Sorona Masina ny Alatsinainy 26 novambra 2018

Herinandro faha-34 mandavantaona

ALATSINAINY


Tononkira fidirana

Sal. 84, 9


Hampanantena fiadanana ho an’ny vahoakany ny Tompo, ho an’ny mpivavaka aminy, ho an’ireo mampitodika ny fony any aminy.


Fangatahana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo, herezo ny sitraponay vahoakanao hikezahanay hampahavokatra ny fahasoavanao ka hahitanay fitahiana bebe kokoa avy amin’ny hatsaram-ponao.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka miaraka aminao ao amin’ny Fanahy Masina amin’ny taona rehetra mandrakizay. Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Boky Fanambarana nosoratan’i Md. Joany Apôstôly

Apok. 14, 1-3. 4b-5


Voasoratra teo an-kandrin’izy ireo ny anaran’i Kristy sy ny anaran-dRainy.

Nijery izaho Joany, ka indro nitsangana teo an-tendrombohitr’i Siôna ny Zanak’ondry; olona efatra arivo sy efatra alina sy iray hetsy no nanaraka Azy, ary voasoratra teo an-kandrin’ireo ny anarany sy ny anaran-dRainy. Dia nandre feo avy any an-danitra aho, tahaka ny firohondrohon’ny ranobe sy ny feon-kotro-baratra mafy; ary ny feony izay reko dia toy ny kônsertry ny mpitendry harpa mitendry harpa. Nihira toa hira vaovao izy ireo, teo anoloan’ny seza fiandrianana sy ny Zava-manana aina efatra ary teo anatrehan’ireo Anti-dahy; ka tsy nisy nahazo nanao izany hira izany, afa-tsy izy efatra arivo sy efatra alina sy iray hetsy ireo, izay navotana ho afaka amin’ny tany. Ireo no manaraka ny Zanak’ondry na aiza na aiza alehany. Ireo no navotana avy amin’ny olona, ho santatra ho an’Andriamanitra sy ny Zanak’ondry; ary tsy misy lainga eo am-bavan’izy ireo fa tsy manan-tsiny izy.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 23, 1-2. 3-4ab. 5-6


Fiv.: Izany no taranaka mikatsaka ny Tavanao, ry Tompo.

An’ny Tompo ny tany sy izay mameno azy, izao tontolo izao sy izay monina ao aminy. Fa Izy no nanangana azy teo ambony ranomasina, sy nanorina azy teo ambonin’ny ony!
Iza no hiakatra ny Vohitry ny Tompo? Zovy no hiorina ao amin’ny Toerany Masina? Dia izay madio tanana sy mahitsy fo, tsy mianiana tsy tò amin’ny namana!
Izy no hahazo ny tso-dranon’ny Tompo; ny fahamarinan’ilay Andriamanitra Mpamonjy azy! Izany no taranaka mitady Azy, mikatsaka ny tavanao, ry Andriamanitr’i Jakôba.


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Fanombohan’ny Bokin’i Daniely Mpaminany

Dan. 1, 1-6. 8-20


Tsy nahita tahaka an-dry Daniely sy Ananiasa, ary Misaely sy Azariasa izy ireo.

Tamin’ny taona fahatelo nanjakan’i Jôakima, mpanjakan’i Jodà, dia tonga i Nabokôdônôzôra mpanjakan’i Babilôna hamely an’i Jerosalema, ka nanao fahirano azy. Natolotry ny Tompo, ho an-tanany i Jôakima, mpanjakan’i Jodà, mbamin’ny fanaka sasany tao an-tranon’Andriamanitra, ka nentiny ireny, ho any amin’ny tany Sennaara, ao amin’ny tranon’ny andriamaniny, sady napetrany tao amin’ny firaketan’andriamaniny ny fanaka.

Nanome teny an’i Asfeneza, lehiben’ny eonokany ny mpanjaka, hitondra ny sasantsasany amin’ny zanak’i Israely izay isan’ny taranak’andriana, na izay avo razana, ny zatovo tsy misy kilema, tsara tarehy, manana talenta isan-karazany, nandia fianarana sy manan-tsaina, ary matanjaka tsara, hitoetra ao an-dapan’ny mpanjaka, sady hampianarina taratasy aman-teny Kaldeanina. Natokan’ny mpanjaka izay anjara ho azy ireo isan’andro, amin’ny hanin’ny mpanjaka sy ny divay fisotrony, mba hitoerany eo anatrehan’ny mpanjaka, rahefa nobiazina telo taona izy ireo. Anisan’ireo i Daniely, i Ananiasa, i Misaely ary i Azariasa, avy amin’ny taranak’i Jodà.

Tapa-kevitra tao am-pony i Daniely fa tsy handoto tena amin’ny hanim-pihinan’ny mpanjaka sy ny divay fisotrony; ka nangataka tamin’ny lehiben’ny eonoka izy mba tsy hanery azy handoto tena. Ary nataon’Andriamanitra nahita fitia tamin’ny lehiben’ny eonoka i Daniely. Hoy ny lehiben’ny eonoka tamin’i Daniely: “Matahotra ny mpanjaka tompoko aho, fa ny tenany no niandraikitra izay hohaninareo sy hosotroinareo; ka ahoana moa raha hahita ny tarehinareo mahia noho ny an’ireo zatovo mitovy taona aminareo? Hanao izay hanapahan’ny mpanjaka ny lohako ianareo izany.” Dia hoy i Daniely tamin’ny mpikarakara sakafo notendren’ny lehiben’ny eonoka hikarakara an’i Daniely, i Ananiasa, i Misaely sy i Azariasa: “Masìna ianao, manaova fanandramana hafoloana, aminay mpanomponao, hanin-kotrana hohanina sy rano hosotroina omena anay. Ka rahefa afaka izany, samy hojerenao ny tarehinay sy ny an’ireo zatovo mihinana amin’ny hanin’ny mpanjaka, dia araka izay ho hitanao no hataonao aminay mpanomponao.” Nekeny ny hatak’izy ireo, ka nizaha toetra azy izy hafoloana. Nony tapitra ny hafoloana, dia hita fa tsara tarehy sady matavy izy noho ireo zatovo rehetra nihinana tamin’ny hanin’ny mpanjaka. Ka dia tsy nentin’ilay mpikarakara sakafo ny hanina aman-divay tsy maintsy sotroiny, fa hanin-kotrana no nomeny azy.

Ireo zatovo ireo, dia izy efa-dahy, samy nomen’Andriamanitra fahalalana amam-pahaizana momba ny taratasy amam-pahendrena rehetra; ary i Daniely nahafantatra ny nofy amam-pahitana rehetra. Nony tonga ny fotoana voatendrin’ny mpanjaka hampidirana azy rehetra, dia nentin’ny lehiben’ny eonoka ho eo anatrehan’i Nabokôdônôzôra izy ireo. Niresaka tamin’izy rehetra ny mpanjaka, ary izy rehetra dia tsy nisy tahaka an’i Daniely, i Ananiasa, i Misaely ary i Azariasa, ka dia noraisina hanao ny fanompoana ny mpanjaka izy ireo. Tamin’ny zavatra rehetra ilam-pahalalana nanontanian’ny mpanjaka azy ireo, dia hitany fa nanan-tombo impolo heny noho ny an’ny mpahay taratasy ama-mpisikidy rehetra, teo amin’ny fanjakany manontolo, ny fahambonian’izy ireo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo: Dan. 3, 52. 53. 54. 55. 56


Fiv.: Mendrika hoderaina sy homem-boninahitra mandrakizay Ianao.

Isaorana indrindra Ianao, ry Tompo Andriamanitry ny Razana: fa mendrika dera sy laza. Isaorana mandrakizay!
Isaorana ny Anaranao, fa masina, be voninahitra: ka mendrika dera sy laza. Isaorana mandrakizay!
Isaorana indrindra Ianao, an-tempoly be voninahitra: fa mendrika dera sy laza. Isaorana mandrakizay!
Isaorana indrindra Ianao. Mahatsinjo ny halalin’ny hantsana: fa mendrika dera sy laza. Isaorana mandrakizay!
Isaorana indrindra Ianao. Mipetraka ambony Kerobima: fa mendrika dera sy laza. Isaorana mandrakizay.


Fihobiana ny Evanjely

Aleioia. Aleloia.

Misaotra Anao aho, ry Ray Tompon’ny lanitra sy ny tany, fa nambaranao tamin’ny madinika ny tsiambaratelon’ny fanjakanao.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 21, 1-4


Nahita mpitondratena mahantra nanatitra farantsa kely varahina roa tao Izy.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanopy ny masony ka nahita ny mpanan-karena nanatitra vola tao amin’ny fandatsahan-drakitra. Dia nahita mpitondra tena anankiray nanatitra farantsa kely varahina roa tao koa Izy, ka nanao hoe: “Lazaiko marina aminareo fa io mpitondratena mahantra io no nandatsaka bebe kokoa noho izy rehetra; satria ireo rehetra ireo dia nanatitra ny ambim-bavany ho an’Andriamanitra, fa io kosa, dia tamin’ny fahantrany indrindra izy no nanatitra ny fivelomana rehetra nananany.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Mba raiso, ry Tompo, ny fanatitra masina nasainao atolotra hanajana ny Anaranao ary ataovy mitandrina mandrakariva ny didinao izahay mba ho sitrakao ny fonay manolotra izao Sorona izao.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 116, 1-2

Derao ny Tompo, ry firenen-drehetra, fa aminay tsy mba lefy ny hatsaram-pony.


na hoe:

Mt. 28, 20

Indro Aho eo aminareo mandrakariva, hoy ny Tompo, ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Mihanta aminao izahay, ry Andriamanitra Andriananahary, fa sambatra nahazo anjara tamin’ny zava-masina ka aza avela hisaraka aminao na oviana na oviana.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.029