Sorona Masina ny Alahady 25 novambra 2018

ALAHADY FAHA-34 mandavantaona — B

Fankalazana manetriketrika an’i

I JESOA KRISTY MPANJAKAN’IZAO TONTOLO IZAO

AMPANJAKAO NY FAHAMARINANA SY NY FITIAVANA, DIA HO MPANJAKANTSIKA I KRISTY

Tononkira fidirana

Apôk. 5, 12; 1, 6.

Mendrika homena ny fahefana sy ny hasina fanome an’Andriamanitra ilay Zanak’ondry novonoina; Azy ny fahendrena sy ny hery omban-kaja. Ho Azy mandrakizay antaranoana anie ny voninahitra sy ny fanjakana.

 

Asiana VONINAHITRA ANIE...

 

Fangatahana

Ry Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra sy mandrakizay ô, sitrakao ny hivondronan’ny zavatra rehetra ao amin’ny Zanakao malalanao Mpanjakan’izao tontolo izao; koa mihanta aminao izahay, ry Tompo mora fo: enga anie ny voaary rehetra afaka amin’ny fanandevozan’ny fahotana tsy hitsahatra ny hanompo Anao sy hankalaza Anao Avo indrindra.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay, Izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra

VAKINTENY MASINA VOALOHANY

Bokin’i Daniely Mpaminany

Dan. 7, 13-14

Fahefana mandrakizay tsy manam-pahataperana ny fahefany.

Nijery tamin’ny fahitana amin’ny alina aho, ka indro nisy toy ny Zanak’olona tamy, teny ambonin’ny rahon’ny lanitra; nandroso Izy nankeo amin’ilay Anti-dahy, ka nentina ho eo anatrehany; dia nomena Azy ny fahefana sy ny voninahitra, amam-panjakana, ary nanompo Azy avokoa ny vahoaka amam-pirenena sy ny samihafa fiteny rehetra. Fahefana mandrakizay tsy manam-pahataperana ny fahefany, ary tsy ho levona na oviana na oviana ny Fanjakany.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Salamo fandinihana

Sal. 92, 1ab. 1d-2. 4. 5.

 

Fiv.: Manjaka ny Tompo, mitafy fiandrianana.

Manjaka ny Tompo, mitafy fiandrianana; ny Tompo mitafy sy misikina hery izao rehetra izao nataony mafy orina, tsy mba hihontsona rahoviana. Ny fiketrahanao mijoro hatrizay, Ianao moa efa hatramin’ny mandrakizay.
Tompo ô, ny ony manandratra, ny ony manandratra ny feony: Ny ony manandratra ny firohondrohony.
Mihoatra ny feon’ny rano anefa, mihoatra ny onjan-driaka marevaka: marevaka ny Tompo ao ambony ao.
Ny fiketrahanao, ry Tompo, mafy orina; ary ireo masina no an-tranonao midera Anao amin’ny taona mifandimby.

 

VAKINTENY MASINA FAHAROA

Boky Fanambaràna nosoratan’i Md. Joany Apôstôly

Apok. 1, 5-8

 

Ilay Filohan’ny mpanjakan’ny tany nanao antsika ho fanjakana ama-mpisoron’Andriamanitra.

Homba anareo anie ny fahasoavana sy ny fiadanana avy amin’i Jesoa Kristy Ilay vavolombelona mahatoky, Lahy matoa amin’ny maty, ary Filohan’ny mpanjakan’ny tany. Ho an’Ilay tia antsika anie, ka nanasa ny otantsika tamin’ny Rany, sy nanao antsika ho fanjakana ama-mpisoron’Andriamanitra Rainy, eny, ho Azy anie ny voninahitra amam-pahefana mandrakizay. Amen. Indro Izy avy, eo amin’ny rahona, ka hahita Azy ny maso rehetra, na dia ny an’ireo nandefona Azy aza; ary handòn-tratra ny firenena rehetra ambonin’ny tany amin’ny fahitana Azy. Eny. Amen. Izaho no Alfà sy Omegà, fiandohana sy fiafarana, hoy ny Tompo Andriamanitra, dia Ilay ankehitriny sy taloha ary ho avy, mahefa ny zavatra rehetra.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!

 

Fihobiana izy Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Hosoavina anie Ilay avy, amin’ny Anaran’ny Tompo, hosoavina anie ny fanjakan’i Davida Raintsika.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Joany

Jo. 18, 33b-37

Voalazanao: Mpanjaka Aho.

Tamin’izany andro izany, dia niteny tamin’i Jesoa i Pilaty nanao hoe: “Moa Mpanjakan’ny Jody va Ianao?” Jesoa namaly hoe: “Anao samy irery izany teny izany, sa an’olon-kafa nilaza Ahy taminao?” Dia namaly i Pilaty nanao hoe: “Fa izaho angaha Jody? Ny firenenao sy ny mpisoronao no nanolotra Anao tamiko, ka inona no nataonao?” Jesoa namaly hoe: “Tsy anisan’izao tontolo izao ny Fanjakako; fa raha anisan’izao tontolo izao ny Fanjakako, dia ho niady ny oloko, ka tsy ho voarain’ny Jody Aho; fa tsy anisan’izao tontolo izao ny Fanjakako”. Dia hoy i Pilaty taminy: “Koa Mpanjaka izany Ianao?” Ary novalian’i Jesoa hoe: “Efa voalazanao: Mpanjaka Aho. Teraka Aho, sy tonga taty an-tany mba hanambara ny marina, ka izay rehetra mpanaraka ny marina, dia mihaino ny feoko”.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!

 

Asiana IZAHO MINO...

 

Ranombavaky ny mpino

Ry kristianina havana, anio fankalazana an’i Kristy Mpanjakan’izao tontolo izao, Mpanjaka noho ny herin’ny fitiavany ary noho ny nahafatesany, sy ny nitsanganany ho velona; koa miaraha mangataka amin’Andriamanitra mba ho ao aminy no hanovozan’izao tontolo izao ny fahamarinana kasainy hampanjakaina eto an-tany sy hanankinany ny fiainany manontolo.

Valy: Ry Kristy ô, ry Fiainanay, henoy izahay, ry Fiainanay ô!

* Teo anatrehan’i Pilaty i Jesoa no nanambara hoe: «Tsy anisan’izao tontolo izao ny Fanjakako». Koa mivavaha ho an’ireo Pretra rehetra miandraikitra raharaha ara-nofo, mba hokendreny mandrakariva ny Fanjakana mandrakizay.
* Mety hisy olona hanararaotra fahefana hoatra an’i Pilaty ka mahavoaheloka olona tsy manan-tsiny; koa mivavaha mba tsy ho resin’ny fakàm-panahy toy izany ny mpitondra eo amin’izao tontolo izao.
* Mivavaha ho an’ireo anjakazakan’ny hafa sy ampijaIian’ny olona, ary mivavaha koa ho an’ireo mpampijaly mba samy hanaiky hanjakan’i Kristy, dia hiova endrika ny tany.
* Ny Fanjakan’i Kristy dia Fanjakan’ny fitiavana; koa mivavaha ho an’izay tsy tia antsika, mba ho voaovan’ny fitiavantsika ny fony ka hifankahazoantsika aminy.
* Mifampivavaha isika mba tsy hisy hampifangaro izay hevitra pôlitika tohanany amin’ny fitoriana ny Evanjely sy ny fiarovana ny Eglizy.

 

— Azo ampiana izay ilaina eo an-toerana sy eran-tany.

 

Ry Jesoa Tompo ô, tsy Mpanjaka araka ny fomban’ny olombelona Ianao, fa te hanjaka kosa araka ny fitiavana; koa ampio izahay tsy hanampatra hery sy fizakazakana, fa hanorina ny Fanjakanao amim-pahamarinana.

Fa Ianao velona sy manjaka mandrakizay mandrakizay. Amen.

 

Vavaka Fanolorana

Mangataka an-tanan-droa aminao izahay, ry Tompo, mba raiso izao Sorona fampihavanana ny taranak’olombelona izao, ka enga anie, ny Tenan’ny Zanakao no hampiray sy hampandry fahalemana ny firenena rehetra.

Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.

 

Prefasy: Jesoa Kristy Mpanjaka

 

Kômonio

Sal. 28, 10-11

Hipetraka hanjaka mandrakizay ny Tompo. Hitsimbina sy hampiadana ny vahoakany.

 

Vavaka aorian’ny Kômonio

Tompo ô, mihanta aminao izahay fa nahazo sakafo mahavelona mandrakizay sady tretrika mankatò ny didin’i Kristy Mpanjakan’izao tontolo izao; koa enga anie ho mendrika hiara-belona aminy mandrakizay any amin’ny Fanjakan’ny lanitra.

Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.

 

                     

© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0227