Sorona Masina ny Alatsinainy 14 janoary 2019

Herinandro voalohany mandavantaona

ALATSINAINY


Tononkira fidirana


Teny amin’ny lanitra mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana no nahitako an’ilay Lehilahy tsaohin’ny Anjely alinkisa amin’ny feo indray mihira hoe: Intý ilay nomena ny fahefana mandrakizay mandrakizay.


Fangatahana

Ry Tompo mora fo ô, henoy ny firarianay vahoaka mitalaho aminao, mba hahita izay tokony hatao izahay ka hazoto hanatanteraka izany.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Boky voalohan’i Samoela

1 Sam. 1, 1-8


Nankaloza an’i Annà ny rafivaviny satria nataon’ny Tompo momba izy.

Nisy lehilahy anankiray tany Ramataima-Sofima, any amin’ny tendrombohitr’i Efraima, atao hoe Elkanà, zanak’i Jerohana, zanak’i Elio, zanak’i Taoho, zanak’i Sofa: Efrateana izy io. Nampirafy izy ka i Annà no anaran’ny vadiny anankiray, ary Fenenà kosa ny anankiray. Nanan-janaka i Fenenà fa i Annà kosa tsy mba nanan-janaka. Niakatra avy any an-tanànany isan-taona ralehilahy io, hivavaka amin’ny Tompon’ny tafika sy hanatitra sorona aminy any Silao. Ary tao ny zanak’i Helî, roa lahy, dia i Ofni sy Finea, mpisoron’ny Tompo. Tamin’ny andro nanateran’i Elkanà sorona, dia samy nomeny anjara avy i Fenenà vadiny, sy ny zanany lahy aman-janany vavy ary i Annà nomeny anjaran-droa satria tiany i Annà, ary nataon’ny Tompo momba. Sady nankalozain’itý rafiny mafy izaitsizy koa izy, mba hampalahelo azy amin’ny nanaovan’ny Tompo azy momba. Ary toy izany no nataon’i Elkanà isan-taona isaka ny iakaran’i Annà any an-tranon’ny Tompo, fa nampijalin’i Fenenà toy izany ihany koa izy. Ary tamin’izany dia nitomany izy sy tsy nihinan-kanina. Hoy i Elkanà vadiny taminy: “Ry Annà ô, ahoana no itomanianao sy tsy ihinananao hanina? Ary nahoana no malahelo ny fonao? Tsy mihoatra noho ny zanaka folo lahy va aho, ho anao?”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 115, 12-13. 14-17. 18-19


Fiv.: Aminao, ry Tompo, no hanolorako fanati-pisaorana.

na: Tsy hitsahatra hidera, hidera Anao ny foko

Koa inona no havaliko ny Tompo, fa maro dia maro ny soa nataony? Halaiko ny kalisim-pamonjena, hantsoiko ny Anaran’ny Tompontsika.
Hefaiko ny voady izay nolazaiko, hefaiko anatrehan’ny firenena. Tsy zakan’ny Tompo tokoa anie ny hoe hahafaty izay mino Azy.
Ry Tompo ô, satria aho mpanomponao, satria aho mpanompo mahatoky Anao, fa zanaka mpanompovavinao dia indro ny gadrako esorinao.
Hanatitra sorom-pisaorana aho, hiantsoako amin’ny foko ny Anaranao. Hefaiko ny voadiko taminao, efaiko anatrehan’ny firenena. Efaiko ao an-kianjan’ny Tranonao, ao Jerosalema tanànanao.


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Taratasy ho an’ny kristianina Hebrio

Heb. 1, 1-6


Tamin’ny alalan’ny Zanany no nitenenan’Andriamanitra tamintsika.

Fahiny, tamin’ny fotoana sy ny fomba samihafa, dia efa niteny tamin’ny razantsika Andriamanitra, tamin’ny vavan’ny Mpaminany; fa amin’izao andro farany izao kosa indray, dia tamin’ny Zanany no nitenenany tamintsika, dia ilay notendreny ho mpandova ny zavatra rehetra, sy nahariany an’izao tontolo izao. Io Zanany io izay famirapiratan’ny voninahiny, sy mariky ny Tenany, ary manohana ny zavatra rehetra amin’ny herin’ny Teniny, dia mipetraka eo ankavanan’ny fiandrianany masina any amin’ny avo indrindra nony avy nanao ny fanadiovana ny fahotantsika, ka natao ambonin’ny Anjely, arakaraka ny fahambonian’anarana nolòvany, fa tsy tahaka ny azy ireo. Fa Anjely iza no mba nilazan’Andriamanitra hoe: “Zanako ianao, Izaho no niteraka Anao androany?” sy ny hoe: “Izaho ho Rainy, ary Izy ho Zanako?” Ary rahefa mampiditra ny Lahimatoa atý ambonin’ny tany indray Izy, dia manao hoe: “Aoka hitsaoka Azy ny Anjelin’Andriamanitra rehetra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 96, 1 sy 2b. 6 sy 7d. 9.


Fiv.: Miankohofa aminy, ry Anjeliny rehetra.

Aoka hifaly izany tany fa manjaka izao ny Tompo! E! ny rariny sy ny hitsiny, ijoroany ao an-drova.
Fahamarinany no tian’izany lanitra hambara; voninahiny tazano hita mason’ny vahoaka: ny andriamanitra rehetra miankohoka avokoa!
Ianao manerinerina mifehy ny tontolo, Andriamanitra mahery sy ambony tsisy fetra.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Sambatra ireo mitana ny tenin’Andriamanitra amin’ny fo tsara sy mahitsy, ka mitandrina azy sy mamoa amin’ny faharetana.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Marka

Mk. 1, 14-20


Mibebaha ianareo ary minoa ny Evanjely.

Nony natao an-tranomaizina i Joany, dia nankany Galilea i Jesoa nitory ny Evanjelin’ny fanjakan’Andriamanitra, ka nanao hoe: “Tonga ny fotoana, ary efa akaiky ny fanjakan’Andriamanitra; mibebaha ianareo ary minoa ny Evanjely.” Nony nandalo teny amoron-dranomasin’i Galilea Izy, dia nahita an’i Simôna sy i Andre rahalahiny nanarato teo amin’ny ranomasina, fa mpanarato izy ireo. Ary hoy i Jesoa taminy: “Andeha hanaraka Ahy, fa hataoko mpanarato olona ianareo.” Dia nandao ny haratony niaraka tamin’izay izy ireo, ka nanaraka Azy. Nony nandeha kelikely Izy, dia nahita an’i Jakôba zanak’i Zebede sy i Joany rahalahiny, izay teo an-tsambo kely koa nanamboatra ny haratony. Dia niantso azy niaraka tamin’izay Izy, ka nilaozan’izy mirahalahy teo an-tsambo keliny i Zebede rainy sy ny mpikaramany, fa lasa nanaraka an’i Jesoa izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Ho sitrakao anie, ry Tompo, ny tolotra ataonay vahoakanao, ka sady hampandroso fahamasinana anay no hampahazo izay angatahinay amim-pitokiana.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 35, 10

Ao aminao, ry Tompo, ny loharanon’aina; ny hazavanao no ahitanay hazavana.


na hoe :

Jo. 10, 10

Tonga Aho, mba hananan’ny ondry ny fiainana sady hananany azy be dia be, hoy ny Tompo.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Ry Andriamanitra Andriananahary ô, efa nomenao hery tamin’ny Sakramentanao izahay, ka mitalaho an-tanan-droa aminao: enga anie mba hanao izay mahafaly Anao ary hanompo Anao amin’ny toetra mendrika.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.008