Sorona Masina ny Talata 20 novambra 2018

Herinandro faha-33 mandavantaona

TALATA


Tononkira fidirana

Jer. 29, 11. 12. 14


Ny hevitro, hoy ny Tompo, dia hevitra hampiadana fa tsy hampahory. Hiantso Ahy ianareo ary hihaino anareo Aho: hampodìko avy any amin’ny tany rehetra ny babo aminareo.


Fangatahana

Ho faly manompo Anao mandrakariva anie izahay, ry Tompo Andriamanitra, fa mandrakizay sady feno ny hasambarana omaninao ho anay raha maharitra manompo Anao fototra iavian’ny soa rehetra izahay.

Amin’ny alalan’i Jesoa Kristy Zanakao Tomponay izay Andriamanitra velona sy manjaka... Amen.

Fankalazana ny tenin’Andriamanitra


Vakinteny voalohany - Taona ankasa

Boky Fanambarana nosoratan’i Md. Joany Apôstôly

Apôk. 3, 1-6. 14-22


Raha misy mamoha varavarana Ahy, dia hiditra ao aminy Aho, dia hiara-misakafo aminy.

Izaho, Joany, naheno ny Tompo nilaza tamiko hoe: “Ho an’ny Anjelin’ny Eglizin’i Sarda: Izao no lazain’Ilay manana ny Fanahy fiton’Andriamanitra sy ny kintana fito: Fantatro ny asanao; malaza hoe velona ianao, nefa maty. Miambena ary hamafiso ny sisa efa ho faty. Hitako fa tsy lavorary eo anatrehan’Andriamanitra ny asanao. Koa tsarovy ny fampianarana noraisinao sy nohenoinao, dia tano izany, ka mibebaha. Fa raha tsy miambina ianao, dia ho avy ao aminao toy ny mpangalatra Aho, ka tsy ho fantatrao izay ora hiaviako ao aminao. Misy olona vitsy tsy nandoto ny fitafiany anefa atý aminao atý Sarda, ka ireo dia hiara-mandeha amiko mitafy lamba fotsy, satria mendrika. Izay handresy dia hampitafiana lamba fotsy toy izany koa; ary tsy hamono ny anarany ao amin’ny bokin’ny fiainana Aho, fa hankalaza ny anarany eo anatrehan’ny Raiko, sy eo anatrehan’ny Anjeliny. Izay manan-tsofina aoka hihaino ny lazain’ny Fanahy amin’ny Eglizy.

Manorata koa ho an’ny Anjelin’ny Eglizin’i Laôdisea: Izao no lazain’ny Amen, ilay Vavolombelona mahatoky sy marina, Fototry ny zava-boaarin’Andriamanitra: Fantatro ny asanao: tsy mangatsiaka na mafana ianao: nefa aleo mangatsiaka na mafana ianao; fa noho ianao matimaty, na hoe tsy mangatsiaka tsy mafana, dia efa haloan’ny vavako ianao. Ianao mihambo hoe: mpanan-karena aho, nahazo fananam-be, tsy manan-java-mahory aho; kanjo tsy fantatrao, fa ianao dia olona ory, fadiranovana, mahantra, jamba, ary mitanjaka aza. Koa manoro hevitra anao aho mba hividy amiko volamena voadio tamin’ny afo, dia hanan-karena ianao: sy fitafiana fotsy hitafianao, mba tsy hisehoan’ny henatrao noho ny fitanjahanao; ary ody maso hahosotrao ny masonao, dia hahiratra ianao.

Izay rehetra tiako no anariko sy faiziko; mazotoa àry, ka mibebaha. Indro, mitsangana eo am-baravarana Aho, sady mandondòna; ka raha misy mihaino ny feoko, sy mamoha ny varavarana, dia hiditra ao aminy Aho, ka hiara-misakafo aminy, ary izy hiaraka amiko. Izay handresy dia hasaiko miara-mipetraka amiko eo amin’ny seza fiandrianako; toa Ahy nandresy koa, ka miara-mipetraka amin’ny Raiko, eo amin’ny seza fiandrianany. Izay manan-tsofina aoka hihaino ny lazain’ny Fanahy amin’ny Eglizy.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 14, 2-3ab. 3de-4ab. 5.


Fiv.: Izay handresy, dia hasaiko miara-mipetraka amiko eo amin’ny seza fiandrianako.

Mandresy izay mizotra tsy aman-tsiny sy mitandro ny rariny: milaza izay tena ao am-po, tsy mamela ny lela haniasia.
Tsy manisy ratsy ny namana na manebaka ny miara-monina; ny manao ny olo-meloka ho zavatra, fa manaja izay matahotra ny Tompo.
Tsy mampanàna vola, na mandray kolikoly hahavoa ny madio. Izay manao izany tsy hihontsona mandrakizay.


Vakinteny voalohany - Taona tsy ankasa

Boky Faharoan’i Makabeo

Makabeo 6, 18-31


Ohatra ambony no havelako raha hiatrika ny fahafatesana amin-kerim-po noho ny lalàna mendrika hohajaina aho.

Tamin’izany andro izany, i Eleazara iray amin’ireo mpampiana-dalàna ambony, izay lehilahy efa nandroso taona, sy niendrik’andriana indrindra, dia nosokafana an-keriny ny vavany noterena hihinan-kena kisoa. Kanefa naleony maty be voninahitra toy izay velona ho olo-meloka; naloany ny hena, dia nandroso an-tsitrapo ho any amin’ny fampijaliana izy; toy ny tsy maintsy androsoan’izay manan-kerim-po handoa ny voarara tsy hohanina, noho ny fitiavana ny aina. Nifankahazo tamin’i Eleazara hatra ny ela kosa ireo voatendry hitarika izany fisoronana manohitra ny lalàna izany, ka nalainy mangingina izy, novokisany hampaka hena azo hanina sy nandrahoin’ny tenany ihany ary hody hihinana ny hena natao sorona, araka ny nandidian’ny mpanjaka; satria rahefa vitany izany, dia ho afaka amin’ny fahafatesana izy, ka hahita soa amin’ny famindram-po ataon’izy ireo noho ny fisakaizany taminy efa ela be. Fa izy kosa nandinidinika tamim-pahendrena, araka izay nety, ny taonany sy ny fanajana ambony tandrifin’ny fahanterany, ampian’ny volony fotsy be voninahitra sy toe-piainana mendrika indrindra narahiny hatramin’ny fahazazana, ary indrindra ny lalàna masina naorin’Andriamanitra mihitsy; ka noho izany ny handefasana azy haingana any amin’ny fonenan’ny maty, no navaliny.

Hoy izy: “Tsy mety tokoa, raha olona be taona toa anay izao no hoe manafin-kevitra; fandrao dia heverin’ny zatovo maro fa nanaraka ny fombam-pirenen-kafa tokoa i Eleazara nony efa sivifolo taona. Amin’izany izy ireo, noho ny fanafenako hevitra, sy noho ny sisam-piaina-mandalo, dia ho diso lalana; ka ho voatototra henatra amam-pahafaham-baraka ny fahanterako. Ary na ho afaka amin’ny sazin’olombelona fe ankehitriny aza aho; tsy ho afa-mandositra ny tanan’Ilay mahefa ny zavatra rehetra, na velona aho na maty. Noho izany, raha amin-kerim-po no handaozako itý fiainana itý ankehitriny, dia hiseho ho mendrika ny fahanterako ahay, ary ohatra ambony no havelako harahin’ny tanora amin’ny fahafatesana antsitrapo sy amin-kerim-po noho ny lalàna mendrika hohajaina sy masina.” Vao avy niteny izany izy, dia nizotra nankao amin’ny fiasana famonoana. Noheverin’izay nitondra azy hankeny ho hadalàna ny teny vao notononiny, ka novany ho halozana ny fitiavany azy vao nasehony taminy teo.

Nony efa ho fatin’ny kapoka izy, dia nisento nanao hoe: “Ny Tompo manana ny fahalalana masina no mahita fa rahefa afa-mandositra ny fahafatesana ihany aho, dia miaritra fampijalijaliana mafy amin’ny nofoko asiana ny langilangy, fa amin’ny fanahiko kosa, mandefitra izany an-kafaliana noho ny fanajako azy.” Toy izany no namoizany ny aina ka ny fahafatesany nataony tonga oha-kerim-po sy tsangam-baton’ny hatsaram-panahy, tsy ho an’ny tanora ihany, fa ho an’ny vahoaka rehetra koa.

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Hisaorana anie Andriamanitra!


Setriny

Salamo 3, 2-3. 4-5. 6-7


Fiv.: Manohana ahy ny Tompo.

Tompo ô! drey itý hamaroan’ny rafiko sy ireo mitsangan-kanohitra ahy, sy ireo mikendry ny aiko: fa tsy vonjen’Andriamanitra, hono, aho!
Kanjo Ianao, ry Tompo, no Mpanao soa ahy. Voninahitro, Mpanatràka ny lohako! Izaho niantso ka niantso ny Tompo: Izy nanoina tany am-Bohiny Masina!
Izaho mandry, dia matory, dia mifoha: fa ny Tompo manohana ahy! Tsy atahorako izay vahoaka alinalina manemitra ahy hatraiza hatraiza!


Fihobiana ny Evanjely

Aleloia. Aleloia.

Ny teninao, ry Tompo, no fahamarinana. Ankamasino amin’ny fahamarinana izahay.

Aleloia.

Evanjely Masina nosoratan’i Md. Lioka

Lk. 19, 1-10


Hitady sy hamonjy ny very no nahatogavan’ny Zanak’o!ona.

Tamin’izany andro izany, i Jesoa, rahefa niditra tao Jerikao, dia namaky ny tanàna. Ary indro nisy lehilahy anankiray atao hoe i Zake, lehiben’ny poblikanina sady mpanan-karena, nitady hahita an’i Jesoa mba hahalala Azy, fa tsy afaka noho ny habetsahan’ny olona, satria fohy izy. Koa nihazakazaka nialoha izy, dia nianika amontana anankiray hitazana Azy, fa eo no handalovany. Nony mby teo i Jesoa dia niandrandra ka nahita azy, ary nanao taminy hoe: “Ry Zake, midina haingana, fa tsy maintsy hiantrano ao aminao Aho anio.” Dia nidina haingana izy ka nandray Azy tamin-kafaliana. Ary nony nahita izany ny olona, dia nimonomonona nanao hoe: “Lasa niditra any an-tranon’ny mpanota Izy.” Fa i Zake kosa nijoro nanao tamin’ny Tompo hoe: “Tompoko, indro ny antsasaky ny fananako omeko ny mahantra, ary raha misy zavatr’olona nalaiko tsy an-drariny dia honerako inefatra hoatra azy.” Dia hoy i Jesoa taminy: “Tonga amin’itý trano itý androany ny famonjena, satria zanak’i Abrahama koa itý lehilahy itý, fa ny hitady sy hamonjy ny very no nahatongavan’ny Zanak’Olona.”

— Izany àry ny tenin’ny Tompo. — Dera anie ho Anao, ry Kristy!


Vavaka Fanolorana

Mihanta aminao izahay, ry Tompo: enga anie izao Sorona atolotray eo anatrehanao avo indrindra izao hahafahanay miraiki-po aminao ary hahatongavanay any amin’ny fiainana mandrakizay.

Amin’ny alalan’i Kristy Tomponay. Amen.


Kômonio

Sal. 72, 28

Ny ahy ny hasambarako dia eo anilan’Andriamanitra. Ny Tompo no ataoko fifefena.


na hoe:

Mk. 11, 23. 24

Lazaiko marina aminareo, hoy ny Tompo, fa na inona na inona angatahinareo amin’ny fivavahana, minoa fa ho azonareo izany, dia ho tanteraka tokoa.


Vavaka aorian’ny Kômonio

Nandray ny fanomezana avy amin’ny Sorona masina izahay, ry Tompo, no mihanta aminao: enga anie ny Sorona nasain’ny Zanakao atao ho fahatsiarovana Azy hampitombo ny fitiavanay Anao.

Fa Izy velona sy manjaka amin’ny taona mandrakizay. Amen.



© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.11