Sorona Masina ny Alatsinainy 03 desambra 2018

Herinandro voalohany - Fahatongavan’ny Tompo

ALATSINAINY

Tononkira fidirana

Jer. 31, 10 ; Iz. 35, 4


Henoy ny tenin’ny Tompo, ry firenena, ary torio any amin’ny fara vazan-tany hoe: Aza mitebiteby intsony fa ho avy ny Mpanavotra antsika.


Fangatahana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo Andriamanitray, ataovy marisika tsara miandry ny fiavian’i Kristy Zanakao, ka rahefa ho tonga handòm-baravarana Izy, dia ho tratrany mivavaka izahay miandry Azy ary mientan-karavoana mihira sy midera Azy.

Fa Izy Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Raha taona A dia azo soloina ny atsy aoriana itý.

Bokin’i Izaia mpaminany

Iz. 2, 1-5


Angonin’ny Tompo hiadana mandrakizay eo amin’ny Fanjakan’Andriamanitra ny firenena rehetra.

Teny hitan’i Izaia, zanak’i Amôsa momba an’i Jodà sy i Jerosalema. Izao no ho tonga any amin’ny andro farany: Ny tendrombohitry ny tranon’ny Tompo, hatao eo an-tampon-tendrombohitra; sy hasandratra eo ambonin’ny havoana. Ary ny firenena rehetra hirohotra ho any aminy, ary firenena maro no ho avy hilaza hoe: “Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitry ny Tompo, any an-tranon’ny Andriamanitr’i Jakôba; hampianatra antsika ny lalany Izy, ary hizotra amin’ny lalany isika.” Fa avy any Siôna no hivoahan’ny lalàna, ary avy any Jerosalema no hivoahan’ny tenin’ny Tompo. Ho mpanelanelana amin’ny vahoaka Izy, ary ho mpitsara ny firenena maro. Ny sabany hotefeny ho lela fangadin’omby, ary ny lefony ho antsy fijinjana. Ny firenena tsy hisy hanangan-tsabatra hamely ny firenena hafa, ary tsy hianatra ady intsony ny olona. Avia, ry taranak’i Jakôba, ka aoka handeha amin’ny fahazavan’ny Tompo isika.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Na: (taona A)

Bokin’i Izaia mpaminany

Iz. 4, 2-6


Ho rehareha amam-boninahitra ho an’ireo sisan’i Israely afaka ny Mesia.

Amin’izany andro izany, ny Solofon’ny Tompo ho haingo amam-boninahitra, ary ny Vokatry ny tany ho rehareha amam-piravaka, ho an’ireo sisan’i Israely afaka. Ka izay ho tafajanona ao Siôna, sy izay ho voatsimbina ao Jerosalema hantsoina hoe masina, dia izay rehetra voasoratra ao Jerosalema mba ho an’ny fiainana. Rahefa voasasan’ny Tompo ny loton’ny zanakavavin’i Siôna, ka voadiony i Jerosalema amin’ny ra izay eo afovoany, amin’ny fanahin’ny fitsarana amam-panahin’ny fandringanana, amin’izay dia hoforonin’ny Tompo eran’ny tendrombohitra Siôna manontolo, sy eo ambonin’ny fivoriany, ny rahona aman-tsetroka anankiray mandritra ny andro, ary fahazavan’ny afo midedadeda amin’ny alina. Eo ambonin’ny voninahiny rehetra dia hisy elo: fa hisy lay mba hanalokaloka, amin’ny fidaindainan’ny andro, ary ho fandosirana sy fialofana amin’ny ranonorambaratra sy ny ranonorana.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny:

Salamo 121, 1-3. 4-5. 6-7. 8-9


Fiv.: Faly aho nilazana hoe: Andeha isika ho any an-tranon’ny Tompo.

Hafaliana no nanenika ny tenako rehetra, nilazana fa hizotra ho any an-tranon’Izy Tompo. Indro tonga soa ’zahay tapitr’eto re ny dia, eto am-bavahadinao, ry Siôna tsara rindra.
Ao no miakatra ireo foko, dia ny fokon’Izy Tompo! Ao ny Anaran’Izy Tompo no derain’i Israely. Fiketraham-pitsarana no mijoro anatiny ao, ary miorina ao anivony ao ny tranon’i Davida.
Angataho, italahoy fiadanana i Siôna. Fanambinana e, mba ho amin’ny olon-tia anao rehetra. Fiadanana e, mba honina ao anaty mandanao! ka hanjaka lalandava ao anaty rovanao.
Noho ireo sakaiza maro sy ireo havako rehetra, aoka aho hilaza hoe: Fiadanana ho anao! Noho ny tranon’Izy Tompo dia ’lay Andriamanitray, tiako indrindra, ry Siôna, ny mba hiadananao.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny Tompo no mpitsara antsika, ny Tompo no Mpanjakantsika. Izy no hamonjy antsika.

Aleloia.


Evanjely Masina nosoratan’i Md. Matio

Mt. 8, 5-11


Maro ny avy any Atsinanana sy ny avy any Andrefana no ho any amin’ny Fanjakan’ny lanitra.

Tamin’izany andro izany, rahefa niditra tao Kafarnaôma i Jesoa, dia nisy kapiteny anankiray nanatona Azy ka nihanta taminy nanao hoe: “Tompo ô, marary malemy mandry any an-trano ny ankizilahiko, sady mijaly mafy dia mafy.” Ary hoy i Jesoa taminy: “Ho avy hanasitrana azy Aho.” Fa namaly ilay kapiteny nanao hoe: “Tompoko, tsy mba mendrika hidiranao ao ambanin’ny tafon-tranoko aho, fa manonòna teny iray ihany, dia ho sitrana ny ankizilahiko. Fa na dia olom-pehezina aza aho, mba mifehy miaramila ihany koa, ka raha lazaiko amin’ny iray hoe: Andeha ianao, dia mandeha izy; ary amin’ny anankiray: Avia ianao, dia avy izy, ary amin’ny ankiziko: Ataovy izao, dia manao izy.” Gaga i Jesoa nony nandre izany, ka hoy Izy tamin’izay nanaraka Azy: “Lazaiko aminareo marina tokoa fa tsy mbola nahita finoana lehibe tahaka izany Aho tamin’i Israely. Ary izany koa no ilazako aminareo fa maro ny avy any Atsinanana sy avy any Andrefana no hipetraka hiara-mihinana amin’ny fihinanam-be miaraka amin’i Abrahama sy i Isaaka, ary i Jakôba any amin’ny Fanjakan’ny lanitra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: raiso ny fanatitray nofantenana tamin’ny zava-tsoa avy aminao, ka enga anie ny vavakay mba hahasoa anay etý an-tany no sady hampahazo ny fanavotana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Prefasy: Fahatongavan’ny Tompo I


Kômonio

Salamo 105, 4-5 ; Izaia 38, 3

Avia, ry Tompo, vangio izahay; itondrao fiadanana, dia hifaly tanteraka eo anatrehanao.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Tompo; enga anie hahasoa anay ny mistery nankalazainay fa namboarinao dieny izao ho anay mivahiny eo anivon’ny zava-mandalo mba hankafizinay ny zavatry ny lanitra ary hifikiranay amin’ny harena maharitra.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0183