hanompo Anao amin’ny toetra mendrika.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0083