Sorona Masina ny Alarobia 21 novambra 2018

Herinandro faha-33 mandavantaona

ALAROBIA


Tononkira fidirana

Jer. 29, 11. 12. 14


Ny hevitro, hoy ny Tompo, dia hevitra hampiadana fa tsy hampahory. Hiantso Ahy ianareo ary hihaino anareo Aho: hampodìko avy any amin’ny tany rehetra ny babo aminareo.


Fangatahana

Ho faly manompo Anao mandrakariva anie izahay, ry Tompo Andriamanitra, fa mandrakizay sady feno ny hasambarana omaninao ho anay raha maharitra manompo Anao fototra iavian’ny soa rehetra izahay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Boky Fanambarana nosoratan’i Md. Joany Apôstôly

Apôk. 4, 1-11


Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra, izay taloha sy ankehitriny ary ho avy.

Izaho, Joany, nahita varavarana nivoha teny an-danitra; ary ilay feo voalohany efa reko, toy ny an’ny trômpetra, dia niteny tamiko hoe: “Miakara atý, fa hasehoko anao ny zavatra tsy maintsy ho avy any aoriana any.”

Niaraka tamin’izay, dia voatsindrin’ny Fanahy aho, ka indro nisy seza fiandrianana niarina tany an-danitra, ary nisy nipetraka teo ambonin’ny seza fiandrianana. Toy ny vato jaspa sy sardoana ny tarehin’Ilay nipetraka; ary voahodidina avana miendrika emeraoda ny seza fiandrianana. Nisy seza fiandrianana efatra amby roapolo nanodidina ilay seza fiandrianana anankiray, ka Anti-dahy efatra amby roapolo koa no nipetraka tambonin’ireo; fitafiana fotsy no nentiny, ary satro-boninahitra volamena no teny an-dohany. Helatra sy feo aman-kotroka no nivoaka tamin’ilay seza fiandrianana, ary fanaovan-jiro fito mirehitra no teo anoloany, dia ny Fanahy fiton’Andriamanitra izany. Nisy toa ranomasina fitaratra miendri-kristaly teo anoloan’ilay seza fiandrianana, ary Zava-manana aina efatra feno maso avokoa ny anoloany sy an-damosiny no teo afovoany sy nanodidina azy. Ilay Zava-manana aina voalohany moa toy ny liona, ny faharoa tahaka ny zanak’omby, ny fahatelo nanan-tava toy ny an’ny olona, ary ny fahefatra sahala amin’ny voromahery manidina. Samy manana elatra enina avy ireo Zava-manana aina efatra ireo, feno maso manodidina ny tenany sy ny tao anatiny, ary tsy nitsahatra izy ireo, fa nilaza andro aman’alina hoe: “Masina, masina, masina, ny Tompo Andriamanitra, mahefa ny zavatra rehetra, izay taloha sy ankehitriny ary ho avy!”

Nony injay ireo Zava-manana aina manome haja amam-boninahitra sy saotra an’Ilay mipetraka eo ambonin’ny seza fiandrianana sy velona mandrakizay mandrakizay, ireo Anti-dahy efatra amby roapolo kosa dia miankohoka eo anoloan’Ilay mipetraka amin’ny seza fiandrianana koa, sy mitsaoka an’Ilay velona mandrakizay mandrakizay, ary manipy ny satro-boninahiny eo anoloan’ny seza fiandrianany, ka manao hoe: “Ianao, ry Tomponay sy Andriamanitray, no mendrika handray ny haja amam-boninahitra ary fahefana, fa Ianao no nahary ny zavatra rehetra, ary noho ny sitraponao ihany no nisiany sy naha-ary azy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 150, 1-2. 3-4. 5-6.


Fiv.: Masina, masina, masina ny Tompo Andriamanitra mahefa ny zavatra rehetra.

Derao Andriamanitra any an-toerany masina! Derao Izy any amin’ny habakabany mahery! Derao Izy noho ny fahefany tsy toha! Derao Izy noho ny halehibeny diso hoatra!
Derao Izy amim-peon’anjomara! Derao Izy amim-baliha sy lokanga! Derao Izy amin’amponga sy dihy! Derao Izy amin’ny jejy sy sodina!
Derao Izy amin-kipantso-mikarantsana! Derao Izy amin-kipantsom-pamindrana! Ny manana aina rehetra aoka hidera ny Tompo!


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Boky Faharoan’i Makabeo

2 Makabeo 7, 1. 20-31


Mbola hamerina aminareo ny fanahy amam-piainana Ilay Mpahary izao tontolo izao.

Tamin’izany andro izany, dia nisy olona fito mirahalahy, nosamborina miaraka amin-dreniny; ary notadiavin’ny mpanjaka hoterena hihinan-kena kisoa, noraràn’ny lalàna, izy ireo, ka nokapohina natao hoto tamin’ny kotopia aman-kozatr’omby. Mahagaga mihoatra izay azo lazaina sy mendrika fahatsiarovana manehoeho ilay reniny, fa nahita ireto zanany fito mirahalahy maty tanatin’ny indray andro monja; nefa notohanan’ny fanantenana ao amin’ny Tompo izy dia nahazaka izany tamin-kerim-po.

Samy namporisihiny tsirairay avy izy ireo tamin’ny fitenin-drazany ary feno hevitra mendrika indrindra izy, ka ny halemem-behivavy tao aminy, dia notohanany herim-pon-dehilahy. Dia hoy izy tamin’izy ireo: “Tsy fantatro izay nisehoanareo tao an-kiboko; tsy izaho no nanome fanahy amam-piainana anareo; tsy izaho no nanambatra ny foto-javatra iforonan’ny vatanareo. Noho izany, ny Mpahary izao tontolo izao, izay namorona ny olombelona hatramin’ny nahaterahany, sy mandahatra ny fiavian’ny zavatra rehetra, dia mbola hamerina aminareo ny fanahy amam-piainana, noho ny famindram-pony, satria noho ny fitiavanareo ny lalàny no anaovanareo tsy ho zavatra ny tenanareo ankehitriny.”

Nataon’i Antiôkosa fa tsiratsiraina izy, ary noheveriny ho fanazimbana azy ireo teny ireo. Raha mbola velona ihany ilay faralahy, dia sady namporisihiny io no nampanantenainy tamim-pianianana, fa hataony tonga sambatra sy manan-karena raha mahafoy ny lalàn’ny razany, dia horaisiny ho sakaiza ary homeny raharaha ambony. Tsy nasian-drazazalahy raharaha akory anefa ireo fanolorana ireo; ka ny reniny no nantsoin’ny mpanjaka sy nasainy nanome hevitra mahavonjy an’itý zatovo. Namporisihiny ela ravehivavy vao nanaiky hitaona an-janany. Nihilana teo aminy izy no sady nanaraby an’itsy mpanjaka masiaka, ka dia niteny tamin’ny fitenin-drazany hoe: “Mamindrà fo amiko, anaka, izaho nitondra anao sivy volana tato an-kiboko, nampinono anao telo taona, nikarakara anao, namelona sy nanabe anao hatramin’izao taonanao izao. Ka mihanta aminao aho, jereo ny lanitra sy ny tany, diniho izay rehetra ao aminy, ary fantaro fa Andriamanitra no nahary izany tamin’ny tsinontsinona, ary toy izany no nahazoan’ny taranak’olombelona fisiana. Aza matahotra itý mpamono, mbà mendrika an’ireo rahalahinao, ka ekeo ny ho faty mba hahitako anao miaraka amin’ny rahalahinao, raha mby amin’ny andron’ny famindram-po.” Mbola miteny eo izy, dia hoy razazalahy: “Fa inona no andrasanareo? Tsy ekeko ny didin’ny mpanjaka, ny didin’ny lalàna nomen’i Môizy ny razanay no ekeko. Ary ianao izay fototr’izao loza rehetra mamely ny Hebrio izao, dia tsy ho afa-mandositra ny sandrin’Andriamanitra.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 16, 1. 5-6. 8 sy 15


Fiv.: Ho voky aho, fa miseho ny voninahitrao, ry Tompo.

Henoy ny antsoko, ry Tompo! Mandrenesa ny tarainako! Mampandria sofina amin’ny tonom-bavako, izay tsy avy amin’ny molotra mpamitaka.
Mikiry mamindra amin’ny soritrao aho, ka tsy mamela ny tongotro hivily. Miantso aho, ka valio Andriamanitra: anongilano sofina, henoy teny.
Ambeno toy ny anakandriamaso aho; afeno aho ao amin’ny aloky ny elatrao. Izaho noho ny fahamarinako, hibanjina ny tavanao, hivoky amin’ny endrikao raha mifoha!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Raiso ny tenin’Andriamanitra, tsy ho toy ny tenin’olombelona anefa, fa araka ny marina tokoa, ho tenin’Andriamanitra.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 19, 11-28


Nahoana no tsy napetrakao tany amin’ny banky ny volako.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa nanao itý fanoharana itý, fa efa akaiky an’i Jerosalema Izy, ary nataon’ny olona fa ny fanjakan’Andriamanitra hiseho miaraka amin’izay, ka hoy Izy: “Nisy andriandahy anankiray nankany an-tany lavitra mba handray fanjakana, dia mbola hiverina. Dia niantso folo lahy tamin’ny mpanompony izy ka nanome azy mina folo ary nanao taminy hoe: ‘Ampitomboy ireny mandrapiveriko.’ Fa nankahala azy kosa ny vahoaka iray tanindrazana aminy ka nampitondra teny nanaraka azy nanao hoe: ‘Tsy tianay hanjaka aminay iny lehilahy iny.’

Nony nahazo fanjakana izy, ka tafaverina, dia nampaka ny mpanompo nomeny vola mba hahitany izay tombony azony avy. Dia tonga ny voalohany ka nanao hoe: ‘Tompoko, nahazoana mina folo ny mina iray.’ Ary hoy izy taminy: ‘Tsara izany, ry mpanompo tsara, noho ianao nahatoky tamin’ny kely, dia hifehy tanàna folo ianao.’ Dia tonga koa ny faharoa ka nanao hoe: ‘Tompoko, nahazoana mina dimy ny mina iray.’ Ary hoy izy taminy: ‘Hifehy tanàna dimy koa ianao.’ Fa tonga kosa ny anankiray ka nanao hoe: ‘Tompoko, indro ny minanao, fa notahiriziko tao anaty lamba; satria natahotra anao aho, noho ianao lehilahy sarotiny ka maka izay tsy napetrakao sy mijinja izay tsy nafafinao.’ Dia hoy ilay mpanjaka taminy: ‘Azoko amin’ny vavanao ianao, ry mpanompo ratsy fanahy; fantatrao fa olona sarotiny aho ka maka izay tsy napetrako, ary mijinja izay tsy nafafiko; koa nahoana àry no tsy napetrakao tany amin’ny banky ny volako mba handraisako azy mban-janany rahefa tafaverina aho?’ Dia izao no nataony tamin’izay teo: ‘Alao ny minany eny aminy ka omeo an’ilay manana folo.’ Fa hoy ireo taminy: ‘Tompoko, efa manana mina folo izy.’ ‘Lazaiko aminareo fa izay manana no homena; fa izay tsy manana kosa dia halaina mbamin’izay ananany aza. Ary ireo fahavaloko tsy nety hanjakako ireo kosa dia ento atý, ka vonoy eto anatrehako.’” Rahefa niteny izany i Jesoa, dia nandeha nialoha hiakatra any Jerosalema.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie izao Sorona atolotray eo anatrehanao avo indrindra izao hahafahanay miraiki-po aminao ary hahatongavanay any amin’ny fiainana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 72, 28

Ny ahy ny hasambarako dia eo anilan’Andriamanitra. Ny Tompo no ataoko fifefena.


na hoe:

Mk. 11, 23. 24

Lazaiko marina aminareo, hoy ny Tompo, fa na inona na inona angatahinareo amin’ny fivavahana, minoa fa ho azonareo izany, dia ho tanteraka tokoa.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Nandray ny fanomezana avy amin’ny Sorona masina izahay, ry Tompo, no mihanta aminao: enga anie ny Sorona nasain’ny Zanakao atao ho fahatsiarovana Azy hampitombo ny fitiavanay Anao.

Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.078