Sorona Masina ny Alarobia 12 desambra 2018

Herinandro faharoa - Fahatongavan’ny Tompo

ALAROBIA

Tononkira fidirana

Hab. 2, 3 ; 1 Kôr. 4, 5


Ho avy ny Tompo ary tsy ho ela intsony, hiseho amin’ny firenena rehetra Izy, dia hampiharihary izay nafenin’ny haizina.


Fangatahana

Ry Andriamanitra Andriananahary ô, nasainao nanomana ny lalan-komban’i Kristy izahay, ka mba iantrao: aza avela ho reraky ny rofy isan-karazany, fa miandry ilay Mpitsabo avy any an-danitra tonga hanamaivana ny fahorianay.

Fa Izy Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Bokin’i Izaia Mpaminany

Iz. 40, 25-31


Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra manome hery an’izay sasatra.

Iza àry no hampitovinareo Ahy, ka ho tahaka azy Aho, hoy ilay Masina? Asandrato ny masonareo amin’ny eo ambony, ka mijere. Iza no nahary ireo zavatra ireo? Dia izay mampandeha milahatra ny tafik’ireo, sy miantso azy rehetra amin’ny anarany avy, ary noho ny haben’ny heriny sy ny hafatratry ny tanjany, tsy misy midify ireny na dia iray aza.

Nahoana ianao, ry Jakôba, no milaza, ary ianao koa, ry Israely, no miteny hoe: “Miafina amin’ny Tompo ny lalako, ary takona eo anatrehan’Andriamanitra ny rariny ananako?” Tsy fantatrao va? Tsy renao va? Andriamanitra mandrakizay ny Tompo, izay namorona ny faran’ny tany; izay tsy mba mety sasatra na vizana ary tsy takatry ny saina ny fahendreny. Manome hery an’izay sasatra Izy ary mampitombo tanjaka an’izay reraka. Ny zatovo mety sasatra sy vizana, ary ny tovon’olona mety hangozohozo. Fa izay miankina amin’ny Tompo kosa, mahazo hery vaovao; hisidina avo toy ny voromahery; hihazakazaka, tsy hahalala sasatra; handeha fa tsy hahatsiaro vizana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 102, 1-2. 3-4. 8 sy 10


Fiv.: Isaory ny Tompo, ry fanahiko.

Isaory ny Tompo, ry fanahiko; sy ny Anarany masina, ry ato anatiko rehetra. Isaory ny Tompo, ry fanahiko! Aza misy hadinoina ny soa avy aminy!
Izy ilay mamela ny helokao rehetra, manasitrana ny aretinao rehetra, manavotra ny ainao amin’ny lavaka, manototra hatsaram-po sy indrafo anao.
Mpamindra fo sy mpiantra ny Tompo, tsy malaky tezitra ary be hatsaram-po! Tsy araka ny otantsika no ataony antsika; na araka ny helotsika no avaliny antsika.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Indro ho avy ny Tompo hanavotra ny vahoakany, sambatra izay vonona ny hitsena Azy.

Aleloia.


Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 11, 28-30


Mankanesa atý amiko ianareo izay mijaly sy vesaram-pahoriana.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa niteny nanao hoe: “Mankanesa atý amiko ianareo rehetra izay mijaly sy vesaram-pahoriana, fa hanamaivana anareo Aho. Ento ny jiogako, ary mianara amiko, fa malemy fanahy sy manetry tena ao am-po Aho, dia hahita fiadanana ho an’ny fanahinareo ianareo; fa mora entina ny jiogako, ary maivana ny Hazofijaliako.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo; enga anie ho tontosa soa aman-tsara itý sorom-panompoana itý ka hiteraka izay vokatra nokendrenao tamin’ny namoronanao azy sy hahazoanay tsy misy tomika ny famonjena.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Fahatongavan’ny Tompo I


Kômonio

Iz. 40, 10 ; 34, 5

Indro fa tonga ny Tompo mahery, hampahiratra ny mason’ny mpanompony.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo mora fo: enga anie izao Kômonio masina izao handio anay ho afaka amin’ny haratsianay ka hanomana anay ho mendrika ilay androm-pifaliana ho avy.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0121