Sorona Masina ny Asabotsy 24 novambra 2018

Herinandro faha-33 mandavantaona

SABOTSY


Tononkira fidirana

Jer. 29, 11. 12. 14


Ny hevitro, hoy ny Tompo, dia hevitra hampiadana fa tsy hampahory. Hiantso Ahy ianareo ary hihaino anareo Aho: hampodìko avy any amin’ny tany rehetra ny babo aminareo.


Fangatahana

Ho faly manompo Anao mandrakariva anie izahay, ry Tompo Andriamanitra, fa mandrakizay sady feno ny hasambarana omaninao ho anay raha maharitra manompo Anao fototra iavian’ny soa rehetra izahay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Boky Fanambarana nosoratan’i Md. Joany Apôstôly

Apôk. 11, 4-12


Nampijaly ny mponina tetý ambonin’ny tany ireo mpaminany roa ireo.

Izao no nambara tamiko, izaho Joany: Indreo misy vavolombelona roa; izy ireo no fototr’ôliva roa sy fanaovan-jiro roa, izay mitsangana eo anatrehan’ny Tompon’ny tany. Ka raha misy te-hanisy ratsy azy ireo, dia hisy afo mivoaka avy any am-bavany handevona ny fahavalony, ary hovonoina toy izany avokoa izay mitady hamely azy. Manam-pahefana hanidy ny lanitra izy ireo mba tsy hilatsahan’ny ranonorana amin’ny andro haminaniany; sady manam-pahefana amin’ny rano koa izy, ka mahova azy ho ra sy hamely ny tany amin’ny loza rehetra isaky ny te-hanao izany izy. Ary rahefa vita ny fanambaràn’izy ireo, dia hiady amin’ilay Biby hiakatra avy amin’ny lavaka tsy hita noanoa, ka haharesy azy sy hahafaty azy; ary ny fatiny dia hiampatra eo an-kianjan’ny tanàna lehibe izay atao amin’ny teny an’ohatra hoe: Sôdôma sy Ejipta, eo amin’ilay namantsihana ny Tompony tamin’ny Hazofijaliana. Olona samihafa firenena sy foko sy fiteny ary fanjakana no hijery ny fatiny miampatra eo, hateloan’andro sy tapany, fa tsy havelany halevina any am-pasana izy ireo. Hifaly ny mponina etý ambonin’ny tany noho ny amin’izy ireo, hiara-miravoravo sy hifanati-javatra izy ireo, fa nampijaly ny mponina tetý an-tany ireo mpaminany roa ireo.

Nony afaka hateloana sy tapany anefa, dia nisy fanahin’aina avy amin’Andriamanitra, niditra tamin’ireo faty ireo, ka nijoro tamin’ny tongony izy, ary raiki-tahotra mafy izay nahita azy. Sady injay koa nisy feo avy any an-danitra nanao taminy hoe: “Miakara atý.” Dia niakatra any an-danitra tao anatin’ny rahona, sy teo anatrehan’ny fahavalony izy ireo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 143, 1. 2. 9-10


Fiv.: Hisaorana anie ny Tompo vatolampiko.

Isaorana ny Tompo vatolampiko, Ilay nampianatra ny tanako hamely, ny sandriko hiady!
Ilay fialofako sy toera-mafy ho ahy, fiarovana-avo ho ahy sy Mpanafaka ahy. Ilay ampinga sy aroko, mampietry vahoaka maro ho eo ambaniko!
Andriamanitra ô, hira vao no hiraiko aminao! Valiha tory folo no iantsàko Anao! Ianao Ilay manome fandresena ny Mpanjaka, sy manafaka an’i Davida mpanomponao!


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Boky voalohan’i Makabeo

1 Makab. 6, 1-13


Noho ny ratsy nataoko tany Jerosalema, dia ho faty amin’alahelo lehibe aho.

Tamin’izany andro izany, i Antiôkosa mpanjaka, nitety ireo faritany avo. Nony reny fa any Persa, any amin’i Elimaida, misy tanàna anankiray malaza amin-karena, be volafotsy sy volamena, manan-tempoly be zava-tsarobidy, misy fiadiana volamena, fiarovan-tratra, fiadiana navelan’i Aleksandra, zanak’i Filipo, mpanjakan’i Masedoàna, ilay nanjaka voalohany tamin’ny Greka, dia nankany izy, ka nitady haka sy hamabo ny tanàna, kanjo tsy nahomby izy, fa fantatr’ireo tompon-tanàna ny fikasany. Nitsangan-kiady aminy ireo, dia vaky nandositra izy, sy nihataka tamin’alahelo lehibe, hiverina ho any Babilôna.

Tamin’izay nisy iraka tonga tany Persa nilaza taminy ny faharesen’ireo miaramila niditra tamin’ny tanin’i Jodà, fa hoe: Nony nandroso nitondra tafika lehibe dia lehibe i Lisiasa, dia voatery handositra teo anoloan’ny Jody, ka ireo kosa nampitombo ny heriny tamin’ny fiadiana mbamin’ny miaramila sy ny babo azony tamin’ny tafika resy; noravany ny fahavetavetana natsangany teo ambonin’ny ôtely, tany Jerosalema, nohodidininy manda avo toy ny taloha indray ny tempoly; toy izany koa no nataony tany Betsora, anankiray amin’ny tanànany.

Raha nandre izany vaovao izany ny mpanjaka, dia azon-tahotra mafy sy notsindrian-tebiteby lozan-tany, ka nidaboka teo amin’ny fandriany, sy nandraikinararin’alahelo, fa tsy tanteraka ny faniriany. Andro maro izy teo ihany, ary nihonaka lava tamin’ny fahorian-tsainy lalina. Nony nataony fa efa antomotra ny hahafatesany, dia niantso ireo sakaizany izy, sy nilaza taminy hoe: “Ny torimaso nandao ny masoko, ary ny alahelo mandreraka ny foko, ka hoy aho anakampo: Alahelo lehibe manao ahoana itý mahazo ahy, ary hantsan-dalina manao ahoana itý nilatsahako izao? Ilay izaho tsara fo sy tiana teo amin’ny fanjakako teo iny! Tsaroako anefa izao ny ratsy nataoko tany Jerosalema fa nentiko avokoa ny fanaka volamena sy volafotsy hita tao, ary nandefa tafika aho handringana, tsy misy antony, ny mponina rehetra tany Jodà. Koa fantatro fa noho izany no niharan’izao loza izao amiko, ary indro aho ho faty amin’alahelo lehibe, atý an-tanin’olon-kafa.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 9, 2-3. 4 sy 6. 16b sy 19


Fiv.: Hifaly amin’ny famonjenao aho, Tompo!

Midera ny Tompo amin’ny foko tontolo aho, mitanisa ny asanao mahagaga rehetra, mifaly sy miravo ao aminao, miantsa ny Anaranao, ry Avo indrindra.
Rafitra mianòtra ny fahavaloko, mivena sy ringana anoloanao. Faizinao ireo firenena; aringanao ny olon-dratsy; ny anarany kosehinao ho faty mandrakizay!
Ireo firenena, lavo an-kady nohadìna; ny tongony, voasingotry ny harato nafenina! Ny mahantra kosa tsy ho hadino lalandava; ny fanantenan’ny ory tsy ho diso mandrakizay.


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny teninao, ry Tompo, dia fanahy sy fiainana; Ianao no manana ny teny mahavelona mandrakizay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 20, 27-40


Tsy mba Andriamanitry ny maty Izy fa an’ny velona.

Tamin’izany andro izany, nanatona an’i Jesoa ny sasany tamin’ny Sadoseanina, izay mandà ny fitsanganan’ny maty, ka nanontany Azy nanao hoe: “Ry Mpampianatra ô, i Môizy nanome lalàna ho antsika hoe: Raha misy lehilahy manambady ka maty momba, dia aoka ny rahalahiny hampakatra ny vadiny, mba hiteraka hamelo-maso ny rahalahiny. Koa nisy olona fito mirahalahy, ary nanambady ny zokiny, ka maty momba. Dia nanambady an-dravehivavy ny faharoa, fa maty momba koa. Nanaraka izany dia nanambady azy indray ny fahatelo, ary nanao toy izany avokoa izy fito mirahalahy, fa maty momba daholo. Farany, dia maty koa ravehivavy. Koa ho vadin’iza ravehivavy raha mby amin’ny fitsanganan’ny maty? fa efa samy nanambady azy avokoa izy fito mirahalahy.”

Dia hoy i Jesoa taminy: “Ny zanak’izao fiainana izao no mampaka-bady sy avoaka hampakarina; fa izay efa hita ho mendrika hahazo ny fiainana ho avy sy ny fitsanganan-ko velona kosa, dia tsy mba mampaka-bady, na avoaka hampakarina, ary tsy mety maty intsony izy, fa tahaka ny anjely sady zanak’Andriamanitra, satria zanaky ny fitsanganan-ko velona. Ary raha ny hoe hitsangana ny maty, dia zavatra efa nambaran’i Môizy teo amin’ilay nilazany ny Voaroy izany, fa tamin’io izy dia niantso ny Tompo hoe: ‘Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’i Isaaka ary Andriamanitr’i Jakôba.’ Koa velona eo anatrehany izy rehetra ireo, satria tsy mba Andriamanitry ny maty Izy, fa an’ny velona.”

Dia namaly ny sasany tamin’ny mpanora-dalàna ka nanao taminy hoe: “Ry Mpampianatra ô, marina ny filazanao.” Ary tsy nisy sahy nanontany Azy intsony izy ireo.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie izao Sorona atolotray eo anatrehanao avo indrindra izao hahafahanay miraiki-po aminao ary hahatongavanay any amin’ny fiainana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 72, 28

Ny ahy ny hasambarako dia eo anilan’Andriamanitra. Ny Tompo no ataoko fifefena.


na hoe:

Mk. 11, 23. 24

Lazaiko marina aminareo, hoy ny Tompo, fa na inona na inona angatahinareo amin’ny fivavahana, minoa fa ho azonareo izany, dia ho tanteraka tokoa.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Nandray ny fanomezana avy amin’ny Sorona masina izahay, ry Tompo, no mihanta aminao: enga anie ny Sorona nasain’ny Zanakao atao ho fahatsiarovana Azy hampitombo ny fitiavanay Anao.

Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0207